Ny fanoherana ny tenin'Atra ? Inona no antony?

1. niryna ( 27/12/2007 13:48)
Efa hita ombieny ombieny ary efa samy mahatsampa isika fa misy ilay Atra,marina izay voalaza ao anatin'ny teniny.Indraindray anefa dia mandratra ilay izy ka toherina foana ilay fahamarinana,na ny teny izay voasoratra ao anatin'ny baiboly.
Inona tokoa no mahatonga ny olona hanohitra ny tenin'Atra ?
Amiko aloha dia toheriny ilay izy satria:
-te ahafantatra be dia be kokoa ilay olona ka arakaraky ny hitoherany azy no ahitany valiny avy amin'ny kristiana :roll:
-ilay fahamarinana voalaza ao anatin'ilay baiboly dia ataony amin'iny fotoana iny ka mamy ilay filan'ny nofo dia aleo aloha toherina .
-tsy tia mamaky baiboly izy ka tsy afaka ny hizara izany teny ao anatin'ilay baiboly izany dia toherina daholo izay voalaza ao.
-fahalemem-panahy no tena ilaina,mbola maratra ilay fo ka dia mamaly faty aloha no atao fa rehefa avy eo ve tsy ho sitrana ihany ilay fo.Dia ireny fanariana dia amin'ny toaka,rongony,fizarana ny vatana etsy sy eroa,fitadiavana ara-nofo no mibahana fa tsy fikolokolona ara-panahy.
Asa aloha fa izay no mba hitako,ahitsio aho raha misy diso:-*:-* fianarana moa no ataontsika rehetra eto.
Ary inona ny anareo ny antony mahatonga ny olona hanohitra ilay tenin'Atra foana?
oops,misy adinoko kely,ilay mpitory manao mpitari-bato vilam-bava :cry::cry: ahoana izany? Izay voa hafafy ihany no ho jinjaina.
Misaotra betsaka antsika hatrany mifampizara ny tenin'Atra.
FA FAHASOAVANA NO NAHA TOA IZAO ANTSIKA.FITIAVAN'ILAY ZANAKA NANAO SORONA NY AINY MBA AHATONGA ANTSIKA HO VOAVONJY AMIN'NY FARANY. INONA MOA NO SOA AZOKO RAHA MANANA IZAO REHETRA IZAO AHO KANEFA NY FANAHIKO TSY VOAVONJY?
(l) niryna
novalian'i niryna ny 04/01/2008 04:47
2. hery ( 27/12/2007 14:14)
Efa hita ombieny ombieny ary efa samy mahatsampa isika fa misy ilay Atra,marina izay voalaza ao anatin'ny teniny.

Mbola tsy tena sur io kah :-)
Mbola tsy samy mahatsapa isika hoe misy ilay Andriamanitra. Mbola be dia be ny tsy mino an'izany Andriamanitra izany.

Koa rariny raha toheriny na ny heverinao ho teniny aza.

3. ikaretsaka ( 27/12/2007 14:41)
misy koa ny tsy manohitra fa miteny hoe tsy ampy ilay source 1 hanovozanao ilay heverinao hoe "Tenin'A/tra"
satria na ilay Baiboly lazainao aza TSY miteny hoe ao IHANY ny source!

NB: alohan'ny hidinan'ny adihevitra lalindalina kokoa dia aoka ho tsarovana lalandava fa SAMIHAFA ny hoe, manohitra sy ny tsy milaza hoe TSY AMPY
4. rijadolly ( 27/12/2007 16:25)
hery:
1. Mpandefa : hery [ Valio ] 27-12-2007 15:14:26
Lohateny : Re : Ny fanoherana ny tenin'Atra ? Inona no antony?
Voalaza teo :
Efa hita ombieny ombieny ary efa samy mahatsampa isika fa misy ilay Atra,marina izay voalaza ao anatin'ny teniny.

Mbola tsy tena sur io kah
Mbola tsy samy mahatsapa isika hoe misy ilay Andriamanitra. Mbola be dia be ny tsy mino an'izany Andriamanitra izany.

