Fanontaniana manitikitika antsika ???????.

1. niryna ( 19/01/2008 07:27)
Raiso izay fantatrareo fa marina,diniho ,lanjalanjao.Izay mino an'i kristy dia ny ataony koa no ataony ary mihoatra lavitra noho izany aza satria firenena malagasy erak'izao tontolo izao no torian'izay nomeny fahasoavana hitory,ary ny fianakaviantsika no voalohany ampiharina izany.Tazany eny ihany ny voa hafafy,hafafazo ny voanao ary voa tsara hafafy.

Ahoana no ahalalana hoe voa tsara ity na voa ratsy?
Ianao mamaky sy mandalina ny soratra masina ihany dia afaka mamaly an'izany. Ary avadibadio any ambadiky ny dinika any koa fa hitanao miharihary ny olona mandray anjara :roll:

Ahoana no hampiharana ity soratra masina ity amin'ny fiainana?

Izay nianaranao tato sy noratovinao dia ampiharo amin'ny fiainana.

Raha milaza mino aho kanefa tsy mahita fihovana mino aho ve izany?

Isan'andro isika dia manao ny asan'Atra foana ary arakaraky ny hanaovana izany no mahafaly mizara azy amin'ny hafa,mahita fihovana izay tena mino,raha ny omaly tsy miova hiany dia mila mandinintena isika.

Miova ahoana koa ary izany tian'i niryna tenenina izany fa tsy azoko?

Manana fiadanantsaina isika na dia maro aza ny olana eo amin'ny fiainana satria apetraka eo am-pelantanan'ilay Ray mahery tompon'ny zavatra rehetra ilay izy.
Ahoana ary no ataoko raha mba te ho voavonjy aho e?

Mino fontsiny ihany(tsy mila asa araky ny fampianarana vilana izany fa mino aloha fa tena misy izany kristy izany na dia tsy hitan'ny maso aza,ary mino Azy fa maty teo amin'ny hazofijaliana Izy hisolo ny heloko sy ny helokao,Zanak'ATra tokoa Izy,ary hiverina indray)
Dia avy eo ahoana?

Dia miaraha ireny olona manana toetra positif ireny,halaviro ny olona tsy manantsaina afatsy ny mitsikera sy mamafy lainga sns,izay fantatrao fa toetra tsy mifanaraka ny tenin'Atra dia anjaranao ny miala amin'ireny,anjaranao kosa anefa no mivavaka an'ireny olona izay mbola tsy voavonjy ireny ary ato dia efa ampiharo ilay izy)
Misy miteny hoe tsy mila mankany am-piangonana aho fa miaraka amiko Atra eo amin'ny TV fotsiny aho no manaraka fivavahana,na ato an-trano

Raha misy roa na telo no mivory amin'ny Anarako(kristy io an)dia eo afovoany aho,ary izay zavatra angatahina aminy dia omeny tokoa raha mifanaraka ny sitrapony.
Dia tena tsy maintsy miangona ve

Eny tompoko,arakaraky ny hialanao pas,no vao maika mampihitatra anao tsy andeha fa mahita fialana foana.Ary mahazo vahana satana:roll: satria izay no tadiaviny
Dia maninona izao izany
Dia mahazo vahana ny ratsy,toy isika mihinan-kanina ,moa ve tsy nihinana isika?ie,dia ahoana,dia malemy ny vatana.Toy izany ihany koa ny fanahy kolokoloina ilay izy satria ATra dia eo amintsika mandrakariva ka isika koa izany dia mila present eo aminy foana.
Tsss tena lavitra ezaka izy izany?
Tsy mora ny manaradia an'Atra,mila ezaka,fanetrehantena,fizarana fotoana ho an'ireo namana maro,ary finoana sy fitiavana.
ka ilay tsy mpino anie be loatra manao farombaka e,tsy mahazaka an'izany aho ary tsy te-hiady
Rehefa nanaraka sy nino an'i kristy isika dia efa azontsika ny fandresena,indraindray tsy mila mamaly ary indraindray lazaina ny marina.

