Jiosy ve ny gasy?
1. xxx
(
22/11/2007 11:48)
Anisan'ny adihevitra tany amin'ny forum hafa io resaka io ka i Pasitera Tolotra no nanomboka azy fa Jiosy ny Gasy.
Be dia be anefa ny fanoherana nirarakompana avy eo fa hoe tsy Jiosy hono ny Gasy.
Ahoana ny hevitrareo. Izay manana document na lien momba io adihevitra io dia mba aoka hametraka izany.
Misaotra mialoha.

novalian'i ikaretsaka ny 09/12/2007 20:34
2. deric
(
22/11/2007 12:16)
Indray andro koa aho no efa nanatrika koferansa nandresena lahatra ny maha jiosy ny gasy; tsy fantatro nefa toay tsy Tolotra no anaran'ilay pastera. tsy nahazo document aho fa misy tadidiko ny porofo nomeny:
- Raha lazaina fa taranaka vazimba isika, aiza ho aiza izany vazimba izany amin'izao fotoana fa toa lasa anganongano hanaronana ny tena marina.
- tamin'ny andro niparitahan'ny jiosy satria lasa andevon'ireo firenena hafa no nahatongavan'ny sasany tamin'ireo teto Madagascar, ireo no nisy nanorim-ponenana teto.
- Ilay soratra tsy fantatra ao amin'ny vohitra ALakamisy Ambohimaha dia nataon'ireo jiosy izay nandalo ka ni trandraka volamena teto,io ilay volamena nangonin'i Davida hanaovana ny tempolin'i Jerosalema.
- Ny jiosy sy ny gasy ihany no manana izao fomba izao: voatokana ho an'ny ray aman-dreny ny vodi-vorona ary ho an'ny zandry kely ny feny.
- itovizan'ny gasy amin'ny jiosy ny fampiasana tehina.
- Voalaza koa aza fa mbola ao Vatomasy Vohipeno ny tapaky ny tehin'i Mosesy, ireo jiosy nanorim-ponenana taty no nitondra izany.
- SAtria Jiosy ny gasy, dia izany no efa nahalalany ny Zanahary na dia mbola tsy nisy fitorian-tenin'ny kristiana aza teto.
- Ilay teny anarana hoe "madagasikara " koa hono dia avy amin'ny teny jiosy ihany. Ka raha tonga any Israel ianao, ka misy manontany hoe avy aiza ianao, ka tsy tononina mitambatra ny anaran'ny tanin-tsika fa atao hoe: " MAdag ascar" dia adikan-dry zareo hoe tarana jiosy mandehandeha voatahy hono izany.
Taty aoriana lavitra no vao nahatongavan'ireo Indoneziana, sy Maleziana, sns izay nampianarana antsika, ka ireo no nifambady tamin'ny Jiosy fa tsy izany vazimba izany.
tsy mitompo teny aho hoe marina ireo voatanisako ireo fa isan'ireo tadidiko tamin'ny koferansa natrehiko io.
na izany aza anefa toa resilahatra ihany aho ny maha jiosy ahy fa tsy tarana-bazimba izany.

3. rabilabila
(
22/11/2007 13:06)
Ho avy ny valiny fa efa misy olona manao fikarohana any ( paléoanthropologue sy anthropobiologiste).
Fa amiko manokana ,izay efa naheno ny tantaran'i Tolotra ,dia mégalomanie ilay izy satria tsy hoe ny Malagasy no avy amin'ny Jiosy fa ny avy ao Ambohimalaza ===> resaka polifika sns....,resaka superiorité ( pseudo-appartenance au peuple élu de dieu )

4. ikaretsaka
(
22/11/2007 13:10)
amiko manokana di any gasy dia race compose be ( ohatran'ny hoe na samy gasy aza zahay sy i prime sy rabila dia raha jeren'ny vazaha dia tsy fantany mihitsy hoe mitovy fiaviana)
dia ohatran'ny miteny hoe" cocombre ao anaty compose" io amiko

5. rabilabila
(
22/11/2007 13:13)
Miombon-kevitra latsaka fahefany indray e!! Tsy dia tiako loatra ilay terme hoe "race":wink:
6. ikaretsaka
(
22/11/2007 13:19)
ok rabila....aleo ary tsorina @ ilay hoe .. tsy rehefa miteny hoe compose akory dia hoe cocombre daholo izay
8. fijo
(
22/11/2007 22:58)
isika malagasy mahagaga fa te ho jiosy io foana,nefa tsy manaraka ny finoany fa zesta fotsiny.
9. prime
(
23/11/2007 10:01)
ikaretsaka> nefa ny mahagaga na aiza tany any ivelany misy gasy raha vao mifanena eny an-dalana tonga dia fantatra hoe gasy ity hifanena amiko ity... na samy mainty hoditra, na samy aziatika.... dia hafa mihitsy ny gasy ary tonga dia hita miavaka mihitsy...
10. xxx
(
23/11/2007 13:33)
Raha tena dinihina aloha ny tantara ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny fisian'ireo tendrombohitra masina 12 hita ao Antananarivo dia misy hifandraisany tokoa. Nanao sorona ny Jiosy, ary nanao toy izany koa ny Ntaolo rehefa manasina.
Ny ampanjaka Antemoro dia manana soratra hebreo ary hainy tsara ny mamaky izany ary izy no mpitana ny fivavahana amin'Andriamanitra sy ny razana. Misy toeram-pisoronana avokoa ny isan-tanana raha toa ka mankany anaty ala sy ambanivohitry ny faritany isika.
Mety midika ny maha-jiosy ny Malagasy ireo marika ireo.
Ny mahazendana dia ny inspiration'ny katolika taloha tamin'ny hira malagasy "Ry vahoaka voafidin'Andriamanitra", ny "Miara-mizotra", ny "Handeha an-kafaliana". Tena hita mihitsy fa nampazoto ny Malagasy ny fisian'Andriamanitra ary mora ny nitory ny Vaovao Mahafaly ho an'ny Malagasy.
Ny mampalahelo ankehitriny dia raha mihira ireo hira ireo ny vahoakan'Andriamanitra dia lasa mihevitra fa fotsy hoditra i Jesoa, i Maria sy ireo olo-masina rehetra. Endrika fitoriana izay anisan'ny mampalahelo io eo amin'ny namantsika katolika (Ireo sary vongana fotsy hoditra no tiana ambara).
Ahoana tokoa moa raha tena "vahoaka voafidy" ny Malagasy?

