Raha te-ho voavonjy dia... ary raha tsy te...,inona no atao?

1. niryna ( 24/11/2007 05:04)
Raha te-ho voavonjy aho dia manaiky fa kristy no Tompoko sy Mpamonjiko.Mifona azy aho,mangataka ny famelan-keloka aminy aho ary tsy hamerina an'iny intsony.Omeko ho tantanany ny fiainako rehetra,Izy ato amiko ary izaho ao Aminy.Mino Azy koa aho fa maty teo ambony hazofijaliana Izy nisolo ny fahotako sy ny fahotanao.Mino Azy aho fa mbola hiverina indray Izy.Voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarakoa sy ireo rehetra izay mino Azy i :-$ Afaka ny gadran'i satana a!Tsy misy tahotra na ahiahy fa manana Azy hiankihinana sy hanampy amin'ny fiainana a!

Raha tsy te- ho voavonjy kosa ilay olona dia inona no ataony?
..........Tsy manao na inona na inona.........
novalian'i niryna ny 29/11/2007 06:41
2. ikaretsaka ( 24/11/2007 15:47)
voavonjy mankaiza aloha io?
velabelaro sy farito tsara aloha..

satria na fivavahana sy finoana aza.. samy manana ny hoe "voavonjiny"
3. niryna ( 24/11/2007 18:42)
Iray ihany no famonjena dia famonjen'i Kristy ho an'ireo izay manaiky Azy ho Tompo sy Mpanavotra azy,ny fanavotana ny fanahy izany.Ary i kristy irery no ahavonjy ho an'ny rehetra izay mino Azy. Voaovonjy ny fanahy ary hiadana sy ho faly hiaraka aminy mandrakizay doria.
Tsy misy intsony ny fahoriana,ny adi-tsaina,ny aretina,ny alahelo,ny fankahalana.
Mifanohitra izany raha ohatra ka tsy mila vonjy,te-ho very ho mandrakizay ny fanahiny.Velona kanefa ny fanahy dia maty sahady,ho velona kosa anefa ny fanahy ary dia manana fiainana vaovao raha mino an'i Kristy.
Raha tsy te-ho voavonjy ?
....Tsy mila manao na inona na inona fa dia mipetraka fotsiny amin'izao,tsy mieritreritra ny ho may ny fanahy na ho very any amin'ny afo be eny fa na dia efa fantatra aza izany......
Tsy misy lalana na ezaka arahina fa dia tsy mino fotsiny amin'izao e,mandeha fotsiny tsy manaraka ny sitrapony, ny tenin'Atra ,manao izay sitrapo sy mifanohitra izay lazain'ny baiboly e. Ny ataoko ihany no ataoko,tsy misy izany Atra izany,tsy mino ny fijanganan'i Kristy,tsy mino izany i Kristy no lalana mankany amin'ny fiainana ho mandrakizay izany,tsy mino fa telo izay iray Izy.Toherina daholo izay voalazan'ny baiboly e.
Na dia niteny aza Izy "Izaho no fiainana sy fahamarinana ary fiainana ho mandrakizay" .Dia tsy mino an'izany.Izy irery ihany no mpanelanelana antsika mpino raha te hanatona an'Atra isika.

Tsotra e,malalaka ny lalana ,tsy misy fifehezan-tena,tsy mila mitandrina ny didiny,manao izay tiana sy hiadanin'ny kibo ary ny fiainana izay lazainy tsy azo atao dia atao daholo. ....Ireo izay tsy mila famonjena.......
4. ikaretsaka ( 24/11/2007 22:50)

ny ahy ry niryna tsy ny fanahiko ihany no vonjen afa ny vatana (fitsanganan'ny tena .... dia ahoana?):roll::wink:
dia ahoana indray ilay havantsika bory satroka hoe manapoaka baomba ny "tsy ohatra azy (infideles)" no mahavonjy azy hono?
raha samy tafiakatra any ambony ihany ihany (tsy hay tsy hay izany.. ka hitanao any ireo bory satroka.. dia ahoana hoy ianao?
5. niryna ( 25/11/2007 06:53)
ikaretsaka:

:roll: Samy tian'Atra ho voavonjy avokoa ny fanahintsika tsirairay avy(ny vatana dia efa miverina ho vovoka fa tsy miaraka amin'ny vatana izay misy antsika amin'izao fotoana izao).Miova toy ny indray mipi-maso ny fihovan'ny tenantsika rehefa tonga i kristy.
Ity misy fandaharana sarisary mitovitovy ny zavatra noresahiko, manazava ny saina hoe andeha ho azy ireo olona.
http://www.chick.com/reading/tracts/1044/1044_01.asp?wpc=1044_01.asp&wpp=a

