Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny

21. cutie ( 12/12/2007 19:07)
Mpandefa : Fody [ Valio ] 12-12-2007 14:31:39
Lohateny : Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny
Misy Andriamanitra ary lazaina fa Fitiavana.

1 - Nahoana anefa no misy ny olona mijaly?

2 - Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

3 - Nahoana koa no manjaka ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana... izay fototry ny fahorian'ny maro hatramin'izay ka hatramin'izao? Ireo koa no mahatonga ny tsy rariny hatraiza hatraiza.


Ahoana ny hevitrao?

ny hevitro :
Amiko lalam-piaianana daholo reo voatanisa rehetra reo, tsy maintsy mandalo ny iray @ reo daholo ny oul rehetra ( na ny milaza azy ho miseho milay mpivavaka be , tsy manota mitsy :-D).
Sarotra valiana alou le we " nahoana".
Ny hany azo atao fotsiny mba hampitony ny saina sy ny eritreritra de ny fanaovanao soa @ mpiara-belona aminao:lol:
22. madazikart ( 12/12/2007 19:08)
Ary raha eritreretina vetivety hoe ny tsy fisian'Andriamanitra hanazavana ny voalazan'i Fody?

Ny valin-teny rehetra miala @ ny fisiany mantsy dia ohatran'ny tendancieux (miala tsiny @ teny baiko) satria miantehatra @ voalaza efa nisy, izay mbola tsy hita ny fahamarinany hatram'izao aloha.

Raha tsotsoriko izany dia ny réalité nolazain'i Fody dia toa tsy nahita valin-teny mahafatra-po fa hoe minoa fotsiny.
Satria efa eto ihany ao dia mampahery an'ireo izay rehetra niangaran'ny vitana, na ara-pahasalamana, na ara-karena sy ny hafa maro tsy voatanisa. Ianareo izany hono no toa izao dia izay no sahaza e!

Farany, fa dia maninona loatra no nomena safidy ny olona t@ voalohany fa tsy nahafinaritra ve raha "paradisa" foana depuis? Efa nisy namaly aho hoe an'Andriamanitra irery ihany izany dia izay!
23. pissoa ( 12/12/2007 19:10)
cutie:

ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana
Mpandefa : cutie [ Valio ] 12-12-2007 19:32:56
Lohateny : Re : Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo



sady vakiana tapany no avadika ny kronolojia ...
:-D:-D:-D

pissoa:
tsy voatery ho "hery hafahafa" fa ohatra hoe "cutie" ... dia efa hafa noho Andriamanitra

cutie:
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo


pissoa:
ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana


cutie:
zay le finoanoam-poana
very right wing freako kristian

:-D:-D:-D

cutie:
jereo tsara fa tafiditra ao ny finoana

otran'ny tsy hitan'i cutie tsara angamba hoe izy no niresaka ny olona tsy mino dia novaliako hoe tsy Andriamanitra tokoa ny tsy mpino ! :-D:-D:-D
24. Veloo ( 13/12/2007 01:11)
ny hevitro :
Amiko lalam-piaianana daholo reo voatanisa rehetra reo, tsy maintsy mandalo ny iray @ reo daholo ny oul rehetra ( na ny milaza azy ho miseho milay mpivavaka be , tsy manota mitsy ).
Sarotra valiana alou le we " nahoana".
Ny hany azo atao fotsiny mba hampitony ny saina sy ny eritreritra de ny fanaovanao soa @ mpiara-belona aminao


cutie ndry ihany anie dia afaka namaly azy e...
hihihih

I wish I can think like you


mora be mihitsy io rehefa manaiky an;i Jesosy ho ao am-po ndry indry dia mahavita an;io lazain-njy io
25. cutie ( 13/12/2007 01:31)
veloo hihihihihi:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
marina ny lazain-jy
manisy sira fotsiny akia za a :-D:-D:-D:-D:-D:oops::oops::oops::oops::oops::oops:
26. Veloo ( 13/12/2007 01:38)
cutie a aza atao be sira ary an:-D:-D:-D:-D
manjary lasa von;ny albumine eo hahahahahaha
27. ikaretsaka ( 13/12/2007 03:37)
mora be mihitsy io rehefa manaiky an;i Jesosy ho ao am-po ndry indry dia mahavita an;io lazain-njy io

