Hafatra ho an'ny rehetra

1. niryna ( 21/12/2007 06:51)
Lohateny : Hafatra ho an'ny rehetra.
Miarahaba antsika rehetra aho,
Alefako eto amin'ny eritreritra ity ary any amin'ny fivavahana.Ny antony dia mety misy tsy mandray anjara any amin'ny fivavahana .
Naninona aho no nandefa azy eraky ny sehatra rehetra?
Amin'izay mba misy iray tafiditra.Izay no antony.
Nisy fifanandrifian-javatra maro tao ary nisy koa ny zavatra nisy nahazo ahy ary efa nolazaiko anareo ombieny ombieny aho fa tsy mamaly ny hafatra kanefa tsy afaka mamaly aho ary fotsifotsy fotsiny no mivoaka ary ny halavan'ny hafatry ny rehetra anefa dia misy fizarany,mandeha any amin'ny librairie aho ary mijery miaraka amin'ny pseudo ny namako dia mivoaka ny azy,ilay izy kanefa dia mifanome tsiny no betsaka.Tsy maninona fa afaka miteny daholo isika ka
Tsy teo amin'ny toerako hianareo fa zavatra nitranga matetika io ary misy mi-decode koa aza ny valiny.Samy nahalala izany daholo fa tsy nisy na iray aza niteny hoe efa nimenomenona foana izy fa tsy mba afaka mamaly.Tsia tsy nisy na iray aza.Fijo no nandefasako an'io voalohany indrindra ary nisy maro no nanontany foana hoe maninona no tsy mamaly hafatra aho.
Tsy te-hifamaly intsony aho fa izay ,nitranga ilay izy,nahalala daholo ireo nimenomenona,fanomezan-tsiny no betsaka,tsy maninona izany fa safidy io.
Nisy fifanandrifian-javatra tamin'ity indray mitoraka ity hoy i hery ary hialako tsiny ny nandefasako azy.Aza force-na ny olona na tsaraina fa maninona na toy izao na toy izao.
Averiko indray fa tsy tezitra aho ary afaka miteny izay tenenina izay te-hiteny hilazana ahy ao,tsy maninona izany.
Tsy izaho irery hoy aho no tratra an'io hafatra
Samy mila fanampiana daholo isika rehetra ary tsy misy ny tonga lafatra.
Izay no antony nahatonga ahy nanoratra an'iny.
Mazava angamba ny amin'iny,tsy asiko teny intsony.



Hafatra

,aza miheno sy mijery ny teny mafy ataon'ny sasany an,fa betsaka
koa zahay no mahazo hery sy mitombo finoana amin'ny fitoriana sy partage
ataonao eto amin'ny forum dia manantena ano hiverina tsy ho ela an..
Hafatra

Misaotra an'Andriamanitra fa nivaly koa ny vavaka nataoko dia ny
hiverenanao eto indray.Isan'ny fifaliana ho ahy foana ny manokatra ity
serasera resaka finoana sy fivavahana ity dia mijery ny fil sokafanao ho
anay.Dia ho tahian'ny Tompo hatrany e

Hafatra
Bjr niryna!
raha vao miala ange dia vao maika mahazo vahana ny hafa eh! ary izay mihitsy no
antony tsy ialako hatramin'izao satria misy olon-kafa mila ny ny fanampian'ny
hafa ihany koa.
mahereza eh!

hafatra
Bjr niryna!
mampalahelo izany, raha toa ka azonao atao dia alefaso aty amiko @ ity adresse
mail ity ilay zavatra nosoratanao dia ampidiriko.

Hafatra nifampiresahanay sy hery.
...........
hafatra
Aza atao mahagaga izany, efa tratra tahaka izany aho fa tsy ataoko mahakivy.
xxxx

Io koa misy santionany iray
LazaDaddy [ Valio ] 18-12-2007 22:54:12
Lohateny : Re : Ny silamo sy ny fanambadihana hataony sasany
salmo> izay mantsy ny hafatra nosoratako teo fa nisy nanala.