Jereo ilay sary fa na ny maty aza dia hiala ao am-pasana rehefa tonga ilay fotoana .
Samy tian'i kristy ho voavonjy daholo isika http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=25&andininy=31-46&dika=
Izay tian-tsika izany na andeha amin'ny an-kavanana: manaraka izay lazain'ny baiboly,mifona,mangataka famelan-keloka amin'ny tompo,ary manompo Azy.Miezaka ny hanao ny fahamarinana sy mampiseho fa tena kristiana,manaraka izay voalaza ao anatin'ny baiboly,mino tanteraka fa any aminy irery no misy ny famonjena.
Na mandeha amin'ny an-kavia ,tsy manaraka izay voasoratra na mino an'i Kristy ho mpamonjy sy mpanavotra...Tsy manao na inona na inona...Do nothing.

Tompo malala o! Hifonako aminao ny fahotana izay vitako(.........) ary mangataka aminao aho mba ho ato am-poko hianao amin'izao fotoana izao ho Tompoko sy Mpanavotro.Misaotra tamin'ny famelanao ny fahotako sy ny fanomezanao ahy ny fiainana mandrakizay.Amin'ny anaran'i Kristy no anaovako izany vavaka izany.Amena.
6. rijadolly ( 25/11/2007 12:06)
ika:
voavonjy mankaiza aloha io?
velabelaro sy farito tsara aloha..

satria na fivavahana sy finoana aza.. samy manana ny hoe "voavonjiny"

ika:
ny ahy ry niryna tsy ny fanahiko ihany no vonjen afa ny vatana (fitsanganan'ny tena .... dia ahoana?)
dia ahoana indray ilay havantsika bory satroka hoe manapoaka baomba ny "tsy ohatra azy (infideles)" no mahavonjy azy hono?
raha samy tafiakatra any ambony ihany ihany (tsy hay tsy hay izany.. ka hitanao any ireo bory satroka.. dia ahoana hoy ianao?

Manaraha ny diany rehefa hitan'sé hoe any ny làlana nefa aza mankany raha oh tsy any ny làlana:-*
7. ikaretsaka ( 25/11/2007 12:15)
ka tsy mety fa za efa engage aty @ tonelina analakely , izy lasa avy any ambodin'isotry ny lalany, faha samy atao hoe any "Antanimena ny lanitra"
8. rijadolly ( 25/11/2007 13:02)
ikaretsaka:

ka tsy mety fa za efa engage aty @ tonelina analakely , izy lasa avy any ambodin'isotry ny lalany, faha samy atao hoe any "Antanimena ny lanitra"

Tandremo ny Emboutaiage,ny assurance,ny solika,ny saofera,ny aide sofera,
Ary naninona tsy tany @ tonel ny lalany heveriny ho diso làlana angamba isé an! sa sé fetsy dia nialapa maizina ny lalana any.
9. ikaretsaka ( 25/11/2007 13:07)
samy tonga any ihany hono ko!
amiko aloha dia tahaka izany ny fivavahana e.. izay tsy mandeha ihany no tsy tonga,
na milaza aza ianao hoe hitako ny lalana na misy miteny hoe izhao no lalana, tsy ny fahitana ny lalana no mikonty fa ny fandehanana @ iny lalana iny.
ohatra hoe samymahay aby fa ny RN7 dia tonga any Toliary fa ny fandehanana ny Rn7 no mahatonga any.
ilaozy mamisavisa eo ampovoan-dalana eo fa na ianao paohan'ny tonabil na ianao hitsahiny mahitsiny!
10. rijadolly ( 25/11/2007 13:47)
Andao ary taritina aty amin'làlantsika ny hafa fa ny azy tsihaitsihay é ,io efa nazavain'Nyrina io.Dia aza rebirebena aminy hono hono ny havana te hiditra ny làlantsika
samy tonga any ihany hono ko!
11. ikaretsaka ( 25/11/2007 18:41)
tsy voatery ho taritina izy raha smay manan any fiheverany fa any ny lalana ahatongavany any
Ny finiavanareo hanova ireo finoana ireo dia ny fiheveranareo ny fahambonianareo ,ny fitompoanareo teny fatratra fa ianareo no mitàna ny fahamarinana .Nefa hita misongadina amin'ireo lalàna vitsivitsy (ananan'ireo finoana hafa) fa manana ny maha-izy azy koa ny fahendreny. Ka asa?
12. niryna ( 26/11/2007 08:25)
rijadolly:

ika:
voavonjy mankaiza aloha io?
velabelaro sy farito tsara aloha..

satria na fivavahana sy finoana aza.. samy manana ny hoe "voavonjiny"

ika:
ny ahy ry niryna tsy ny fanahiko ihany no vonjen afa ny vatana (fitsanganan'ny tena .... dia ahoana?)
dia ahoana indray ilay havantsika bory satroka hoe manapoaka baomba ny "tsy ohatra azy (infideles)" no mahavonjy azy hono?
raha samy tafiakatra any ambony ihany ihany (tsy hay tsy hay izany.. ka hitanao any ireo bory satroka.. dia ahoana hoy ianao?

