tantaran'ny fiangonana

1. ainavola ( 01/12/2007 03:41)
Ny tantaran’ny fiangonana tantara tsy mba fanadino milaza mantsy ny katolika fa izy irery no fiangonana nahorin’i Jesoa, lazainy fa manejika azy raha vao misy olona milaza ny marina lavalava izy iny fa manasa anareo aho hamaky hatramin'ny farany
Misaotra mialoha

Misy zavatra kely mba fantatro ireo ka entiko eto aminareo sokafy mivelatra ny masom-panahy fa aza tonga dia be fanankianana hoe hanejaka any indray ireo

7 no fiangonana misy ao @ bokiny apokalypsy fa tsy iray apok toka2 sy ny toko faha 3 no misy azy. Izany hoe tsy ny katolika ireny izany

Nomena an’i Jaona ireo fahitana ireo ny voalohany ny taona 31-100taorian’i Jesosy Efesosy fiangonana marina mbola teo ny mpianatra rehetra ny faharoa taona 100-313(fanafoanana ny lalàn’Atra ary fanejehinany kristiana) Smyrna efa maty ny mpianatra efa niditra ny fampianara-diso, ny fahatelo ny taona 313-538 Pergamaosy i satana mihitsy no mitondra ny fiangonana lasa seza fiandrianany ny fiangonana ilay mpitondra fivavahana io, ny faha4 Tiatira taona 538-1517( nanana ny fahefa faratampony ny Papaly )fiangonana efa ho faty satria tsy ao intsony ny tena fahamariana , ny faha taona 1517 -1840 ny sardisy nanomboka ny fanavaozana aram-pivavahana( ady ara-pivavahana ary maro no maty ), ny fiangoanana faha 6 Filadelfia 1840-1900 Nimpoitra ny tena fiangonana marina sy fiangonana @ andro farany ny taona 1900 ka hatramin’ny fiverenena’ny Jesosy dia ilay fiangonana Laodika izay mitory ny hafatry ny anjely telo Apokalypsy 14 6 :12 mitory ny fiverenan’ny Jesosy fanindroany

Ity ary ny tantara dia anjarantsika no mamisavisa hoe iza ilay dragona na menarana ela na ilay devoly satana izay mitsangana

Fantatsika fa zanantany Romana ny Jiosy tamin’ny Jesosy tety an-tany, izy ireo no tena nanejika ny kristiana mafy indrindra tsy nety maty anefa ny fivavaha na dia maro no lasa matiora hany hevitra dia nanao marimaritra iraisana hampidirina ao ampiangonana ny fomban-drazany ary asina koa ny tenin’Atra lasa fampianarana nifangaro izany io ilay antsoina hoe Roma jetilisa + kristiana efa very hevitra, ela ny ela tsy hita intsony ilay tena fahamarinana fa lasa i Roma jetilisa no lasa Roma papaly ary ananana hy fahefana rehetra.
Tsy nijaona teo anefa fa nisy ny fanavaozana ka anisan’ny olona sahy tamin’izany i Wycliffe izy no nanohitra voalohany ny fampianaran’ny pretra fa fidiana ny famela-keloka ary nanameloka ny pretra mandeha mangataka ary lasa nampanakarena ny Roma papaly izany, rehefa betsaka hono ny manao fanaitra ho famela-keloka dia maro ny olona voanjonjy tao @ helo , notehiriny mafy izany ary niafara t@ fahafatesana tsara hampatsiahivina fa i Wicliffe no olona voalohany nandika ny baibly @ tenindrazanyam mba ho fantatr’izy ireo ny tena fahamarianana, ao no misy ny tena marina nanohitra mafy an’izany ny fiangonana katolika . Nadrahona ny hamono azy ny Papa ary nampiasa ny hery reehtra teo ampelan-tanany fa tsy nahatohitra azy, indray andro dia narary izy ary nisy pretra nanatona azy noteran izy ny hikonfesy izao no navaliny Salamo118 :17 .

Rehefa maty i Wicliffe dia tsy nijanona teo akory ny fanavaozana fa nisy an’i Johs Huss, namaky ny baiboly izy ary resy lahatra fa i kristy no lohan’ny fiangonana fa tsy Petera ary ny baiboly no tokony harahina fa tsy ny papa, nadrahona ny hamono azy indray ny papa ary nampanatsoiny tany Roma izy, ny niafarany dia nodorana velona

Mbola nitohy ny fanavaozana tonga indray i Luther nanana fahamarinana maro izy ary nosoratany teo @ fiangonana izany nisia 95 ary nosoratany tao @ fiangonany tany Wittenberg , tsy neken’ny sainy mihitsy ny famarotana ny famela-keloka. sns

Indray andro dia nisy Petra Terzel tonga tany aminy mba hivarotra famela-keloka hanampiana ny fanorenana ny fiangonana Masindahy Piera ao Roma nanohita an’io mafy i Luther, ny 31/10/1517 dia nanerany ny eoropa ny fanavaozana ary hatramin’izao dia efa betska ny olona no efa mivelona @ tena tenin’Atra velona tsy hanampiana na hanasoarana, tsy afangaro @ fampianaran-drazana tsy mivelona @ marimarintra iraisana.

