Naneno ny telefonina .Tebiteby? Izy no miahy antsika.

1. niryna ( 29/11/2007 07:47)
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafianareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? Matio 6:25
Noho isika izay kely fitoana no mahatonga azy hiteny izany (lack of faith), tsy misakana izay faniriana tiantsika ho tanterahina amin'ny ho avy izany.

Nandeha nanao mammogram aho ary nasiany niverina nanao sonogram (nitariny ny fijerena ilay sary ka nahitana zavatra tao anatin'ny nonoko.)Natahotra aho,nitomany,niantso vonjy ny namana sy ny vady aman-janako.Samy nivavaka ahy izy ireo,nitamberina tato an-tsaiko ny hoe tsy hanary Ahy Atra na amin'ny fifaliana na fahoriana.Amin'ny maha -olona dia lasa lavitra ny saiko.Ny tao anaty saiko dia hoe cancer,ilay aretina tsy nampaninona ahy fa ireo adidy miandry ahy sy ny andao ny vady aman-janako no nisesika tato an-dohako.Nivavaka ahy ny zanako ary izay eritreritro nitovy ny tao an-tsainy koa.
Niantso tampoka ny dokotera androany,vao maika aho nipararetra.Nivavaka izaho sy ny vadiko talohan'ny nialanay ny trano,nila azy aho mba hampahery ahy kanjo tsy afaka izy fa sarotra ny mahita parking.Teo aho vao maika niantso vonjy tamin'Atra mba hampahery Ahy ,eny na dia efa nivavaka foana aza aho nandritra ny herinandro maromaro.Nony niditra ny birao aho,nojereko ilay dokotera toa tsy rototra akory, dia nazavain'ny tamiko ilay izy.Nanontaniako na cancer na inona .Nijery ahy kely izy no sady nitsiky.Tsia hoy izy. Izay vao azoko ny aiko,niondrika kely aho nisaotra an'Atra ,tsaroako maivana ny tenako.
"Aza matahotra hoy ny Tompo fa homba anao mandrakariva aho."
Tsy andriko izay ahatongava tany am-piasana hizarako ny vaovao amin'ireo namako ary ny iray nilaza fa nijoro vavolombelona hono aho nizara izany tamin'ny olona.Notanterahako ilay nofiny ary dia izao hitanareo izao izany.
Atra tsy hamela antsika irery,tsy manome zavatra tsy ho zakan'ny sain-tsika Izy.Raha mino Azy amin'ny fontsika tokoa isika ,dia manova zavatra izay tsy takatry ny sain'olombelona Izy.
Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana
Jakoba 5:13.
Aza miantehitra amin'ny herin'ny tenanao irery ihany,na soa na tsara no mitranga amin'ny fiainana dia misaora Azy.Ny zavatra mitranga dia hoentiny hideran-tsika ny voninahiny mandrakariva,ny fisedrana omeny dia hoentintsika hifikitra aminy sy hanitsiany antsika na ny manodidina antsika mba hivily any aminy.
HO AN'NY RAY SY NY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA HATRANY ANIE NY VONINAHITRA, ARY HO ANTSIKA TSRAIRAY NY FAHASOAVANA AVY AMIN'NY KRISTY TOMPO.AMENA
novalian'i niryna ny 19/12/2007 07:30
2. niryna ( 29/11/2007 15:12)
Fampaherezana:
Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. 1 Pet 5:7

Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito. EZ 34:12

Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah
aho]
Sal 27:10
Mahereza hatrany.
3. ikaretsaka ( 29/11/2007 16:03)
Sambatra ianao ry niryna.. vao tany d'efa natahotra! fa tsy tonga tany @ chemio!:cry:
zahay efa Livestrong (Mba mametraha kely)
:roll:
fa tsy manary toky foana fa mandeha foana e... izay le manana tanjona .. sa tsy izany:wink:
4. fijo ( 29/11/2007 22:59)
tsy mbola izy,fa raha izy de ahoana.tsy nitahy indray lery?
5. ikaretsaka ( 30/11/2007 03:57)
fa eritreritra sendra mandalo ity ry niryna fa aza tsiny an..
sanatria sanatria an
Raha ataontsika izany hoe ... oui no nolazain'i doko teo, hoe izy tokoa... sanaytia sanatria an .
@ fo tsy mihatsara velatsihy sy sincere tokoa.. ho'zy ianao hoe nitaintaina sy nitomany ianao dia nivavaka...
dia ahoana raha @ izay cas izay hoe tena nisy tokoa ? tsy namaly vavaka ve izany izy satria tsy nifanojo @ izay notadiavinao ny zavatra nitranga?
6. niryna ( 30/11/2007 05:13)
ikaretsaka:

