Hanaiky hiara hiasa @ Andry TGV ve ny mpitondra raha izy no

1. patrick2002 ( 07/12/2007 02:14)
Lasa oa ny fisainako ,mba hanaiky hiara hiasa @ Andry TGV ve ny mpitondra raha izy no lany :roll::roll: ,manahy mafy ny saiko ry zalahy ,fa hitako miha -mivarolavo @ fitondram-pahefana tsy mendrika ireto TIM ireto ,ka hoy ao aminao hoe to hitako indray izany TIM hanao fahirano an'Antananarivo izany kou sa ahoana hoy ianareo .:cry::cry::cry::idea:
2. ravatorano ( 07/12/2007 04:53)
sarotra b ny inoana fa tsy hanaiky hiara hiasa amin'i tgv ny mpitondra raha lery no lany eo !
zao mantsy hafa ny tany toamasina ,fianarantsoa na toliary izay toerana nisy ben'ny tanana taloha ka nanohitra ny fitondrana
aza adino fa ny mponin'antananarivo tsy ankanavaka anie no nametraka io fitondrana io e ary nandany azy
tsy azon'ny tim atao koa ny tsy hiara hiasa amin'izay ben'ny tanana lany eo na tsy tim aza fa ho sahirana ry zareo raha manao an'izany
fa aleo aloha ho hita eo izay lany e
3. eprom ( 07/12/2007 05:57)
Tsy mila miaramiasa @ Andry izany izy ka! Tonga de ny fokontany direkta no iresahany. Sady ireo tsy voabaikon'i Andry.
4. namana2008 ( 07/12/2007 06:24)
zao reto mbo hafatra kely a. aza d miatsampy am hazo tsy fantatra zany fa so d hanenenana. za kalo tsy mteny oe TIM no tiko fa zao kosa. misy le olona d SUBJECTIF fa tsy mba OBJECTIF. satri bogosy TGV d izy no fidina fa anga maha bogosy anazy ny asa miandry anazy. ary zao ko e.tsy tadidinareo v fa tam ratsiraka Prézident d RAVALO ben'ny tanàna. mo v nahazo vola tany am deba izy? ka zay le politika zay. ze fatatra fa hapandroso le tanàna fidina faza ny endrika ivelany fotsiny. sady olona miaingitraingitra b reny v d mba azo ianteherana?? mahaiza mifidy fa afaka efa-taona indray vo afaka manolo ze lany eo ka MAHAIZA MIFIDY
5. tsiafoi1 ( 07/12/2007 08:08)
Foto-pisainan'i olombelona mandrakariva ny voalazan'ny fahendren'ny ntaolo malagasy we :"ZA VE NO NAMONO NY VOAY DE IANAO NO HIRAVAKA NY VANGINY!!!"
raha tsy we resaka BUSINESS anga???? zay le we vazaha mody miady teneniko!

Sarotra be ny hino fa hiara-hiasa reo, raha tena atsimo sy avaratra no misy azy! noho izany fahendrena NY TSY MIATSAMPY @'NY HAZO TSY FANTATRA ALOA
6. richtiana ( 07/12/2007 08:22)
za klou tsy de mahazoazo le ataon'ny TIM e,str otran'ny misy abut de pouvoir ataonjareo,mba manaraha ne propangandy nareo e,au moins mba discret fa tsy aharihary oe:ANAZY NY TANANA e,manimba sain'ol maro le iz,sdy manaratsy endrika anjareo.
zay no mba hevitro ka ahoana hoy ianareo?:roll::roll::roll:
7. tota ( 07/12/2007 10:13)
Ny oe hiara hiasa ve i andry sy ny mpitondra fa tsy samy manao ny asany ve e? Ohatra t@ ra8 ben'ny tanàna Ratsiraka Filoha. Tsy nisy fiaraha-miasa zany t@ ratsiaraka sy ravalo kanefa nandroso ny tanàna satria ravalo manao ny asany @ maha-ben'ny tanàna azy de ratsiraka manao ny asany @ maha filoha azy. Midika izany fa samy manana ny asa ataony ireo. Ny ben'ny tanàna manao izay manatsara ny tanàna sy ny manodidina izany. Ny Mpitondra fanjakana manao izay hampandrosoana ny vahoaka ho entiny. Tsy hitako ze hifandraisan'ny ben'ny tanàna sy ny mpitondra @zany. Mitady mpamatsy vola ho azy ny ben'ny tanàna de zay. Tsisy blem zany io e. Tsy misy mpitondra hanakana raha te-hanatsara ny tanàna ny ben'ny tanàna satria mpamatsy vola no miantoka an'io fa tsy iza tsy akory. Ary raha sakanana ny mpamatsy vola de naman'ny manakana fandrosoana zany ny mpitondra.
8. ravatorano ( 07/12/2007 10:33)
ze lany eo d izay
fa elao ho lany ara pahamariana
fa amiko na tim na tgv na marc na ry vanf no lany eo defa izay no safidin'ny vahoaka mifidy eto antananarivo renivohitra ary dia entanina rry zareo ho tonga maro hifidy mba tsy hanenina indray oe raha nifidy za zao dia mety ho lany ihany ilay mbo tiko iny ! koa tongava maro fa ny adidi ho vita moa nyandro tsy fiasana teo fa andraisanareo karama !
9. namana2008 ( 07/12/2007 10:54)
tena aza miatsampy am hazo tsy fantatra reto a. so d hanenenana. tsy oe manao propagandy ani rafaly za fa izy kosa ange mba ita mivaingana ny asany e. i andry mbola tsy fantatra na T.. na atody ka aza mitsapatsapa vody akoho ono e. sady marina mitsy le oe MANATSARA NY TANANA ENTINY NY BEN'NY TANANA ka tsy mba zay mo no nataoni Hery teo ra mijery am fo tsy miangatra?
Za kalo na TIM izy na AREMA ka nahavita anreo d izy fona no nofidiko e. Soyez OBJECTIF oa faza SUBJECTIF zany.
10. tota ( 07/12/2007 11:37)
O ry namana2008 a, i Ra8 nga fantatra t@ izy nirotsaka ho ben'ny tanàna? (hazo tsy fantatra)
11. kiadi ( 07/12/2007 12:40)
ary tsy handeh tgv tsony zany zah fa lasan'ny andry eo fotsiny ny volako :-D:-D:-D
12. Jeankely ( 07/12/2007 13:47)
Izay fidianao dia fidio ary izay lany dia iny no Ben'ny Tanana. Raha mitsipaka ny lanin'ny vahoaka na iza na iza lany dia ady atao @'ny vahoaka mivantana izany ary samy mahalala izay fiafarany. Aza mba manaiky pempoin'ny olona fa izay tianao fidio raha afaka mifidy ianao.
13. fijo ( 07/12/2007 21:26)
raha lany i andry ka tsy miara miasa aminy ny fitondrana,dia efa naman'ny manome lalana hoan'i andry amin'ny fifidianana filoham pirenena manaraka izay.
14. bazylou ( 08/12/2007 01:03)
valiny: tsia , non, no; niet; nicht
15. patrick2002 ( 08/12/2007 01:25)
Midika izany fa samy manana ny asa ataony ireo. Ny ben'ny tanàna manao izay manatsara ny tanàna sy ny manodidina izany. Ny Mpitondra fanjakana manao izay hampandrosoana ny vahoaka ho entiny. Tsy hitako ze hifandraisan'ny ben'ny tanàna sy ny mpitondra @zany. Mitady mpamatsy vola ho azy ny ben'ny tanàna de zay. Tsisy blem zany io e.


