CAN 2008 any Ghana!

1. ronaldo09 ( 21/01/2008 11:34)
Dia nanomboka omaly iny ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny taranja baolina kitra ,omaly no niaka-tsehatra ny avy ao amin'ny sokajy A ,nahitana an'i Ghana mpampiatrano sy i Guinee ,teo amin'ny fizaram-potoana voalohany dia nanjaka tanteraka ny tompotrano ary ny tsatokazo no nanampy ny Gineana satria in-telo no nidona teny baolina ,i Essien ,Assamoah, ary i Agogo no tena nanahirana ireo vodilaharana ,tetsy andaniny dia nanary baolina sy nanao hadisoana ry Balde sy ry Feyndouno ary ry Bangoura...
Fizaram-potoana faharoa vao tena niady ny lalao ,ary teo amin'ny minitra faha 54 no nahazo penalty azo lazaina ho tsy ara-drariny ry zareo Ganeanina satria taty ivelan'ny faritra no nianjera i Agogo ...1 no ho aotra ny lalao teo.Tsy nanaiky ho lembenana anefa ry Feyndouno ary noporofoiny teo amin'ny minitra faha 64 fa tsy azo ambaniana ry zareo ,i Kalabane no mpampidi-baolina tamin'ity....Teo vao nifamali-bontana ny fanafihana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ary teo amin'ny minitra faha 90-ny fe-potoana ara-dalana no nahafady baolina i Muntari tamin'ny alalan'ny frappe chirurgicale. 2 no ho 1 Nandresy i Ghana .
Anio kosa no hiakatsehatra i Maroc sy Namibie(groupe A),Nigeria sy Cote d'Ivoire (groupe B) ary i Mali sy Benin (groupeB)
Araho ary ny CAN 2008 ary mazotoa mijery daholo!!!
novalian'i ronaldo09 ny 15/02/2008 21:12
2. Mandefitra ( 21/01/2008 12:52)
Ho hita eo zay adin ny ekipan i drogba androany.Mafimafy ihany ny nigeriana mantsy, sady cote d'ivoire zao no favoris ... afaka maka lesona avy hatrany barea
3. Ralay ( 21/01/2008 14:30)
Tena ambony tokoa ny niveau-n'ny CAN @ity indray mitoraka ity ka izay mahazo eo dia tena mazana tokoa.
Matetika ny mpampiantrano no favori.
4. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:13)
mitovy hevitr@ @ ralay, na tsy mahay kitra mihitsy aza
5. Mandefitra ( 23/01/2008 05:23)
COte d'ivoire 1(kalou) # 0 Nigeria
Egypte 4 (2zidan) # 2 Cameroun (Eto)
Ireo no match hitako, mbola azo vinavinaina ny hanaovan'i CIV sy Egypte finale
6. Ralay ( 23/01/2008 09:39)
Ho betsaka indray ny zoera afikanina no hilalao aty europa rehefa vita ny CAN fa maro ny recruteurs mitsirika mpilalao lasa any.
7. baraingo ( 28/01/2008 08:26)
ary mba aiza oah BAREA e!!!
8. ronaldo09 ( 28/01/2008 09:40)
Anio no hanomboka ny lalao fahatelo ho an'ny tsirairay isaky ny gropy ary azo lazaina ho tstsori-mamba isarahana satria ny anio no manomboka ho fantatra ireo ekipa roa isaky ny gropy ho tafakatra amin'ny lalao ampahefadalana!
Goupe A
Ato amin'ity gropy ity dia tsara toerana aloha hatramizao i Ghana fandresena roa ary baolina telo no tafidiny ary iray kosa no niditra tao aminy ,isa 6 no azy!I Maroc no faharoa manana isa telo nandresy indray mandeha ary resy indray ,baolina 7 no tafidiny ary 3 no niditra tao aminy !Fahatelo i Guinee manana isa 3 ,baolina 4 no tafidiny ary 3 no niditra !Farany i Namibie baolina 6 no niditra tao aminy ary iray monja no mba tafidiny ,resy indroa t@ ireo lalao roa nataony!Ato amin'ity gropy ity anefa mbola sarotra ny fanapahana hoe iza no ho tafakatra ary iza no hihintsana satria samy mbola manana vintana daholo ny rehetra :Raha mandresy an'i Ghana i Maroc anio dia hanana isa 6 ,hijanona ho isa 6 koa ny an'i ghana ,etsy akilany raha mandresy an'i Namibie i Guinee dia hanana isa 6 ,zany hoe mitovy isa i Maroc ,Guinee ary i Ghana ary eo no atao ny kajikajy ka izay be baolina nampidirana no miakatra ary mety hanatombo ny Marokana amizay!Raha toa ary ka i Ghana mandresy an'i Maroc dia hanana isa 9 ry zareo Ghaneana ,mijanona isa 3 ny Marokana ary etsy akilany i Namibie mandresy an'i Guinee hanana isa 3 koa ry zareo namibianina ary hijanona ho isa 3 ry zareo Guineanina ary amizay dia hitovy ny isa azon'i Guinee ,Maroc ,Namibie....satria samy hanana isa 3 avy ary eo indray no handeha ny kajikajy rehetra....ka izay be baolina nampidirina sy tsy nidiram-baolina betsaka no hiakatra!
