Finoana(Faith) mitovy ve ny fanomezan'Atra azy antsika?
1. niryna
(
01/12/2007 12:56)
Samy nomen'Atra fahaizana na fahalalana na fizarana ny teniny avy isika tsirairay fa ao ny sasany manana iray,ao roa ao na ao no maro be. Ka araka ny hampiasaina azy dia ampitomboan'Atra amintsika hatrany koa izany ireo fahasoavana nomeny antsika ireo.
Na omeny samy hafa aza isika ny fitiavany dia mitovy daholo fa tsy misy hoe niangarany na nomeny zavatra hafa mihoatra noho ny an'ny hafa aza izaho na hianao.Eny fa na dia samy manana ny lalany aza ny tsirairay ao ny mahantra ao ny manana ny antonona ary ao ny manan-karena.Niangaran'ny vitana hoy ny sasany.
Dia ahoana izany ny finoana(faith) nomeny mitovy ve isika sa ny sasany nomeny finoana kely e,ary ny sasany nomeny finoana anelanelany ary ny sasany nomeny finoana latsa-paka ka mety tsy ho azo mihitsy ilay izy fa lalina loatra?
Inona no eritreritrao,mitovy ve ny fanomezan'Atra azontsika amin'ny finoana Azy na dia samy nomeny fahasoavana samy hafa tsy mitovy ny isany aza ?
Izany hoe minoa fotsiny ihany hoy ny soratra masina.

novalian'i niryna ny 10/12/2007 04:45
2. ikaretsaka
(
01/12/2007 19:50)
amiko dia safidy no nomen'andriamanitra antsika fa tsy ny finoana.. ny finoana dia
isika ihany no ni develop an'io finoana io araka ny zavatra manodidina iainantsika!
raha univers silamo no iainana dia mino tokoa ohatra... fa mino @fomba silamo..
raha univers extra terrestre (ohatra hoe lehibe tany roswell TX) dia mino fa nisy ..
sy ny sisa sy ny sisa

3. soanja
(
01/12/2007 20:22)
ikaretsaka:

Voalazanao Ranadahy!
Ny hany hanampiako izany dia amin'ny lafiny ara-batana. Natao hampiasaina ireo zavatsoa nomen'Andriamanitra amin'ny vatantsika. Hampiasaina hanomezana voninahitra azy , ka amin'ny alalan'ny vokatra avy eo no hijerana hoe hatraiza ny asan'ny fanahy tao aminao olona iray. Io no mission nomen'Atra ianao ka tsy tsara ny mitsara ny hafa raha tsy nahavita toa anao ilay ray ohatra satria samihafa ireo eo anatrehany.
Samy manana ny talentany- avy amin'Atra- ny olona tsirairay fa ny fiezahana sy ny asa natotonao eo aminy no hitarafana ny any anatiny, izay tsy miloaka. Izay le resaka fanoharana talenta na sikajy ao amin'ny baiboly.
Ny fanomezam-pahasoavana kosa dia tena gift na nomena manokana karazana "rewards" ho an'izay niasa mafy noho izany. Io no asan'ny Fanahy Masina efa tonga ao aminao. Manana ny mission ho an'izay olona izay Andriamanitra. Izy irery (Atra) ihany no mahalala izany fa tsy misy olombelona na iray afaka hilaza izany fitiavana manokana izany!
4. Fody
(
01/12/2007 20:59)
Amiko aloha dia Fanomezana ny finoana satria tsy vokatry ny heriko no nahazoako azy,eny fa na dia safidiko aza ny hino. Fanomezana izy, fa anjaran'ny tsirairay no mandray sy mamelona azy, ary mivelona aminy.
Tsy isika no namorona hoe: Misy Andriamanitra, fa Izy tenany no niseho sy naneho tamintsika fa misy izy. Tsy isika no namorona hoe toy izao izy, fa izy tenany no niteny sy naneho hoe: toy izao aho... Raha tsy misy ny fanehon'Andriamanitra ny tenany tamintsika dia tsy ho nisy ny finoana azy.
Fa na izany na tsy izany dia toy ny voa nambolena ny finoana ka anjarantsika ny mikolokolo azy (mandray azy, mamantatra, miaina...) Fa izay nomen'Andriamanitra kosa dia feno.
Inty tenin'i Pape Benedetto XVI izy no hamaranako azy: "Credere non è un tipo di pensiero, un'idea; è un agire, è una forma di vivere".
Misaotra e!
5. pissoa
(
01/12/2007 22:28)
Amiko dia tsy misy miasa irery, na izaho, na Andriamanitra eo amin'ny fivoaran'ny mahaolona ahy iray manontolo (saina, vatana, fanahy sns) fa ny "fiaraha-miasa no tena fahombiazana". Heveriko fa manome mihoatra noho ny safidy Andriamanitra ho an'izay mitady sy mangataka Aminy : mety tonga dia ilay finoana mihitsy (fa tsy safidy fotsiny). Mitaky ezaka sy finiavana avy amiko nefa ny finoana na ny fanomezany : fitadiavana/fangatahana, fikolokoloana sns.
Donky ... ho valin'ny fanontanian'i Niryna :
Heveriko fa tsisy hoe "finoana marefo" na "finoana sadasada" ao amin'ny sompitra fangalan'Andriamanitra ny finoana omena antsika tsirairay. Saingy ... nisafidy ny hino ve isika ? dia nangataka finoana ve isika ? rehefa manome Izy, dia nandray ve isika ? Nitahiry, nikolokolo sns ve isika ? Eo no iavian'ny tsy fitovaiana amiko. :-D:-D:-D
Mety tsy ara-baiboly, mety tsy ara-Katolika (Izaho tsy mahay) ... fa izay fotsiny ny fihevitro an'Andriamanitra :oops::-D

