famalemana fiara

1. fijo ( 09/01/2008 21:54)
ô ry zareo an,ankoatry ny bogie sy ny batery inona no mety ahasarotra velomina ny fiara vao maraina???
fiara diezel,ny bogie vaovao ny batery koa.nefa rehefa velomina lery dia velona kely dia maty ,dia mila mamaelona in4 eo vao ten avelona di amisy setroka fotsy mivoaka ny esapoma.
novalian'i rakapy ny 21/01/2008 00:41
2. menalamba ( 09/01/2008 23:14)
Tadidio tsara aloha voalohany indrindra fa ny fiara diesel dia tsy ny bougie no mampirehitra ny gazole ,fa ny compression.Ny bougie de prechauffage dia natao hanafana ny chambre de combustion @ vao mamelona fiara fotsiny dia izay ihany nu asany.Matoa saro-belomina ny fiaranao ,dia jereo fa misy "fuites" kely @ ireo fantsona mitondra ny gazole mankao @ pompe.Misy rivotra tafiditra izany any anaty fantsona dia midézamorsa ny paompy.Fomba fitsapana sy fanalana izany:
Jereo fa misy paompy tanana azo potsipotserina izay ao anaty motéra ao(arao ny lalan'ny gazole) dia pompio misesy io.Raha malefaka be sy henonao mifotritra ,dia misy rivotra izay ao ,tohizo pompina mandra-paha lasa henjana be ilay paompy (ny dikany efa afaka izay ny rivotra tany anaty tuyaux rehetra) Dé izay vao velomina ny fiara.Raha avy dia hitanao moa ilay lavaka mampidi-drivotra eo @ ireo fantsona dia soloy ilay fantsona fa manimba ilay paompy tanana ny fampiasana azy matetika,satria natao hampiasaina rehefa manolo filtres ihany no tena asan'io.
3. vakiniadiana ( 10/01/2008 04:41)
setroka fotsy : be rivotra, tsy ampy gasoil , mety ho olana @ pompe
4. kelly13 ( 10/01/2008 10:49)
oay, tena mitovy @ pb-nay zany ry fijo

menalamba>misaotra @ fanomezam-panazavana fa tena ilaina, ary marina io nolazainao oe misy rivotra @ fantsona, fa ny natoron'ilay bandy anay zay d oe kapokapohana kely le fantsona io, depuis klou mba velona le fiara e, d nefa misy fuite b eo aloha @zao, fuite gasoil le izy, inn indray no tokony hataonay? micii dé misôtra deny meloha
5. xxx ( 10/01/2008 10:53)
Dia inona indray ary no mahatonga azy hoe rehefa mangatsiaka ny andro vao tena mitranga olana ohatra an'io kanefa rehefa mafana ny andro dia tsy maninona mihitsy ?
6. menalamba ( 10/01/2008 21:58)
kelly13>Eo aloha aiza aloha ilay "fuite" lazainao fa tsy azoko? Eo alohan'ny pompe gazole ve sa eo alohan'ilay paompy tanana?Ny zava-matety pitranga mantsy dia rovitra koa indraindray ilay "membrane" fingotra ao anatin'ilay paompy tanana,dia eo no mampidi-drivotra,tsisy afa-tsy ny fanoloana azy ny fanafodiny fa tsy afaka tampitampenana silgôma na sparadrap akory!!satria sous pression "be ny gazole mandalo eo.Dé jereo tsara tsirairay ireo tuyaux kely bédabé miditra sy mivoka ny pompe fa raha vao misy gôka na sahala @ loham-panjaitra dia soloina ny fanafodiny fa mampidi-drivotra.
XXX> Rehefa mangatsiaka ny andro dia somary mifintina ireo "tuyaux" mitondra ny gazole ,fingotra ny ankamaroany,dia efa eo koa ny fahanterany ,dia misy vakivaky kely @ izay ny tenany.Vao velominao ny fiara izy @ io mbola manintsy bé dia azon'ilay pression ny paompy dé mitsifaka!Moa matetike koa isika tsy dé miraharaha izay ao anaty motera ao fa rehefa mbola mandeha dia lasa izao,nefa misy daty fanoloana azy ireny piesy ireny satria na ny fihovitrovitry ny motera diesel fotsiny dia efa mitarika "usure" Ny tena ahafantaranareo fa misy rivotra tafiditra dia raha vao velona ilay fiara saro belomina iny dia miakatra ambony be ny "tour moteur" sahala @ hoe misy miakséléra ilay fiara anefa ianao tsy manisy tongotra eo @ pedal akory .
7. fijo ( 10/01/2008 23:13)
misaotra betsaka letsy menalamba an,tena ;fanampiana be ity ka aleo fa hojerena .
8. LazaDaddy ( 10/01/2008 23:33)
fijo> alefaso any Dago r'ise fa ny any mahay an'io a. Dia ny diesel vaovao japanese amin'izay vidiana fa ireny tsy mila pre-chauffage fa tonga dia miridana na ririnina vao maraina -20 deg aza.
9. fijo ( 11/01/2008 21:13)
lafo letsy le mandefa azy any an;fa hoamidiko lery io ka
10. bilakarenjy ( 12/01/2008 07:48)
de asivo colier ry fijo @ izay tsy mampidi-drivotra intsony an!.Zany no nataoko t@ ny ahy fa tonga de afokasoka avy hatrany lery avy eo .Rehefa avy vita pirza .

