Tsy nino aho kanjo....

1. niryna ( 17/07/2006 20:13)
Ikaretsaka a>Dia izay tokony toriteny ataonao ny namana ary atao,samy nomen'Atra fahasoavana daholo ny tsirairay ka izay nomeny anao no ataovy fa tsy izay tiako dia tsy azoko atao satria tsy tianao
Dingano fotsiny ny sujet-ko dia ampy anao izay.

rijadolly a > misaotra anao nizara ny tenin'Atra hatrany. Hoy tokoa mantsy ny Tompo hoe "Aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho ary Izaho tsy hanary anao na andao anao . Hebreo 13:5 "
Ireo teny ireo dia tsy ho afaka ato an-tsaiko sy ato am-poko ka na inona fitrangan'ny onjam-piainana raha manana ilay hery mampahatsiahy izany dia tsy ho kivy mihitsy fa mizotra foana ny fiainana e :D
2. niryna ( 10/12/2007 05:27)
Rehefa natao ny fitsaboana nandritra ny taona maro dia tsy maintsy nodidiana ity rangahy. Tsy azo atao anefa ny fandidiana aza miaraka fa tsy mahazaka ny vatany ka natao aloha ny fandidiana iray ary dia miandry rehefa mihatsara izy. Vita soa aman-tsara anefa ilay fandidiana voalohany.
Vita ny analizy rehetra,fantatra ny fotoana anaovana ny fandidiana faharoa,nandeha tany amin'ny hopitaly izy.Minoino an'Atra ihany izy ary mahafantampatatra ny tenin'Atra ihany koa.Teny an-dalana ho any amin'ny hopitaly dia sendra nitohana ny lalana ary nisy rangahy toa mpangataka nanakana azy,hafahafa no fijeriny azy ity,toa jereko mahantra kanefa toa tsy izy,heveriko ho mpangataka koa anefa toa hafa be ,kanjo hoy izy hoe aleo hoentiko fa tsy maninona.Nandeha ny resaka ary hoy ilay rangahy akanjo,afaka hivavaka anao ve aho? Variana ity mpamily ary namaly tsy sazoka.Ilay toerana nisy ny aretiny no notsindrian'ity rangahy ity ary novavahany.Ny hafan'ilay rangahy dia hoe sitrana izao hianao ary mba miangavy anao aho hivavaka olona toy izany koa.Nony niala izy dia notazaminy teo amin'ny fitaratra fara-jery ilay rangahy kanjo nanjavona tsy hita hoe nankaiza ity maloto akanjo.Tamin'ny fotoana nivavahan'ity rangahy ity hoy izy nitantara dia nisy zavatra nafana henoko fa tsy fantatro hoe inona.Nony tonga tany amin'ny hopitaly anefa izy,akory ny fahagagany fa tsy nisy na inona na inona intsony tao amin'ilay toerana nisy aretina.Variana ny dokotera rehetra,ny fandidiana anefa efa vonona sy voakarakara daholo.Nandeha teny ny andro ny volana ary ny taona,na nahita fahagagana anefa izy dia tsy rotitra akory.Indray andro nisy olona nizara taratasy teny amoron'ny arabe ary dia noraisiny ilay izy.Endratra ny masony ary niantsoantso izy fa tadidiny ilay tarehin'ilay rangahy na dia tsy hitany intsony aza."Ity ilay rangahy nanasitra ahy hoy izy,aiza izy isaorako ?".Variana ity mpizara taratasy ary niteny hoe dadatoako io ary efa maty efa izy telo taona lasa izay.
Nijoro vavolombelona izy ary niely izany zava-misy sy marina izany.
Ho antsika tsirairay hatrany anie ny voninahitra ao amin'ny kristy Tompontsika Amena
(l)niryna
novalian'i niryna ny 17/07/2006 20:13
3. niryna ( 10/12/2007 05:48)
Na dia fantatro aza fa tsy mpino ny olona ho vadiko hoy ity ramatoa dia niroboka ihany aho.Nandeha teny ny volana sy ny taona,lasa niova ity rangahy vadiny.Vaky ny vilia eraky ny trano,izay zavatra ataoko hoy izy tsy misy fankasitrahana,tsy afaka manafatra ireo fianakaviako aho mba hankalaza izany fetin'ny Tompo izay andro iray hankalazan'izao tontolo izao izany "Fa i Kristy no teraka anio"
Mamono ,mandaroka,manompa teny ratsy vary raraka,misy aza fotoana izay midy ny trano fa tsy mahazo miditra aho hoy ihany ity ramatoa rehefa avy miangona.Mamonjy fianarana soratra masina aho ary dia tsy mivoha ny varavarana ary dia eo an-dalantsara aho no matory.
Ny vavaka nataoko nandritra ny taona maromaro hoy ilay ramatoa dia ny hoe "Hianao no mahalala ny ao am-pony Tompo o,mangataka aminao aho mba hanana fo anatona Anao izy indray andro any." Isaky ny misy zavatra mitranga na vono na daka na fanalikana na teny ratsy na zavatra ariany amin'ny tany hoy ihany izy dia izay foana no vavaka ataoko ary tsy mamaly mihitsy aho fa ataoko ho voninahitr'i kristy daholo.

