Amin'ny maha-malagasy anao.Mivoaka ve ilay fiteny?

1. niryna ( 05/12/2007 05:13)
Misy ny olona sasany mianatra ny tenin' ilay firenena hipetrahany vao hiala any Dago na efa nianatra taloha vao tonga tany,misy kosa anefa tonga any vao mianatra.
Eny fa na dia nampianarina aza .Ohatra ny teny anglisy no ataoko ohatra a,dia tsy nitovy velively ilay izy rehefa tonga aty.8O

Raha miaraka na misy miresaka ny olona ao an-trano dia mbola misy kely ihany ao e,fa raha tsy misy moa dia ie,ie taloha mandeha ny teny gasy,miditra ny teny frantsay,izay vao tonga ilay teny anglisy..Tsy manao fanahiniana fa tsy mivoaka firy intsony e.Lazain'ny olona fa mivadika ilay teny gasy.Izaho aloha dia hitako na dia miezaka aza aho
Rehefa nandeha teny anefa ny volana sy ny taona dia lasa ilay teny anglisy foana no mibahana sy fiteny matetika.Ny ahy, izaho ihany no nampianan-tena ary rehefa nandeha tany amin'ny dokotera dia ireny miteny frantsay ireny no nandehanako aloha.
Dia iny ny aho nijery boky ary inona hoy hianareo no nandramako novakiana voalohany? Bokin'ny Danielle Steel.Namaky iray aloha aho,dia nitavozavoza,nandeha ny faharoa,io fa nahazo tsirona,mila nitandrina fa may ny sakafo raha variana.Notohizako foana ary saika voavakiko daholo ilay bokiny iray manontolo (52) ary nanana collection marobe mihitsy aza aho.Tsy tiako ilay izy taty aoriana fa feno resaka ratsy na vetaveta loatra dia izay no nijanonako . Dia nandeha tany am-piangonana indray,niteny anglisy io a,nifanerasera ny mpiara-miangona ary farany lasa nampianatra Sekoly Alahady, niova teny tsikelikely indray ny boky ary farany dia ny baiboly.

Taty aoriana indray dia tsy mahazo ilay teny gasy baiboly firy fa ilay teny anglisy no nanavanana,ary toy izany koa rehefa manabedy ny ankizy,atao amin'ny teny anglisy hoy ny eritreritro amin'izay miditra tsara ny tiana ho lazaina aminy.
Izaho indray ny teny anglisy no ao anatin'ny ati-doha,dia miezaka ny mandika an'iny amin'ny teny gasy varalila.
Mampihomehy fa zava-misy hiainana.

Ny fanontaniako,mba voa toa izany koa ve hianareo na mitovitovy na hafa mihitsy ?

novalian'i niryna ny 13/01/2008 22:32
2. veromahefa ( 05/12/2007 09:37)
:lol:tsy haiko lou ry Niryna fa eo indrindra isika zao! Za lou gasy tsara fa zanako no vao miana-miteny ! dia hoy ny gasy efa ela taty hoe ampianaro teny gasy izy fa rhefa any am-pianarana mahay teny hafa hoazy ; ny sasany indary miteny hoe ampianaro teny hafa izy fa sahirana rehefa hiaraka amin'ny zana-bazaha,8O
3. salmo1 ( 05/12/2007 12:51)
Ary ra tsy mahay miteny gasy izy, sady tsy mahatsiaro ny maha-gasy azy manokana, fa voazatra sy voataiza tamin'ny firenena hafa ny fiainany, ka manana koltura hafa manokana..

Dia ahoana indray aza hoy ianareo, ry ti tanin-drazana:?:

;-)
4. rova30 ( 05/12/2007 13:17)
:oops:Efa sendra io nahazo an'i Nirina io ihany koa aho!
Ilay izy angamba mila fotoana kely sy fahazarana, ny rehetra, fa ny efa hay sy ananana: raha tiana, dia tsy very mihitsy! Ny accent angamba no mety hiova.

Ohatra hoe sinoa miteny gasy na merina miteny betsimisaraka, na gasy miteny frantsay na...
5. rova30 ( 05/12/2007 13:29)
:idea:Mety manampy ihany koa ilay mamaky boky (izay mahaliana)sy ny mihaino hirahira na vaovao amin'ny radio.
6. fijo ( 05/12/2007 20:34)
veromahefa,ampianaro teny gasy izy,fa ny any antsekoly vao miditra CP izy dia hainy ny teny vahiny.

amiko aloha ,asa fa fomba fijeriko ity,nyteny gasy,na mipetraka firy taona aty ivelany aza ianao,tsy hadino io.amiko mandainga raha hiteny hoe efa lasa tsy tadidy loatra.ny cousinako tamin'ny 1963 no tonga taty,izao izy mbola miteny gasy tsara foana.misy dokotera namako aty tamin'ny 1960 lery no tonga nianatra taty tamin'ny 2005 izy vao mba nitsidika amin'ny mada ,nefa izahay roalay miresaka gasy tsara.ka aza mody hadino ny teninao.
7. niryna ( 06/12/2007 07:11)
veromahefa:

:lol:tsy haiko lou ry Niryna fa eo indrindra isika zao! Za lou gasy tsara fa zanako no vao miana-miteny ! dia hoy ny gasy efa ela taty hoe ampianaro teny gasy izy fa rhefa any am-pianarana mahay teny hafa hoazy ; ny sasany indary miteny hoe ampianaro teny hafa izy fa sahirana rehefa hiaraka amin'ny zana-bazaha,8O

Dia anjaranao no manao ezaka,teny roa fara fahakeliny no omena an'ilay zaza.Ny iray miteny gasy ary ny iray miteny hafa.Efa nahita experience aho fa tsy misy gasy firy nifanerasera no noeritreretinay hoe tsy misy mampiasa ilay teny gasy.Soa ihany aloha fa notenenako teny frantsay izy hatramin'ny mbola kely ary ny rainy niteny anglisy.Amin'izao fotoana izao dia miteny gasy maro noho izy fony kely izy,tena misy teny tsy hoeritreretinao hoe fantany na avoakany mihitsy aza indraindray.
Fanampiana ny ahy ity,maro tokoa ireo olona tsy mety mampianatra ny zanany teny gasy noho ny lafiny maro izay tsy hifanomezan-tsiny,saingy raha misy fotoana hiresahana azy hianao dieny mbola kely,sy misy gasy kely miaraka na fianakaviana miteny dia teneno ihany fa mampalahelo ilay zaza indrindra rehefa mody.

8. niryna ( 06/12/2007 07:16)
salmo1:

Ary ra tsy mahay miteny gasy izy, sady tsy mahatsiaro ny maha-gasy azy manokana, fa voazatra sy voataiza tamin'ny firenena hafa ny fiainany, ka manana koltura hafa manokana..

Dia ahoana indray aza hoy ianareo, ry ti tanin-drazana:?:

;-)

toa maneso kely kosa izany teninao hoe ry tia tanindrazana.
Andao aloha isika dahy ihira
Madagasikara tanindrazanay,tany sarobidy masina tokoa
Lova soa nomen'ny razanay taloha,maty ho anao no tena lazanay.
sy ny hoe
Ry tanindrazanay malala o,ry madagasikara soa
Ny fitiavanay anao tsy miala,fa ho anao ,ho anao doria tokoa....
Raha ohatra ka tsy nahay ilay tenin'ny tena ilay zaza dia inona moa no azo atao.Fa raha ohatra ka mahay na dia tsy mahay manoratra aza anie dia mba omeo teny kely ilay zaza e. Misy fahamarinana anie io e,mety tsy andeha ody na hipetraka any intsony koa ilay zaza,saingy lesoka be hoy aho ilay izy.Tsy nampianatra zaza amin'ilay tenin'ny tena.
9. niryna ( 06/12/2007 07:20)
rova30:

:oops:Efa sendra io nahazo an'i Nirina io ihany koa aho!
Ilay izy angamba mila fotoana kely sy fahazarana, ny rehetra, fa ny efa hay sy ananana: raha tiana, dia tsy very mihitsy! Ny accent angamba no mety hiova.

Ohatra hoe sinoa miteny gasy na merina miteny betsimisaraka, na gasy miteny frantsay na...

ie,izaho nanaovan'ny ankizy fihomehezana ,tokony mba nahitsy rehefa misy tsy mety ilay izy.Nisy iray ihany aloha niteny ahy dia tadidiko ilay izy e.Mivadika ilay teny ary fomba hafa no hanazavako azy,fantatry ny olona ihany anefa ilay izy na dia miezaka aza aho.
Hitako nisy fiovana be ilay izy na dia kely ihany aza eo amin'ireo mijery.
Hoy ilay sinoa vavy izay hoe aty amerika aho hoy ny olona hoe sinoa,any chine indray aho hoy ny olona tsy sinoa :roll: Tsy hita izany izay toerana misy ny tena :D
10. niryna ( 06/12/2007 07:23)
rova30:

:idea:Mety manampy ihany koa ilay mamaky boky (izay mahaliana)sy ny mihaino hirahira na vaovao amin'ny radio.

mitombona izany,izaho mihaino hira masina gasy marobe ary saika mihirahira foana aza aho .Mihaino fanilorano koa aho indraindray fa misy fandaharana radio mifangaro dia tsy voako. Maro ny olona voan'io ka,ny an'ny sasany aza dia tsy tafavoaka intsony ilay manoratra.
Tena mandreraka dia ilay hoe asiana h sa tsia, asia izao sa tsia,reraka be aho indraindray :D:D

11. niryna ( 06/12/2007 07:28)
fijo:

veromahefa,ampianaro teny gasy izy,fa ny any antsekoly vao miditra CP izy dia hainy ny teny vahiny.

