Nakaiza Jodasy?

41. niryna ( 03/01/2008 21:31)
ikaretsaka:

bila> ny an'i niryna rehefa ho'zy ilay pasiterany heo tsy mila de tsy vakiany tokoa fa tsy ilainy ho fantatra ny antsony.. raha mila dia ieee vekiany tokoa
izy manko hainao ihany fa voan'ilay fanatisme pastorale
tsaratsara raha any @ pasiterany ianao no miteny an'io


Hay ve e,lasa mpisolo vava ahy izany ika :D
42. niryna ( 03/01/2008 21:35)
fijo:

eto indrindra isika izao...iza marina i jodasy?????satria raha ny voadinika taorian'io nahitan ailay fehezan tsoratra voalazan'i rabilabil aio,dia toa nisy fihovana ny fahitana ny anjara asan'i jodasy.satria raha ny voadinika dia toa asa no notanterahany,dia ny hamaha ilay hery"andriamanitra" voagadran'ny vatan'i jesoa.rah aio no jerena dia nanao asa soa izany leryfa tsy namadika.nefa asa ny fahitan'ny sasany azy

Asa aloha ry fijo fa izay izany ilay eritreretinao azy koa
Nofidin'i krsity izy ary nivadika taminy satria nampiasan'i satana handroba ny heriny.Maro ihany koa ny olona am-piasan'i satana handrava ny voninahitr'Atra ary dia ireny hita ireny izy ato dia efa hita fa tsy mila mandeha lavitra ka.Aleo samy maka sy mahita izay tiany hinoana satria tsy misy na olona iray aza hamonjy na hanova ilay olona fa ATra irery ihany

43. niryna ( 03/01/2008 21:39)
ikaretsaka:

nen'i niryna izay ni carder-ny ny sainy ihany rabila an...
rehefa ary ny azy no nataony hoe but de na 2eme mi-temps aza de any foana!:-D

:roll::roll: mahalasa saina ahy ihany ilay finoan'ika ity ka :roll::snif:

44. niryna ( 03/01/2008 21:41)
rakapy:

Ka io Ra fijo no zavatra tsy takatr'ireo Kristianina @ ny ity finoany ity.
Raha tena mamaky sy mandinika ny baiboly izy ireo dia hahatsapa fa tsy diso na ratsy na koa mpamadika mihintsy i Ra Jodasy? Satria raha ny voasoratra tao dia efa talohan'ny nivarotany an'i RaJasosy no efa nilaza i Ra Jasosy fa misy iray amin'ny 12 lahy hivarotra azy? Ka tsy midika va izany fa efa COMPLOT sy FILM efa namboarin'i Ra Jasosy sy A/tra ity tantara ity???
Raha toa moa ka tsy nanaiky ny hivarotra an'i Jasosy i lery .De nanao ahoana ny film? I lery anie izany ka noterena ho ratsy raha ny fahazaoko azy.

Qui est Jésus de Nazareth pour vous ? A travers votre réponse, votre vie sur cette terre et pour toute l'éternité est en jeu.

Toutes les autres religions ont été fondées par des être humains et sont basées sur des philosophies, des règles, des normes de comportement qui viennent de l'homme. Si vous prenez le fondateur d'une de ces religions et que vous retirez sa personne des pratiques et des disciplines de cette religion, elle sera très peu changée. Mais si vous ôtez Jésus-Christ du christianisme, il ne reste plus rien. Le christianisme biblique n'est ni une simple philosophie de vie, ni une norme d'éthique, ni une obéissance à des rites religieux. Le véritable christianisme a pour fondement une relation vivante avec un sauveur et seigneur ressuscité et vivant.