Koa rariny raha toheriny na ny heverinao ho teniny aza.
ikaretsaka:

Dia inona tokoa moa izany ny ataon-tsika mpino eo anatrehan'olona manana ireo heritreritra ireo?sa dia manaiky fotsiny isika hoe izay ny tiany?dia apy ve zay?
Niryna:
Inona tokoa no mahatonga ny olona hanohitra ny tenin'Atra ?
Marina ireo voalazanao ireo koa fanampiny raha marina ireto.
-izaho no favy,indrindra eo amin'hevitra ka raha vao manambany ny fahaizako ilay tenin'Andriamanitra dia zero amiko ilay tenyn'Andriamanitra
-Ka tsy ahazahoako tombony be amin'bizna ataoko anie ilay tenin'Andriamanitra é!
-aleko tsy mino toy izay hampitahorina ny fihatraikan'zavatra tiako atao,amin'izay tsy misy bedy é!
-tsy te halala ny farany izany aho ny anio ihany ny fantatro
-tsy hampidiriko ato anatiko akory,ka mankaleo ka.

Inona ny hevitra hiarahana handresendahatra ny olona toy izany? ny hevitro aloha dia:
1)Isika mpino no fitaratra voalohany.
2)Ambaratsika eraky ny vazatany fa tsy misy zavatra tsy Hain'ilay Nahary.
3)Tsy misy mafy tsy resin'Fitiavana am-padeferana sy fanetretena.
4)
kiranil:
Si Jésus avait dressé la violence contre la violence, cela n'aurait fait qu'un conflit de plus sur cette terre qui n'en manque pas. Et qu'en serait-il resté ?

A la violence, Jésus a opposé la force de la douceur.
Il a répondu au mensonge par la force de la vérité.
Il a répondu à l'insulte par la force du silence.
Il a répondu au crime par la force du pardon.
Il a répondu à la haine par la force de l'amour.

ahitsiho koa aho raha diso ny hevitro an!Fianarana tokoa mantsy ny eto fa tsy misy tonga lafatra.:-*:-*:-*
5. toovs ( 27/12/2007 16:33)
eny e, be ny mbola tsy mino saingy tsy vitsy koa ny tsy mino intsiny satria mahita fa resabe fotsiny ilay finoana.
ny mpino kristiana taloha de mamono izay tsy kristiana (croisade), ny mpino silamo sasany ndray am zao de mbola manohy ihany ny jihad islamik.
ny mpino tsy katôlika koa de manohy hatrany ny fanompana ny katôlika ho dragona sy manompo sampy.
ny mpino sasany moa dia mitady vola am itaomana ny olona hino (rakitra, ampahafolonkarena, sns, sns...)
ka hahagaga ve ny olona sasany raha lasa tsy mino?
6. niryna ( 27/12/2007 18:17)
hery:

Efa hita ombieny ombieny ary efa samy mahatsampa isika fa misy ilay Atra,marina izay voalaza ao anatin'ny teniny.

Mbola tsy tena sur io kah :-)
mbola tsy nahita ilay experience ilay olona matoa izy tsy siora e?

Mbola tsy samy mahatsapa isika hoe misy ilay Andriamanitra. Mbola be dia be ny tsy mino an'izany Andriamanitra izany.
marina izany ka izany no hitoriana ny teniny mandra-piala ny fofon'aintsika.

Koa rariny raha toheriny na ny heverinao ho teniny aza.
izay izany no rariny aminy :D:D

7. niryna ( 27/12/2007 18:20)
ikaretsaka:

misy koa ny tsy manohitra fa miteny hoe tsy ampy ilay source 1 hanovozanao ilay heverinao hoe "Tenin'A/tra"
satria na ilay Baiboly lazainao aza TSY miteny hoe ao IHANY ny source!

dia io no tafiditra ato anatin'ity.

