Fanontaniana manitikitika antsika ???????.
21. nandrianina1
(
23/01/2008 22:35)
ka alaina ts11 ze hevitra nampidirintsika ka
fa io fantanina io mbola tsisy tohiny
fa io fantanina io mbola tsisy tohiny
22. niryna
(
24/01/2008 07:21)
nandrianina1:
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
misaotra anao nametraka ny fanontaniana.
Voalohany aloha dia izao,rehefa nanolotra ny tenantsika ho an'i kristy isika ,inona aloha izany aleo hazava tsara:mino Azy,manaiky Azy fa manomboka androany tsy ny heriko na ny fahalalako na ny fahaizako no hitondrako ny fiainako,izay rehetra ataoko dia ankiniko aminy daholo,Izy no masimandidy amin'ny fianako,izay raha mazava tsara aminao.Manaiky aho fa maty teo amin'ny hazofijaliana Izy noho ny fahotako,ary manaiky aho fa Izy no Tompoko sy Mpanavotra ahy.
manaiky fa izy no Tompoko ahoana izany?
(maro ny zavatra tompoin'ny olona mantsy tafiditra amin'izany ny mivavaka amin'ny zavatra hanaovana meditation hisarihana ny fivavahana amin'ny zavatra toy ny saplet izany,ny sarin-javatra,ny sarin'olona izay lazaina hoe Jesosy io,ny vongan-javatra,ny biby,ny fanompoan-tsampy,ny dada rabe,ny herin'ny maizina dia ireo olona mijery tanana,mijery ny avenirany amin'ny karatra sy ny mamaky tanana,ny milaza fa mahita ny ho avinao,ny horoscope,ny mpamosavy ,ny cristal,na inona na inona zavatra ka ampiasana atao fitaovana hivavahana dia tafiditra daholo.Ny mandohalika ka manaja olona fa hoe hanamasina iny olona iny.Resaka lava be io ka misy tsy mino.
Manaiky azy ho Mpamonjy:Ny famonjena dia avy amin'i kristy irery ihany,tsy misy mpanelanelana izany na iray aza,nampianarina izany ny hafa dia tohizo,andramo ny miala ary ankino amin'i kristy irery ny fiainanao dia henonao amin'izay ilay fanahy masina mibitsika sy mampianatra ary manova ny toetranao,santionany ireo.
Manaova hoy aho fanandramana,fa raha nomeny hery aho hanazava izany amintsika,mino koa aho fa misy asa maro izay tian'i Tompo miandry antsika tsirairay.
23. niryna
(
24/01/2008 07:32)
nandrianina1:
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
Tohiny
Dia rehefa mino Azy amin'izay,manaiky azy ho Tompo sy Mpanavotra.io fotoana anekenao Azy io no atao hoe zanak'Atra hianao.Samy manana ny fotoanany avy isika rehetra.
Io fotoana io no miditra ao aminao ny fanahy masina,zanak'Atra hianao dia mpandova an'Atra.kristy nanafatra ny rainy fa andefa ny Fanahy masina hiaraka amintsika mandrakizay.ao amin'ilay olona izany ny fanahy masina.
Mibebaka amin'izay,mahatsampa tena tokoa fa nanao ratsy na nisy zavatra tsy nifanaraka ny sitrapon'ny tompo nataonao dia mangataka famelan-keloka aminy.
Io ilay hoe na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala raha ohatra ka hifandahatra amiko hianareo :arrow:raha ohatra ka lazainareo amiko izany ary dia ho dioviko ka tsy ho tsarovako intsony(I will remember no more)
Izay,vita iny famelan-keloka iny,tsy mila mivavaka mamerimberina an'iny intsony satria efa henon'Atra ny fitarainana ary efa tena nanaiky fa diso tokoa ary mino fa mamaly vavaka izy,mino fa henony ny fitarainana.
Eto amin'izay ary no hanaporofoko anareo fa tsy mila na inona na inona.
Ao anaty saina daholo ny zavatra nataonao na nihantra taminao,ny saina izany no mahafantatra izany,ny fo no mamaly na mamela:arrow: io ilay fanahy mijaly,io ilay fanahy mangetaheta ny tenin'Atra,io ilay fanahy faly mizara ny fahasoavana nomen'Atra (izao zaraiko aminareo izao):arrow: io fanahy io ihany koa no miresaka sy mitaraina sy mifona sy mangataka amin'Atra.
SATRIA ANDRIAMANITRA DIA FANAHY ARY NY FANAHINTSIKA NO HIFANDRAY SY MANGETAHETA ARY MITADY AN'ATRA.
24. niryna
(
24/01/2008 07:38)
nandrianina1:
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
Tohiny II
Amin'ny maha olombelona antsika dia mety manota isan'andro isika saingy rehefa manana an'Atra,rehefa miaraka amintsika ny fanahy (tohiny ery ambony + tohiny I )dia ilay fanahy miaraka amintsika no mampahatsiahy antsika,tsy mitovy ny fiainana taloha intsony ny fiainana nandray an'i kristy (izany hoe misy foana ny olana,ny fahantrana,ny aretina,ny fahoriana,ny solafaka,sns,ny fahatezerana ...)saingy manana an'ilay Mpanavotra dia i kristy izany,ary dia any aminy haingana no mitody doha,mivavaka
,mangataka,mifona,mangataka famelan-keloka.
