Firaisam-pinoana

41. Fody ( 21/12/2007 12:05)
kiranila:
Mahay tenin'Andriamanitra tokoa ianao. Ary mahay mamaky. Aza adino anefa fa tsy ity ihany no teniny: "4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
Fa mbola notohizany hoe:
5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » Eksodosy 20:4-5

Donc izay dia midika fa tsy mandrara ny fanaovana sarisikotra sy ny toy izany izy. Ny zavatra norarany tsy ho azo atao dia ny manao sarisikotra hatao sampy, sy ny mivavaka amin'izany. Izay ilay antsoina hoe: fanompoan-tsampy.


Mbola hanamafisako an'izay voalaza izay dia mba jereo kely ny tantaran'ny vahoaka Israely tany an'efitra, fa raha nokekerin'ny bibilava ny olona ka maty. Dia izy Andriamanitra mihitsy no naniraka an'i Moizy hanao sarivongana vita amin'ny varahana, ary izay voakaikitry ny bibilava ka nijery io sarivongana io dia velona (Fanisana 21, 6 - 9): http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=NOMERY&toko=21&andininy=6-9&dika=
42. fijo ( 21/12/2007 21:41)
angano letsy io rafody an;
43. ikaretsaka ( 22/12/2007 16:27)
anganonganon'ialahy @ ahoana ary!8)
Tout as surcontre i kiranil io:wink:! tady ho capot fa nitsimpona!
44. rakapy ( 26/12/2007 09:01)
Ka ity anie no mahagaga e! Rehefa ny Kristianina no manaja sary vongana dia tsy blem fa raha ny fivavahandrazana no manaja tapa-kazo de mpanompo sampy. Nefa anie ka samy fitaovana nataon'olombelona hifandraisana @ A/tra daholo ireo e!
45. fijo ( 26/12/2007 23:32)
angano letsy izany hoe voakaikitry ny bibilava de mijery sary vongana de tsy maninona iznay an,na le bibilava tsy misy poizina fa le tsotra ireny.
46. cutie ( 26/12/2007 23:34)
:-D
47. fijo ( 26/12/2007 23:35)
hafak amanandrana ani eizay mino izany e.
48. prime ( 27/12/2007 10:09)
Fody> dia satria niteny ny zanak'israely hanao sary bibilava tamin'ny hazo va Andriamanitra dia midika izany fa azo atao ny manao sarin-javatra voasikotra... hummmm!

Moa va tsy tandindon'ny famonjen'i Kristy ny olombelona tamin'ny fahotàna teo amin'ny hazofijaliana no namonjen'Andriamanitra ny zanak'israely tany anefitra raha nihodina taminy ka nasainy nijery ilay sary bibilava? Izany no midika fa izay mibanjina an'i Kristy no hahita famonjena...

Andriamanitra dia saropiaro dia saropiaro ny amin'ny mahaAndriamanitra Azy... tsy tiany ny manao sarin-javatra voasikotra ary vao maika halany ny miankohoka amin'izany fa tsy misaraka ireo akory na ilay andininy fahadimy no mafy kokoa fa didy iray mitambatra tsy analàna tsy anampiana hoe tsy tian'Andriamanitra ny sarin-javatra voasikotra ary tsy tiany ny miankohoka amin'izany dia tsy tian'Andriamanitra...
49. ikaretsaka ( 27/12/2007 14:54)
Fody> dia satria niteny ny zanak'israely hanao sary bibilava tamin'ny hazo va Andriamanitra dia midika izany fa azo atao ny manao sarin-javatra voasikotra... hummmm!


symbolisme sur symbolisme io ry prime a
taorian'ny nitenenan'A/tra sy nanomezany ny didy 10 kosa io nanomezany alalana hanantona bibilava varahina io raha tsy diso aho..
dia tsy niteny intsony izy hoe aza manao intson

ny A/tra ko tsy saropiaro fa A/tra fitiavana.. izany no nandefasany ny zanany taty!
Ny olona maniry izany miakatra any an-danitra izany... Izy avy any no nidina ho ahy!

50. fijo ( 27/12/2007 23:41)
ô ry ika an,raha milaza hoe "aza manana andriamanitra hafa fa izaho ihany"tsy saropiaro kosa ve izany???
51. ikaretsaka ( 28/12/2007 04:07)
taloha izany lety fa taty afara efa nisy elements 3 an: Ray, Zanaka, Fanahy Masina
52. prime ( 28/12/2007 08:39)
ikaretsaka:
symbolisme sur symbolisme io ry prime a
taorian'ny nitenenan'A/tra sy nanomezany ny didy 10 kosa io nanomezany alalana hanantona bibilava varahina io raha tsy diso aho..
dia tsy niteny intsony izy hoe aza manao intson
... miambena ry rahalahy fa diso mihitsy izany ambaranao izany... tsy fampianarana avy amin'Andriamanitra izany...