NB: alohan'ny hidinan'ny adihevitra lalindalina kokoa dia aoka ho tsarovana lalandava fa SAMIHAFA ny hoe, manohitra sy ny tsy milaza hoe TSY AMPY
[/quote]

http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4771f06b07ca5
8. niryna ( 27/12/2007 18:27)
=D=D
rijadolly:

hery:
1. Mpandefa : hery [ Valio ] 27-12-2007 15:14:26
Lohateny : Re : Ny fanoherana ny tenin'Atra ? Inona no antony?
Voalaza teo :
Efa hita ombieny ombieny ary efa samy mahatsampa isika fa misy ilay Atra,marina izay voalaza ao anatin'ny teniny.

Mbola tsy tena sur io kah
Mbola tsy samy mahatsapa isika hoe misy ilay Andriamanitra. Mbola be dia be ny tsy mino an'izany Andriamanitra izany.

Koa rariny raha toheriny na ny heverinao ho teniny aza.
ikaretsaka:
misy koa ny tsy manohitra fa miteny hoe tsy ampy ilay source 1 hanovozanao ilay heverinao hoe "Tenin'A/tra"
satria na ilay Baiboly lazainao aza TSY miteny hoe ao IHANY ny source!

NB: alohan'ny hidinan'ny adihevitra lalindalina kokoa dia aoka ho tsarovana lalandava fa SAMIHAFA ny hoe, manohitra sy ny tsy milaza hoe TSY AMPY

Dia inona tokoa moa izany ny ataon-tsika mpino eo anatrehan'olona manana ireo heritreritra ireo?sa dia manaiky fotsiny isika hoe izay ny tiany?dia apy ve zay?
Niryna:
Inona tokoa no mahatonga ny olona hanohitra ny tenin'Atra ?
Marina ireo voalazanao ireo koa fanampiny raha marina ireto.
-izaho no favy,indrindra eo amin'hevitra ka raha vao manambany ny fahaizako ilay tenin'Andriamanitra dia zero amiko ilay tenyn'Andriamanitra
-Ka tsy ahazahoako tombony be amin'bizna ataoko anie ilay tenin'Andriamanitra é!
-aleko tsy mino toy izay hampitahorina ny fihatraikan'zavatra tiako atao,amin'izay tsy misy bedy é!
-tsy te halala ny farany izany aho ny anio ihany ny fantatro
-tsy hampidiriko ato anatiko akory,ka mankaleo ka.

Inona ny hevitra hiarahana handresendahatra ny olona toy izany? ny hevitro aloha dia:
1)Isika mpino no fitaratra voalohany.
2)Ambaratsika eraky ny vazatany fa tsy misy zavatra tsy Hain'ilay Nahary.
3)Tsy misy mafy tsy resin'Fitiavana am-padeferana sy fanetretena.
4)
kiranil:
Si Jésus avait dressé la violence contre la violence, cela n'aurait fait qu'un conflit de plus sur cette terre qui n'en manque pas. Et qu'en serait-il resté ?

A la violence, Jésus a opposé la force de la douceur.
Il a répondu au mensonge par la force de la vérité.
Il a répondu à l'insulte par la force du silence.
Il a répondu au crime par la force du pardon.
Il a répondu à la haine par la force de l'amour.

ahitsiho koa aho raha diso ny hevitro an!Fianarana tokoa mantsy ny eto fa tsy misy tonga lafatra.:-*:-*:-*

=D=D dia mitovy io e,toy ny hoe bingo ahitsy dia farany lasa mahitsy ny tongotra.Raha tsy torina ilay tenin'Atra fa androany ihany dia vita dia tsy ampy sakafo isika,mihinambary isan'andro ny olona na tsy vary aza fa mihinana sakafo,dia toy izany koa ny fanahintsika,raha tsy kolokoloina ilay fanahy dia very izay nianarana sy nampiharina ny tao anaty baiboly sa ahoana?
Ary hono hoy aho,ny fanahy masina dia miaraka foana an'ireo mino an'i kristy ary satana koa ve dia mijanona ao anatin'ilay olona hitoheran'i satana sa dia mivezivezy etsy sy eroa lery,miovaova,aringany daholo izay tratrany sa dia miditra izy androany dia mivoaka indray?

