TENA MIFONA MANDADY!!!!!!(SUITE)

41. tsiambaratelo ( 16/03/2008 10:29)
Manao ahoana daholo ndray ary é!

Nandray ny Consul vaovao izahay tamin'ny alahady 09mars 2008 lasa teo.

-Nahafinaritra ny fandraisana.

-Ny Malagasy koa dia hita fa samy liana
sy tsindrin-daona ny hifankahita mivantana
Taminy.

-Miantsoa hoy izy raha misy ny manana olana.

-naverina nomena ireo malagasy maro be tonga tao
ny Adresse sy ny laharan'ny antso an-taroby.

-Nahafinartra ny fahaizan'ireo malagasy namana
niray hina sy niara-niasa,teo amin'ny fanomanana
rehetra,Ny fizarana groups tamin'ny fikarakarana
ny sakafo sy ny zava-pisotro,ny efitrano malalaka
ny fanaingona sy ny fandaminana rehatra.

-Mahay mifankatia ihany le Malagasy na eo aza ny
ny olanolana madinidinika hita eny antsefatsefany
eny,ny fihaonana lehibe toy ireny no hijerena
taratra azy.

-Maro be koa anefa ireo zay tsy afaka,nohon'ny
zava-misy,sy ny tsy fahafahana mivoaka,io dia miankina @ sentiments ny mpampiasa tsirairay.
tao koa ireo tsy tratra antso satria na ny fisiany eto,na ny toerana hiasany ,na ny mpampiasany dia tsy
fantatra.Efa nisy invitation zay nozaraina hoan'ny
mpampiasan'ireo namana malagasy zay tratra antso!!!



tena betsaka marina ny Malagasy eto liban,tena
endrika vaovao be daholo no tonga tao,na tsy
nifankahalala anarana aza dia samy faly,tsiky mari-
na dia ampy.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2314