Tsy avy amintsika irery intsony ilay toetra hanao izany fa ny fanahy masina izay miaraka amintsika no manampy antsika.Dia mahay mamela olona.io dia hitako taratra ato amiko ka zaraiko anareo.Mivavaka ny fahavalo,tsy mankahala ireny tsy mahalala ny tenin'Atra ireny satria izy ireo koa aza mbola ao anatin'ny maizina ary tsy fantany,manana fitiavana.
25. niryna
(
24/01/2008 07:44)
nandrianina1:
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
Tohiny III
Hialako tsiny fa azavaiko tsikelikely ilay izy. Hifonako fa mba tiako ho azava tsara aminareo amin'izay hoe maninona i ranona no milaza hoe miaraka aminy ny FM kanefa maninona aho no tsy manana an'izany?
Satria mivavaka amin'ny hafa dia tsy ho tonga ao anaty ilay fanahy masina
Fanahin'i kristy io ka izay mino an'i kristy ihany no hitoerany,raha minomino hafa dia hialako tsiny fa tsy ho tonga ao aminao mihitsy io fanahy masina io.
anjaran'ny tsirairay no mandinika na misy na tsy misy azy.Ny fitiavan'Atra antsika na mpino na tsy mpino dia mitovy daholo,ny fahasoavana nomeny no samy hafa ,tsy araka ny hoe mamaky baiboly be aho ohatra,tsia ,izy Atra ihany no mahalala hoe ampiasainy ve io,vitany io na tsia,iray ihany no omeko azy na maro.
Isaorako Atra fa nomeny be dia be aho,tsy hoe niangarany aho an,fa mangetaheta aho ary izy no nifidy ahy fa tsy izaho no nifidy azy(ahoana koa izany,satria mpanota toy ny rehetra aho no nibebaka ary dia henony ny fitarainako.Hianao koa dia afaka manao an'izany,isika rehetra
27. niryna
(
24/01/2008 08:01)
nandrianina1:
niryna somary hafahafa be ty valiteniko ty fa ra le fahazaoko le navalin'niryna de ny olombelona manana ny FAnahy Masina zany de tsy manota mihintsy satria efa arovany
Farany:
Tsy hoe tsy manota mihitsy fa efa narovany,ilay fanahy masina no mitari-dalana sy mitarika amin'ny lalana tokony aleha,izy no mampahatsiahy antsika.
Ilay fanahy masina anie ka manana toetra toy ny olona e,ary izy no miaro antsika amin'ny herin'i satana rehetra.Io dia porofo iray hilaza ny fisian' i satana.
Averiko indray fa nomeny safidy isika,ary une fois miaraka aminy dia azy,arovany,ny fanahy no miady ny satana sy ny miaramilany.
Raha tsy mahatohatra ny fakam-panahy isika satria tsy mbola manana finoana latsa-paka fa mievaeva dia moramora ho an'ilay fanahy ratsy no miditra ato amintsika(izay no antony notenenana hoe miambena)
Inona ary raha izany no mahasamy hafa ny mino sy ny tsy mino raha samy manao ratsy daholo ihany?
Raha te ho voavonjy ny fanahy dia mino an'i kristy fa izy no mpamonjy,any aminy irery ihany no misy ny lalana mankany amin'ny ray.Ary manaiky azy ho tompo.
Raha tsy te ho voavonjy moa dia tsy manao sy tsy mila manaraka ireo didy marobe izay tsy tokony atao.
Angaha misy mahatandrina an'ireo didy folo ireo ry niryna?
Tsia, tsy misy mahatandrina,saingy raha tsy mifona eo noho eo isika,tsy fantatra ny ho avin'ny ampitso,aza mangataka andro,aza avela ho tratry ny masoandro miletika hoy ny sm ny fahatezeranao.
Miambina,mivavaka,miangona,miaraka amin'ny olona kristiana,olona manana toetra positif,misaina zavatra tsara foana ,tsy mitsikera olona na mankahala olona,mivavaka sy mifona toy ny misotro rano sy mihinan-kanina no kolokoloina ny fanahintsika koa,rehefa mahatsampa fa nanao zavatra tsy nifanaraka ny sitrapon'ny ray any an-danitraizay no tadiaviny amintsika,ary tsy ho tapitra ireo raha tsy efa tonga i kristy.
Ho an'ny namana rehetra:
Vakio,halalino,raiso izay fantatrao fa azo raisina,avereno aty amiko ihany izay tsy ekenao sy tsy mety amin'ny fiainanao sy tsy mifanaraka ny sitraponao.
Andriamanitra izay fitiavana anie no hitoetra ao amintsika tsirairay avy.Ny fiadanana sy ny fahasoavany no omeny antsika.
Ankino amin'Atra ny lalanao fa ataony lavorary sy tanteraka izany.
Aza miantehitra amin'ny herin'ny sainao na ny fahalalanao fa manana finoana sy fanantenana fa izay miaraka aminy dia omeny fifaliana sy fanantenana ary fiadanana ara-panahy.
Amena
28. nandrianina1
(
24/01/2008 09:43)
zay ahay mba misy ekeko!
niryna>mankasitra fa mampitombo fahalalana:-* sy mampahery
zay lou zany de mbola mievaeva mintsy e!
niryna>mankasitra fa mampitombo fahalalana:-* sy mampahery
zay lou zany de mbola mievaeva mintsy e!
29. niryna
(
31/01/2008 08:12)
nandrianina1:
zay ahay mba misy ekeko!
niryna>mankasitra fa mampitombo fahalalana:-* sy mampahery
zay lou zany de mbola mievaeva mintsy e!
hianao no hisaorana,ampiharo izay teny fantatrao fa azo alaina tahaka .