niryna:
Dia ahoana izany ny finoana(faith) nomeny mitovy ve isika sa ny sasany nomeny finoana kely e,ary ny sasany nomeny finoana anelanelany ary ny sasany nomeny finoana latsa-paka ka mety tsy ho azo mihitsy ilay izy fa lalina loatra?
Heveriko fa tsisy hoe "finoana marefo" na "finoana sadasada" ao amin'ny sompitra fangalan'Andriamanitra ny finoana omena antsika tsirairay. Saingy ... nisafidy ny hino ve isika ? dia nangataka finoana ve isika ? rehefa manome Izy, dia nandray ve isika ? Nitahiry, nikolokolo sns ve isika ? Eo no iavian'ny tsy fitovaiana amiko. :-D:-D:-D
Mety tsy ara-baiboly, mety tsy ara-Katolika (Izaho tsy mahay) ... fa izay fotsiny ny fihevitro an'Andriamanitra :oops::-D
6. ikaretsaka
(
02/12/2007 00:41)
Heveriko fa tsisy hoe "finoana marefo" na "finoana sadasada" ao amin'ny sompitra fangalan'Andriamanitra ny finoana omena antsika tsirairay. Saingy ... nisafidy ny hino ve isika ? dia nangataka finoana ve isika ? rehefa manome Izy, dia nandray ve isika ? Nitahiry, nikolokolo sns ve isika ? Eo no iavian'ny tsy fitovaiana amiko.
Mety tsy ara-baiboly, mety tsy ara-Katolika (Izaho tsy mahay) ... fa izay fotsiny ny fihevitro an'Andriamanitra
mahay katesizy an!
150 tsy tadidiko io:-D:-D:-D
7. niryna
(
02/12/2007 07:14)
ikaretsaka:
amiko dia safidy no nomen'andriamanitra antsika fa tsy ny finoana.. ny finoana dia
isika ihany no ni develop an'io finoana io araka ny zavatra manodidina iainantsika!
raha univers silamo no iainana dia mino tokoa ohatra... fa mino @fomba silamo..
raha univers extra terrestre (ohatra hoe lehibe tany roswell TX) dia mino fa nisy ..
sy ny sisa sy ny sisa
:D
8. niryna
(
02/12/2007 07:26)
soanja:
Ny hany hanampiako izany dia amin'ny lafiny ara-batana. Natao hampiasaina ireo zavatsoa nomen'Andriamanitra amin'ny vatantsika. Hampiasaina hanomezana voninahitra azy , ka amin'ny alalan'ny vokatra avy eo no hijerana hoe hatraiza ny asan'ny fanahy tao aminao olona iray. Io no mission nomen'Atra ianao ka tsy tsara ny mitsara ny hafa raha tsy nahavita toa anao ilay ray ohatra satria samihafa ireo eo anatrehany.
Efa voasoratra ao anatin'ny baiboly io ka,afaka milaza sy miteny ny marina ny rehetra ,tsy mitsara mihitsy izany fa mifampianatra ary izay mandray tsara izay tsy mandray dia tsy maninona.
Samy manana ny talentany- avy amin'Atra- ny olona tsirairay fa ny fiezahana sy ny asa natotonao eo aminy no hitarafana ny any anatiny, izay tsy miloaka. Izay le resaka fanoharana talenta na sikajy ao amin'ny baiboly.
Ny talenta nomen'Atra dia nozarazarainy mba hanasoavana ny teniny sy ahatonga ireo mpino an'i kritsy ho hiaraka fa tsy misy mahavita irery (ny vatan-tsika no nanoharany an'izany)
Ilay Fanahy Masina mirotsaka amin'ny tsirairay koa dia mitovy fa tsy misy hoe ny an-drano matanjaka ny ahy malemy.Fanahy Masina iray ihany(One Spirit of Christ)
Ny fanomezam-pahasoavana kosa dia tena gift na nomena manokana karazana "rewards" ho an'izay niasa mafy noho izany. Io no asan'ny Fanahy Masina efa tonga ao aminao. Manana ny mission ho an'izay olona izay Andriamanitra. Izy irery (Atra) ihany no mahalala izany fa tsy misy olombelona na iray afaka hilaza izany fitiavana manokana izany!
Fitiavana manokana (special love ) satria ny fitiavan'Atra dia mitovy daholo fa tsy misy tombo sy ala,samy tiany daholo na mino na tsy mino.Ary ny fitiavany dia mandrakizay,tsy mba mitovy ny ditra na toetra ataontsika ny fitiavana antsika.Ary tsy mamaly ratsy ny ratsy ataontsika Izy.Anjaran'ny tsirairay no mandray Azy ho Mpanavotra azy na tsia ary mbola fitiavana manokana ihany koa io.
9. niryna

