tantaran'ny fiangonana

41. ainavola ( 14/12/2007 05:47)
ikaretsaka

Ianareo izany dimbin'y Paoly sy Pierre izahay re dimbin'i Kristy ary ho mpianatr'i kristy fa tsy ho mpianatry Paoly na i Pierre,

Tsy mahalala afa tsy kristy izahay ilay maty teo kalvary nisolo Heloka anay ary izy no velona ato amponay, tsy dimbin'i pasteur izay fa MPANARAKA AN'I KRSITY NY DIATONGONY NO EZAHIANY ARAHINA FA TSY NY AN'IREO APOSTOLY NOLAZAINAO IREO, na any an'i pasteur, tsy mijery olona izahay fa samy MPANOTA MITOVY amby isika tsy misy ambony sy ambany, Kristy irery no fitaratra sy modely @ dia ho an'ny Andanitra, Izy koa no efa manamboatra fitoerana ho ahy sy ainao ka mbola ho avy indray haka ahy sy ianao raha izy no arahina sy atao FITARATRA ARY ANKATOAVINA

42. pissoa ( 14/12/2007 17:11)
efa hanjakan'ny individualisme hatrany ampiangonana ity marina mafy :-D:-D:-D:-D:-D
43. ikaretsaka ( 14/12/2007 18:01)
tadidio fa tsy nisy fika nahalalanao an'i kristy raha tsy nisy an'i Paoly sy i Piera sy ny sisa niandraikitra ny fankalazana azy, ny fisiany, sns...
eny na io baiboly vakianao io aza:-D
44. prime ( 17/12/2007 10:54)
ikaretsaka> ka io rafitra "papale" io mihitsy no mila dinihina ara-tsoratra masina fa misy tsy dia mazava loatra...

Ireo "ordres" lazainao ireo dia vao maika manamafy ny nolazaiko... tantaran'ny ekar (eglizy katolika romana) no lazainao io fa tsy tantaran'ny fiangonana kristiana voalohany...)
45. ikaretsaka ( 19/12/2007 18:06)
ristianina voalohany dia efa nisy rafitra papale ka..
rafitra papale amiko de rafitra misy hierarchie.. ary ny rafitra misy hierarchie tsy mizarazara!
Ainavola> tadidio fa i Piera dia "vicaire du christ no fiantso azy" izy ankoatran' i Maria no nahazo ny hoe "sambatra ianao" niampy "fahefana goavana be"
Tsy afaka nanaraka an'i Kristy ianao raha tsy nisy apostoly niteny anao hoe Iny sy io ny diatongony!
Ny nahalalanao ireo lazainao be dia be ireo dia avy amin'ny apostoly daholo, eny na ny testamenta vaovao aza dia apostoly no namanoratana azy, dia manuscrits sur manuscrits...:-D
46. prime ( 20/12/2007 09:50)
Ny hoe misy hiérarchie dia ekena, fa tsy voatery ohatry ny an'ny ekar sy ny ôrtôdôksa hita ankehitriny io ihany...

Ny an'ny "reformée" izao dia rafitra presbyteriana synodaly fa tsy io "papale" io... hita taratra ihany koa izany tamin'ny fiangonana voalohany... ry Timoty sy ry Stefana sy ry Titosy toa tsy apostoly nefa sady nitantana sy nandraharaha fiangonana...

Ny tiako ambara hoe mila dinihina ara-tsoratra masina ny rafitra "papale" dia tsy hoe diso tsy akory na tsy mety, fa mifandraika betsaka kokoa tamin'ny tantaran'i Roma (empira) ilay rafitra fa tsy avy amin'ny rafitra niaingan'ny fiangonana voalohany loatra... (ilay tao Jerosalema)
47. LazaDaddy ( 23/12/2007 02:36)
Ray o! Anao irery ihany ny voninahitra. Amena!
48. ikaretsaka ( 24/12/2007 16:44)
Ray ihany ve fa adino ny Reny?:wink:

Ad maiorem Dei gloriam..
Mater Dei, Gratia plena, Dominus tecum.
49. prime ( 27/12/2007 08:33)
ainavola> misaotra amin'ny fankaherezana...
LD> ho Azy irery tokoa anie ny voninahitra sy ny dera sy ny haja ary ny laza hatramin'izay ka ho mandrakizay. Amena!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0299