Firaisam-pinoana

1. Fody ( 18/12/2007 17:45)


Sarotra ho an'ny Fiangonana rehetra misy no tena hoe: miray. Toy izany koa, sarotra ho antsika kristiana no tena mikambana ho Iray.


1 - Inona no olana na sakana araka ny hevitrao?

2 - Inona no vahaolana hitanao na soso-kevitra azonao aroso?

Misokatra ny ady hevitra.
novalian'i prime ny 10/01/2008 11:44
2. Ralay ( 18/12/2007 18:26)
Sarotra satria samy manana ny mahazatra azy ka tsy misy te hiala @ fombany. Tsy misy vaha olana io fa izay te hivavaka dia mivavaka na@fiangonana aiza na aiza.
3. booboo ( 18/12/2007 19:32)
1- samy miseho be mokony ho manana ny " mariny " aby.

2- mila mandini-tena beee sy manaiky ho tefena araka ny tianY sy takianY( tiava an'i Jehovah bla², tiava ny namanao bla², ireto telo ireto no mitoetra finoana fanantenana bla² , sns bli blou² )
4. simplex ( 18/12/2007 20:07)

Aleo ny generation ho avy no tsinjovina:
- ny Kato manambady protestant
- ary ny protestant manambady kato

=> katosant sy protelika doly ny ankizy: firaisam-pinoana 8)
5. rakapy ( 18/12/2007 21:04)
Finoana inona sy inona aloha no tian'i Fody ho ampiraisina satria ny finoana dia maro be eto am-bonin'ny tany.
6. fijo ( 18/12/2007 22:06)
ô ra fody an,raha mbola resaka kil foana no tena fototra ao,tsy hisy mihintsy izany firaisana izany
7. rakapy ( 19/12/2007 00:03)
Fijo> Ngahy ve tsy hihiditra hanera eo ambaravarana .Sosy be anie hono e!!!=))=))=))
8. niryna ( 19/12/2007 07:13)
Tsy tokony hisy olana raha ohatra ka mino izay lazain'ny baiboly ny rehetra.Lava io fa ny tena voatiny dia hoe:
1- Andriamanitra dia fitiavana:arrow:tokony ho tia ny mpiara-monina sy ny fahavalo ary ny olona rehetra izany.Ezaka io ary marika fa kristiana
2- Raha mino an'i kristy daholo ny rehetra ka manao izay nafaran'ny Tompo tamin'ny voalohany fa any amin'ny lalana sy fiainana dia mitovy ny tady lokanga.
3- Anjaran'ny tsirairay no mandray sy mampihatra ilay teny ao anatin'ny soratra masina amin'ny fiainana.
9. Fody ( 19/12/2007 11:25)


Fanamarihana: I Kristy no fototry ny firaisan'ny Kristiana, fa tsy ny Baiboly. Noho izany raha samy mifantoka aminy isika dia tokony hisy tokoa ny Fiombonana ary tena ho iray tokoa.

Ny Baiboly dia mirakitra ny teniny. Izay tokony harahina tokoa. Ka andao ary hafantoka amin'ny Baiboly ny resaka.
2- Raha mino an'i kristy daholo ny rehetra ka manao izay nafaran'ny Tompo tamin'ny voalohany fa any amin'ny lalana sy fiainana dia mitovy ny tady lokanga.

Tena marina izay nolazainao eto aloha, saingy iza no tsy manao izay nafaran'i Kristy? Na koa hoe: iza no manao tapany izay nafaran'i Kristy? Izany hoe manao ny teniny sasany fa tsy manantateraka ny sasany
3- Anjaran'ny tsirairay no mandray sy mampihatra ilay teny ao anatin'ny soratra masina amin'ny fiainana.

Anjaran'ny tsirairay tokoa nefa aza adino fa misy koa ny anjaran'ny Fiangonana amin'io. Ny finoana dia tsy azo ferana ho raharahan'olon-tokana fotsiny.

Aza adino fa ny Fiangonana no mampita ny Finoana amin'ny olona, sy ny taranaka mifandimby. Ilay Fiangonana izay nandovana ny Finoana tamin'ireo Apostoly.

Eo izao dia efa misy sahady koa ny tsy fitoviana.

Vahaolana: Raha samy manantateraka izay voalazan'ny Baiboly tokoa, sy manaraka ny fampianaran'ireo Apostoly nandray mivantana ny Finoana avy amin'i Kristy, dia hisy tokoa ny Firaisana marina.
10. xxx ( 19/12/2007 18:00)
Ka i fody ary ve mino fa hanaiky ny tenin'Atra voarakitra ao anaty baiboly daholo ny olona omeko ohatra ianao , ny andro fitsaharana dia averina @ isantsabotsy tsy ihinana ny biby izay voarara , foanana daholo ny sarisikotra mivongana any ampiangonana , ary mivantana @ anaran'i Jesosy irery ihany ny vavaka , ho maro ve ny hanaiky izany
11. ikaretsaka ( 19/12/2007 18:26)
Fanamarihana: I Kristy no fototry ny firaisan'ny Kristiana, fa tsy ny Baiboly. Noho izany raha samy mifantoka aminy isika dia tokony hisy tokoa ny Fiombonana ary tena ho iray tokoa.

namaste! veritas vos liberabit
12. Fody ( 19/12/2007 18:36)
9. Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-12-2007 19:00:42
Lohateny : Re : Firaisam-pinoana
Ka i fody ary ve mino fa hanaiky ny tenin'Atra voarakitra ao anaty baiboly daholo ny olona omeko ohatra ianao , ny andro fitsaharana dia averina @ isantsabotsy tsy ihinana ny biby izay voarara , foanana daholo ny sarisikotra mivongana any ampiangonana , ary mivantana @ anaran'i Jesosy irery ihany ny vavaka , ho maro ve ny hanaiky izany


1 - Averiko fa i Kristy no fototra, ho an'ny Kristiana.