ary raha manaiky an'i Jesosy am-po fa tsy dia le mitanisa andalana sy toko ireny loatra fa manao toko saple, mandray Jesosy @ komonio, sns...?
28. ikaretsaka ( 13/12/2007 03:41)
Ka aminay Moa de Tamban'Voatra ka deee!
anay zhao vankinankaratra ka aminay hatrany an-tanana izao betsaka ro tsary mahay mamanky teny!.. ngefany anay mino an'i Jesosy amin'ny fonay tokoa sy mazoto manao saple..
de akory ro aminay?
k'hony Le veloo?
29. ikaretsaka ( 13/12/2007 03:46)
ay tsary mahay mamaky baiboly zhao ohatra ka teny aza tsary hainay ro mamaky azy, nony tsary nisy SN se zandarma nalefa tany aminay tsotry ! ! any aminay sarety ro mahatonga any! na ny motokrosy be an'i Mompera... ndrindra shefa fahavaratra hoatran zao ny andro!
ay tsa manana baiboly fa sary masina an'i Fo masin'i jesoa ro ananan-dranaivo katesista de lakroa ak'ray!
de okory?

Ay Nefa mino an-drazezo an
30. soanja ( 13/12/2007 04:53)
madazikart:

Ary raha eritreretina vetivety hoe ny tsy fisian'Andriamanitra hanazavana ny voalazan'i Fody?

Ny valin-teny rehetra miala @ ny fisiany mantsy dia ohatran'ny tendancieux (miala tsiny @ teny baiko) satria miantehatra @ voalaza efa nisy, izay mbola tsy hita ny fahamarinany hatram'izao aloha.

Raha tsotsoriko izany dia ny réalité nolazain'i Fody dia toa tsy nahita valin-teny mahafatra-po fa hoe minoa fotsiny.
Satria efa eto ihany ao dia mampahery an'ireo izay rehetra niangaran'ny vitana, na ara-pahasalamana, na ara-karena sy ny hafa maro tsy voatanisa. Ianareo izany hono no toa izao dia izay no sahaza e!

Farany, fa dia maninona loatra no nomena safidy ny olona t@ voalohany fa tsy nahafinaritra ve raha "paradisa" foana depuis? Efa nisy namaly aho hoe an'Andriamanitra irery ihany izany dia izay!


Tsara petraka tokoa ity hevitrao ity. Misy fandalinana tokoa hoe nahoana tokoa raha Andriamanitra mahavita manome ny tsara dia tokony ho tsara foana no nisy e???

Saingy tsy izay mantsy ilay izy.

Raha ny finoako sy ny fahalalako no ampiasaiko dia mahatsapa aho fa tsy voafetran'olombelona ny zavatra misy sy tsapa eto ambonin'ny tany. Tsy ananan'olombelona noanoa akory ny fiovany sy ny fivoatrany ary ny tsy mampitombina azy amin'izay izay heveriny fa misy sy tsapa.

Ny olombelona no manome hoe mangatsiaka aho, mafana aho, faly aho, tezitra aho, marary aho, mampiajaly ahy ianao sns fa tsy Andriamanitra mihitsy. Io no nomen'ireo izay nanoratra ny baiboly satria io no hainy manazava azy.

Isika sy ny mahaolombelona antsika, ny fifikirana amin'ny "tena" na hoe "self" amin'ny teny anglisy azafady, no mahatonga izany rehetra izany.
Raha tsy mahatsapa isika na mahalala fa tsy misy ifandraisany aminao ao anaty izay mahaianao anao amin'ny mahavatana na saina anao dia tsy hipetraka ireo fahoriana voatanisanao ireo.
Ny olan'olombelona dia ny fahatokisana loatra ny zavatra natolotry ny olombelona fa tsy mampiasa ny mahaFanahy azy ka tsy haminavina zavatra iray izay tsy tokony ho olany akory.

Raisiko ohatra ny hoe : tsara tarehy aho.
Iza no milaza fa tsara tarehy aho? Ny tenako ve sa ny olona? nahoana aho no nantsoina hoe tsara tarehy? Ary ny namako ve tsara raha oharina amiko sa ratsy raha tsara aho? Raha tsara aho dia tsy tokony hiova sy hisy tsy fitoviana ny fijerin'olona samihafa ahy? Matoa mifangaro ny fijerin'ny olona ahy dia tsy izaho no hitany fa ny fahitany no hitany ao anaty heviny dia mihevitra izy fa tsara aho. Raha tsara aho dia tsy tokony ho antitra ary tsy tokony handroso amin'ny fahafatesana fa hijanona ho toy izao.