11. fijo
(
23/11/2007 22:05)
misy tsy marina le hoe avy dia fantatra hoe gasy ity,teny amin'ny universite aho indray andro niara nisakafo dia niteny gasy be,kay tsy gasy ilay sipa teo fa indonezianina.ary tsy za irery no voan'io taty.
ny antemoro dia tsy soratra jiosy no nampiasainy fa sorabe avy amin'ny arabo.mankanesa ao vohipenofa hafaka manazava tsara izay ny ao sy manakara."eo antsena eo mbola be ny mahay io soratra io"
nanao sorona,nanao sorona daholo ny vahoak ataloha na ny indian atany us na ny banto tao afrika.
mora ny nitory teny tamin'ny gasy,satria isika malemy saina sy tsy mijoro amin'ny kolontsaintsika."jereo ny skta"
hoy i hery"voafidy daholo ny vahoaka"ary marina izany.

12. soanja
(
24/11/2007 08:27)
Ny ahy indray dia tena lovatsofina azoko avy tamin'ny razana niampita fa misy ra Jiosy ny ra-nay. Ary tsy izahay irery fa Malagasy be dia be tokoa mifandraika amin'izany na havana sns...Koa asa anie ka marina na tsia satria ny iray vohitra misy an'io ra io aby hoe....
Zah anefa aloha tsy hihevitra mihitsy fa "vahoaka voafidy" fa sarambabem-bahoaka. Izay misy an'ireo sokajy ireo tokony hisy ahy! :-D:-D:-D

13. ikaretsaka
(
24/11/2007 22:57)
prime:
ikaretsaka> nefa ny mahagaga na aiza tany any ivelany misy gasy raha vao mifanena eny an-dalana tonga dia fantatra hoe gasy ity hifanena amiko ity... na samy mainty hoditra, na samy aziatika.... dia hafa mihitsy ny gasy ary tonga dia hita miavaka mihitsy...
za lo efa nisy nanontany heo sao hono jiosy... 8) tsy misy calote ao ambony ao fa culotte hoa no misy ato ambany ato...
16. rijadolly
(
25/11/2007 15:28)
Mahafinaritra daholo.Mifalia fa GASY.Velombolo daholo @ty an!
1)Nisy mpiavy tonga teto taloha
2)Nisy hazo sy vato ary volamena nalaina taty nanamboarana ny tempoly tamin'andron'Davida
3)Ny jiosy ihany no nahita ity tany ity t@izany andro izany(nataony fitsoahana)
4)voamarina fa fiheren'piraty taty
5)ity ny kitsipona somary lavalava kely http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IISAMOELA&toko=23&andininy=8-39&dika=ls-web
mazotoa mamaky =D=D=D=D

17. xxx
(
26/11/2007 11:29)
Misaotra ny rehetra namaly.
Ny tena tokony hifaliana dia ny nahatongavan'ny Kristiana hitory ny Vaovao Mahafaly ho an'ny Gasy. Tsy toy ireo Indonesiana izay Silamo ankehitriny. Anisan'ireo karazan'olona mafy loha hono ireo Gasy avy ao Indonesia ka tsy nanaiky mihitsy ny finoana Silamo. Hatramin'izao ireo olona ireo (fototry ny Gasy) ao Indonesia dia tsy manaiky ny finoana Silamo. Izay no tantara avy ao Hollande izay nanjanaka an'i Indonesie.
Fitondran'Andriamanitra Tsitoha daholo izany rehetra izany. Isika Gasy dia efa 3000 taona taloha tany no efa tonga teto Madagasikara. Ny tantara izay ezahin'ny vazaha aely dia hoe 2000 taona hono no nisian'ny olona voalohany teto.
Ny tsara tsaroana fotsiny dia ny hanapotehina ny fototry ny maha-firenena azy no ataon'ny mpanjanaka ka sao dia sodokan'ny fandrosoana isika.
Amin'izao fotoana izao dia mila mijoro sy mitrandraka tokoa ny loharano nipoirana ahafahana mijoro.

18. deric
(
26/11/2007 12:56)
Marina fa tsy soratra Jiosy no nampiasain'ny Antemoro fa An'ny Arabo. Ilay tapaky ny TEhin'i Mosesy (Moizy) hita tao Vohipeno dia nentin'i Philbert Tsiranana tany Israel ka nampamakina irao manam-pahaizana ny soratra teo aminy, dia voamarina fa soratra jiosy fahiny; voalaza fa mbola naverina aty MAdagasikara (Vohipeno) io tapaky ny tehina io.
19. fijo
(
28/11/2007 00:42)
de aiza ilay tapaka tehina izao???????zavatra to aizany ve hoy ise dia avelan'ny fanjakana hangina fotsiny amin'izao??????
20. ikaretsaka
(
28/11/2007 01:34)
ny tsy mazava amiko @ ity raharaha ity...
pasitera (kristianina) ilay mivoy ilay fotokevitra
Raha jiosy izy di amba azo noheverina ihany