Raha mbola manana ny mazava hianareo

1. niryna ( 27/11/2007 06:47)
Inona no hevitra tiana ho lazaina amin'ity soratra masina ity?
Jaona 12;35-36
35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany ny hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.

36 Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.



35 Jésus leur dit: La lumière est encore pour un peu de temps au milieu de vous. Marchez, pendant que vous avez la lumière, afin que les ténèbres ne vous surprennent point: celui qui marche dans les ténèbres ne sait où il va.

36 Pendant que vous avez la lumière, croyez en la lumière, afin que vous soyez des enfants de lumière. Jésus dit ces choses, puis il s`en alla, et se cacha loin d`eux.

35 Jesus therefore said to them, "Yet a little while the light is with you. Walk while you have the light, that darkness doesn`t overtake you. He who walks in the darkness doesn`t know where he is going.

36 While you have the light, believe in the light, that you may become sons of light." Jesus said these things, and he departed and hid himself from them.
Misaotra betsaka.
novalian'i niryna ny 01/12/2007 04:26
2. ainavola ( 27/11/2007 11:17)
Kristy ilay mazava, mbola teo aminy Izy ilay mazava izany, asainy miaraka @ mazava ny mpianatra mba hazava mila miaraka @ Jesosy izany mba hazava satria Izy ilay tena fahazavana, kely sisa ny fotoana hijanonana satria efa hombohona @ hazo fijaliana Izy

and 36 mbola teo jesosy ary nanasa ary ireo mba hino azy satria fantatsika fa vitsy no nino azy t@ fahavelona teto an-tany, noho ny tsy finoana azy no antony nanomboandry zareo azy t@ hazo fijaliana, ka nolazainy ny mpianatra mba hino azy mba ho lasa zanak'Atra tokoa, zanaky ny fahamarinana izany

izay mba hevitro
3. niryna ( 27/11/2007 18:01)
Ary ahoana no mbola tsy mety miala ao amin'ny maizina ihany ny olona kanefa efa nomena azy izao ilay Fahazavana?
4. niryna ( 27/11/2007 18:02)
ainavola:

Kristy ilay mazava, mbola teo aminy Izy ilay mazava izany, asainy miaraka @ mazava ny mpianatra mba hazava mila miaraka @ Jesosy izany mba hazava satria Izy ilay tena fahazavana, kely sisa ny fotoana hijanonana satria efa hombohona @ hazo fijaliana Izy

and 36 mbola teo jesosy ary nanasa ary ireo mba hino azy satria fantatsika fa vitsy no nino azy t@ fahavelona teto an-tany, noho ny tsy finoana azy no antony nanomboandry zareo azy t@ hazo fijaliana, ka nolazainy ny mpianatra mba hino azy mba ho lasa zanak'Atra tokoa, zanaky ny fahamarinana izany

izay mba hevitro
misaotra tamin'ny fanazavana. Ahoana no ataontsika mba ahatonga izaly fahazavana ato amintsika hanazavana ny manodidina?


5. niryna ( 27/11/2007 18:04)
Raha milaza ny hafa hoe tsy i kristy irery no fahazavana,moa ve misy mahita fahazavana hafa ireo olona ireo? Ary inona no fahazavana noentiny?
6. ikaretsaka ( 27/11/2007 18:12)
betsak any saritsarim-pahazavana hitany.. rehefa nandeha ireo olona "soi disant" mitondra fahazavana ireny..
ka "manazava olona". dia eo le izy no nivika
Misy Hiragasy izay manao hoe "ny hazavan'ny labozy maronjana sy ny jiro petrole sy ny jirama dia tsy mitovy na samy manazava aza ireo"

nefa ..niala t@ "fiat lux et facta est lux" (jenezy 1.3) aby anefa
7. Fody ( 27/11/2007 19:10)

Ny Fahazavana!

Tsy hamelabelatra ny atao hoe: fahazavana aho, na hanazavana ny hoe: nahoana i Kristy no atao hoe: Fahazavana, fa hilaza sarin-teny kely iray kosa, hanampy ny kristiana handinihany tena.