Tsy manejika aho raha mitantara an’ireo fa ny marina tsy mba maty
novalian'i prime ny 27/12/2007 08:33
2. niryna ( 01/12/2007 07:36)
Misaotra anao fa misy hisaintsainana izany. :D
3. soacool ( 01/12/2007 07:51)
Ny hahatongavanao any an-danitra ihany atao de vita e fa aza be resaka be fa samy manao ze ahatongavany any ambony io
4. hery ( 01/12/2007 08:32)
Mahay marina ianao =D

Inona intsony moa izany no ho lazaina fa dia efa ireo ny vokatry ny fahaizanao sy ny fandalinanao.

Hihaino izay vokatry ny Fanahy Masina izany angamba sisa no azo atao.
5. pissoa ( 01/12/2007 11:11)
:-D:-D:-D
6. ikaretsaka ( 01/12/2007 18:59)
mehezana sisa
7. ikaretsaka ( 01/12/2007 19:04)
milay be le hoe i Satana mihitsy no nitondra t@ zao taona izao sy izao...
nisy nanontany nga hoe iza ianao? dia nisy namaky hoe i Satana aho?
aoka mama..
raraka eo indray ny kafe-ko fa tazomy lo pissoa a
8. soanja ( 01/12/2007 20:06)
Misaotra nitantara.

Ny fahitako azy indray dia tokony hanana raison na antony ny olona iray raha mifikitra amin'ny finoana iray. Fa raha sanatria ka tsy misy izany dia tena mampalahelo tokoa. Ny tsirairay anefa ry ainavola dia mahita tombotsoa, indrindra ara-panahy raha manaraka iny finoany iny matoa izy mijanona ao.

Io no tokony jerentsika akaiky dia ny fanajana izay tombotsoan'ny tsiraidray izay ary isaorantsika an'Andriamanitra satria mba mahita masoandro izy amin'izay hinoany.

Misy an'izay hira izay hoe : "Tsy nisy nahita na oviana na oviana an'Andriamanitra, Fa ny zanany izay lahitokana eo an-tratran'ny Ray. Izy ihany no hanambara azy."

Koa ho an'izay nampianatra anao ireo dia ampitao ny hafatra hoe fotoanan'ny fanajana ny finoan'ny hafa izao ary famirapiratan'ny finoana izay ananao.
Ny tsy fitovian'ireo no mety hitarika fianarana ho an'ny tsirairay raha tia mandalina izy.

Ho aminao mandrakariva anie ny fiadanana nomen'izy Tompo!
9. Fody ( 01/12/2007 21:08)

7 no fiangonana misy ao @ bokiny apokalypsy fa tsy iray apok toka2 sy ny toko faha 3 no misy azy. Izany hoe tsy ny katolika ireny izany

Waouuu, mahay an!
Tsy manejika aho raha mitantara an’ireo fa ny marina tsy mba maty

Ohatra ny olona efa nahita fahitana izany raha ny fahalalako anao, :-D .

Ho aminao mandrakariva anie ny fitiavan'i Kristy.
10. ikaretsaka ( 02/12/2007 00:36)
Apok ve no hijerena azy..
ko tsy ny an'i paoly no be indrindra fa izy aby ny
roma, korinto, galatia, efezy , filipia, kolosia, tesalonia, hebrio!

Jean sa Paul no marina ary? that is the quest one!
Dominus Tecum:-D:-D:-D
11. ainavola ( 04/12/2007 08:26)
Misaotra antsika tamin'ny fandraisana anjara, ny faniriako dia samy hitsena an'i kristy ho avy eny @ rahon'ny lanitra isika, samia mihomana fa efa andro farany izao raha ny tataran no jerena dia efa segodra farany no iainatsika, ataovy izay hahavita fihavanana @ Atra isan'andro @ alalan'ny Jesosy zanany, ary avelo ny Fanahy masina hiasa ao amintsika fa izy ange no manana ny fahamarinana rehetra ê

samia mahery eo @ fanarahana ny Tompo,

izao anefa aza hadino, raha misy namana hitanao fa manaraka zavatra diso andidintsika ny manoro azy ireny, hot Jehoah ho faty @ heliny sy ny tsy fahalalany ny olona diso fa HADININA AMINAO NY RANY sarotra izany ka izany no mahatonga antsika hizara izay kely ananana,
Tsy mpaminay aho fa olona mitovy isika ary mino aho fa Fanahy iray ihanay no miasa ao amintsika fa samia mahay manavakalay tena Fanahy satria i satana koa ange ka Fanahy

Mirary soa ho antsika rehetra
12. prime ( 04/12/2007 11:45)
ikaretsaka> Samy Apostoly ireo...:)

ainavola> Misaotra mizara dia mahereza hatrany amin'ny anaran'i Jesosy...
13. ikaretsaka ( 04/12/2007 13:28)
samy apostoly ireo fa ni report tany @ Piera foana ry prime an.. ary na sorena aza i paoly indraindray dia teo ambany hierarchy an'i Dapiera foana!
na niantso ny tenany hoe "malala" aza i Joany , na nahery nihazakazaka aza nankany @ fasa, dia niandry an'i piera aloha
14. ainavola ( 05/12/2007 08:07)
I karetsaka