Kristy no fahatanterahan'ny lalàna sy ny didy folo fa tsy manafoana azy velively... hatramin'izay ka ho mandrakizay dia mitoetra ny didy folo... aoka tsy hadino fa i Josoa no nitondra ny zanak'israely niditra tao Kanàna rehefa maty Mosesy ary ny hafatr'Andriamanitra indrindra dia ny itandreman'ny zanak'israely ny didy folo ka itondràna izany hiditra ao Kanàna... hoy mantsy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :

"Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona* hiakatra hiala eo Jordana. [*Dia ny didy folo]" Josoa 4:16

Nefa izany dia taorian'io zava-nisy tany anefitra io... (satria ataonao resaka "chronologie" indray no anamarinanao ny ambaranao)
Ary mbola ny didy folo ihany koa no mampibaribary ny maha-mpanota ny olona ka iverenan'ireo ao amin'i Kristy raha te-ho voavonjy...

Io ambaranao io dia toy ny milaza hoe foana io didy iray io ka azo atao ny manao sary voasikotra satria "tsy niteny intsony Andriamanitra"... aza mampandainga an'Andriamanitra ra-Ika fa mbola mitoetra io didy io... ary na amin'ny andro farany na any an-danitra aza dia mitoetra foana ny didy folo amin'ny fahamasinany... hoy mantsy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia* ny tabernakelin'ny vavolombelona** tany an-danitra; [* Na: tao amin'] [* Dia ny Didy Folo]" Apokalypsy 15:5
Ikaretsaka:
ny A/tra ko tsy saropiaro fa A/tra fitiavana.. izany no nandefasany ny zanany taty!
Ny olona maniry izany miakatra any an-danitra izany... Izy avy any no nidina ho ahy!
... marina dia marina ny ambaranao fa fitiavana Andriamanitra fa saropiaro koa Izy na ekenao izany na tsia... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :

"Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy," Eksodosy 34:14

"fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao." Deotoronomia 6:15

"Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo." Josoa 24:19

"Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony." Nahoma 1:2

Tsy zavatra samihafa na mifanohitra na mifanipaka ny maha-fitiavana sy maha-saropiaro an'Andriamanitra fa manambara ny mahaIzy Azy tanteraka... raha fitiavana fotsiny no andraisana an'Andriamanitra (tsy diso akory izany fa tsy ampy ny amin'ny fahalalàna an'Andriamanitra) koa nahoana Izy no namela an'i Kristy ho faty teo amin'ny hazofijaliana??? moa va tsy vitany ny namela heloka tsy nandatsa-drà an'i Kristy ka namela Azy ho faty raha fitiavana ihany no andraisana Azy? ny fahatezeran'Andriamanitra dia tsy maintsy notanterahany ary izay manota dia tsy maintsy maty mibaby ny heloka vitany saingy tsy izaho sy ianao izay tena nanota no nibaby izany fa Kristy no nanaiky hibaby izany, vokany, tsy maintsy maty Kristy noho ny heloka nataon'ny olombelona rehetra, nanehoan'Andriamanitra ny mahaIzy Azy tanteraka... nefa nanehoany ny maha-fitiavana Azy koa ka ilay Zanany malalany mihitsy no foiny hiharan'ny hatezerany rehetra noho izaho sy ianao...
53. fijo ( 28/12/2007 22:27)
ika an,mbola io anie ny didy voalohany e
54. ikaretsaka ( 29/12/2007 15:38)
... miambena ry rahalahy fa diso mihitsy izany ambaranao izany... tsy fampianarana avy amin\'Andriamanitra izany...

dia misy fiteninareo izay hoe \"vakio ny baiboly\" (miala tsiny fa nindramiko) :-D
55. prime ( 31/12/2007 09:04)
ika> misy tenin'Andriamanitra maro ireo nomena anao ireo ka tsara tokoa ianao raha miverina "mamaky baiboly"...
56. niryna ( 31/12/2007 13:17)
prime:
Hoy i prime:

[quote=ikaretsaka]symbolisme sur symbolisme io ry prime a
taorian'ny nitenenan'A/tra sy nanomezany ny didy 10 kosa io nanomezany alalana hanantona bibilava varahina io raha tsy diso aho..
dia tsy niteny intsony izy hoe aza manao intson

... miambena ry rahalahy fa diso mihitsy izany ambaranao izany... tsy fampianarana avy amin'Andriamanitra izany...
asa tokoa lahy fa izaho koa aza mba tena vaka dia vaka.
prime:

Kristy no fahatanterahan'ny lalàna sy ny didy folo fa tsy manafoana azy velively...

miombon-kevitra
Hoy i Ikaretsaka:
ny A/tra ko tsy saropiaro fa A/tra fitiavana.. izany no nandefasany ny zanany taty!
Ny olona maniry izany miakatra any an-danitra izany... Izy avy any no nidina ho ahy!

