Misy mahita_mitanjaka ny olona

1. xxx ( 27/11/2007 14:18)
Izaho tsy dia te-hanao hoe finoana no iresahako izao zavatra manaraka izao.

Ny Malagasy dia nahalala fa misy mahita matoa niteny hoe "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha". Misy ifandraisany amin'ny tantaran'i Adama io. Raha avy nihinana izay nandraran'Andriamanitra azy izy dia niery fa hoe mitanjaka. Talohan'izay anefa dia tsy nitanjaka izy. Eto dia fitanjahana ara-panahy no azo ilazana azy. Very ilay fitafiana ara-panahy nomen'Andriamanitra azy.
Tena fahaverezana goavana io satria ireo voarin'Andriamanitra rehetra (biby sy zavamaniry) dia tsy mba nahalala izany hoe mitanjaka izany. Tena mahamenatra ny mahazo ny olombelona. Isika izany izao dia tena mitanjaka ary hitan'Andriamanitra avokoa izay ataontsika rehetra.

Amin'izao fotoana izao dia misy koa olona afaka mahita ny ataon'ny hafa any amin'ny takona any. Tsy iza ireo fa ireo mpanao magie izay ampian'ireo miaramilan'i Satana.

Mila mifona amin'Andriamanitra isika amin'izay ratsy rehetra ataontsika fa tena mitanjaka tokoa anie isika e!

Misokatra ny adi-hevitra momba io fitanjahana io.

Manampy antsika ve ny fahalalana izany?
Inona no tokony ataontsika eo anatrehan'izany?
Raha fantantsika fa hitan'i Jesosy avokoa ny faharatsiana ataontsika eto an-tany na eo amin'ny atao na eo amin'ny fomba fisainana, inona no tokony hataontsika?
2. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:17)
tsetsatsetra kely:
tsara tsy adino fa misy koa ny olona manana don afaka mahita ny atao sy ny nitranga any aminao ka! (don moa ny fiantsoako azy fa fanomezam-pahasoavana hoy ianareo)
Jereo ny "fijoroana vavolombelona" lazalazain'ireny dada dada sy neny ireny.. hoe efa hitako eto fa misy an'izao sy sy izao dia iny nareo tamy..
mpiandry izy manao an'io a!
Misy koa ilay hoe mahita fiangonana hiorina eto @ dezaka be eto! sy olona avy any @ vazantany ho avy hanao pelerinage aty

dia ahoana io... Mitanjaka amin'ireny olona koa ve ny ho avy
sa "miaramilan'i satana" koa ireny ?
Raha mijery CSI koa dia hita ny nahafaty sns ilay olona... ary raha misy ireny @ fiainana andavanandro fia miharihary ny crime nataon'ilay olona.. dia ahoana ko aireny?

Misokatra ny adihevitra
Azafady fa nampiako ny sobjektra:oops:
3. fijo ( 27/11/2007 22:12)
aminy letsy ireny asan'ny satana an
4. ikaretsaka ( 27/11/2007 22:16)
aleo aminy @ fijeriny azy letsy ra fijo fa tsy aminy amin'ny fijerin la azy
5. fijo ( 27/11/2007 22:30)
izay mihintsy.vao misy hoe mahavita zavatra ve de satana foana le??tssss
6. ikaretsaka ( 27/11/2007 22:40)
raha vao tsy izy de toa izany marina tokotrany e?
7. fijo ( 27/11/2007 23:17)
de tsy haiko,fa le satana lava ampidirina ity no tsy azoko
8. ikaretsaka ( 28/11/2007 00:28)
ka eo indrindra isika izao.. A/tra no inoana sa i satana no toa i satana no miditra bebe kokoa sy rarahiana sy asiana resaka be
9. fijo ( 28/11/2007 00:33)
ny tena loza,ary tena loza ity,dia ahitana satana daholo izay zavatra misy sy hita??????
10. Rasiligaoma ( 28/11/2007 03:24)
izany indray no malaza ko.
Kristianina hono nefa i Satana no hevitra alefa.
Aza ampitahorina hoy aho ny olona
11. xxx ( 28/11/2007 08:42)
Efa niampy ilay subijekitra hoy Ikaretsaka. Azo ekena daholo ny filazanao azy.