Tota: Miala tsiny aminao izaho fa disoko ny teninao ,tsy misy famatsiam-bola hazonao izany raha vao ny fanjakana foibe no mitsipaka ,tadidio fa ny trosa ataonao @ mpamatsy vola dia ny fanjakana foibe no mandoa azy ,fa tsy ny commune mihintsy no handoa azy satria asany commune no nangalana vola .
Tsy mbola tonga amin'izany ny constitution-ny madagasikara .
16. patrick2002 ( 08/12/2007 01:31)
eprom:

Tsy mila miaramiasa @ Andry izany izy ka! Tonga de ny fokontany direkta no iresahany. Sady ireo tsy voabaikon'i Andry.

F'angaha moa ny fokontany tsy ny ben'ny tanana no manendry azy ,toa izay no fatadidiavako azy ,fa tsy haiko aloha fa izaho koa tsy any kou .


17. saranga ( 08/12/2007 11:35)
Zoky ravatorano, ny fisainana madio dia izay lazainao fa izy ity nama mampanahy ahy fa ireo MAIRE tsy TIM ange ka nogadraina avokoa e ! Fa hanahirana an-dRa8 io TGV io, izay vao hoe Tena Gaga Ve ?
18. istraky ( 08/12/2007 12:36)
Izao fotsiny io. 'zay tonga teo anie olom-baovao foana e.
TSY ZARIDAINA sy jiro mandravaka an'Anosy anie no ilain'ny vahoaka e!!! fa FILAMINANA sy JIRO any ANELAKELA-TRANO ee!!!
Sady efa tsara koa anie ny Zaridaina teo analakely talohan'ny 2002 fa iza no nanimba azy?????

'zay zao mitady JARDINIER raha hi-postuler RaFALY !!!
19. ravatorano ( 08/12/2007 20:24)
ny nahagagaahy androany tamin'ny fampielezan-(kevitra ntaon'ny mpanoihana andry ingahy Rafalimanana Hery dia tiy : niteny ilay mpanentana hoe : "tsy hataontsyka toa an'i Fianarantsoa sy toamasina Antananarivo" naverin'ilay mpanenatana imbetsaka io d gaga aho nanrak'izany tamin'ny fahita lavitra satria nisy amphany nandeha en direct tamin'ny mbs sy tvplus.
Fa nanin fianar sy toamasina ? lasan'ny mpanohitra toa andry Pety sy rolland v ?
zany hoe raha lany eo zany Ingahy rajoelina dia izay no heverin'ilay mpanentana ho hisy .Tsy hiara hiasa amin'ny TGV zany ny tim sy ny fitondrana raha izany
enga anie tsy hisy izay fa dia hanaraka ny voalazan'i fijo etsy ambony hoe lalana iray hitondra an'dry TGV amin'ny presidentiel zany
20. namana2008 ( 10/12/2007 05:35)
o re olona a. 45ans ange ny age ahafahana milatsaka ho filoha e. ka adinoy atreo kalo zany nofinofy zany ho an'i TGV fa mbola lavitra BEUUUUU..... ary aza mbo tia vao otranio mo ry vahoaka a. zany ange le ataoko oe aza miantsampy am hazo tsy fantatra e. ra8 zao tsy fantatra akory di niantsampazana zao ataony vao mimenomenona. avelao izy no itondra eo fa sitrapo ny anareo ka sami mizaka. ny anay zao d ze mahavita azy iany no tohananai fa tsy ze atsarany sns any. tam andron-dravalo d hasina andriamanjato no nofidinay satri izy mbo nahavita iany teto d nareonareo nirona tany am ra8 hazo tsy fantatra tany. d amzao ndray d i faly satri izy no mahavita d maintsampi ndray any am KAKAZO malemy any so d potraka eo ndray vo oe IZA NDRAY?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0349