Mamely tahamaina ny takolakao ?Omeo azy koa ny iray!
21. niryna
(
06/01/2008 04:23)
rakapy:
Dia lasa saina amin'ilay teatra sy film gasy indray ny sainao "baiboly nodorana ka nefa tsy may". Tena mahagaga ny mpino tokoa izy io nefa dia tsy fantany fa boky lenan'ny orana ilay izy ka taratasy lena ve hirehitra?:-D:-D:-D:-D
=))=))=)) mba fantatrao moa ny hevin'izany hoe boky nodorana kanefa tsy mety levona? Tsia tompoko ary tsy ho fantatrao na oviana na oviana satria ny anao izay eritreritrao no tadiavinao hampiharina ny tenin'Atra ,too,bad:-"Fantatro ny ondriky hoy i kristy ary izaho mahalala ny feony.Ondriny ve hianao? Fantany ve ny feonao? Raha tsia> Manatona Azy fa ho fantany tokoa ny feonao,izay manatona Azy mantsy dia tsy mba ho laviny.=D^:^
Na rovitinao,na hitsahinao,na doranao aza ny baiboly,fahasoavana nomen'Atra ho an'ireo izay mino azy io tompoka ka tsy afaka hiala ao an-tsainy fa afaka mitory izy na tsy misy baiboly aza.Sao kosa ilay tsy fananao baiboly no tena mampanahy anao ka hitadiavana baiboly vaovao e.Indrisy ry tany,mampalahelo ny olona izay miantehitra ny tenany ihany,mangetaheta kanefa tsy sahy miaiky.
Ny tompo anie hanampy anao hatrany ahalalanao ny fahamarinana. :-*:-*:-*
22. nandrianina1
(
06/01/2008 08:35)
niryna:
Ny teny ao amin'ny Matio 5:43-48 no mampiseho ny fampianaran' i kristy fa anjarantsika ny mitia ireo manao ratsy amintsika ary tsy tokony hamaly na hanao fihetsika izay mitovy ny ataony amintsika isika satria isika no mampiseho azy ireny fa miaraka amin'i kristy isika ary ny hafatr'i kristy no ataontsika tanjona sy fanampiana azy ireny
raha eto @ forum ity aza betsak ny marary eto an!
de aona ary ny practice atoron'niryna e!
eo mantsy le tena sarotra8O
23. niryna
(
06/01/2008 13:01)
nandrianina1:
niryna:
Ny teny ao amin'ny Matio 5:43-48 no mampiseho ny fampianaran' i kristy fa anjarantsika ny mitia ireo manao ratsy amintsika ary tsy tokony hamaly na hanao fihetsika izay mitovy ny ataony amintsika isika satria isika no mampiseho azy ireny fa miaraka amin'i kristy isika ary ny hafatr'i kristy no ataontsika tanjona sy fanampiana azy ireny
raha eto @ forum ity aza betsak ny marary eto an!
de aona ary ny practice atoron'niryna e!
eo mantsy le tena sarotra8O
Marina tokoa izany,tena sarotra ilay izy.Atao tsikelikely fa tsy tonga dia atao indray mandeha.
Ny tiako ho tenenina dia hoe:anao fanoharana aho an,misy olona manome anao fanafitohina ohatra? Dia miverina ilay soratra masina hoe aza mamaly ratsy ny ratsy e? Dia hoy hianao mivavaka hoe Atra o,hianao no mahalala ny ato am-poko,tezitra mafy amin'ity olona ity aho,ampio aho mba tsy hisandaotra,omeo hery aho mba hamela azy. amena.
mivazavaza tsy amin'ny antony ny patron ohatra?
Jerevanao fotsiny izy,tsy miteny hianao fa mivavaka any am-po ary dia mangataka amin'Atra mba tsy hanoka-bava na hiteniteny foana.Mivavaha ho azy ary mamela azy na inona nataony na inona.
te-angata-javatra na nisy antso tampoka mitady anao ohatra?
mivavaha vao miditra ilay birao na inona na inona izany.
misy olona tiana ahitsy izy na tianao ho toriana ny tenin'Atra? Mivavaha aloha.Atra o ampio aho fa mba te-hanoro sy hitory ny teninao amin'ity olona ity.