Ireo koa izao misy santionany milaza fa nisy namafa ny hafany.Milaza fotsiny
aho ry hery a,tsy manana alahelo anao aho,fa ny zavatra nisy no nahatonga ahy
nandefa azy ireny teo amin'ny sehatra rehetra,mba farafaharatsiny hoy aho misy
voaray na tafiditra.


Tsy manana alahelo an'iza na iza aho ary hialako tsiny izay mieritreritra an'izany.Afaka miteny sy mitsara izay tiany koa anefa ny tsirairay satria izay no eritreretiny fa marina sy mety aminy.
Fanampiana no nataoko teto,fitiavana no nozaraiko,fizarana ny tenin'Atra no nafafiko,ary ny fahazoana ny famonjena dia avy amin'i kristy no noresahiko maro teto.
Misy manontany any hoe fa maninona i niryna no tsy mamaly izao sy izao,izay mangina volamena ary raha teny mahasorena sy mankarary fo no alefa ho ahy tsy afaka ny hamaly izany aho.Satria tsy nahalala na nahita fa ninia nikimpy ny zavatra nahazo ahy sy efa nolazaiko ny sasany.

Efa voa matetika aho matoa aho nanao an'io araka ny nolazaiko hoe alefako ity amin'izay misy iray tonga.
Ataovy eo amin'ny toeranareo foana izay zavatra mitranga amin'ny olona fa aza tonga dia mitsaratsara foana raha efa mateti-pihavy ilay zavatra e.
Misaotra antsika rehetra ary hialako tsiny izay zavatra nitranga teto ka mety nanafitohina ny hafa sy hitsaratsaraina foana ihany koa.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika mianakavy ary samy ho tratry ny krismasy sambatra daholo.Kristy no loharanon'ity fety ity hankalazain'ny rehetra,"Christ is the reasons of the seasons" Koa omeo Azy ho tantanany ny fiainanao fa tsy anenina velively hianao raha manao izany.Matokia Azy fa tsy hanary na handao antsika Izy.
Misaotra Tompoko
Niryna
novalian'i niryna ny 26/12/2007 05:55
2. fleurdedago ( 21/12/2007 13:30)
3. cutie ( 21/12/2007 13:40)
de miandry ny toriteny manaraka ndray zany zahay fa aza atao lava be fotsiny :)
4. soanja ( 21/12/2007 14:39)
Any Niryna,

Misaotra andry nitondra ny fanazavana. Misaotra andry koa niala tsiny raha nisy fifanojoan-javatra tamin'iny. Mampalahelo tokoa raha ireo voalaza mahazo andry ireo no mitranga. Manantena zany isika mba ahita fahazavana momba ireo ianao.
Zah manokana dia tsy nitsara andry saingy kosa nahatsapa fotsiny hoe tsara raha miala tsiny na manome fanazavana noho ireny hafatra be dia be ireny satria na ny milina aza mety manao diso, ka indrindra ve moa ny olombelona.

Fanabeazana ny antsika sa tsy izany ry Niryna?

Ny hevitro manokana sy torohevitro raha tianao raisina indray dia aza ovana ny mahaNiryna anao fa tohizo satria io nahafantaran'ny olona sy mahaianao anao. Tsara ny toriteny sy ny tena mahasoa nomenao hatramin'izay.
Ny fitsarana olombelona dia isan'ny fahalemena ananantsika rehetra. Betsaka ny miezaka miala amin'io nefa noho n'ny fahazaran-dratsy be loatra dia zary zatra izany isika. Manana faharetana amin'ny fahalemen'ny hafa.
Ataovy fitaovana hanondrotana an'Andriamanitra sy ny fiderana ny fitiavany ny teniny ary hisarika ny hafa hameno izany eo amin'ny fiainany.

Ampitiavana maharitra.