Ny tiako lazaina dia mbola matory ny olona. Variana misahirana amin'ny zavatra tsy tokony hisahiranana. Maminavina zavatra tsy tokony heverina fa hanome valiny.

Mikatsaha ny mahaIzy anao ao anaty ary mamafaza fitiavana ho an'ny hafa. Aza mifikitra amin'izay zavatra tsapa sy mamparary ary manome tebiteby.Izay no hitako mampety raha te hiaina ny fiainana masina. Tsy mora ny manatratra an'io saingy tsy natao ho tratra io fa fiainana iainana.


31. niryna ( 13/12/2007 06:07)
cutie:

Nyrina
I wish I can think like you :D:D:D:D:D

misaotra aky mampahery a,mila fitiavana daholo isika ary io no loharano nomen'Atra antsika dia ny mizara izay kely fantatra.Ilay fitiavana anefa dia mamaivay indraindray satria tsy tia fahamarinana indraindray.Raha tsy mitia olona ,mizara ilay fitiavana isika dia tsy tafavoaka ilay fianarana soratra masina.Ampiharina amin'ny fiainana izany ilay famakiana baiboly ary izany no mahatonga ahy mamporisika ny rehetra fa na dia 10mn isan'andro fotsiny aza dia manampy antsika ny FM hanazava ny tenin'Atra . Mahereza aky cutie a.:-*

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika. I Jaona 1:9-10

Jereon'i cutie io. Raha manatona an'Atra izany isika ka mibebaka tena mibebaka dia ho voavela daholo izany fahotana izany,satria tsy misy na iray aza marina.
Toy izany ihany koa ilay fitiavana:mila mitia ireny olona tsy tia antsika ireny isika,tsy ho voatery hinamana azy intsony na mahatoky azy intsony fa mila mivavaka aminy ary mila mamela azy amin'izay koa dia tsy tafiditr'i satana ny baolina(ilay fankahalana na fahatezerana isaky ny mahita na mifanena na mieritreritra ireny olona ireny).
32. niryna ( 13/12/2007 06:16)
ikaretsaka:

mora be mihitsy io rehefa manaiky an;i Jesosy ho ao am-po ndry indry dia mahavita an;io lazain-njy io

ary raha manaiky an'i Jesosy am-po fa tsy dia le mitanisa andalana sy toko ireny loatra fa manao toko saple, mandray Jesosy @ komonio, sns...?

Dia aoka ny voa afafy no hitsarana azy:D:D:D:D:D

Manandrama mamaky baiboly amin'izay fa raha manaiky Azy amin'ny fonao hianao dia tena omeny anao tokoa ny tenin'Atra ary mihoatra lavitra tsy takatry ny sainao aza ny fahasoavana mirarakompana omeny anao isan'andro isan'andro.(Mitobaka toy ny tantely) (l)(l)(l)(l)
Ny fitiavana no voalohany indrindra.Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra,ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra ary ny faharoa dia tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Love,love,love:arrow: mampiova ny saina sy zavatra rehetra.
33. ikaretsaka ( 13/12/2007 11:42)
ny tanimbary efa nisy namboly 2000 taona ange ry niryna no nisy olona tonga nilaza fa hanandrana karazam-bary vaovao dia nibodo tanimbary avy eo e, kanjo io vary lazainy io kay karazany marobeeeee mihitsy (jereo ny karazany) ..
fa na izany na tsy izany.. ny salan\'isa no mikaonty hoy ianoa dia manome sopapa fotsiny kely fotsiny:-D