Ao amin'ny Fiangonana Katolika dia misy karazana labozia telo:

1 - Ny iray voalohany dia arehitra isaky ny andro fety sy fotoan-dehibe: Jiron'ny Paka.

2 - Ny iray faharoa kosa dia arehitra isaky ny fotoanan'ny Eokaristia: Jiro eo amin'ny otely

3 - Ary ny iray farany dia mirehitra isan'andro, ary tsy maty mihitsy: Jiro ery amin'ny tabernakla.

Ny antony anasivana Jiro amin'ny toerana iray ao amin'ny Fiangonana Katolika dia ilazana fa ao i Jesoa, ilay tena Fahazavana.

Ka anjarantsika àry no mandinika hoe: Toy ny inona aho? Ohatra ny jiron'ny paka ve, izany tsy mazava raha tsy andro fety? Sa ho toy ny jiro ery amin'ny otely, ka mazava ihany fa isaky ny andro alahady? Sa ho toy ny Tabernakla, itoeran'i Jesoa isan'andro isan'ora ka hazava lalandava?

Misaotra anao!


8. ikaretsaka ( 27/11/2007 19:30)
misaotra an'i fody... nampatsiahy ilay resaka jiro!
tsy andro alahady kosa ilay jiron'ny otely fa isaky ny misy lamesa e:wink: (tsetsatsetra iny fa aza atao mahatezitra an)

resaka katolika ihany, ilay mandrehitra jiro eo @ sarin'olomasina, symbole an'ny intervention an'ny fanahy masina sy ny vavakao miaraka @ vavak'ilay olomasina..
io ilay "namas"
mahatonga ilay namaste, ary resaka samy fanahy eo no mivavaka .. fa tsy hoe fombafomba fotsiny
Zavatra 3:.. ianao.. (ilay mandrehitra jiro), Atra( Fanahy Masina symbolisen'ilay Jiro) ary ilay olomasina miaraka mivavaka sy manfataka aminao...

lazaina mialoha sao misy manontany!
9. fijo ( 27/11/2007 23:23)
ratsy ihany izany ,fa kay jirondabozia ilay hazavan'i jesoa fa tsy mazava toa ny an'ny jirama.
10. ikaretsaka ( 28/11/2007 00:40)
misy mampiasa jiron'ny jirama fa ny jirama izao mi deleste ko
11. fijo ( 28/11/2007 00:43)
hi hi i,elahy ity.ka le ao ampiangonana labozia no ampiasain'ialahy isany ko
12. ikaretsaka ( 28/11/2007 01:35)
satria wa iny tsy mi delesta fa ialahy koa
13. ainavola ( 28/11/2007 05:54)
Tsy ilay labozy no tiana resahina fa tandidona iny aza lany andro @ tadindona isika fa i Kristy ilay tena fahazavana tsy mila labozy la jiro ny jirama fa areheto ao amponao io jiro io tsy ny fipetrahany ao aampiangonana no zava-dehibe fa moa ve ao aminao ilay fahazavaana dia Kristy izany, izay hivelomako ankehitriny dia hivelomako @ finona ny zanak'Atra isika tsirairay ange no tempoly velona ê sao dia hadinontsika

Fampatsiahivana kely

Taloha tao @ tabernakely teto an-teny dia nisy io jiro mirehitra io fito rantsana fandidon'i kristuy izy io fa izao rehefa tonga i kristy dia tsy ilaina intsony io satria efa tonga ilay tena fahazavana ary efa rava moa io ary tsy ilaina intsony ny mbola hanao azy

NB Aza miaina nara-tadidona fa manaraha ilay tena Izy amin'izay satria efa foana ny tadinona rehetra
14. Rasiligaoma ( 28/11/2007 06:06)
mbola manao an'io foa any Jiosy hatramin'izao
saingy tsy izany lazainao izany velively no dikany
http://fr.wikipedia.org/wiki/Hanoucca
I Jaona toko faha 10:22 dia manambara fa ni se referer tamin'io koa i Jeso