Io izany no fanadihadiana azo atao ato amin'ity gropy A izay hiaka-tsehatra anio ity koa mazotoa mijery baolina daholo....
9. Mandefitra ( 29/01/2008 11:12)
Resy Maroc, (0-2 Ghana), ary de raraka.
Hatreto aloha ny pronostic de CIV#egypte hatrany
10. ronaldo09 ( 29/01/2008 20:50)
Mahery ry zareo Ivoariana fa dia nomontsaniny tamin'ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny Malianina ,tafakatra i Nigeria ary i Ghana no miandry azy ,i Cote d'ivoire koa mazava ho azy ka ny Gineana no andrasany !
Andrasana indray ny hafitsoky ny ao amin'ny gropy C sy D rahampitso sy rahafakampitso!
11. ikaretsaka ( 29/01/2008 21:08)
iza aby ny any @ izany groupe izany:(
(azafady ronaldo fa zahay tsy kopy ninoninona mihitsy dia tratra ramose dia anontaniana e)
12. ronaldo09 ( 30/01/2008 12:21)
Ao amin'ny gropy C dia ahitana an'i Egypt izay efa tafakatra ary manana isa 6,i Zambia manana isa 3 ,i Cameroune manana isa 3 ary i Soudan izay efa raraka .I Egypt efa tafakatra ary raha mandresy eo dia hivoaka voalohany ato am'ity gropy ity androany ry zareo no hihaona amin'i Zambia ,iCameroune sy i Soudan kosa no hifampitana .Tsetsatsetra tsy aritra ihany no ilazana fa mbola samy manana vintana hiakarana ny 3 tonta dia i Zambia ,Egypt ary i Cameroun :Raha toa mantsy ka mandresy i Zambia dia hanana isa 6 raha mandresy koa i Cameroun dia isa 6 i Egypt moa raha resin'i Zambia dia hijanona isa 6 ary eo no hatao ny kajikajy rehetra!
Gropy D dia i Tunisie,Afrique du sud ary i Senegal sy Angola ireo no hiakatra rahampitso ,manatombo i Angola sy Tunisie satria ady sahala sy samy nandresy indray mandeha nefa na izany rahampitso no hahafantaran-tsika azy!
Dia mazotoa mijery baolina ary o!
13. ikaretsaka ( 30/01/2008 13:58)
misaotra nizara ry ronaldo an...
ny anay ny mahaliana azy dia tsy @ maha kitra azy (tsisy atokona raha io taranja io) fa @ maha afrikanina azy
14. Mandefitra ( 31/01/2008 08:44)
Resin i Cameroun 3 sy 0 i Soudan (2 eto'o) ... ary dia i Egypte (zay nanao sahala t@ zambia) sy Cameroun no tafakatra ao @ Groupe C.
15. ronaldo09 ( 03/02/2008 20:21)
Nafakatra amin'ny ankatoky ny famaranana i Ghana mpampiantrano rehefa avy nanilika an'i Nigeria t@ isa 2-1 ,i Yakubu no mpampidi-baolin'i Nigeria ary i Essien sy Agogo kosa no an-dry zareo Ghaneana ,marihana fa nilalao 10 i Ghana nanomboka teo @ minitra faha 63 taorian'ny hadisoana nataon'ny Mensah kapiteny !
Andrasana izao i Cote d'Ivoire sy Guinee!!!!
16. Mandefitra ( 04/02/2008 09:52)
CIV 5 # Guinee 0 ...
lasa alohan'ny fotoana le finale CIV # egypte satria hihaona sahady @ demi-finale ry zalahy. De aleoko maka cote d'ivoire ...
17. ravatorano ( 04/02/2008 10:20)
za zany maka ghana na cameroun amin'io can 2008 io e !
asa anefa fa ny boll boribory ka eo ampijerevana tv za mahita izy :wink:
tena tataka be mihitsy içlay guinée kle sady tsy niady koa ny boll tamin'ny deuxieme mi temps fa ohatran'ny hoe CDI rery no teo ambony kianja:x
18. ronaldo09 ( 04/02/2008 12:50)
Tena ity no valiafaty ho an-dry zareo Ivoriana satria araka ny tenin'i Zokora sy Dindane talohan'ny fanombohan'ny CAN dia mafy tamin-dry zareo ny faharesena azony tany Egypt ,ny baolina koa anefa boribory ka aza tsinontsinoavina ny Angolais fa afaka manao fahagagana tampoka fa na izany aza raha eo ambony latabatra dia ny Pharaons no Favo e!
I Cameroun zany zokibe ravatorano tsy mankaiza fa mody any Yaounde androany ary ny Tonizianina no mandresy azy anio ,tsy haiko hoe firy sy firy fa mody aloha ry Eto'o androany !!!
Ny ahy dia i Ghana sy Cote d'Ivoire no manao ny lalao famaranana fa ny handrombaka azy no mbola tsy azo asian-teny eto !!!
19. ronaldo09 ( 04/02/2008 23:05)
Camerou-Ghana ary Cote d'Ivoire sy Egypt ireo no ekipa efatra tafakatra @ manasa-dalana
20. ikaretsaka ( 04/02/2008 23:40)
misaotra nizara.. indrindra ho anay tsy misy atokona @ resaka kitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5922