9. niryna ( 27/12/2007 18:36)
toovs:

eny e, be ny mbola tsy mino saingy tsy vitsy koa ny tsy mino intsiny satria mahita fa resabe fotsiny ilay finoana.
ny mpino kristiana taloha de mamono izay tsy kristiana (croisade), ny mpino silamo sasany ndray am zao de mbola manohy ihany ny jihad islamik.
ny mpino tsy katôlika koa de manohy hatrany ny fanompana ny katôlika ho dragona sy manompo sampy.
ny mpino sasany moa dia mitady vola am itaomana ny olona hino (rakitra, ampahafolonkarena, sns, sns...)
ka hahagaga ve ny olona sasany raha lasa tsy mino?

marina izany dia anjaran'izay mino no mivavak azy ireo,tsy anjarantsika kosa mantsy no mamonjy azy fa asan'Atra iny,raha ireo voatanisanao ireo dia tsy ho tapitra fa vao maika aza hihamafy fo ny olona satria hisy mpaminany sandoka hampiseho fahagagana.Ny mahagaga dia tsy sakanan'ny fanahy masina izy ireo saingy mbola tsy afaka miditra ny anti-kristy fa mbola ny fanahin'ireo fotsiny no misodisody,rehefa tonga kosa i kristy dia izay.Izy irery ihany mantsy no naharesy ny fasana.Andohalika eo anatrehany amin'izay satana,izao aloha izy dia mirenireny toy ny liona masika mitady izay arapany.Izy ireo arapany? ireo tsy mino ny tenin'Atra,ireo manohitra ny voalazan'ny baiboly,ataony ao antsain'ireo olona ireo fa tsy misy izy dia mino tokoa ilay olona dia mitory teny koa ilay olona hoe tsy misy satana kanefa na dia tapitra aza ny andro raha tsimponiko ny teny ao anatin'ny baiboly milaza an'i satana ho vita ato.
Ary iza aloha ilay tendrombohitra iray izay hipetrahan'ny dragona amin'izao fotoana izao e.Misy andriamanitr'izao tontolo izao ilay izy,voasoratra ao anaty baiboly io Apok ka voadidin'ny tendrombohitra fito ilay izy,Fantatrao hoe izy io firenena io amin'izao fotoana izao?
Ao no hivoaka ny dragona rahatsizay :roll::cry: loza ity.

10. niryna ( 27/12/2007 18:39)
ikaretsaka:

misy koa ny tsy manohitra fa miteny hoe tsy ampy ilay source 1 hanovozanao ilay heverinao hoe "Tenin'A/tra"
satria na ilay Baiboly lazainao aza TSY miteny hoe ao IHANY ny source!

NB: alohan'ny hidinan'ny adihevitra lalindalina kokoa dia aoka ho tsarovana lalandava fa SAMIHAFA ny hoe, manohitra sy ny tsy milaza hoe TSY AMPY
satria ika tsy mino fa ampy ny baiboly fa nanasorana,io aza tsy vita koa miandry an-drazaka tsy hivalana eo ve,izay misy eo aloha hafafy. sa ahoana ? Sady izay hafafintsika koa anie no hanadinana antsika e. Manao KFA izany :D:D izany hoe izay zavatra fantatrao ihany no hanadinana anao fa ny tsy dia efa tsy fantatra koa adinina amin'iny eo aiza :P

11. ikaretsaka ( 27/12/2007 20:10)
Efa averiko @ i niryna in be dia be fa raha ferana @ baiboly ny tenin'A/tra dia Voafefin'ny boky Andriamanitra!
tsy izany anefa Izy amiko!: TSY VOAFETRA SY TSY HITA PESIPESENINA ANDRIAMANITRA!

izany hoe izay zavatra fantatrao ihany no hanadinana anao fa ny tsy dia efa tsy fantatra koa adinina amin'iny eo aiza

sao kosa ianoa no manao an'io hoe izay fantatrao ao anaty baiboly ihany no hanadinana anao?
Raha anontaniany zavatra hafa ivelan'ny baiboly izany ianao dia hahavaly ve? Diniho ny tenanao

Tadidio fa ny kristianina tsy voatery hahay mamaky teny aby! tsy voatery hamaky baiboly aby, fa izany tsy mahasakana azy tsy ho kristianina!

