Mamely tahamaina ny takolakao ?Omeo azy koa ny iray!

1. niryna ( 05/01/2008 04:20)
38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify" (Eks.21.24).

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

Dia ahoana indray io teny ao amin'ny Matio 5: 38-39 io,sahy omenao hofelahiny koa ve ny takolakao iray kanefa ny iray aza efa namirifiry ilay tahamaina?
novalian'i niryna ny 07/01/2008 05:49
2. rakapy ( 05/01/2008 05:07)
Koa inona no tsy mazava @ io ry Nyrina. teny tsotra be zany ve de ilana fanazavana sa??? efa tsy hita intsony izay lazaina? "Raha misy tsy mino ny baibolinao dia ario ny baibolinao dia mividiana hafa koa mandra-pinon'ilay olona" " Dick 18'42"
3. dokotany ( 05/01/2008 10:06)
Tsy hary ho tanterahina daholo izay voalazan'ny baiboly.
Angamba maro no tsy mankatoa an'io raha misy mamelaka io !
Dia inona moa fa dia mibebaka avy eo !
4. xxx ( 05/01/2008 12:02)
refa tsy ainao le baiboly de aza vakina fa vô maika mahadevoly anao io farany! toy ny nataonao farany reny le nandefa hafatra bedebe reny fa tsy hita ny sizé nataonao! ba miseho ho mpivavaka ihany nefa reny ny toetra natao !
5. karinah ( 05/01/2008 12:09)
euuuh,sarotra be aloha le manome ny ilany fa raha ohatra ka tena manao an'izay tokoa anie dia vao mainka ho fatin'ilay faha8 eo e...:-D:-D:-D:oops:
6. nandrianina1 ( 05/01/2008 12:16)
niryna>efa misy mamely tahamaina sahady ange njy zany e![size=20px]:-o[/size]
7. nandrianina1 ( 05/01/2008 12:22)
oops tsy sarintsky tiko alefa fa hafa fa to tsy mande le izy
8. karinah ( 05/01/2008 12:26)
manarakarak'izay, raha ny fahazahoako azy:lol:...Jesoa Andriamanitra(zanany) tsy misy ny afaka mitovy aminy!!!8)
9. nandrianina1 ( 05/01/2008 12:52)
niryna:

38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify" (Eks.21.24).

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

Dia ahoana indray io teny ao amin'ny Matio 5: 38-39 io,sahy omenao hofelahiny koa ve ny takolakao iray kanefa ny iray aza efa namirifiry ilay tahamaina?



le we ny "maso solon'ny maso,ary nify solon'ny" de ohatran'ny kazazana "retaliation" tsy haiko ra mahadika azy ny hoe famaliana
ohatran'le tsimpona iray ao @ oha 24
29 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
de io no navaozin'i jesoa ra n fihevitro azy
de satria ko we "vengeance belongs to God" any @ Deo32:35
de tsy anjarantsika zany no mamaly
kanefa @ ankapobeny normal b refa karazana statut otran'ny any @societe rehetra reny fa refa anaovana sacrificen'ny tena de eo le mila sacrifice tokotrany sady tsy mora io an
10. zizi ( 05/01/2008 16:39)
Azafady fa lasa avy hatrany ilay izy nefa saika ilay jereo aloha no nokitihiko dia lasa ilay alefaso indray no voa-clic
araka ny fiheverako azy, ny tenin'Andriamanitra tsy tokony ho raisina ara-bakiteny foana, ny heviny ary dia izao araka ny fahalalako azy : don total
Izany hoe rehefa mahafoy tena dia tsy antsasantsasany fa feno :):) OK
11. niryna ( 05/01/2008 19:03)
rakapy:

Koa inona no tsy mazava @ io ry Nyrina. teny tsotra be zany ve de ilana fanazavana sa??? efa tsy hita intsony izay lazaina? "Raha misy tsy mino ny baibolinao dia ario ny baibolinao dia mividiana hafa koa mandra-pinon'ilay olona" " Dick 18'42"


:cry: izany ve,io no boky sarobidy indrindra,boky nodorana kanefa tsy may.Hianao mankahala azy io indrindra no ampiasain'Atra hideran'ny olona ny fahasoavana fa toa tsy fantatrao izany.:-*
12. niryna ( 05/01/2008 19:04)
dokotany:

Tsy hary ho tanterahina daholo izay voalazan'ny baiboly.
Angamba maro no tsy mankatoa an'io raha misy mamelaka io !
Dia inona moa fa dia mibebaka avy eo !

tsara tokoa isika rehefa mahatsiaro mibebaka ary izany no hirariana sy nandatsahan'i kristy ny rany ho antsika,mbola miandry izy hatramin'izao

13. niryna ( 05/01/2008 19:05)
xxx:

refa tsy ainao le baiboly de aza vakina fa vô maika mahadevoly anao io farany! toy ny nataonao farany reny le nandefa hafatra bedebe reny fa tsy hita ny sizé nataonao! ba miseho ho mpivavaka ihany nefa reny ny toetra natao !

Ny Tompo anie hanome anao fiadanana

14. niryna ( 05/01/2008 19:08)
karinah:

euuuh,sarotra be aloha le manome ny ilany fa raha ohatra ka tena manao an'izay tokoa anie dia vao mainka ho fatin'ilay faha8 eo e...:-D:-D:-D:oops:

:D marina izany eritreritrao izany fa ny tian'i kristy ho fantatsika dia resaka fifamelana olona manao ratsy amintsika.Tsy azo atao ny mamaly ratsy ny ratsy,ny mifanohitra amin'izany aza no atao,mivavaka azy,mamela ny nataony antsika ary dia mitia azy.Marary ilay izy raha ny hoe fahavalonao,nanao toetra nandratra fo anao sns kanefa dia tsy maintsy ho tiavina indray :roll:

15. niryna ( 05/01/2008 19:12)
nandrianina1:

niryna>efa misy mamely tahamaina sahady ange njy zany e![size=20px]:-o[/size]

:D:D hi,hi .Ahoana hoy i kristy?
Efa nampifantariny antsika mialoha ny mety hitranga amin'izay hanara-dia azy,efa nasehona antsika ny fijaliana namaivaivay nahazo Azy.Efa nampihomana Izy izany fa tsy ho voatery hihaino ny tenin'Atra daholo ny olona satria nomeny safidy(raha tsy nomeny safidy tokoa re e,angamba tsy mila miandry ny fitsarana izany intsony e,tonga dia paradisa ho azy ity tany ity raha hanaraka Azy daholo ny olona? indrisy ry tany ,ny etraketrakao ihany no mahatonga izany :cry: ):lol::D

16. niryna ( 05/01/2008 19:13)
nandrianina1:

oops tsy sarintsky tiko alefa fa hafa fa to tsy mande le izy



:cry:
17. niryna ( 05/01/2008 19:15)
karinah:

manarakarak'izay, raha ny fahazahoako azy:lol:...Jesoa Andriamanitra(zanany) tsy misy ny afaka mitovy aminy!!!8)

inona no tian-dry ho tenenina aky ?
Marina izany tsy misy na iray aza,# 1 Izy ary mbola ho # 1 ihany mandrakizay doria :D
Inona indray re ity ry ikaky o :D

18. niryna ( 05/01/2008 19:54)
nandrianina1:

[quote=niryna]
38 Efa renareo fa voalaza hoe: " Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify" (Eks.21.24).

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
sarotra tanterahana ilay izy kanefa tsy maintsy miezaka isika,mivavaka fa tsy vitantsika irery

le we ny "maso solon'ny maso,ary nify solon'ny" de ohatran'ny kazazana "retaliation" tsy haiko ra mahadika azy ny hoe famaliana

fanoharana foana moa no nataon'i kristy antsika fa raha ohatra atao ara-bakiteny tsy efa poa-maso na bangarindana daholo ve ny kristiana :D
Ary io fanoharana io dia any amin'ny finoana hafa,izay mamaly faty ny nanao ratsy aminy dia ireny lazaina fa lasa maritioran'ny fireneny ireny izy (suicide-bombing ohatra,ny tenan'ilay olona nirahin'ilay fahavalo nanao ratsy taminy na olona ny firenena tsy tiany no asiana baomba ao anaty vatany dia miara-maty aminy :twisted::cry:
Ka dia nohazavain'i kristy fa tsy tokony anao izany isika kristianina.Io voalazanao io hoe tsy antsika ny famaliana fa an'i kristy.