Sambatra ianao ry niryna.. vao tany d'efa natahotra! fa tsy tonga tany @ chemio!:cry:
zahay efa Livestrong (Mba mametraha kely)
:roll:
fa tsy manary toky foana fa mandeha foana e... izay le manana tanjona .. sa tsy izany:wink:

Nalahelo ahy fa mbola maro ny zavatra tiako ho tanterahany dia ny fitoriko ny tenin'Atra izany,nalehelo aho fa andao ny vady aman-janako sy ny fianakaviako.Izay voasoratra anefa dia voasoratra ka any an-koatra indray no ho totosaina.
Nizara ny tebiteby aho ary nizara ny fiarahako tamin'i kristy izay nampahery aho ka tsy natahotra intsony aho.Mafy kay ny mahazo ireny olona tsy mba manana hiateherana ireny.
Faly aho fa mbola nomeny tombon'andro indray hiderako Azy. ^:^
7. niryna ( 30/11/2007 05:15)
fijo:

tsy mbola izy,fa raha izy de ahoana.tsy nitahy indray lery?

Na maty na velona no vaovao nitranga omaly,saingy ilay fampaherezana azoko tamin'ny namana sy ny fianakaviana dia efa zava-dehibe ka.Raha mahafantatra tokoa i fijo hoe enimbolana sisa no hivelomanao,telo ,roa, ary indray andro dia ahoana no ataonao na ao an-tsainao na zavatra mba tianao ho vitaina?

8. niryna ( 30/11/2007 05:18)
fijo:

tsy mbola izy,fa raha izy de ahoana.tsy nitahy indray lery?

fijo a ,mitahy foana Atra ka,ary tsy ny soa irery ihany no azontsika avy aminy fa ny ratsy ihany koa.Tsy hoe tsara daholo ny fiainana ka.mandalo fisedrana isika, mitady Azy,mandalo fahoriana isika miantso Azy,misy fivaliana manandratra ny Anarany.Ny maha -samy hafa ny olona mino amin'ny tsy mpino dia manana an'Atra hianteherana,hizarana ny fahoriana ary hitanao mihitsy ilay hery avy any Aminy.
9. niryna ( 30/11/2007 05:24)
ikaretsaka:

fa eritreritra sendra mandalo ity ry niryna fa aza tsiny an..
sanatria sanatria an
Raha ataontsika izany hoe ... oui no nolazain'i doko teo, hoe izy tokoa... sanaytia sanatria an .
@ fo tsy mihatsara velatsihy sy sincere tokoa.. ho'zy ianao hoe nitaintaina sy nitomany ianao dia nivavaka...
dia ahoana raha @ izay cas izay hoe tena nisy tokoa ? tsy namaly vavaka ve izany izy satria tsy nifanojo @ izay notadiavinao ny zavatra nitranga?

misaotra ika a,averiko indray fa tsy matahotra ny ho faty izany intsony aho,fantatro fa misy fiainana any an-koatra hiarahako an'i kristy.Fantatro fa niara-dia foana Izy nanomboka vao tao ambohoka aho,nanandratra ny tavany kosa aho tamin'ny fotoana notadiavako Azy.Manana experience betsaka aho raha ny soa nataony tamiko,ny fanasitrana maro,ny vavaka ho an'ireo izay nijaly ary ireo namana marobe izay nahazo valimbavaka taminy.Nalahelo aho amin'ny maha olona ahy ny andao ny fianakaviako.Tadidio koa fa satana mampiditra doubt be dia be ao an-doha ary izany no hivavahana maharitra sy hifikirana amin'Atra mihoatra.Nanana fanantenana aho raha sanatria ka nisy izany,mahafantatra aho fa mpanasitrana Izy,ny dokotera no fitaovana am-piasany fa Izy Irery ihany no mpanasitrana.Dia mitohy indray ny tolona ary mitombo ny finoako Azy satria mino Izany aho. :D
10. fijo ( 30/11/2007 21:04)
raha fantatro ny andro sisa de hifaliako ,foana,ataoko zay ahafaly ahy foan amanfdritra io andro io.
11. ikaretsaka ( 30/11/2007 21:44)
niryna.. ko naninona ianao no nipenompenona sy nitebiteny aza? eo le tsy azoko:roll:
12. fijo ( 30/11/2007 22:00)
izay kosa le maha olona ko.
13. ikaretsaka ( 30/11/2007 22:29)
k amilaza fa mino ko :roll:
raha tsy mino dia mba nanaiky aho ohatra heo i fijo
14. fijo ( 30/11/2007 22:43)
za tsy mino,fa rahaza no teo dia nifaliako izay sisa eo ko
15. fijo ( 30/11/2007 22:45)
teto frantsa tamin'ny aout dia nisy fanontania nataon'ny radio RMC toa io.
"raha 1h sisa dia mifarana ny andronao ,inona no ataonao?"
70% ny namaly nilaza hoe hanao firaisan afarany.
3% monja no niteny hoe hivavaka
ary 1% hanao mamo be.