Azafady fa tsy hazoko ny tianao lazaina ny zava-dehibe ange tsy ny apostoly ê fa ny hafatra notoriany, tsy hoe iza no lehibe amini'izy ireo iray ihany ny lehibe dia JESOSY samy mpanompo mitovy daholo isika na ny apostoly na isika izay manao ny asan'Atra amin'izao fotoana izao, tsy misy masimasina izany ary tsy misy ambony izany mitovy daholo isika,izany akory tsy misaka ny fifanjanana eo @ RAD ara-nofo sy ara-panahy, amiko ny zava-dehibe dia izao MOA VE EFA VITA FIHAVANANA AMIN'ATRA IZAHO SY IANAO, Moa ve tena Kristy no mpanalala antsika @ Atra

Raha ho avy eny @ rahon'ny lanitra i Jesosy dia tsy hanotany izy hoe iza t@ apostoly no narahinao na inona ny anara-mpiangonanan fa hoy izy iza no nanao ny sitrapoko

Apok 14:12 "Indro ny faharetan'ny olona masina dia izay MITANDRINA NY DIDIN'ATRA SY NY FIANONA AN'I JESOSY KRISTY " akoatra an'ireo tsy hahavoavonjy ahy sy anao

Moa ve tena mitandrina ny didin'Atra eo ambany fahasavan'i Jesosy isika, Moa ve tena Jesosy irery ihany no Tompo sy Mpamonjy antsika, tsy nampiana zavatra hafa.

Samy te ho voavonjy isika rehetra dia andeha ary hifampitanana ho any @ ilay fiainana mandrakizay ka tsy maintsy mifanampy fa tsy mijery harona an-tava hoe io fa diso dia elo eo aleo very eo, tsy toetsain'ny olona ho any an-danitra izany raha raha hitanao fa diso ny ralahinao dia anaro ampitiavana izy AMPITIAVANA HOY AHO AN

Dia Mirary soa ho antsika ny fahasoavan'Atraa anie ho amintsika tsirairay avy

ainvola
15. pissoa ( 05/12/2007 08:36)
tsy zavatra mandeha ho azy io "mifanampy" io ry ainavola. mba hahafahanao milaza fa diso ny hafa dia mila fanadihadiana lalina aloha ianao. izay no nitenenako anao hoe tsy vao ianao no nitondra "tataran'ny fiangonana" (nataoko entre guillemets :-P ) teto amin'ny serasera ... ka marina ve ilay heverinao ho marina, ary diso ve ilay heverinao ho diso ! :lol:

rehefa mbola hevitra no entinao dia ataovy hoe hevitra, fa tsy hoe ireto diso moa ny anao marina :-D:-D:-D
16. prime ( 05/12/2007 13:12)
pissoa> raha raisina amin\'ny fitiavana kosa aloha mety mandeha ho azy ihany... fa saingy misy tsy fahafenoana sy fahalemena avokoa izay atao sy ambara ka raha hifampitsongoloka foana isaky ny tranga dia tsy mandroso mihitsy fa dia tsy mandeha ho azy tokoa...:)
17. pissoa ( 05/12/2007 15:06)
prime a !

mahazo miteny izay "tantara" tiany izany ? satria averiko foana fa tsy i ainavola no voalohany nitondra "tantaran'ny fiangonana" (entre guillemets) teto amin'ny serasera ... fa rehefa misy miteny hoe tsy feno io (satria misy tsy fahafenoana ;) ), na malemy be ilay tantara (satria misy fahalemena ;) ) dia lasa "fitsongolohana" tampoka ny an'ny hafa ! aza mampime :-D:-D:-D
18. ikaretsaka ( 05/12/2007 17:15)
"fables" sy legendes anie izany sisa ilay kristianisma raha samy mahazo mitantara izay tiany e!

"Raha izay tiana sy metimety @ saina ny @ momban'A/tra ihany no ekena sy inoana fa izay tsy tiana dia lavina sy odiana fanina,dia tsy A/tra intsony no inoanareo fa ny tenanareo "
19. fijo ( 05/12/2007 21:59)
samia mihomana fa efa andro farany izao raha ny tataran no jerena dia efa segodra farany no iainatsika, ataovy izay hahavita fihavanana @ Atra isan'andro @ alalan'ny Jesosy zanany, ary avelo ny Fanahy masina hiasa ao amintsika fa izy ange no manana ny fahamarinana rehetra ê

kay kay kay mamofona sekta be le resaka ,fa asa anefa
20. xxx ( 06/12/2007 11:03)
bravo Fijo!!

Fotoana fanorenana ny finoana arak'i Kristy izao fotoana izao ho an'ny tsirairay.

Tsara ny mifananatra sy maneho hevitra fa ilaina ny fangatahana ny Fanahy Masina mba hampahiratra ny fanahintsika izay mandray ny hevitra maro isan-karazany raha araka an'Andriamanitra tokoa na araky ny olombelona ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2842