Fanampiny kely: Ilaina ny symboles sy ny signes @ fiainana ry ainavola a! ary ilaina ny fahazoana ireny! manampy amin'ny fampahatsiarovana sy karazana aide memoires farak'izay mandaitra ireny mantsy!
ary manana valeur theologique lalina be , anisan'izany ny hazavana sy ny jiro
15. niryna ( 28/11/2007 17:40)
ikaretsaka:

betsak any saritsarim-pahazavana hitany.. rehefa nandeha ireo olona "soi disant" mitondra fahazavana ireny..
ka "manazava olona". dia eo le izy no nivika
Misy Hiragasy izay manao hoe "ny hazavan'ny labozy maronjana sy ny jiro petrole sy ny jirama dia tsy mitovy na samy manazava aza ireo"

nefa ..niala t@ "fiat lux et facta est lux" (jenezy 1.3) aby anefa


ka raha saritsarim-pahazavana ,tsy tian' i kristy izany saritsary izany fa bediny isika miankina amin'ny sary.Tena fahazavana avy aminy ihany no omeny antsika.
16. niryna ( 28/11/2007 17:42)
Fody:


Ny Fahazavana!

Tsy hamelabelatra ny atao hoe: fahazavana aho, na hanazavana ny hoe: nahoana i Kristy no atao hoe: Fahazavana, fa hilaza sarin-teny kely iray kosa, hanampy ny kristiana handinihany tena.

Ao amin'ny Fiangonana Katolika dia misy karazana labozia telo:

1 - Ny iray voalohany dia arehitra isaky ny andro fety sy fotoan-dehibe: Jiron'ny Paka.

2 - Ny iray faharoa kosa dia arehitra isaky ny fotoanan'ny Eokaristia: Jiro eo amin'ny otely

3 - Ary ny iray farany dia mirehitra isan'andro, ary tsy maty mihitsy: Jiro ery amin'ny tabernakla.

Ny antony anasivana Jiro amin'ny toerana iray ao amin'ny Fiangonana Katolika dia ilazana fa ao i Jesoa, ilay tena Fahazavana.

Ka anjarantsika àry no mandinika hoe: Toy ny inona aho? Ohatra ny jiron'ny paka ve, izany tsy mazava raha tsy andro fety? Sa ho toy ny jiro ery amin'ny otely, ka mazava ihany fa isaky ny andro alahady? Sa ho toy ny Tabernakla, itoeran'i Jesoa isan'andro isan'ora ka hazava lalandava?

Misaotra anao!






Misaotra anao.Marina tokoa izany,kristy no jiro sy fahazavana ho antsika rehetra ary tadiaviny ahita fahazavana isika isan'andro isan'andro.ka maninona no atao symbol amin'ire andro telo ireo ihany e?
17. niryna ( 28/11/2007 17:45)
fijo:

ratsy ihany izany ,fa kay jirondabozia ilay hazavan'i jesoa fa tsy mazava toa ny an'ny jirama.



8O ny an'i kristy jiro tsy misy herimbaratra na gasoil na labozia na hafa ka,ny masoandro dia efa jiro nomen'Atra antsika.Raha ara-panahy dia izay tsy manana an'i kristy dia tsy hazava velively na manana labozia aza izy :D
18. ikaretsaka ( 28/11/2007 18:00)
fijo> jereo fa mahazava fiangonana be ohatran'ny cathedrale ny jiron-dabozia maro sady vao miditra ao dia hita!

Raha mamangy Sakramenta Masina ialahy, labozia kely bedebe no hitan'ialahy ao! manodidina reo saints, Pieta, stations de croix sy ny jiron'ny eo @ Tabernakla
fa tsy tafitohina anefa ialahy na voafingana na midoana @ olona na misy ireo fandoalihana bedebe aza eo!
19. fijo ( 28/11/2007 22:36)
izay tsy manana an'i kristy dia tsy hazava velively na manana labozia aza izy
ary ny jiosy ,ny silamo ny bodista,ny indo izany ahoana????sa ianareo ihany no hovoavonjy?????izay le fisainana tsy mety aminareo.

ika an,rah akatrikatry mahatafintohina io ko
20. ikaretsaka ( 28/11/2007 22:42)
dia dodorana @ labozia ny fitombenana ohatra dia misava ny toaka ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0364