Mihaino vavaka Atra ho an'izay mitady Azy,ho an'izay mametraka ny fiainany anaiky ho tantanany.Mafy ny zioga zakain'ny tsirairay kanefa raha mikimpy kely fotsiny ny masontsika,misokatra ny vava,mamoaka izay ao am-po ,miantso Azy,manandratra ny Anarany .....dia hamaly vavaka tokoa Izy.
Voavonjy ilay tokantrano,voavonjy ny fianakaviana,voavonjy ny fahoriana izay nianjady ity ramatoa nandritra ny taona maro.Voavonjy ny fanahin'ity rangahy izay tsy nino an'Atra.Misaotra sy midera ary mankalaza ny anaran'ny Ray izy mianakavy kely izao ary dia nijoro vavolombelona fa misy Atra.

Ho an'Atra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra.
Mahereza mitady an'ny Tompo,andramo ka zahao fa tsara Izy ary mandrakizay ny fitiavanay.
Amena
4. Ylly ( 10/12/2007 14:44)
manao ahoana akia Niryna a!aleo aloha dinihina miadana indray ity dinika nataondry ity fa somary lava loatra alohan'ny hamaliana azy a!
5. bosista ( 10/12/2007 15:17)
:-D:-D:-D:-D
6. ikaretsaka ( 10/12/2007 15:59)
dia inona no idiran'ilay mijoro vavolombelona @ ilay resaka nanavotan'andriamanitra azy?
7. niryna ( 11/12/2007 05:34)
Ylly:

manao ahoana akia Niryna a!aleo aloha dinihina miadana indray ity dinika nataondry ity fa somary lava loatra alohan'ny hamaliana azy a!

Tsara aky fa misaotra,hianareo no manao ahoana?:D
8. niryna ( 11/12/2007 05:34)
ikaretsaka:

dia inona no idiran'ilay mijoro vavolombelona @ ilay resaka nanavotan'andriamanitra azy?

:D
9. niryna ( 11/12/2007 05:51)
ikaretsaka:

dia inona no idiran'ilay mijoro vavolombelona @ ilay resaka nanavotan'andriamanitra azy?

ikaretsaka:

dia inona no idiran'ilay mijoro vavolombelona @ ilay resaka nanavotan'andriamanitra azy?
Aminao inona no hijoroan'ny olona ho vavolombelona?
Mizara ny rehetra fa na inona na inona ziogan'ny fiainana,etraketrak'i satana dia tsy tokony ho kivy fa mivavaka amin'Atra foana.Misy antony daholo ny zavatra rehetra matoa mipoitra amin'ny fiainantsika.

aleo aloha omena holy kiss indray hianao.:-* fa mitady hiakatra sahady.:D
Misy hidirany tokoa satria mijoro ho vavolombelona ny olona ry ika a,tsy ho voatery hivavaka amin'ny zavatra tsy tian'Atra izy ireo.Nanankina ny fiainany avy tamin'i kristy Zanaka sy Atra Rainy izy ireo.Zaraiko ho an'ny hafa. Izay mino sy mandray.
Manatona Ahy dia hanatona anao Aho.
Mbola mampianatra antsika ihany koa ireo olona roa ireo fa misy Atra,mamaly vavaka Izy.Tsy mila material things na zavatra hafa soloina ny toerany fa tonga dia vavaka toram-po.:arrow:Ny fo no tian'Atra mitaraina sy mitalaho aminy.
Izaho ho ao aminao ary hianao ho ao amiko: Jao 15:4

Tsy hisy ahita ny fanjakan'ny lanitra raha tsy olom-baovao indray izy.Amin'ny ahoana?
Mino an'i kristy fa Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Rainy.Raha manana "mediator "hafa dia ie,ie, very amin'ny lalana tokony alehany. Jaona 3:3
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.