Ireo no karazana fanontaniana mandeha ombieny ombieny.
Raha mbola misy dia alefaso hiarahantsika rehetra mamaly eto.Misaotra mialoha ho an'ny mpamaky sy ny mpamaly rehetra .


Andriamanitra o,ampio izahay mba hanatona anao ary hanana finoana toy ny zaza,mino fa hianao no mitantana ny dianay ho any amin'ny fahamarinana,ary ampio izahay,ampianaro ahalala ny marina ihany koa isan'andro isan'andro.Amin'ny anaran'ilay Zanaka Malalanao no anaovanay izany vavaka izany.^:^


(l)niryna
novalian'i niryna ny 31/01/2008 08:12
2. niryna ( 19/01/2008 11:31)
Ny Fanahy Masina

Fa maninona io FM io no resahina foana ?
Satria io no miaraka amin'ny mpino an'i Kristy rehetra.
Dia inona no ilaina azy io?
Fony tety an-tany i kristy dia efa nanome fanantenana ny mpianany Izy fa hiteny ny Rainy mba anome io antsika hitari-dalana sy hiaraka antsika mandrakizay
ka iza izany io FM io raha izany
Ny fanahin'i kristy,izany no mahatonga miteny hoe izay miaraka sy mino an'i kristy ihany no manana misy ny FM ao aminy.
Dia hianao miteny foana hoe FM inona no ilaiko azy ?
Noho ny finoana an'i kristy dia mitoetra ato anatin-tsika io,manana toetsain'olombelona izany izy na dia Fanahy tsy hita maso aza ary io no mitari-dalana,manitsy,manampy,manazava ny soratra masina izay vakiana,mitomany rehefa manao fahadisoana isika,miady amin'ny anjelin'i satana,mampianatra antsika ny hibebaka ary manitsy antsika .
Dia ahoana koa?
Io no miresaka sy mibitsika mangina ao anatin-tsika,toa ny tenantsika ihany no miteny ao an-tsaina ary rehefa misy zavatra tiana atao ka mihambahamba dia mivavaka ary izay taritin'ilay FM no atao voalohany.
Hay ve e,averiko fa miteny irery aho ary toa misy manoro hevitra ato an-tsaiko kanefa tsy fantatro fa arahiko aloha e
Izay ilay izy.
ka raha izany afaka mipetraka ato amiko ve izy dia misy fanahy hafa ihany koa mipetraka ato amiko?
Tsia,tsy afaka mipetraka ao ny fanahy roa(ny iray avy amin'Atra ary ny iray avy amin'i satana)
Dia izao rehetra izao izany rehefa mino an'i kristy isika dia ao foana izy?
Izy no miambina antsika,une fois isika nino an'i kristy,nametraka ny fiainantsika taminy,@ izay fotoana hinoana Azy izay no tonga ato amintsika Izy.
Mahavita zavatra betsaka tokoa anie izy izany e?
Maro tsy takatry ny saina eritreretina ny asany ary miaraka amintsika mandrakizay io raha mino an'i kristy isika.
Ary maninona rehefa any am-piangonana mihira miantso an'io FM io foana ?
Ilaina ny fahatongavana ao am-piangonana mba hisy hilatsahany ihany koa ny mpiangona,misy efa manana azy ary misy tsy mbola manana fa vao omena.
Maninona tokoa hoy aho e,rehefa miangona isika toa natokana ho ahy ilay toriteny?
Ny FM no manampy anao ahazo ilay teny ary Izy ihany koa no manova ny fonao dia azona tsara ilay izy dia toa natao ho anao irery ilay izy,maro koa no tongavan'ny FM amin'io fotoana io ary dia mitovy ny eritreritrao.
Izay vao azoko,rehefa fotoana fandraisana,fanasitranana,fanalana devoly na fanahy maloto ,toa miantso sy mihira foana ny fiangonana
-Avia FM o ,Midina eto aminay.Fenoy ny hasoavanao,ny fonay noforoninao.
-Ry Fanahy Mpanazava mitariha anay.
-Ry Fanahy Mpanazava miandrandra Anao izahay.
3. niryna ( 19/01/2008 11:52)
Inona tokoa no antony hivavahana e
-hidera an'ilay Atra nahary antsika aloha no voalohany
-hisaotra azy fa tsara izy
-hanandratra ny tavany noho ny fahasoavana marobe nomeny ahy sy hianao
-hibaboka aminy ny fahotana mba ho avelany
-hiaiky izay heloka vita ka mifona aminy fa tsy anao an'iny intsony.