prime:

... marina dia marina ny ambaranao fa fitiavana Andriamanitra fa saropiaro koa Izy na ekenao izany na tsia... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :

"Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy," Eksodosy 34:14

"fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao." Deotoronomia 6:15

mitombona foana io na rahoviana na rahoviana ,ny taranan-tsika aty aoriana indray no am-pahatsiahy ireo taranany izay mbola hino an'Atra hafa.
prime:

"Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony." Nahoma 1:2
=D Arovany fa tsy tiany hihoatra ny vala isika ka rariny izy raha saro-piaro amin'ny Azy.Fitiavany daholo izany.
miombon-kevitra

prime:


Tsy zavatra samihafa na mifanohitra na mifanipaka ny maha-fitiavana sy maha-saropiaro an'Andriamanitra fa manambara ny mahaIzy Azy tanteraka... raha fitiavana fotsiny no andraisana an'Andriamanitra (tsy diso akory izany fa tsy ampy ny amin'ny fahalalàna an'Andriamanitra) koa nahoana Izy no namela an'i Kristy ho faty teo amin'ny hazofijaliana??

mbola fitiavany ihany Jaona 3:16
Fitiavany an'izao tontolo izao tokony izany fa dia misaotra anao nampahatsiahy anay.16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.


Jaona 10
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.

26 Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.

27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,

28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.


29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.

[color=blue=30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.[/color]
ikaretsaka:
symbolisme sur symbolisme io ry prime a
...
prime:
miambena ry rahalahy fa diso mihitsy izany ambaranao izany... tsy fampianarana avy amin'Andriamanitra izany...

=D
prime:

Kristy no fahatanterahan'ny lalàna sy ny didy folo fa tsy manafoana azy velively... hatramin'izay ka ho mandrakizay dia mitoetra ny didy folo...

ka toherina ilay izy satria misy mifanaraka izay lazaina atao amin'ny fiainana dia izay.mbola te hijanona ao anaty maizina dia tsy mitady jiro hanazava fa avelao aho ato ihany fa ato no ahazoako aina sy mahafinaritra ahy,tsy misy manabedy, dia toheriny na diso aza izy ka tokony hibebaka dia aleo eto ihany!
prime:

Io ambaranao io dia toy ny milaza hoe foana io didy iray io ka azo atao ny manao sary voasikotra satria "tsy niteny intsony Andriamanitra"... aza mampandainga an'Andriamanitra ra-Ika fa mbola mitoetra io didy io... ary na amin'ny andro farany na any an-danitra aza dia mitoetra foana ny didy folo amin'ny fahamasinany... :
:roll::roll:
Ikaretsaka:
ny A/tra ko tsy saropiaro fa A/tra fitiavana.. izany no nandefasany ny zanany taty!
Ny olona maniry izany miakatra any an-danitra izany... Izy avy any no nidina ho ahy!
.
prime:
marina dia marina ny ambaranao fa fitiavana Andriamanitra fa saropiaro koa Izy na ekenao izany na tsia... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy," Eksodosy 34:14

"fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao." Deotoronomia 6:15

miombon-kevitra =D=D :-*
ary mandra-pahatongavan'ilay kristy Mpanavotra io dia toriantsika sy ny taranantsika ho an'ireo taranak'izay tsy mino fa mivavaka amin'ny sampy sy ny sarin-javatra sy atra hafa sy biby na endrika hafa. Ireny taranaka ireny no hanapaka ny fatotr'i satana sy ny fatotry ny fanandevozana ny tsy fahamarinana.Dia izao taranaka efa maro no mahita sy mitady an'i kristy izao ka dia isaorana Atra.
57. ikaretsaka ( 31/12/2007 21:43)
marina dia marina ny ambaranao fa fitiavana Andriamanitra fa saropiaro koa Izy na ekenao izany na tsia... hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy," Eksodosy 34:14

"fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao." Deotoronomia 6:15


lasa indray ratsimpona..
vao asiana ilay joany 3:16 nefa io dia mifanditra!
:-D
58. fijo ( 02/01/2008 22:15)
dia samia ianareo mamaky baiboly fa to amifaniraka fotsiny ko
59. prime ( 04/01/2008 08:20)
Ikaretsaka> mifanohitra amin'ny voambaran'ny jaona 3:16 angaha ireo voalaza ireo? sa ianao no miomana ny hifanditra mialoha?

fijo> tsy ny famakiana baiboly fotsiny no ahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra fa ny fihainoana ny feony sy ny fanekena ny teniny sy ny finoana izay ambarany eo ambany fiahian'ny fanahy masina ary amin'ny anaran'i Jesosy...
60. fijo ( 09/01/2008 23:10)
dia aiza ny maha olona???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086