Ny baiboly natokana ho an\'ny mahay mamaky teny ko:wink:,mila mahay ahay mamaky teny izay vao mahazo mamaky baiboly sy nahalala izany:wink: izahay t@ mbola kely tany ambanivohitra no nipetraka!
Izao anefa
Betsaka aminay (zaho anisany ary mbola misy bedebbeeeee any ambanivohitra lavitra any) aloha na tsy mbola nahay namaky teny aza dia efa mba nahalala ihany e! efa mba haiko iznayf iarahaban\'ny Anjely an\'i Masina Maria sy Rainay any an-danitra sy ny @ Anaran\'ny Ray sy ny zanaka izany, Efa mba hay izany Zoma masina sy Pentekoty sns... izany!
tsy nila Baiboly loatra aho t@ izany fa tsy nahay namaky teny rahateo... fa ny kisarisary t@ vitraux am-piangonana sy ny station de croix, ary indrindra ny sarivongana no nijereko sy nanampy ahy betsaka mihitsy nahalala ny tantaran\'ny voalaza tao anaty baiboly izany !
Biblioteka izany moa de tsary nisy, fa rehefa mba te hijery izany tantaran\'A-tra izany dia ao am-piangonana!
dia nino anefa, dia tia an A/tra anefa.. dia tia sy mbola manampy ireo namako tsy mahay mamaky teny ireo hatr@ izao!
ny ahy ilay hoe Raha eo ny Baiboliko tsara, raha tsy eo .. Tsy maninona, efa ao amintsika ny Fanahin\'Andriamanitra\" Ny ratsantanako 10 hanaovako meditation sy toko saple an\'ny raozery dia efa testamenta vaovao ts\'isy taratasy be mihitsy!:-D
34. fijo ( 13/12/2007 21:52)
izany hoe i hery izany eto milaza indray fa tsy andriamanitra no manao ny rehetra????
i fody nefa mety hievitra fa asan'andriamanitra daholo izany.toa ny finoan'ny mpino maro.

tsy efa milaza ve ireo voatanisa rehetra ireo fa tsy misy andriamanitra ,matoa ireo misy???
35. pissoa ( 13/12/2007 22:23)
ary mba tena misy ve hoa i Fijo e :oops::oops::oops:

ka toa be dia be tsinona no tsy mitovy hevitra aminy koa :-D:-D:-D:-D:-D
36. cutie ( 13/12/2007 22:34)
tsy efa milaza ve ireo voatanisa rehetra ireo fa tsy misy andriamanitra ,matoa ireo misy

manao in fotsiny aza le Atra raha misy :-D:-D:-D:-D:-D
37. naughtyboy ( 13/12/2007 23:47)
betsaka ny zv odiana tsy hita tsy takatry ny saina tahakany ny maraina andimby ny alina sy fifaliana
azontsika avy Aminy ao ny ekeny saina ao ko reo tsy voazavany na tsapa ,de anisany natonga ahy hino tsy azo lavina ny fitiavana asehony.Sika samy olmbel fotsiny zao oh. defa tsy mahasahana ny fikajina ny tontolo iainantsika ra ny hafainganany hafanany tany no jerena
(climate change)tao anatiny taonjato 1 fotsiny defa betsaka reo loza voajanahary nahazo ny tany samihafa nahafaty olona marobe sy ny adilahy ary ny fitombony rivotra maloto (carbon emission)de iza ary no omena tsiny eto ndray Andriamanitra ve?
38. xxx ( 14/12/2007 10:28)
Rehefa fantatra ny fanorenana izay noresahan'Andriamanitra tao anaty Baiboly dia tokony hanana ny fahazavana ny olombelona. Tsy ny fisian'ny fahasarotana eo amin'ny fiainana no tokony tsy hampandroso ny fahavononana hiatrika izany. Raha matoky Ilay Mpamorona ary manaiky izay hafatra nalefan'i Jesoa dia hiaina amim-pahasahiana sy amim-pahatokiana.

Ny fivoaran'ny tontolo dia efa voasoratra fa hiharatsy. Ny anjaran'ny mpino dia ny matoky izay voasoratra sy mandray andraikitra amin'ny fanafana izany dia ny vahaolana omen'Izy Tompo dia ny finoana Azy sy ny fanarahana ny fitondrany. Mila miambina hoy Izy.
39. fijo ( 14/12/2007 21:15)
pissoa an,raha tsy miaraka amiko wa ndry tsy ahalala ny valin'izay.

cutie an,tsy misy ve hanao raha e,raha misy koa mety mamo de natory
40. pissoa ( 14/12/2007 23:16)
pissoa:
ary mba tena misy ve hoa i Fijo e

ka toa be dia be tsinona no tsy mitovy hevitra aminy koa

fijo:
pissoa an,raha tsy miaraka amiko wa ndry tsy ahalala ny valin'izay.


fijo:
tsy misy ve hanao raha e,raha misy koa mety mamo de natory

raha tsy miaraka aminy toi tsy hahafantatra mikasika Azy mihitsy ... :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1057