Ka ilay fivavahana anie samy manana ny azy e?
Tsy misy maharatsy an'izany,ny fivavahana dia zavatra ao anatin'ny fo no ho resahinao an'Atra,satria Atra dia Fanahy noho izany dia ny fanahintsika koa no miresak aminy mivantana.
Dia tsy mila na inona na inona izany fa izao fotsiny?
Marina mihitsy izany,miresaka aminy mivantana hianao,misaotra azy mivantana hianao,mangataka famelana aminy mivantana hianao.
Hitako ary aho no miezaka mivavaka fa toa tsy mety mamaly izy?
Satria Izy Atra saro-piaro,tiany ho azy irery isika,izy no nanao antsika,mitia antsika,mitantana ny diantsika:arrow:tiany ho azy isika,tsy mahagaga raha saro-piaro amin'ny ondriny izy.
toa ohatran'ny sarotra be hoy aho ilay mivavaka e,tsy itako izay lazaina fa toa mangataka foana aloha aho dia rehefa tsy mahazo dia toa manome tsiny azy e
Maro ny olona izay mieritreritra izany,toa sarotra ilay izy raha asiana mivavaka izy na hitari-bavaka kanefa dia tsotra ilay izy,miresaka amin'ATra
Dia ahoana?
Tian'Atra ho tsotra sy toa antsika na izaho miresaka aminareo izao no tiana atao rehefa mivavaka(zavatra izay ao anatin'ny fo,satria ao daholo no mivoaka ny maha antsika antsika.
-Ny fo no mitaraina,ny fo no malahelo,ny fo no tezitra,ny fo no mangoraka olona,ny fo no manana fankahalana olona,ny fo no manampy sy manavotra ny fanahin'olona sns,
Izay vao azoko ilay hoe vavaka tora-po ?
Rehefa miresaka amin'Atra isan'andro hianao dia mahita fahafinaretana amin'ny fiarahana aminy ary tsampanao fa mitombo ny fahasoavana omeny anao,ary mahafantatra zavatra betsaka hianao ,tsy avy amin'ny herin'ny tenanao fa avy amin'ilay fanahy masina manampy anao.
Afaka mivavaka aho izany na aiza na aiza na inona na inona?
Ny vavaka mampihova zavatra ary raha misotro rano 8 kaopy isan'andro hianao dia mahita fahasamihafana ny hoe tsy misotro mihitsy.Toa izany koa ny mivavaka na aiza misy anao,na inona olana na resaka tianao ampitaina dia afaka miresaka aminy hianao.
ny fivavahanao amin'Atra matetika dia mahatonga anao hanana namana azo antoka,tsy manary,mitia anao amin'ny maha anao anao,manampy amin'ny fahoriana mahazo,mampahery ary lasa manana namana tena tiana sy tia anao hianao (we develop a friendship with God by sharing our life with Him through each day) Andramo.
4. fahamarinana ( 19/01/2008 12:29)
:arrow:mankasitraka tanteraka akia niryna a,raha tsy ho azoko amin'izao dia za no efa te-harenina angambany.Je dis bien za sao aviavy eo ndray ny sasany.:-D:-D:-*(l)
5. Rasiligaoma ( 19/01/2008 17:02)
sekoly alahady... fanontaniana ao anaty boky katesizy kely naverina natao plaggia

6. niryna ( 20/01/2008 05:25)
Rasiligaoma:

sekoly alahady... fanontaniana ao anaty boky katesizy kely naverina natao plaggia