De ampidiro koa ny combinaison de andao hihoso-menaka e!.Mazotoa baina a!
11. menalamba ( 12/01/2008 08:24)
Toro hevitra kely hoanareo izay manana fiara diesel:Raha tiana hateza ny motera dia soloy matetika ny filtre à air ,fa io ihany no teha ain-dehibe mampateza ny motera diesel,satria rehefa maloto io dia lasa tsy entona no alefan'ireo injecteurs fa gazole avy hatrany,ka manimba ny chemise piston sy ny segments.Dia indrindra koa io aretina mampidi-drivotra io tsaboina malaky fa manimba pompe.Dia izay ihany fa raha maharaka ireo dia mahavita mihoatry ny 300.000km ny moteranareo
12. tendry77 ( 12/01/2008 13:06)
ankoatry ny bogie sy ny batery inona no mety ahasarotra velomina ny fiara vao maraina???


Ny moteur diesel no antsoina hoe combustion interne(ahitana prés chambre a combustible);phenomene d'auto inflamation(ts mampiasa bougie d'all)mahatratra 20:1 ny taux de comp° ary 500 à 1500°c ny hafanana ao anaty cyl°(sarotra ny mitady anio temp° rah vao maraina na ririnnna)
Entretien et verification(mis au point)
-tarrage d'inj° 8bar environ
-volume cylindrique 35 bar environ
-calage de la scène de distribution(suiv. le donne du const° ou a repaire)
-reglage de la soup. ADM et ECH(suiv. le donne du const°)
-calage de la pompe d'inj°(a repaire)
-taux de comp° 22:1(air:gazol)
(TSARA RAH MAMPIASA DECANTEUR DAholo)
Rah toa ny fiaranao mitsokahana tampoka eny andalana na rehef nanala axelerateur dia azo antoka fa misy rivotra an anaty circuit haut pression ho an fiara mis pompe a vide de purgene


alefaso any Dago r'ise fa ny any mahay an'io a.

-fiara vaovao alefa aty eh !!!
13. kiadi ( 14/01/2008 21:00)
ny an'i tendry tsy manome vahaolana fa revu teknika no nadikany teto :-D:-D:-D
14. tendry77 ( 15/01/2008 08:46)
kiadi:

ny an'i tendry tsy manome vahaolana fa revu teknika no nadikany teto :-D:-D:-D



:-D:-D:-Dka ato lety misy mitady fika mba ahamora velomina ny fiarany vao maraina,reo ny ah no ampiariko tsinn koh!!

15. fijo ( 15/01/2008 21:21)
misaotra ry zalahy an,ndao letsy ry bila mba ampianaro mikoja fiara fa tena lafo le garage lava kle.

le izy izany rehefa nojerena dia ilay fantsona mitondra ny gazol mankao amin'ny motera(misy 4 izy io)ka ny iray no nampiditra rivotra.

ny ahy ny fiara soloiko foana ny filtra air sy gazol ary huil isaky ny 8000km ka.za tsy mahay mikoja fiara ka aleoko manao vidanzy miaraka toa izay mijaly.
16. LazaDaddy ( 15/01/2008 22:31)
fijo:
lafo letsy le mandefa azy any an;fa hoamidiko lery io ka
iza indaray izao no ho voafitaka amin'izany? =))


17. fijo ( 16/01/2008 21:01)
hi hi hi ,mino afotsiny fa tsy hamitaka aho ka.sitraniko aloha io vao hamidiko
18. ikaretsaka ( 16/01/2008 21:06)
ratsy noho izany aza letsy misy mividy ka nooo
19. fijo ( 17/01/2008 22:09)
izay mantsy.
20. LazaDaddy ( 17/01/2008 23:13)
fijo> antsoy Rakapy-teny hivarotra piesy tonta nodiovina sy natao tsara fono e! =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352