fomba fivavaka

1. dokotany ( 19/01/2008 09:34)
Raha ny fahalalako azy, ny hevitry ny teny hoe mivavaka = mangataka amin'Atra.
Voalaza ao amin'ny Baiboly fa izay mangataka no mahazo. Noho izany, normal ny mpino rehetra raha mangataka ho azy na mivavaka hoan'ny tenany.
Fa ilay olona mivavaka hoan'ny hafa (... ampio ny mahantra, ....omeo sakafo ny noana, .... sitrano ny marary .....), tsy hoatra ny hoe mampatsiahy an'Atra ny tokony ho hataony ve ?
Azon-tsika atao ve anefa izany mampatsiahy an'Atra izany ?
novalian'i LazaDaddy ny 06/02/2008 23:48
2. xxx ( 19/01/2008 10:33)
Hevitra tena tsara .. fa misy fahabangana anefa..
Ny mivavaka tsy de hoa mangataka amin' A/tra ihany .. ary ny mangataka hoan' ny hafa de fomba iray anehoana ny fanajana ny tenin'i Jesoa hoe : mifankatiava , satria maneho ny fitiavana ny firariana ny soa hoan' ny hafa ..... O K
3. Rasiligaoma ( 19/01/2008 17:00)
enAzo atao ka..
ao anaty baiboly miverina imbetsaka ny teny hoe "tsarovy ry Tompo"
4. tafita ( 19/01/2008 21:10)
Aiza ao anaty Baiboly indray izany " tsarovy ry Tompo " izany eee
5. ikaretsaka ( 19/01/2008 21:16)
ao @ salamo ao misy an'izay.. 73 izy izay na 74!
fa za tsy mpitsimpona fa miandry ilay mpitsimpona!

6. xxx ( 19/01/2008 22:16)
Ikaretsaka>
ao @ salamo ao misy an'izay.. 73 izy izay na 74!
fa za tsy mpitsimpona fa miandry ilay mpitsimpona!


Tsy aleo ve asina precision ny zavatra lazaina na izany aza e.

sa te hiseho hoe : ikaretsaka tsy mpamaky baiboly?














7. ikaretsaka ( 19/01/2008 22:29)
ataovy hoe hafa ny fomba famakin'ikaretsaka ny baiboly fa tsy tsimpotsimponiny @ izay lignes kely mahafaly sy ampy hanehoany copie coller (izay angamba no mahalaza azy misimisy kokoa)
8. xxx ( 19/01/2008 22:59)
Precision @ valimpanontaniana no angatahina amin'ingahy.

Raha tsy mandainga ingahy milaza hoe tena mamaky baiboly marina, dia tokony ho izao ve no valinteny azo :

ao @ salamo ao misy an'izay.. 73 izy izay na 74!


Sa mamaky dia tsy raharahiana izay voavaky?
9. ikaretsaka ( 19/01/2008 23:09)
dia teneniko hoe jereo aho fa za tsy bornen'ny toko sy andininy!
fa fantatro fotsiny hoe ao io!

dia averiko fa tsy ny fitanisana toko sy andininy akory no ahalalana fa mpivavaka, kristianina, mpamaky baiboly ny olona 1! sa izany no izy aminao?
10. nandrianina1 ( 20/01/2008 02:27)
ika:

dia averiko fa tsy ny fitanisana toko sy andininy akory no ahalalana fa mpivavaka, kristianina, mpamaky baiboly ny olona 1! sa izany no izy aminao?

ekena e!=D=D
11. nandrianina1 ( 20/01/2008 03:55)
xxx> ny tian'ny ika tenenina de vakio daholo reo toko roa nomeny reo fa aza tsimponina ny baiboly @zay mazava @nao kou ny contexte rehetra
tsy midika mintsy zany we tsy mpamaky bible izy fa mampirisika anao hamaky azy:wink:
12. rijadolly ( 20/01/2008 04:32)
Tafita à vakio tsara ao amin'Salamo faha 74 ao fa maromaro izy ny ao ry sé a! fa saingy misy tsy mifanaraka fa HS amin'ty loha hevitra ity.Raha oh tsy misy Baiboly eo an-tanan'sé dia http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=74&andininy=1-23&dika= .Fantatro sé fa mpamaky matoa sahy manontany hoe
Aiza ao anaty Baiboly indray izany " tsarovy ry Tompo " izany eee
Mazotoa tohizo ny famakian'sé Baiboly.
13. nandrianina1 ( 20/01/2008 04:43)
tonga soa Rjdll:)
14. rijadolly ( 20/01/2008 04:54)
Efa fantatrao é:D toe foana.
15. dokotany ( 20/01/2008 05:40)
Raha ny vavaka nampianarin'ny tompo no jerena dia miverimberina ao ny hoe "anay" (na ny ahy) fa tsy ahitàna ny hoe "anao" (na azy).
Ny fiheverako ny fanehoana fitiavana hoan'olona hafa dia ny fanaovana hetsika ho azy (ara-tsaina, ara-batana, ara-pitaovana, ara-bola, ....) raha hitanao fa mila izany izy ary anisan'izany ny famporisiana azy hivavaka.
Indraindray mantsy dia apetraky ny sasany amin'ny fivavahana fotsiny ny fanampiana olona sahirana dia mihevitra fa efa vita ny adidy !
16. ikaretsaka ( 20/01/2008 14:40)
rijadolly> iza no niteny an'i se fa tsy mamaky baiboly moa ny tenanay.. za mino fa na i rabila sy i fijo aza mamaky anie :wink:
17. rijadolly ( 21/01/2008 15:26)
Fa maninona an'ika ary za?Ny sain'sé no manenjika an'sé dia lazaina fa izaho no miteny izany.Tsoriko amin'sé fa i tafita no nampiakaroko sao kivy amin'ilay izy niteny hoe tsy mahita "tsarovy ry Tompo" ao amin'Baiboly.I sé anie ry ika no nanorotoro anio toko sy andininy io voalohany é!ka ahoana ny hitenenako hoe tsy mamaky baiboly sé?
Na izany aza dia fisaorana ihany ny omeko an'sé fa ilaiko izao ataon'sé zao:-*:-*:-*
18. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:28)
tsy ise no maninona ahy fa ny fihevitr'ise no tsy mitovy @ fihevitro dia ampiadiana ilay hevitra..:-D
19. rijadolly ( 21/01/2008 15:47)
:-D:-D:-D:-D
20. ikaretsaka ( 21/01/2008 15:52)
zay le heo ny hevitra no miady fa tsy le olona rehefa miady hevitra... betsaka no tsy mahalala izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0828