10. niryna ( 11/12/2007 05:52)
ikaretsaka:

dia inona no idiran'ilay mijoro vavolombelona @ ilay resaka nanavotan'andriamanitra azy?
Aminao inona no hijoroan'ny olona ho vavolombelona?
Mizara ny rehetra fa na inona na inona ziogan'ny fiainana,etraketrak'i satana dia tsy tokony ho kivy fa mivavaka amin'Atra foana.Misy antony daholo ny zavatra rehetra matoa mipoitra amin'ny fiainantsika.

aleo aloha omena holy kiss indray hianao.:-* fa mitady hiakat
11. ikaretsaka ( 11/12/2007 15:00)
amiko dia raha sahy hiteny sy mihaiky tokoa hoe samy nahazo ny fanomezam-pahasoavany ny tsirairay avy
dia ny nety t@ ndrakoto dia tsy mety @ ndrabe.. ary ny nety tamiko tsy voatery hety @ niryna
12. niryna ( 12/12/2007 17:43)
ikaretsaka:

amiko dia raha sahy hiteny sy mihaiky tokoa hoe samy nahazo ny fanomezam-pahasoavany ny tsirairay avy
dia ny nety t@ ndrakoto dia tsy mety @ ndrabe.. ary ny nety tamiko tsy voatery hety @ niryna

ka inona no olana amin'izany?
Zarao ny hafa izay fahasoavana nomeny anao.
13. ikaretsaka ( 12/12/2007 21:21)
ka ho mety aminy ve ny fahasoavana nomeny ahy.. hiteny aho hoe zaozao zao ny fiainako taloha de lasa an zaozao zao ?
iznay ve no andaniako fotoana fa tsy ny mampiasa iny fahasoavana azoko iny hanatsarana ny mpiara belona amiko?
rehefa manao impact @ mpiara belona amiko aho dia 8O aby izy rehetra... dia mifoha dia... "izay tia manaraha" sady mizara aho @ izay no mampiasa!
14. niryna ( 13/12/2007 06:17)

Tsotra fotsiny izany afafazo ny ketsa dia izay mandray tsara izay tsy mandray efa vita ny adidinao.
15. fijo ( 13/12/2007 22:08)
niryna an,tena hialako tsiny amindry sy ny finamanana eto.fa tena izao fomba ataondry eto izao no fomba fanaon'ny sekta mitory teny.hialako tsiny wa satria aho tsy te hiatsaravelatsihy amindry.

jereo anefa ity"Nijoro vavolombelona izy ary niely izany zava-misy sy marina izany."
ahoana no ahafahandry eto manizingizina fa tena nisy izany ary tena marina??????

de raha mba azondry lazaina ,sekta inona no misy andry io izao?
16. ikaretsaka ( 15/12/2007 00:52)
fijo:

izay anie mantsy e
17. ikaretsaka ( 15/12/2007 00:54)
amiko raha hoe "Hijoro vavolombelona ianao: dia aleo ny olona ny mahita anao @ vavolombelon'ny asanao sy ny bainganao, tsy ankiteniteny fa rehefa mahita ny tanimbolinao izy dia mifampiantso ho azy mijery

Toy izay hande hiteny ary @ tranom-pokonolona hoe za zao sy zao sy zao!
18. niryna ( 15/12/2007 03:54)
ikaretsaka:

amiko raha hoe "Hijoro vavolombelona ianao: dia aleo ny olona ny mahita anao @ vavolombelon'ny asanao sy ny bainganao, tsy ankiteniteny fa rehefa mahita ny tanimbolinao izy dia mifampiantso ho azy mijery

Toy izay hande hiteny ary @ tranom-pokonolona hoe za zao sy zao sy zao!

ha,ha,hi, aiza ao amin'ny baiboly izany teny izany?
Mandehana amin'izao tontolo izao ka torio ny filazantsara.tsy ho voatery hanaraka hianao raha tsy tia.
Inona moa izany fitoriana vavolombelona izany?
Ny fomba fiteny ,ny fomba fanoratra,ny fidirana amin'ny serasera rehetra manara-maso anao daholo ny rehetra fa tsy hoe ato amin'ny fivavahana hiany.Sao heverinao fa dondrona aza ny olona na pahina ny masony.
Sakano daholo izany ireny misionera manera an'izao tontolo izao .Tsy kristiana tokoa hianao ary izay vao fantatro,matoa toherinao izay rehetra voalaza ao amin'ny baiboly.Mamela anao ahy ary mivavaka aminao .
19. ikaretsaka ( 15/12/2007 04:08)
ao anaty baiboly izany..
"betsaka no nahita ka nino"
tsy nitoriana izy ireny, fa nahita dia nino, ary tsy voatery nitoriany daholo ny nanaraka azy..
ohatra ireo mpianatra roalahy! sy ny sisa tsy voatanisa
20. ikaretsaka ( 15/12/2007 04:09)
ary vakivakian'i niryna fahatany anie izany baiboliny izany e... aza izay tiatiana ihany ho'a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2524