10. niryna
(
02/12/2007 07:32)
Fody:
Amiko aloha dia Fanomezana ny finoana satria tsy vokatry ny heriko no nahazoako azy,eny fa na dia safidiko aza ny hino. Fanomezana izy, fa anjaran'ny tsirairay no mandray sy mamelona azy, ary mivelona aminy.
=D=D miombo-kevitra aminao koa aho.
marina izany ary tsy isika no hieritreritra hoe andeha hivavaka any aminy aho,Izy no nifidy antsika.
Tsy isika no namorona hoe: Misy Andriamanitra, fa Izy tenany no niseho sy naneho tamintsika fa misy izy. Tsy isika no namorona hoe toy izao izy, fa izy tenany no niteny sy naneho hoe: toy izao aho... Raha tsy misy ny fanehon'Andriamanitra ny tenany tamintsika dia tsy ho nisy ny finoana azy.
Dia izay ilay fiteny hoe mampitombo sy mikolokolo ny finoana (manao ny asan'Atra ary mizara izany,mampiasa izany amin'ny fiainana)
Fa na izany na tsy izany dia toy ny voa nambolena ny finoana ka anjarantsika ny mikolokolo azy (mandray azy, mamantatra, miaina...) Fa izay nomen'Andriamanitra kosa dia feno.
11. niryna
(
02/12/2007 07:44)
pissoa:marina izany :-* ary amin'ny maha kristiana antsika dia miara-miasa ny tsirairay mba hanantanterahana ny fanjakany. Ao anatin'ny baiboly io fa tsy ny rehetra no mametra-tanana,na miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ,na mpaminany.Zarazaraina ho maro ny fahasoavana saingy ny Fanahy Masina koa dia iray ihany ary mitovy izany fitiavany antsika tsirairay izany na dia misy aza nomena iray na roa na mihoatra.
Amiko dia tsy misy miasa irery, na izaho, na Andriamanitra eo amin'ny fivoaran'ny mahaolona ahy iray manontolo (saina, vatana, fanahy sns) fa ny "fiaraha-miasa no tena fahombiazana". Heveriko fa manome mihoatra noho ny safidy Andriamanitra ho an'izay mitady sy mangataka Aminy : mety tonga dia ilay finoana mihitsy (fa tsy safidy fotsiny). Mitaky ezaka sy finiavana avy amiko nefa ny finoana na ny fanomezany : fitadiavana/fangatahana, fikolokoloana sns.
misaotra aky a.
Donky ... ho valin'ny fanontanian'i Niryna :
niryna:
Dia ahoana izany ny finoana(faith) nomeny mitovy ve isika sa ny sasany nomeny finoana kely e,ary ny sasany nomeny finoana anelanelany ary ny sasany nomeny finoana latsa-paka ka mety tsy ho azo mihitsy ilay izy fa lalina loatra?
Heveriko fa tsisy hoe "finoana marefo" na "finoana sadasada" ao amin'ny sompitra fangalan'Andriamanitra ny finoana omena antsika tsirairay. Saingy ... nisafidy ny hino ve isika ? dia nangataka finoana ve isika ? rehefa manome Izy, dia nandray ve isika ? Nitahiry, nikolokolo sns ve isika ? Eo no iavian'ny tsy fitovaiana amiko. :-D:-D:-D
Mety tsy ara-baiboly, mety tsy ara-Katolika (Izaho tsy mahay) ... fa izay fotsiny ny fihevitro an'Andriamanitra :oops::-D
Ny tenin'Atra aky tsy hoe tsy mahay izany a,rehefa miaina ao anatiny isika dia omeny hery ahay hiteny sy hanazava ary hizara ny hafa ka. Izay no mahatonga ny fiteny hoe ny adalan'izao tontolo izao no nomen'Atra hery sy fahendrena mba ahamenatra ny matsilon'izao tontolo izao.:arrow: eo anatrehan'ireo olona izay matsilo saina ary tsy mino an'Atra dia toa heveriny fa adala ny olona manaraka sy mino ny tenin'Atra kanefa ireny no nofidian'Atra.:arrow: Rehefa mandalina sy mamaky ny tenin'ATra foana isika dia mampiantra azy amin'ny fiainantsika.Misy teny izay tsy fantatr'ireo izay milaza ho matsilon'izao tontolo izao (wise in the world) ilay teny satria tsy omen'Atra azy ny heviny,tsy misy Fanahy Masina ao aminy hanazava azy ireo,ny mpino an'i kristy ihany mantsy no omeny ny Fanahy Masina satria avy aminy io.
12. ikaretsaka
(
02/12/2007 20:57)
ka le izy fanomezana.. fa fanomezana "midina" sa fanomezana "miakatra".. eo isika izao
13. niryna
(
03/12/2007 06:36)
ikaretsaka:
ka le izy fanomezana.. fa fanomezana "midina" sa fanomezana "miakatra".. eo isika izao
Ahoana no fieritreretanao azy?
14. prime
(
04/12/2007 12:07)
Avy amin'Andriamanitra ny finoana ary anisan'ny fanomezam-pahasoavana voasoratra anisan'ireo tena fanomezam-pahasoavana feno avy amin'ny Fanahy Masina araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :
"ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany," Korintiana 12:9
Tsy herin-tsaina na fahalalàna manokana ny finoana fa tena avy amin'Andriamanitra... ary Izy irery ihany no manome an'io... tsy misy avy amin'ny olona io na dia kely aza...
Ny fikolokoloana azy dia miankina amin'ny fifandraisana amin'Izy tompony ihany koa, dia Andriamanitra Rain'i Kristy...