Izay no antony hivavahana foana alohan'ny hidirana ato amin'ny serasera fivavahana.Ny antony?
Samy manana ny fomba fandraisany azy avy ny tsirairay,ao ny manome hery ary ao ny manome fanafintohinana ka raha vao mivavaka isika,mangataka amin'Atra mba hanome antsika ny Fanahy Masina hitari-dalana antsika dia misinda daholo ireny fahatezerana,fandraisana ny teny izay tsy ampoizina omen'ny olona antsika ireny.Andramo anie hoy aho e.izay fa mahereza.
Indro kely,izay zavatra tianao ataon'ny olona aminao foana ataovy dia ho hitanao ilay fi-pratique-na ny sorata masina.
Ohatra nandeha niangona izao isika androany,nandray an-tsoratra ny toroteny ve? toy ny hopitaly mantsy ny fiangonana ary naka fanafody tany amin'ny dokotera isika,moa ve nihinana fanafody isika sa dia nalaina fotsiny dia natao ao anaty poketra?
Raha mihinana an'iny isan'andro isika dia ho sitrana e? Dia toy izany koa ny fianarana ny tenin'Atra,vakina ilay izy,ampiharina amin'ny fiainana,isika irery ihany dia efa afaka manao izany,tsy mila diploma ny fampiharana ny soratra masina fa mila famolahantena sy fanetretena.
Raha atao ho bango tokana dia izao,raha vao manomboka miaina miaraka amin'i kristy isika,eo no manomboka ny fandeferana.Aza mieritreritra hoe marina foana,manaiky resy na marina aza,io toetra io tsy ananan'ny tsy mpino,izay manetritena no asandratra ary asandratra no aetry.
:-*
24. xxx
(
06/01/2008 21:45)
aleo tsy mpivavaka hotranay toy izay miseho mpivavaka nefa devoly fisainana
25. niryna
(
07/01/2008 05:49)
xxx::cry:
aleo tsy mpivavaka hotranay toy izay miseho mpivavaka nefa devoly fisainana
Asa aloha izay ataonao devoly fisainana,fa amiko raha miaraka amin'Atra hianao na izaho tsy hiantso ny mpivavaka ho devoly fisainana mihitsy,sao lery ary no namporisika anao hiteny an'io .Asio fiheverana satria ny kristiana tsy afaka hitsara mba tsy ho tsaraina.Mivavaha mba omen'ny fanahy masina hianao ho tia izay eritreretinao fa ho devolin'ny fisainana e,ny kristiana koa mantsy nampianarina ho tia ny fahavalo ka raha tsy tia ny fahavalonao izany hianao ,mety devoly fisainana koa ve izany sa tsia? dia mba vavaho izahay kristiana rehetra sao mba misy eritreretinao ho devoly fisainana miseho mpivavaka mba hanana Atry ny fisainana tahaka ny anao.Misaotra e:-*:-*
Ny soa fianatra ary ny akanga maro tsy vakin'amboa,ny mita be tsy lanin'ny mamba.Ary izay miaraka vato fa izay misaraka fasika.Azo ampiharina ireo ary hita eo amin'ny endriky ny maha kristiana ihany koa.
Izay hafafy no ho jinjaina,izay vava ataontsika no hamatotra antsika. Mahereza e :D
Raha mamafy rivotra dia hifoka tadio,raha mamafy lainga dia ho voafatotry ny lelany,ary izay miaraka amin'i kristy dia izay ataony no ataony ihany koa ary mihoatra noho izany aza satria ny serasera fotsiny dia efa santionany iray hitorina ny filazantsara ho an'ireo izay mandray sy mino ary te-hiaraka amin'i kristy.
Andriamanitra dia fitiavana koa miezaka koa isika mba hizara izany fitiavana izany ok (l)(l)(l)
