Amin'ny maha-malagasy anao.Mivoaka ve ilay fiteny?

21. veromahefa ( 08/12/2007 08:53)
Ny miteny malagasy aloha dia efa tsara e!efa zava-dehibe izay !fa ilay manoratra mety mila fotoana kely... saingy raha mazoto mamaky boky amin'ny teny malagasy izy mety hahay, toa antsika nianatra ny frantsay sy anglisy ihany io e!:D

22. niryna ( 09/12/2007 06:06)
veromahefa:

Ny miteny malagasy aloha dia efa tsara e!efa zava-dehibe izay !fa ilay manoratra mety mila fotoana kely... saingy raha mazoto mamaky boky amin'ny teny malagasy izy mety hahay, toa antsika nianatra ny frantsay sy anglisy ihany io e!:D



miboredika fa tsy mitovy ny olona miteny gasy any amintsika :cry::D Tsy fantatra intsony izay tokony alefa aloha,asiana h sa tsia:D

23. tsikih ( 02/01/2008 21:18)
mandreraka mihitsy isika gasy sasantsasany ! asa na voan'ny fanjanahantsaina na voan'ny "complexe" na koa tsy "fière" amin'ny an'ny tena !!reharehan'ny firenena iray anefa ny tenindrazany; isika gasy manana tombony manokana manana ny fitenindrazantsika, ary mahazo ny teny gasy ny gasy erak'i Madagasikara.Tokony tsy ho very ny tenindrazana, na miteny ny tenin'olona aza.Tsy azoko mihitsy ireo miteny hoe adino na hoe tsy mahay miteny gasy intsony ! nahoana ianareo ray aman-dreny no miraviravy tanana tsy mampianatra ny zanakareo ??? tadidio fa hoainy foana io teny frantsay io raha mipetraka eto izy, fa raha tsy miteny gasy izy ao antrano de ho very tanteraka !! misy aza mi geste ery tonga any dago hoe tsy miteny gasy ny zanakay !! mahavariana be ! zà mahalàla "japonais" maro be, ry zareo tena henatra ho azy ny miteny frantsay entre japonais, ary ny zanany mahay miteny japonais daholo !! jereo anefa isika... mihevitra azy ho inona ery rehefa miteny frantsay ny sasany de hoe "zà tsy mahay teny gasy", mba aza manao an'izany fa mianara ny teninao, tsy ho very tsy ho gasy ianao ary aza adino fa reharehanao izany fa tsy mahamenatra akory sanatria.
24. niryna ( 13/01/2008 22:32)
tsikih:

mandreraka mihitsy isika gasy sasantsasany ! asa na voan'ny fanjanahantsaina na voan'ny "complexe" na koa tsy "fière" amin'ny an'ny tena !!reharehan'ny firenena iray anefa ny tenindrazany; isika gasy manana tombony manokana manana ny fitenindrazantsika, ary mahazo ny teny gasy ny gasy erak'i Madagasikara.

Izany ve,aminao izany ilay izy dia izay ka fa amin'ny hafa tsy hitovy ny zavatra mitranga na dia mahay teny frantsay aza isika ka tsy miteny intsony dia mivadika ihany koa,ary atao hoe raha tsy misy olona miresaka aminao? :roll:
Tokony tsy ho very ny tenindrazana, na miteny ny tenin'olona aza.Tsy azoko mihitsy ireo miteny hoe adino na hoe tsy mahay miteny gasy intsony ! nahoana ianareo ray aman-dreny no miraviravy tanana tsy mampianatra ny zanakareo ???
satria tsy eo aminao ny lelo ka ainao ny manisina azy.:D
tadidio fa hoainy foana io teny frantsay io raha mipetraka eto izy, fa raha tsy miteny gasy izy ao antrano de ho very tanteraka !!
ka izay no antony hanomezana hery ny rar hoe mba hiteneno teny gasy ny ankizy fa na dia tsy mahay manoratra aza izy mba afaka mibadabada miantso dada eo :D
misy aza mi geste ery tonga any dago hoe tsy miteny gasy ny zanakay !! mahavariana be !

Dia anjaran'ny tsirairay indray iny fa tsy antsika,ny tampany ihany koa anefa no mikombana :oops:
zà mahalàla "japonais" maro be, ry zareo tena henatra ho azy ny miteny frantsay entre japonais, ary ny zanany mahay miteny japonais daholo !!
marina io ary tsy ny Japonais ihany fa na ny koreana ,ny karana,ny sinoa,ny firenena rehetra e
jereo anefa isika... mihevitra azy ho inona ery rehefa miteny frantsay ny sasany de hoe "zà tsy mahay teny gasy",
=))=))
mba aza manao an'izany fa mianara ny teninao, tsy ho very tsy ho gasy ianao ary aza adino fa reharehanao izany fa tsy mahamenatra akory sanatria.
izaho aloha gasy ary na dia tsy fantatry ny olona aza izany dia tsy ataoko ambanin-javatra ny fireneko ary misy zavatra miavaka amiko tsy hitovizany amin-dry zareo :-* Inona re e? aleo ho ahy irery iny :-$


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5699