45. niryna ( 03/01/2008 21:45)
ikaretsaka:

mety mahay manaraka coupe be koa (ohatran'ireny mpanao belotes ireny) i Jesosy dia arany mialoha ny vato fa tsy voatery ho complot sy film ka:-D

rajodasy lesy nanendry tena foana fa tsy noterena an.. lery irery anie no niteny t@ jesosy hoe "za koa mba te ho apostoly" de avy aza ho'zy Jesosy

rijadolly:

: Re : 2008? Matokia fa tsy irery hianao.
Hoy i rijadolly:

Tena menatra be aminareo tsy Kristianina aho amin'ataonay miseho kristianina mpino,nefaaaa atao ahoana e!.

niryna:

ka izay ilay hoe fantaro ny hinoanao ka


46. fijo ( 03/01/2008 22:53)
hoy rakapy:"fa I RaJasosy dia faly tokoa satria nahatanteraka ny adidiny i lery." mety mitombona tokoa io voalazan'ialahy io ry akama an

ika,marina tokoa aloha ilay nampifandraisan'ialahy ny asany "mpitambola"sy ny fifandraisan'izy sy lery.nefa toa nampisy fialona akely tamin'ireo akama izay.i lioka ohatra di atena niampanga an'i jodasy mafy mihintsy.
nefa iza no mahita araka io vinavina'i rapaky io;izay itako hoe mety nitombona kokoa
47. niryna ( 04/01/2008 04:31)
fijo:

hoy rakapy:"fa I RaJasosy dia faly tokoa satria nahatanteraka ny adidiny i lery." mety mitombona tokoa io voalazan'ialahy io ry akama an

ika,marina tokoa aloha ilay nampifandraisan'ialahy ny asany "mpitambola"sy ny fifandraisan'izy sy lery.nefa toa nampisy fialona akely tamin'ireo akama izay.i lioka ohatra di atena niampanga an'i jodasy mafy mihintsy.
nefa iza no mahita araka io vinavina'i rapaky io;izay itako hoe mety nitombona kokoa

teny tsy valiana fa ao hianareo telo mitovy tady lokanga miresaka ao .=))=))

48. rakapy ( 05/01/2008 00:13)
I Ra JODASY dia olo-marina ary olona nahavita ny mission-ny na dia tsy sitrapony aza no hivarotra an'i Ra Jasosy dia novitainy ihany ilay izy satria izay no fanirin'i Jasosy.
49. fijo ( 05/01/2008 00:22)
niryna an,matoa izy namono tena avy eo,dia satria tsy sitrapony ilay zavatra nataony,nefa araka ny nolazain'ijesoa hoe "tanterao ny asa tokony hoataonao"
50. rakapy ( 05/01/2008 00:28)
Fijo> ny olona ohatran'i Nyrina dia ny pataloha sy fehikibo ihany fanatany fa aza omena tsiny=))=))=))=))
51. fijo ( 05/01/2008 00:31)
tsy manome tsiny isika ka,
52. niryna ( 05/01/2008 20:13)
rakapy:

I Ra JODASY dia olo-marina ary olona nahavita ny mission-ny na dia tsy sitrapony aza no hivarotra an'i Ra Jasosy dia novitainy ihany ilay izy satria izay no fanirin'i Jasosy.

ka marina aminao izy satria tsy fantatray io Jasosy lazainao ombieny ombieny io .=))=))=))=))=))=))=))

53. rakapy ( 06/01/2008 01:47)
Nyriana> I Jasosy dia i Jesosy ihany. Novako ny fomba fanoratra azy satria midika zavatra mahamenatra ny dikan'io teny io raha azavaina aminao.
Fa ny resaka moa dia momban' i Jodasy fa aza tailana ilay resaka. Sa ve voaporofo ny marina dia mitady irika handosirana::-@:-@:-@:-@:b:b:b
54. niryna ( 06/01/2008 04:38)
rakapy:

Nyriana> I Jasosy dia i Jesosy ihany. Novako ny fomba fanoratra azy satria midika zavatra mahamenatra ny dikan'io teny io raha azavaina aminao.
Fa ny resaka moa dia momban' i Jodasy fa aza tailana ilay resaka. Sa ve voaporofo ny marina dia mitady irika handosirana::-@:-@:-@:-@:b:b:b