Noho izany: Aza mijanona fotsiny any amin'ny Testamenta Taloha raha mamaky ny Baiboly fa tohizo hatrany amin'ny Testamenta Vaovao.
Raha mamaky ny Baiboly hatramin'ny farany ianao dia tsy hiteny mihitsy hoe: averina isan-tsabotsy ny andro fitsaharana. Ary tsy hiresaka momba ny biby tsy azo hohanina izany mihitsy.

2 - Mikasika ny sary sikotra sy ny sary dia tsy misy mandrara ny fanaovana an'izany ao anaty ny Baiboly. Ny voarara ao anatin'ny Baiboly dia ny fanompoan-tsampy, izay miseho amin'ny endrika maro fa tsy amin'ny alalan'ny fivavahana amin'ny sary ihany. Ao ohatra ny atao hoe: astrolatrie, zoolatria, idolatria... Ary amin'izao fotoana izao koa dia mbola maro ny endrika isehoan'io fanompoan-tsampy io, saingy tsy hivalapatra amin'izay aho
13. fijo ( 19/12/2007 21:54)
hoanareo kristianina,izao fotsiny jerena.

maninona ny boudista no tsy mba misy loatra io resaka olana amin'ny firaisana io????ary maninona ry zareo no tsy mba misy olana amin'ny finoana hafa???

satria ry zareo tena miaina sy mampihantra ilay fandeferana sy fifanajana,izay tsy dia hita loatra aminareo mpino krsitianina sy silamo ary jiosy.

rehefa hafaka mampihatra ireo ianareo dia mety hisy tsimoka fanantenana ny hisian'ny firaisana aminareo samy kristianina aloha
14. ikaretsaka ( 19/12/2007 22:23)
fijo> be adino sahady! tany myanmar raikitra ny gidraka volana vitsivitsy lasa izay ka, iza no nitarika azy?
ny hitako olana dia misy ihany ny fandeferana fa le fifanajana aloha de o o o !
15. fijo ( 19/12/2007 22:26)
ika an,resaka politika le tany fa tsy resaka finoana.
16. ikaretsaka ( 19/12/2007 22:52)
ka io efa afangaron-dry zalahy ihany ko! hatraty ka hatrary!:(
fa za lo d'acc @ ilay hoe ny fampiharana ny fifandeferana sy ny fifanajana..
le mifandefitra aza letsy efa tantara.. eo @ samy gasy fotsiny ohatra an
jereo fotsiny an: efa nekena t@ Diem (Dikanteny iombonana eto Madagasikara) ohatra ary fa Jesoa sy Tompo ary Andriamanitra, Andriananahary no anarana iantsoana Azy @ teny gasy samy hiresahana azy fa esorina ireo napetraky ny taloha
Nisy ny sasany niezaka nanary ny fiantsoana hoe Zezo sy Yaveh.. sy nanova .. hatrany @ hirany aza! fa ny sasany tsy te hahalala fa dia ny Jesosy sy ny Jehova ihany!

nefa jere ny vazaha: Dieu! Eternel! Seigneur, Jesus, dia izay aby!

ny Arabo: na kristianina na silamo Allah ihany ny Allah
17. rabilabila ( 19/12/2007 22:59)
All El hoy aho!!^:^^:^
18. LazaDaddy ( 19/12/2007 23:07)
Fody:
Sarotra ho an'ny Fiangonana rehetra misy no tena hoe: miray. Toy izany koa, sarotra ho antsika kristiana no tena mikambana ho Iray.
Tsarovy fa i Satana = mpamitaka. Tsy hiseho aminao izy hoe inty aho Satana sao ho fantatrao ny ratsy ataony. Mba ampahomby sy inoan'ny olona ny fitaka ataony dia ny "fiangonana" ihany no ampiasainy.

Fody:
1 - Inona no olana na sakana araka ny hevitrao?
Tafiditr'y Satana ny fiangonana, ary ny fampianarany no mibahana ao fa tsy ny an'ny Tompo.

Fody:
2 - Inona no vahaolana hitanao na soso-kevitra azonao aroso?
Mivavaka amim-paharetana. Tsy nofo ama-dra ny fahavalontsika fa na ny olona voafitak'i Satana koa aza dia mampalahelo.
19. ikaretsaka ( 19/12/2007 23:12)
Tafiditr'y Satana ny fiangonana, ary ny fampianarany no mibahana ao fa tsy ny an'ny Tompo.

azo velabelaruina misy2 kokoa ve raha tsy mahadiso?
20. cutie ( 19/12/2007 23:18)
fijo
ndao ndray hampihatra ny buddhisme raha zany :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596