15. niryna
(
05/12/2007 07:26)
prime:

misaotra prime a
16. prime
(
05/12/2007 13:22)
Tsy misy fisaorana niryna a... voninahitra anie ho an'Andriamanitra irery ihany...
17. niryna
(
06/12/2007 18:20)
prime:
Tsy herin-tsaina na fahalalàna manokana ny finoana fa tena avy amin'Andriamanitra... ary Izy irery ihany no manome an'io... tsy misy avy amin'ny olona io na dia kely aza...
Ny fikolokoloana azy dia miankina amin'ny fifandraisana amin'Izy tompony ihany koa, dia Andriamanitra Rain'i Kristy...
miombokevitra aminao koa aho.=D=D
18. ikaretsaka
(
06/12/2007 19:17)
prime:
Avy amin'Andriamanitra ny finoana ary anisan'ny fanomezam-pahasoavana voasoratra anisan'ireo tena fanomezam-pahasoavana feno avy amin'ny Fanahy Masina araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :
"ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany," Korintiana 12:9
Tsy herin-tsaina na fahalalàna manokana ny finoana fa tena avy amin'Andriamanitra... ary Izy irery ihany no manome an'io... tsy misy avy amin'ny olona io na dia kely aza...
Ny fikolokoloana azy dia miankina amin'ny fifandraisana amin'Izy tompony ihany koa, dia Andriamanitra Rain'i Kristy...
Prime> Ovay kely ilay fomba fiteny rehefa mifampiresaka eto raha tsy hoe natao ho anareo samy ianareo le resaka "boky naravon'ny katolika, nindraminareo" ampiasaina satria izany no tena marina..tsetsatsetra iny!
fa ny zavatra avy any @ andriamanitra rehefa tsy voakolokolo dia mitovy ihany, miankina @ fanolokoloanao azy io
19. niryna
(
07/12/2007 07:12)

:roll:
20. niryna
(
07/12/2007 07:15)
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
14 Mais l`homme animal ne reçoit pas les choses de l`Esprit de Dieu, car elles sont une folie pour lui, et il ne peut les connaître, parce que c`est spirituellement qu`on en juge. I kor 2:14
ahoana koa izany?