Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny

1. Fody ( 12/12/2007 13:31)
Misy Andriamanitra ary lazaina fa Fitiavana.

1 - Nahoana anefa no misy ny olona mijaly?

2 - Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

3 - Nahoana koa no manjaka ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana... izay fototry ny fahorian'ny maro hatramin'izay ka hatramin'izao? Ireo koa no mahatonga ny tsy rariny hatraiza hatraiza.


Ahoana ny hevitrao?
novalian'i fijo ny 26/12/2007 23:38
2. Zina ( 12/12/2007 13:44)
ny fahotana no mahatonga na'ireo rehetra ireo,
ny fivalirana amin'Andriamanitra no mampisy ny olona mijaly.
malahelo tokoa Andriamanitra fa isika no nisafidy tsy hanaraka azy sy ny didiny sy hino azy.
Ka raha mbola eto an-tany isika dia mbola otran';io foana raha tsy manakaiky an'i Jesosy amin'ny fo-tsika manontolo. Na misy aza ny fahoriana dia omena Andriamanitra filaminam-po sy saina isika rehefa eo akaikiny mandrakariva.
Zay no fahalalako azy
3. cutie ( 12/12/2007 13:59)
Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

. Mpandefa : Zina [ Valio ] 12-12-2007 14:44:04
Lohateny : Re : Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny
ny fahotana no mahatonga na'ireo rehetra ireo

zany ve de mba rariny:roll:
4. hery ( 12/12/2007 16:56)
Fody:

Misy Andriamanitra ary lazaina fa Fitiavana.

1 - Nahoana anefa no misy ny olona mijaly?

2 - Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

3 - Nahoana koa no manjaka ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana... izay fototry ny fahorian'ny maro hatramin'izay ka hatramin'izao? Ireo koa no mahatonga ny tsy rariny hatraiza hatraiza.


Ahoana ny hevitrao?


Io ilay mampiditra an'Andriamanitra amin'ny tsy aferany. Betsaka ny zavatra vokatry ny zava-misy fotsiny na vokatry ny asan'ny olombelona. Tsy voatery hoe noho Andriamanitra.

Ny azo atao dia ny mangataka ny fanampiany sy ny fiarovany.
5. Zina ( 12/12/2007 17:46)
cutie a ie, isika nanota dia izany no consequences... mangirifiry fa tsy maintsy zakaina... vakio daholo anie ilay nolazaiko e...
6. cutie ( 12/12/2007 17:52)
fanontaniana
fahotana ve ny fahantrana?
7. ikaretsaka ( 12/12/2007 18:05)
Misy zavatra izay nomen'Andriamanitra antsika hokarakaraintsika, dia ilay atao heo Fahafahana misafidy..
io dia isika irery no tompon'antoka @ io fa tsy misy idirany intsony raha tsy "rehefa tapitra ny jeux"!
Mitovy fijery @ hery aho eto!

Cutie> amiko tsy fahotana ny fahantrana fa na:
hakamoana: Tsy fahavononana hioitra fa le mionona fotsiny @ le hoe "eee ka atao ahoana fa efa izao eee"

na hafetsena:indrindra an'ilay olona mpampahatra: " le manao hoe "io lety fa tsy tonga saina na lalaoviko @ saokany sy haroniko ny paosiny aza an"
8. cutie ( 12/12/2007 18:12)
Cutie> amiko tsy fahotana ny fahantrana fa na:
hakamoana: Tsy fahavononana hioitra fa le mionona fotsiny @ le hoe "eee ka atao ahoana fa efa izao eee"

=))=))=))=))=))=))=))
Ny azo atao dia ny mangataka ny fanampiany sy ny fiarovany

ka manin no mbola tsy misy fiovana
foana.
9. niryna ( 12/12/2007 18:22)
Io misy santionany,natao andalo fisedrana daholo ny olona,ny fahantrana ohatra tsy midika fa mahantra ara-panahy ireny,ny vola izay ampiasaina izy ireo no tsy manana fa ny fahasoavan'Atra izay ao anatiny sy ao anatin'ny tokan-tranony tsy ho voavidin'ny mpanan-karena velively."Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo."



bosista:

niryna>> hay mbola miandry inn no tsy ikosehany ny anarana amin'izao ,nefa efa ao anatin'ny fiainana ihany izao!??sa de izay hoe ho tampohina arak'izay voalazanao izay ve?
fa iza aloha no mahazo tombontsoa amle fikosehana anarana e?

Izany no ampahafantarana ny olona ny tenin'Atra ry bosista? Maro tokoa ny asan'ny satana ary efa tonga ny fanahin'ny anti-christ saingy ny Fanahy Masina no mihazona azy aloha hatramin'izao.Voalaza ao anaty baiboly daholo izany saingy maro ny olona tsy tia sy manaiky ny hafatry ny mpitondra fa tsy mila mamaky ny tenin'Atra,tsy mila mitadidy na mianatra ,tsy mila mitsimpona.Izany rehetra izany dia taratra fa misy ny maso mijery kanefa tsy mahita,omeny sofina ny sasany kanefa tsy mandre ary asiany mihaino ny tenin'Atra kanefa dia minia manohitra foana.Omen'Atra safidy isika ary miverimberina foana io.Izay manatona Ahy hoy ny Tompo dia tsy mba ho very,raha manana olon-kafa ankoatra an'Atra Ray sy Zanaka ary ny FM moa izany ny olona dia tsy ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarany.
Eny afaka soratra ny anaran'izay mino an'i Kristy fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra (Only Savior and Lord).
Voafafa ny anarany raha ohatra ka nino Azy ilay olona ka tsy naharitra ny fakam-panahin'i satana dia niverina tamin'ny lalana ratsy sy ny fanaony indray ka tsy nibebaka na nitodi-doha amin'Atra.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=EZEKIELA&toko=18&andininy=25-29&dika=






Misy Andriamanitra ary lazaina fa Fitiavana.
Eny fitiavana tokoa izy,mampianatra antsika mitia ny mpiara-belona,tia antsika rehetra izy ,nahafoy ny zanany maty noho ny fahotantsika rehetra,nampisehoany an'izao tontolo izao izany fitiavany izany saingy tsy ny rehetra no nandray azy.