Sanatria tsy fampitahorana io filazana io fa "voaloham-pahendrena ny fahatahorana an'Andriamanitra". Ny olona aza afaka manao ny CSI sy magie ary ireo voatanisan'Ikaretsaka ireo.

Tokony ho teraka ny fanontaniana eto hoe raha mitanjaka ara-panahy isika, ahoana ny hevitra hampisalorana azy?

Misokatra ny adi-hevitra.

12. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:18)
ny fahatsiarovan-tena! miainga aminao io fa tsy ny olona! io ilay nolazaiko tary hoe mifoha
13. fijo ( 28/11/2007 22:29)
izahay koa anie tsy mampitahotra ka manao xxx enao e
14. ikaretsaka ( 28/11/2007 22:40)
ny faharoam-pahendrena dia ny sincerity fa tsy ny fiafenana ao anaty xxx
sa miboridana dia miery?
manao adama sy eva adama sy eva avy nihinana voankazo voarara?
15. fijo ( 28/11/2007 22:41)
izay ngamba,efa tsy any an tsaha isika ry akama fa misehoa
16. ikaretsaka ( 28/11/2007 23:36)
iombonako hevitra iny
17. fijo ( 28/11/2007 23:38)
ko le akama aza nitsaoka ko
18. soanja ( 29/11/2007 04:47)
xxx:

Izaho tsy dia te-hanao hoe finoana no iresahako izao zavatra manaraka izao.

Ny Malagasy dia nahalala fa misy mahita matoa niteny hoe "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha". Misy ifandraisany amin'ny tantaran'i Adama io. Raha avy nihinana izay nandraran'Andriamanitra azy izy dia niery fa hoe mitanjaka. Talohan'izay anefa dia tsy nitanjaka izy. Eto dia fitanjahana ara-panahy no azo ilazana azy. Very ilay fitafiana ara-panahy nomen'Andriamanitra azy.
Tena fahaverezana goavana io satria ireo voarin'Andriamanitra rehetra (biby sy zavamaniry) dia tsy mba nahalala izany hoe mitanjaka izany. Tena mahamenatra ny mahazo ny olombelona. Isika izany izao dia tena mitanjaka ary hitan'Andriamanitra avokoa izay ataontsika rehetra.

Amin'izao fotoana izao dia misy koa olona afaka mahita ny ataon'ny hafa any amin'ny takona any. Tsy iza ireo fa ireo mpanao magie izay ampian'ireo miaramilan'i Satana.

Mila mifona amin'Andriamanitra isika amin'izay ratsy rehetra ataontsika fa tena mitanjaka tokoa anie isika e!

Misokatra ny adi-hevitra momba io fitanjahana io.

Manampy antsika ve ny fahalalana izany?
Inona no tokony ataontsika eo anatrehan'izany?
Raha fantantsika fa hitan'i Jesosy avokoa ny faharatsiana ataontsika eto an-tany na eo amin'ny atao na eo amin'ny fomba fisainana, inona no tokony hataontsika?

Toa tsy mifandray tsara ny size resahinao, azafady miala tsiny ,raha ny fahitako azy.

Betsaka tokoa ny zavatra vitan'ny herintsaina izay azo lazaina fa pouvoir manokana ho an'zay mahay azy nefa asan'ny satana ho an'ireo izay tsy mahavita ny vitany. Tsy azo odiantsihita koa anefa ny zava-bitan'ny Fanahy Masina fa miavaka tokoa.

Ny hidiran'ny fitanjahana amin'ireo no tsy azoko loatra.

19. xxx ( 29/11/2007 09:00)

Marina dia marina ny filazanao. Ny fitanjahana tiana lazaina eto dia fitanjahan'ny fanahin'ny olombelona. Io fanahy io dia azon'ny hery roa jerena dia ny herin'Andriamanitra sy ny herin'ilay ratsy. Raha mihevitra ny olona fa tsy misy mahita dia diso tanteraka. Mila ny Fanahy Masina isika ho fitafian'io fanahintsika io raha tsy te-hitanjaka eo amin'ilay ratsy. Izay no mahatonga ny hoe "Ny fahatahorana an'Andriamanitra no voaloham-pahendrena" ary tokony hangataka Aminy izany fitafiam-panahy izany isika.
20. fijo ( 29/11/2007 23:14)
inona ihany ary ity herin'ny ratsy asesika be ity???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3258