ohatran'le tsimpona iray ao @ oha 24
29 Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
io ve tsy mitovy ilay Mat 5:39 Eto i kristy dia tsy miteny hoe tsy mandray ny valin'asany ireo izay manao ratsy na inona izany na inona,notohizany ilay teny ao amin'ny Matio 5:43-44 hoe 43 Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
:roll: 8)8)


de io no navaozin'i jesoa ra n fihevitro azy
de satria ko we "vengeance belongs to God" any @ Deo32:35
de tsy anjarantsika zany no mamaly
Tiako io teny io ,isaky ny maheno an'io aho dia miverina kely ato an-tsaiko ny tenin'ilay namako iray izay nampijalian'ny olon-tiany,tsy ahy aky ny famaliana fa an'Atra a.Izay ilay fifaliana miaraka amin'ny kristiana satria mitovy ny tady lokanga ary dia afaka mizara izany amin'ireo namana mbola tsy nahita experience ka na dia tsy mpino aza izy dia manao fanandramana ny mitia ny fahavalona ary dia mandaitra. :D

kanefa @ ankapobeny normal b refa karazana statut otran'ny any @societe rehetra reny fa refa anaovana sacrificen'ny tena de eo le mila sacrifice tokotrany sady tsy mora io an

marina izany ary izay no nahatonga ny fitsarana (tribonaly),tsy manafoana an'io Izy akory satria samy mizaka sy mibaby ny heloka vitany avy ireny olona ireny.
niryna:

Dia ahoana indray io teny ao amin'ny Matio 5: 38-39 io,sahy omenao hofelahiny koa ve ny takolakao iray kanefa ny iray aza efa namirifiry ilay tahamaina?
notohizan'i kristy eo amin'ilay hoe mitia ny manodidina sy ny fahavalo Matio 5:43-44,izay mbola hita taratra ihany ao amin'ny Lioka 6:27
Hoy ny fiteny hoe"two wrong won't make right" na hoe raha misy olona roa ohatra samy tezitra dia samy tsy hanana ny rariny avy ireo? na hoe raha misy tezitra aminao dia tsy tokony ho tezitra aminy hianao fa mandrindra fihavanana? sarotra e fa miezaka mivavaka alohany hitenenana

19. niryna ( 05/01/2008 20:06)
zizi:

Azafady fa lasa avy hatrany ilay izy nefa saika ilay jereo aloha no nokitihiko dia lasa ilay alefaso indray no voa-clic
araka ny fiheverako azy, ny tenin'Andriamanitra tsy tokony ho raisina ara-bakiteny foana, ny heviny ary dia izao araka ny fahalalako azy : don total
Izany hoe rehefa mahafoy tena dia tsy antsasantsasany fa feno :):) OK

ok ka eo indrindra izao no adi-hevitra mafotaka koa :D
Ny Matio 5:39 no mampiseho fa mandalo fitsarana ireo manao ratsy ary nohamafisiny izany ao amin'ny Rom 13:1 -4
1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra
2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao;
4 fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.

Ny teny ao amin'ny Matio 5:43-48 no mampiseho ny fampianaran' i kristy fa anjarantsika ny mitia ireo manao ratsy amintsika ary tsy tokony hamaly na hanao fihetsika izay mitovy ny ataony amintsika isika :cry: satria isika no mampiseho azy ireny fa miaraka amin'i kristy isika ary ny hafatr'i kristy no ataontsika tanjona sy fanampiana azy ireny

20. rakapy ( 06/01/2008 02:29)
niryna:

rakapy:

Koa inona no tsy mazava @ io ry Nyrina. teny tsotra be zany ve de ilana fanazavana sa??? efa tsy hita intsony izay lazaina? "Raha misy tsy mino ny baibolinao dia ario ny baibolinao dia mividiana hafa koa mandra-pinon'ilay olona" " Dick 18'42"


:cry: izany ve,io no boky sarobidy indrindra,boky nodorana kanefa tsy may.Hianao mankahala azy io indrindra no ampiasain'Atra hideran'ny olona ny fahasoavana fa toa tsy fantatrao izany.:-*


Dia lasa saina amin'ilay teatra sy film gasy indray ny sainao "baiboly nodorana ka nefa tsy may". Tena mahagaga ny mpino tokoa izy io nefa dia tsy fantany fa boky lenan'ny orana ilay izy ka taratasy lena ve hirehitra?:-D:-D:-D:-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1824