1 - Nahoana anefa no misy ny olona mijaly?

mijaly amin'inona? vola ,harena,fanahy,aretina?
satria amin'ny maha olona antsika dia ireo no tadiavina sy miantra amintsika,ny aretina dia anisany vokatry ny fahotana izay nodiavina hatramin'izay.vokatry ny fahotana izay tsy nangatahana famelan-keloka tamin'Atra,vokatry ny fahaterana sy tonga ho azy,tsy tokony anome tsiny an'Atra isika,mifanohitra izany no tokony atao dia ny misaotra azy.

2 - Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

Fitiavana iray ihany no nomeny antsika,fanahy iray ihany ary tsy misy tombo sy ala no nomeny antsika ,miaraka amintsika,ny fahasoavana tsy mitovy no azontsika,misy ary fantany fa mahavita na tsy mahavita ilay olona ka nomeny fahasoavana maro na iray ihany ,arakaraky ny fahasoavana omeny koa anefa no tokony hizarana izany amin'ny mpiara-belona fa izay kely anany no esorina aminy satria tsy nampiasainy ilay kely fahasoavana nomeny,toy ireo olona midiridiry tsy tia mamaky ny tenin'Atra ireo ,ahoana moa no ahalalany ny hafany raha tsy iainana ilay izy?

3 - Nahoana koa no manjaka ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana... izay fototry ny fahorian'ny maro hatramin'izay ka hatramin'izao? Ireo koa no mahatonga ny tsy rariny hatraiza hatraiza.
satria tsy ao aminy ilay FITIAVANA nampianarina azy.
10. cutie ( 12/12/2007 18:24)
Nyrina
I wish I can think like you :D:D:D:D:D
11. pissoa ( 12/12/2007 18:25)
Fody:

Misy Andriamanitra ary lazaina fa Fitiavana.

1 - Nahoana anefa no misy ny olona mijaly?

2 - Nahoana no misy ny tsy fitoviana saranga, misy ny ambinina amin'izay ataony rehetra nefa misy ny tsy mba mahita izay anjarany mihitsy, misy ny taizan'aretina nefa misy ny salama be, misy ny kilemaina tsy afa-manao na inona na inona vao teraka ka mandram-pahafatiny, misy ny maty tanora, misy ny maty vao mena vava....

3 - Nahoana koa no manjaka ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fijangajangana... izay fototry ny fahorian'ny maro hatramin'izay ka hatramin'izao? Ireo koa no mahatonga ny tsy rariny hatraiza hatraiza.


Ahoana ny hevitrao?



satria tsy Andriamanitra irery no misy ... fa misy tsy Andriamanitra koa :-D:-D:-D
12. cutie ( 12/12/2007 18:27)
satria tsy Andriamanitra irery no misy ... fa misy tsy Andriamanitra koa

misy hery hafahafa ve any ho any :-D:-D:-D:-D
13. pissoa ( 12/12/2007 18:28)
tsy voatery ho "hery hafahafa" fa ohatra hoe "cutie" ... dia efa hafa noho Andriamanitra :-D:-D:-D
14. cutie ( 12/12/2007 18:29)
za nga zavatra
15. cutie ( 12/12/2007 18:32)
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo:-D:-D:-D:-D:-D
16. pissoa ( 12/12/2007 18:38)
:-D:-D:-D:-D:-D

cutie:
za nga zavatra

angaha nisy niteny teo hoe izay zavatra ihany no tsy Andriamanitra ?

cutie:
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo

ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana :-D:-D:-D
17. cutie ( 12/12/2007 18:42)
ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana

zay le finoanoam-poana:-D:-D:-D:-D:-D
very right wing freako kristian
18. pissoa ( 12/12/2007 18:47)
sao i cutie no olona natokana tsy hahazo resaka mihitsy ! :lol:

toa tsisy resaka finoana mihitsy ny soratro fa miteny zavatra tena obvious be fotsiny hoe izay tsy Andriamanitra dia tsy Andriamanitra ... Ary tsy Andriamanitra irery no misy, fa ireo tsy Andriamanitra koa (na mino na tsy mino, na zavatra na tsy zavatra). :-D:-D:-D
19. cutie ( 12/12/2007 18:55)
ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana
[quote]Mpandefa : cutie [ Valio ] 12-12-2007 19:32:56
Lohateny : Re : Misy Andriamanitra, nefa mbola manjaka ny tsy rariny
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo[/quote
20. cutie ( 12/12/2007 18:56)
de lazao koa fa ze tsy mino an'Atra de tafiditra ao anatin'reo daholo



ie - tafiditra ao (=tsy Andriamanitra) daholo satria tsy Andriamanitra ... Otran'ny zavatra mazava be le izy fa ahoana aza no mipetraka le fanamarihana

jereo tsara fa tafiditra ao ny finoana:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084