Peace be with you! Soanja


5. rijadolly ( 21/12/2007 17:21)
soanja:
5. Mpandefa : soanja [ Valio ] 16-12-2007 01:09:30
Lohateny : Re : Nakaiza ny hafatro?
Mila ampiasaina lalandava ny faharetana sy ny fitoniana raha te hanana ny Fanahy Masina mitoetra miasa. Ireo no anisany ambony indrindra satria io no mariky ny fitiavana. Na tsy miodina amin'ny ilanao azy aza ny fiodin'ny zava-drehetra dia mahatoky ianao fa ao Andriamaniytra mitantana, indrindra ka raha tsy nanao ratsy.
Ity resaka fivavahana sy finoana dia natao koa ho modely tsara voatra ho n'ireo izay mizara izany teny mahasoa izany.
Mazotoa daholo!
rijadolly:
izany hevitry ny mpino mahafinaritra voninahitra ho an'Andriamanitra
irery ihany.Tsy manenjika be fahatany.Manoro ny namana.
Ra izaho manokana dia tsy hitako ny anomezana tsiny an'Niryna.Betsaka ny loha hevitra very teto tsy fantatra hoe ahoana.Nafinaritra anié iny lohahevitra iny é tena hitako nisy hevitra zaraina tsara andresen-dahatra ny tsy mpino dia avy eo tsy hita fa naninona za aza nanana heritreritra hoe za lé nanohitra ny hevitry hery ve no nahatonga iny sa ahoana.Misaotra ny mpikarakara aho satria nahatsapa ny fahasahirananareo mamela ahy raha diso ny hevitro fa kosa mamela anareo koa aho raha marina izany.Dia hoy ianao hoe maninona raha averina?

Hoy i soanja:
Na tsy miodina amin'ny ilanao azy aza ny fiodin'ny zava-drehetra dia mahatoky ianao fa ao Andriamaniytra mitantana
hery:
19. Mpandefa : hery [ Valio ] 18-12-2007 17:18:49
Lohateny : Re : Nakaiza ny hafatro?
rijadoly>

Raha misy hevitra tsy nivoaka teto dia omeo ahy fa avoakako Matoa tsy hitanao eto dia mety efa tsy nisy namaly ela loatra tsy nisy namaly (ny hevitra rehetra io fa tsy resak'i niryna loatra), na tsy tafiditra mihitsy.

Tsy misy hevitra tafiditra ka nesorina raha toa ka manaraka tsara ny fitsipika... ary ny fitsipika dia ireo voalaza eto ireo ihany.

Izaho koa dia kristianina, na dia mpanota kokoa noho ianareo aza. Koa raha sanatria hamafa zavatra eto aho dia izay tsy kristianina no ho nofafaiko voalohany... kanefa hitanareo fa misy hevitry ny tsy mpino, misy hevitry ny silamo sns. eto. Tsy ny hamafa ny hevitr'i niryna mihitsy no mahamaika ahy eto.

Farany, ahoana no fomba hamafana ny hevitr'i niryna raha tsy fantatro akory izay ao anatiny? Eny, tsy mamaky (intsony) izay lazain'i niryna aho satria betsaka ny zavatra mahaliana ahy kokoa. Inoako fotsiny fa tsy mivoaka ny fitsipika izy dia avelako hanoratra izay tiany hosoratana ao.

Dia izay. Aza matahotra fa tsy mbola mahamaika loatra ny hamafa ny hafatr'i niryna
6. fijo ( 21/12/2007 21:04)
cutie an,ndry ity tena tsssss
7. cutie ( 21/12/2007 21:06)
manin
8. fijo ( 21/12/2007 21:10)
tiako be
9. cutie ( 21/12/2007 21:15)
:-D
10. fijo ( 21/12/2007 21:21)
11. cutie ( 21/12/2007 21:24)
hihihihi
12. fijo ( 21/12/2007 21:30)
izay ko
13. cutie ( 21/12/2007 21:32)
14. fijo ( 21/12/2007 21:35)
saotra e,te ho cutie eo ko,aiza no tsy hotiako
15. cutie ( 21/12/2007 21:43)
hhiihihihhii
vizaka le ordi fa aoka alou :-D
16. fijo ( 21/12/2007 21:46)
hi hi i avelao izy hialasasatra e
17. cutie ( 21/12/2007 21:49)
free internet fa aleo alou hanararaotra kely hihihihi
18. fijo ( 21/12/2007 21:49)
hi hi hi tapaka lalan courant eo io ko
19. cutie ( 21/12/2007 21:52)
matanjaka be koa :-D
20. fijo ( 21/12/2007 21:54)
asa ko,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1696