amiko aloha ,asa fa fomba fijeriko ity,nyteny gasy,na mipetraka firy taona aty ivelany aza ianao,tsy hadino io.amiko mandainga raha hiteny hoe efa lasa tsy tadidy loatra.ny cousinako tamin'ny 1963 no tonga taty,izao izy mbola miteny gasy tsara foana.misy dokotera namako aty tamin'ny 1960 lery no tonga nianatra taty tamin'ny 2005 izy vao mba nitsidika amin'ny mada ,nefa izahay roalay miresaka gasy tsara.ka aza mody hadino ny teninao.

misaotra anao.Ny fanontaniako,inona no tombotsoa azo amin'ny mandainga? Ahitana vokatsoa ve?
Ny fatra famaranao ihany no amaharana anao.
Matetika ny olona rehefa mizara zavatra dia fanampiana ny hafa izany amiko mba tsy ho voan'izany koa ny olona na nahita experience izy na nahita olona nahitana olana nitovy an'izany.
sambatra izany ilay havanao ,tadidio fa raha hianareo samy nareo no miresaka dia mihevitra fa mandeha tokoa ilay tenindrazana.Ny olona avy any dago na ny mpiasan'ny mission fotsiny ihany aza dia mahafantatra fa mivadika ilay lela. :roll:
12. veromahefa ( 07/12/2007 09:11)
ampianaro teny gasy izy,fa ny any antsekoly vao miditra CP izy dia hainy ny teny vahiny.

amiko aloha ,asa fa fomba fijeriko ity,nyteny gasy,na mipetraka firy taona aty ivelany aza ianao,tsy hadino io.amiko mandainga raha hiteny hoe efa lasa tsy tadidy loatra.ny cousinako tamin\'ny 1963 no tonga taty,izao izy mbola miteny gasy tsara foana.misy dokotera namako aty tamin\'ny 1960 lery no tonga nianatra taty tamin\'ny 2005 izy vao mba nitsidika amin\'ny mada ,nefa izahay roalay miresaka gasy tsara.ka aza mody hadino ny teninao.
[/quote]

Misaotra ry Fijo a! zany tokoa, sady ny havany ve gasy avokoa, ka izy no tsy hiteny eo?manjary sahirana ny olona.

13. veromahefa ( 07/12/2007 09:12)

14. veromahefa ( 07/12/2007 09:12)

15. veromahefa ( 07/12/2007 09:18)
Fa ny mahalasa saina, mahalala ankizy gasy ray sy reny aho; zay vao 2taona no taty ampita nefa efa manafangaro fiteny sahady fa hoe tsy mahazo teny gasy firy tsony, nefa ankizy 10,12 taona...

Ny nahafinaritra ahy indray dia misy namana ato amin'ny serasera, mbola kely 8 taona no efa taty ary efa manodidina ny 30 taona izao ; nefa mahafehy tsara ny teny malagasy na manoratra aza...
16. baraingo ( 07/12/2007 09:41)
ary ra mba manangana sekoly malagasy
any ivelany any mo maninona e. jereo ne eto madagasikara nvazà ra mba misy mianatra eny @ sekoly malagasy zany e
17. mbaliana ( 07/12/2007 18:56)
mety zay hevitra zay fa mila fond be mihitsy angamba... ohatry ny école française ivelan'ny france ireny hono ange école-panjakana e
18. niryna ( 08/12/2007 06:17)
veromahefa:

ampianaro teny gasy izy,fa ny any antsekoly vao miditra CP izy dia hainy ny teny vahiny.

amiko aloha ,asa fa fomba fijeriko ity,nyteny gasy,na mipetraka firy taona aty ivelany aza ianao,tsy hadino io.amiko mandainga raha hiteny hoe efa lasa tsy tadidy loatra.ny cousinako tamin\'ny 1963 no tonga taty,izao izy mbola miteny gasy tsara foana.misy dokotera namako aty tamin\'ny 1960 lery no tonga nianatra taty tamin\'ny 2005 izy vao mba nitsidika amin\'ny mada ,nefa izahay roalay miresaka gasy tsara.ka aza mody hadino ny teninao.

Misaotra ry Fijo a! zany tokoa, sady ny havany ve gasy avokoa, ka izy no tsy hiteny eo?manjary sahirana ny olona.

[/quote]

veromahery a> tsy ho voatery hisy gasy marobe hifanerasera amin'ny olona ka.
raha misy olona miteny gasy ao aminy.Raha tsy nampianarin'ny rar teny gasy ahoana no hitenenany ilay teny,ny manoratra moa die ie,ie.Very amin'ny geografia mihitsy . Sambatra izany hianareo.
19. niryna ( 08/12/2007 06:19)
baraingo:

ary ra mba manangana sekoly malagasy
any ivelany any mo maninona e. jereo ne eto madagasikara nvazà ra mba misy mianatra eny @ sekoly malagasy zany e

Tsara be izany hevitra izany,iza no hanangana eo,olona vitsikely.Iza no mpampianatra hampianatra azy eo?
Enga anie ka mba ho tanteraka tokoa izany.

20. niryna ( 08/12/2007 06:20)
mbaliana:

mety zay hevitra zay fa mila fond be mihitsy angamba... ohatry ny école française ivelan'ny france ireny hono ange école-panjakana e

hitako,dia aiza isika no angataka fond?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7685