ok, tsy fantako izany Jasosy izany ary tsy ho voatery hino koa anie hianao e,voaporofonao izany ny marina dia izay . :D. Tsy manampotoana handresen-dahatra anao aho ,mitory no ataoko,mihaino hianao arahaba soa arahaba tsara ,tsy mino hianao dia izay. Tsy mila famonjena ,tsy maninona,tsy terena io fa safidy.
Miandry anao ilay Ray malalanao fa aza efa fangatak'andro. Amena
Fanontaniana kely mba manitikitika,nisy fiangonana na olona nampianatra anao soratra masina angaha ry rakapy ka tena tsy nahitanao fahasoavana?
Tena mivatravatra be anie hianao izany e,sao heverinao fa izaho anie no ho :-@:-@:-@:-@:-@ eo :b io,ilay tenin'Atra,ilay Atra mahery nahatohizao ahy sy hianao no tsipahinao fa sao heverinao fa hoe i niryna.Diso fihevitra hianao. :-*:-*
Hitako hoe mampalahelo ahy tokoa hianao,hitako hoe misy anger na fahatezerana ,nahoana tokoa re e.Hianao ihany dia afaka mamaly izany.
Nandalo taon-tsarotra daholo ny olona rehetra ry rakapy a,fa raha tsy mahay mandanjalanja ilay fahatezerana sy ilay fahoriana amin'ny fiainana dia mivoaka ato anaty soratra ilay izy.Tsy vao hianao irery no nandalo izao toe-tsarotra na fisalasalana na fankahalana ny tenin'Atra izao.
Manontania tena hoe ,inona re no mahatonga ahy hankahala ny tenin'Atra e? Izaho ve no manao an'io sa misy hery hafa ato amiko mahatonga ahy hanenjika an'i kristy e.Ampio aho Tompo,fa maninona aho no manana tsy fitiavana Anao?Ampio aho Tompo,fa maninona ny fiainako no tsy mba faly sy miramirana? Inona no banga amin'ny fiainako ka mahatonga ahy hanosika ny Fitiavanao?
Mivavaha rakapy fa mbola tsy tara a.Matoa hianao tonga ato amin'ity fandaharana fivavahana ity dia misy antony tian'Atra aseho anao.
Izay mahereza,ary manoroko anao ,ny anabavinao eo amin'ny Tompo :-* (l) niryna
55. rakapy ( 07/01/2008 01:34)
Ka izay anie izy io ry Nyrina e! tsy hamaky fitoriana no nalehako eto @ forum fa hifanakalo hevitra momba ny finoana malalaka.Satria dia ireo zavatra nolazainao ireo dia efa in-jato kely no henoko sy novakiako ka izay no mahatonga ahy hivatravatra angamba.
56. niryna ( 07/01/2008 07:22)
rakapy:

Ka izay anie izy io ry Nyrina e! tsy hamaky fitoriana no nalehako eto @ forum fa hifanakalo hevitra momba ny finoana malalaka.Satria dia ireo zavatra nolazainao ireo dia efa in-jato kely no henoko sy novakiako ka izay no mahatonga ahy hivatravatra angamba.
mi-comprendre aho ka,misy zavatra tsy zakanao fotsiny fa afaka zarainao ny olona na namanao na vadinao na zanakao na iza izany na iza rehefa afaka hihaino anao.Ilay fahatezerana anie tsy tongatonga fotsiny e,efa ao am-po ao ilay izy ary rehefa tairina dia mitroatra.Efa nandalo izany aho rakapy a.Mandalo izany daholo isika rehetra,inona no tombotsoa,maninona aho no tezitra dia ny hafa no hanamparako ilay izy. :oops: miala tsiny aho raha miteny izany fa izay no fahitako aza ,hifonako fa tsy mitsara aho fa mba te hanampy fotsiny.
dia izao aza no omeko anao,efa in-jato kely ilay izy no henonao ? Im-piry ary hianao no mba namonjy fanahin'ireo olona mangetaheta an'Atra? Efa nandalo fahoriana ve hianao? Efa nisedra ny mafy ve,efa nandalo fitsampana? Efa tsy nihinan-kanina fa tsy misy ny harapaka? Efa teo am-bavahoanam-pahafatesana kanefa mbola velona sy mitoritenin'Atra hatramin'izao? Efa?
Raha tsy mbola nandalo fisedrana mahamay hianao dia hisaorako Atra.Raha nandalo na efa nahita izany ankizy mitsindroka fako,takolaka vakivaky tsy mba manana akanjo hoentina mianatra,kibo kepaka no mandeha mianatra,raha tsy mbola nahita ireny olona ireny hianao,raha tsy mbola namonjy olona eo am-baravarakely hitsambikina fa tsy mahazaka ny fiainana,raha mbola tsy nitondra olona misy antsy ny kibony,nihevitra ny ho faty izy fa tsy mahazaka ny lalam-piainana intsony.Eny efa hitako sy niantra tamin'ny olona maro izany ary anisany novonjeko tamin'ny fiainana.Raha mbola tsy nahita re ry rakapy dia mifaly.Fa mbola tsy fantatrao tokoa izany fitondran'Atra izany.Efa nahita olona tsy mahazaka ny onjam-piaiana ve hianao?mahazaka kidoro noho ny herin'ilay ratsy ao aminy ary rehefa maraina ny andro tsy zakan'olon-telo ilay izy kanefa izy irery no namoaka azy tao alan-trano?
Mifaly fa tsy mbola nahatsampa ny fitiavan'Atra anao hianao.
Ireo rehetra ireo anefa sy ny maro tsy ho tanisaiko eto fa misy moa tsy tia ny fijoroana vavolombelona dia aleo izao,ireo rehetra ireo no manao ny asan'Atra amin'izao fotoana izao ary mandeha manampy amin'ny toerana izay nahazo azy.Ny fitiavan'Atra anefa tsy ho voatery hoe hijaly vao mahita izany? Na ny andro iray omeny ampitomboany hitoriana ny teniny fotsiny aza dia efa hisaorako sy tokony hisaoranao azy.
Ny zanakao,ny ho avinao,ny taranako jerena.
Izay manome dia hanam-pifaliana ,ary sambatra ny manome am-pifaliana noho ny mandray.Tsy mitady vola aman-karena na manao propangandy fa mizara ny fahasoavana nomen'ny Tompo ary mizara ny fotoana kely izay hitoriany ny filazantsara eto.
Mahereza ary zarao ny fahasoavana nomen'Atra anao fa mbola maro ireo mangetaheta sy te ho afaka ny fatotr'i satana.Andramo ary atomboy ao an-tokan-tranonao izany dia ho hitanao izany fahasambarana izany.Zarao ny fitiavana,zarao ny fotoana,mianara mihaino sy mizara ary manome fifaliana ny hafa aza tazomina irery fa tsy ahitana fifaliana sy tombo-tsoa izany.Ilaina ny vola fa tsy ahitana fahasambarana ny fananana azy na manan-karena aza raha tsy manana sy mizara fifaliana amin'ny hafa .

57. rakapy ( 07/01/2008 12:50)
Nyrina> Asa na mazava ny teniko ? Ny karazan'olona manao hoatra ny ataonao izao no tsy hitiavako ny mihaino sy miresaka ny momba an'i Jesosy. Ka aza be kabary amiko raha tsy tia ny firesako.
58. niryna ( 08/01/2008 08:26)
rakapy:

Nyrina> Asa na mazava ny teniko ? Ny karazan'olona manao hoatra ny ataonao izao no tsy hitiavako ny mihaino sy miresaka ny momba an'i Jesosy. Ka aza be kabary amiko raha tsy tia ny firesako.

Tsy ho voatery mamaly koa hianao ka,tsy manao kabary aho fa milaza sy mizara aminao fotsiny ka,mahazo tonga dia mamadika pejy hianao dia .

59. bilakarenjy ( 09/01/2008 17:08)
fa ahoana moa ry niryna no fomba fanentananao sy fitarihanao olona ,fa tonga dia valy boraingina be fotsiny no amalianao ilay hevitry ny olona .

Misaotra ry niryna fa dia tsara ho fantatra izao fihetsika ataonao izao .
60. fijo ( 10/01/2008 23:59)
aza entim po fa mitonia e, marina fa indraindray tokoa dia misy fihetsika mahakamo fa samy efa nisendoatra kely teto daholo isika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0625