za isan'ilay 70%
16. niryna ( 01/12/2007 04:24)
fijo:

raha fantatro ny andro sisa de hifaliako ,foana,ataoko zay ahafaly ahy foan amanfdritra io andro io.

:D

17. tsimiandravola ( 01/12/2007 22:36)
niryna:

fijo:

raha fantatro ny andro sisa de hifaliako ,foana,ataoko zay ahafaly ahy foan amanfdritra io andro io.

:D

Ndao ary hifanome fotoana dia mba ho isan'ny 70 pur sang! =))=))=))=))=))

18. niryna ( 02/12/2007 08:03)
ikaretsaka:

niryna.. ko naninona ianao no nipenompenona sy nitebiteny aza? eo le tsy azoko:roll:

=))=)) mipenompenona amin'inona?
Mizara aho fa maro ny olona mety mandalo toy izany ,rehefa mino sy manana an'Atra dia tsy matahotra intsony na dia mitebiteby aza amin'ny voalohany.Tsy mandainga ve hianao raha tsy nanana tebiteby izany?
Izay no maha olombelona ny olombelona,ny tsy hitovizany amin'ny tsy mpino dia manana hope ,mahafantatra fa misy miracle izay tsy takatry ny saina ary mahalala fa miaraka amintsika foana Izy na ami'ny fahoriana na fifaliana.Misaotra Azy foana koa isika na inona mitranga na inona mihantra satria misy antony daholo ny zavatra rehetra ary matetika dia fanitsiana,fampianarana,fizarana ny fahasoavany ary fitiavany daholo koa izany.Izay koa ilay test ary vao maika manamafy ny fanatonako Azy izany ry ika a ^:^
19. ikaretsaka ( 02/12/2007 16:59)
le hoe
natahotra de nivavaka dia nandeha tatsy de natahotra de niantso vonjy dia nitomany nitebiteby @ zanaka sy ny sisa, manana idee sahady hoe cancer ny ao anaty loha..
niparararetra vao niantso i Radoko
ireo teny ireo dia nolazainao tao ambony tao, naravoko @ hoe mipenopenona..

Nefa hoy ny tompo hoe "Aza matahotra na mangorohoro foana"
eo aho no gaga @ finoanao hoe izany no lazainao nefa tsy izany no ataonao:roll:

efa ela aho no nahafantatra hoe marary saingy hafa noho io nahazo anao io (tsy nono) ny aretiko! ary tsaboina hatr@ zao!
za aloha tsy mitebiteby izany e... efa fiainako isan'andro nandritra ny taona maromaro izany, hatramin'ny nahafantarako ny toe-tenako sy ny fitsaboana ahy hatr@ izao.
ny ahy hoe rehefa tonga ny convocation dia izay izany ko! vonona aho fa voairaka any @ toerana tsaratsara kokoa hanompoako Azy:roll:
Za efa "Livestrong"! ianao vao saika de efa :{ aiza re izany e
20. niryna ( 03/12/2007 06:45)

misaotra anao.Mila mivonona foana isika isan'andro,tsy misy mahalala izay ampitso,ary ny ampitso koa mbola manana ny azy.:arrow: Manankina ny fiainana Aminy hatrany ary mamafy izay voa fa mbola ho anontaniany isika na voa tsara na ratsy no nafafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0687