12. cutie ( 27/12/2007 20:20)
namaste :)
13. ikaretsaka ( 27/12/2007 20:27)
tsy misy teny mihitsy tokoa anie na aiza na aiza hoe:

famaritana ny Kristianina= ireo izay mamaky baiboly! TSIA

Fa ny hoe:
Kristianina= mino an'i Kristy no misy!

ary tsy voatery avy @ famakiana ny baiboly ihany no nahatonga ny olona hino an'i Kristy fa avy any @ lovan-tsofina ihany koa (traditions ho'zy ny teny vahiny)

14. cutie ( 27/12/2007 20:30)
mitory be i Ika zany :-D
15. ikaretsaka ( 27/12/2007 21:21)
tsy mitory aho anaka fa manazava:wink:
16. cutie ( 27/12/2007 21:24)
ka mety ho tafiditra ihany ve sa :-d
17. ikaretsaka ( 27/12/2007 21:30)
nah...
za tsy mampiasa ny 'araka ny voasoratr'i anona amin'ny bokin'i anona andalana faha anona raisina ao @ anona dia mananona"

eo no maha samihafa azy

ny ahy: "izao satria izao no antony..jereo akaiky io de eritrereto lalina dia mandiniha tena"
18. cutie ( 27/12/2007 21:34)
:-D
19. fijo ( 27/12/2007 21:58)
hoy i hery:"Mbola tsy tena sur io kah "ie tena tsy mbola sura hoe misy izany andriamanitra izany.ka hafaka hino na tsy hino isika.samy mbola vinavina ny antsika izay
20. niryna ( 28/12/2007 06:05)
ikaretsaka:

Efa averiko @ i niryna in be dia be fa raha ferana @ baiboly ny tenin'A/tra dia Voafefin'ny boky Andriamanitra!
tsy izany anefa Izy amiko!: TSY VOAFETRA SY TSY HITA PESIPESENINA ANDRIAMANITRA!
dia izay izany ny anao fa mitadiava any an-kafa.
http://baiboly.org/lahatsoratra.asp?ID=4
ny baiboly tompoko dia ampy saingy ireo tsy nianatra na namaky ilay tenin'Atra dia tsy tiany sy tsy mety ho resy dohika satria tsy afaka mamaly ny ao anatin'ny fanazavana voalazan'ny baiboly izy.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=3&andininy=10-11&dika=

izany hoe izay zavatra fantatrao ihany no hanadinana anao fa ny tsy dia efa tsy fantatra koa adinina amin'iny eo aiza

ie,satria tsy afaka ny hanoro vato mafana ka hilaza angano raha tsy nahafantatra sy nahatsampa ny fahasoavan'Atra.
ikaretsaka:

sao kosa ianoa no manao an'io hoe izay fantatrao ao anaty baiboly ihany no hanadinana anao?
Raha anontaniany zavatra hafa ivelan'ny baiboly izany ianao dia hahavaly ve? Diniho ny tenanao
=))=))
ikaretsaka:

Tadidio fa ny kristianina tsy voatery hahay mamaky teny aby! tsy voatery hamaky baiboly aby, fa izany tsy mahasakana azy tsy ho kristianina!

Tsy voatery izy ka izany no nilaina ireo mpitory,tsy voatery izy fa ny masony tsy afaka hijery saingy ny sofiny kosa afaka hihaino,ary ny fanahiny afaka manaraka izay nolazain'ny tompo :D:D
Raha tsy misy ny nanome azy ireo ny tenin'Atra dia tsy ho fantany velively izany,raha nomena kosa anefa ka milaza fa kristiana ary mifanohitra izay voalaza ao anatin'ny baiboly foana no lazaina dia asa lahy :P

Izany ve no fampianarana azonao .kivy aho.
Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Matio 7:2

Ahoana ary no ahafantarana fa avy amin'Atra ilay hery na avy amin'ny herin'ny maizina?
http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=22-23&dika=

Dia afaka mitsimpona an'ireto hianao raha mazoto,raha tsy moa dia aleo ho an'izay mangetaheta ny tenin'Atra.
Heb 1:9 ,1Kor 3:16,Mat 10:16

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.088