Manaraha ny diany rehefa hitan'sé hoe any ny làlana nefa aza mankany raha oh tsy any ny làlana:-*

Izany indrindra ,misaotra anao.
13. niryna ( 26/11/2007 08:26)
rijadolly:

Andao ary taritina aty amin'làlantsika ny hafa fa ny azy tsihaitsihay é ,io efa nazavain'Nyrina io.Dia aza rebirebena aminy hono hono ny havana te hiditra ny làlantsika
samy tonga any ihany hono ko!

^:^
14. niryna ( 26/11/2007 08:34)
ikaretsaka:

samy tonga any ihany hono ko!
amiko aloha dia tahaka izany ny fivavahana e.. izay tsy mandeha ihany no tsy tonga,
na milaza aza ianao hoe hitako ny lalana na misy miteny hoe izhao no lalana, tsy ny fahitana ny lalana no mikonty fa ny fandehanana @ iny lalana iny.
ohatra hoe samymahay aby fa ny RN7 dia tonga any Toliary fa ny fandehanana ny Rn7 no mahatonga any.
ilaozy mamisavisa eo ampovoan-dalana eo fa na ianao paohan'ny tonabil na ianao hitsahiny mahitsiny!

hay va re e,ka raha diso lalana izy? Andao hoy izy andeha ho any Antsirabe dia nanaraka azy (ilay mpitondra fivavahana na ilay mpampiely ny ho heverina ho tenin'Atra io )dia nanaiky sy nino daholo ilay olona kanjo lasa any Morondava :D
Ka ahoana no ahalalana fa lalana tokony andehanana io mba hampikonty azy ?
Tarito ary ny lalana raha izany =D=D fa jerevana ao anaty baiboly daholo ilay izy(GPS:mitovy ny mpanoro lalana raha andeha amin'ny fiara isika, tonga dia tonga any Antsirabe fa manoro ny marina no sady miteny hoe havia ,havanana ka tsy ho very mihitsy)

15. ikaretsaka ( 26/11/2007 17:50)
ka aiza no ahalalanao fa diso lalana izy.. mety tonga any ny lalana alehany fa fomba hafa ny fisehony!
mba efa nandeha teny Ihorombe t@ lalana tsy mbola vita ianao?
samy manana ny lalany fa any isalo mifampotoana:lol:
16. niryna ( 27/11/2007 06:15)
ikaretsaka:

ka aiza no ahalalanao fa diso lalana izy.. mety tonga any ny lalana alehany fa fomba hafa ny fisehony!
mba efa nandeha teny Ihorombe t@ lalana tsy mbola vita ianao?
samy manana ny lalany fa any isalo mifampotoana:lol:

Ngezabe ny lalana mankany amin'ny fahaverezana ary maro no mandeha any,tery ny lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay ka vitsy no voafidy sy mandeha any.
Ny fantatro fotsiny aloha dia i kristy irery no lalana mankany amin'ny rainy ary efa voalazan'ny baiboly izany.Raha misy milaza fa kristiana izy kanefa manoro lalan-kafa fa tsy manatona an'i kristy dia tsy izy izay.Mila fantarina tokoa izay hinoana ary ny baiboly no fanehoana hita porofa mivaingana milaza izany.
Ho an'ilay Kristy mahery,be famindram-po anie ny voninahitra ,hatramin'ny taloha indraindra ka ho mandrakizay. Amena

17. ikaretsaka ( 27/11/2007 16:43)
ka samy manana ny lalany ho'a fa aza mitsara ambony ihany... tsy hainao raha iny heverinao ho "lalan'ny fahaverezana "iny no mety... lalan'ny famonjena
Deus solus potest iudicare(Atra irery no mahalala)
18. fijo ( 28/11/2007 00:00)
raha te hovoavonjy ny fanahinao,dia lanio amin'ny vavaka ny fotoana(mbola tsy hay io na tena hisy le famonjena an),fa eto an tany ianao,ka raha te hovoavonjy dia miasa mafy
19. ikaretsaka ( 28/11/2007 00:54)
izay ilay sady miasa no mivavaka (raha mino hoe fanahy + vatana ny olombelona an)
20. fijo ( 28/11/2007 23:50)
azonareo ampifanampiana io,fa le asa aloha no fototra ,fa tsy nofonofy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0739