:-*:-* sambatra aho izany ary deraiko ny anaran'ilay Ray nahary ,tsy mba nianatra katesizy na sekoly alahay izany aho =D=D=D

Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.^:^^:^
7. niryna ( 20/01/2008 05:26)
fahamarinana:

:arrow:mankasitraka tanteraka akia niryna a,raha tsy ho azoko amin'izao dia za no efa te-harenina angambany.Je dis bien za sao aviavy eo ndray ny sasany.:-D:-D:-*(l)



:D:D,tsy misy fisaorana aky a :-*:-*
8. ikaretsaka ( 20/01/2008 14:36)
niryna> tsy nianatra sekoly alahady sy katesizy ianao.. fa boky katesizy sy sekoly alahady no nadikanao t@ teny gasy tsy nahazoana alalana

mba nijery ny dikan'ilay hoe plagiarism aho manko dia izany no voasoratra tao ..dia ianao no tsaroako. aza tsiny e
9. niryna ( 20/01/2008 22:06)
ikaretsaka:

niryna> tsy nianatra sekoly alahady sy katesizy ianao.. fa boky katesizy sy sekoly alahady no nadikanao t@ teny gasy tsy nahazoana alalana

mba nijery ny dikan'ilay hoe plagiarism aho manko dia izany no voasoratra tao ..dia ianao no tsaroako. aza tsiny e

:-*:-*=D=D^:^^:^ lazaiko zavatra ika ,raha mino na tsy mino,fanontaniana tonga tato antsaiko daholo ireo dia nalefako,tsy nila brouillon na nila taratasy na nila inona fa ato anaty saiko,io ilay fahaizana nomen'Atra maimaipoana ho an'izay mino azy,ary fahasoavana tsy takatry ny saina ho eritreretina,izany no isan'ny fiasan'ny fanahy masina iray raha mbola tsy mino sy tsy mahafantatra hianao.
Mino Azy ihany hoy aho fa omeny hery ho tonga zanak'Atra tokoa ary mihoatra lavitra noho ny asa nataony no omeny dia izao nahavita nanontany tsy mila boky izao.
Ataoko kopia ireo fa mety hanampy ny hafa any aoriana any e.
^:^^:^ deraina mandrakizay anie ny Anaranao ry Ray Mahefa ny zavatra rehetra,nampianatra ahy hitory sy hijoro ny asanao mahagaga amin'ity sehatra iray ity.
Isaorako ny Fanahy Masina nitarika ahy lalandava ary i kristy izay velona ato anatiko nanome hery sy fahalalana ary fizarana ny asa mahagaga nataony tamin'ny fiainako sy ny namana marobe. (l)(l)(l)
Izay mino ahy hoy i Kristy dia ny asa nataoko koa no ataony ary mihoatra lavitra noho izany aza
Andramo ka zahao fa tsara Izy ry ika a

10. ikaretsaka ( 21/01/2008 03:43)
dia diso aho izany ko!
11. niryna ( 21/01/2008 06:34)
ikaretsaka:

dia diso aho izany ko!



:D holy kiss for you I :-* you
Mahereza
12. fahamarinana ( 21/01/2008 09:24)
:arrow:za dia faly sy mankasitraka fa sady tsy nanana boky no tsy nahatadidy katesizy na sekoly alahady e dia misaotra any Tompo fa nomeny olona afaka mizara amiko zay efa hadinoko sy tsy tsaroako.Dia mbola faly hatrany miandry izay fizaràna omendry amin'ny manaraka akia niryna a(l)
13. nandrianina1 ( 22/01/2008 02:37)
nyrina:
ka raha izany afaka mipetraka ato amiko ve izy dia misy fanahy hafa ihany koa mipetraka ato amiko?
Tsia,tsy afaka mipetraka ao ny fanahy roa(ny iray avy amin'Atra ary ny iray avy amin'i satana)


de sty misy ao anaty zany ny fanahy rasty refa ao anaty ny Fanahy Masina,inn no mahatonga ny oul alaim-panahy ra izany ka?
mety alaim-panahy ny manana ny FM fa ao le fanahy ratsy de tsy voatohitra le iz
de ao ko le we fisainan'le oul mintsy no mitarika azy
14. niryna ( 22/01/2008 08:34)
nandrianina1:

nyrina:
ka raha izany afaka mipetraka ato amiko ve izy dia misy fanahy hafa ihany koa mipetraka ato amiko?
Tsia,tsy afaka mipetraka ao ny fanahy roa(ny iray avy amin'Atra ary ny iray avy amin'i satana)


de sty misy ao anaty zany ny fanahy rasty refa ao anaty ny Fanahy Masina,inn no mahatonga ny oul alaim-panahy ra izany ka?
mety alaim-panahy ny manana ny FM fa ao le fanahy ratsy de tsy voatohitra le iz
de ao ko le we fisainan'le oul mintsy no mitarika azy

Hoy ny tompo hoe tsy afaka hanompo roa hianareo fa ny iray hala ary ny iray ho tiana.
Rehefa kristiana ,izany hoe raha tena mino fa i kristy no Tompo sy mpanavotra ,dia ny fanahiny no mipetraka ato amintsika.Izany no mahatonga ny olona hiova amin'izay,io fanahy io no mampianatra,mitaridalana,mitarika ny dian'ilay olona efa nanokana ,sy nanome ny fiainany ho tantanan'Atra.Miala izany ilay fanahy ratsy nanembatsemba tao aminy.Izay no atao hoe kristiana.Tsy mitovy ny hoe aza mitondra anay amin'ny fakampanahy? a,Raha vao misodisody ilay zavatra tsy tokony atao kanefa atao,dia ny fanahy izay miaraka amintsika no mampahatsiahy antsika hibebaka.
Raha ohatra kosa isika ka voan'ilay fakampanahy,tsy nibebaka fa nanohy indray,nitohy teny ihany,dia miverina ilay fanahy ratsy ary tsy iray intsony izy no miverina fa lasa avo fito eny.Efa nalefako any io.
Izany no antony nafaran'ny Tompo hoe miambena isika mba tsy ho azon'ny fakam-panahy

15. niryna ( 22/01/2008 08:40)
fahamarinana:

:arrow:za dia faly sy mankasitraka fa sady tsy nanana boky no tsy nahatadidy katesizy na sekoly alahady e dia misaotra any Tompo fa nomeny olona afaka mizara amiko zay efa hadinoko sy tsy tsaroako.Dia mbola faly hatrany miandry izay fizaràna omendry amin'ny manaraka akia niryna a(l)

Mankasitra aky fahamarinana amin'ny fampaherezana nomendry hatrany a.Isaoran-tsika ilay kristy mahery,velona ary mampianatra antsika ny andeha amin'ny lalany izay tiana hamonjena antsika tsirairay avy.Anjarantsika ihany koa anefa no mivavaka ireo namana izay mbola tsy nahatsampa ny fahasoavana nomena azy ireo.Fitiavana azy ireo no asetry satria maro no nino ,eny Atra no efa nifidy izay manaraka azy satria efa fantany ireo manamafy ny fony.Tsy kivy anefa isika fa na iza na iza hivavahana dia mihaino antsika Atra.Na inona na inona olana mahazo,dia manome vahaolana foana izy,mety tsy mifanaraka ny sitrapontsika izany saingy rehefa napetraka eo am-pelatanany fotsiny dia azy no mamita ny manaraka.
Izay,mahereza (l) niryna

16. fahamarinana ( 22/01/2008 09:01)
:arrow::merci niryna,marina zany akia:-*(l)
17. nandrianina1 ( 22/01/2008 15:58)
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
18. ikaretsaka ( 22/01/2008 16:06)
ary mitovy isika sy i nandrianina @ izany fahazoana ny valintenin'i niryna izay an
19. nandrianina1 ( 23/01/2008 21:47)
fa to tsis tohiny tson le iz?
tena manitikika antsika tokoa nge io fantanina io e!:roll:
20. fijo ( 23/01/2008 22:14)
niryna anie somary mamerina rehefa mitory teny e.izay no manahirana aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0419