Talenta sy fanomezam-pahasoavana...

1. prime ( 22/11/2007 11:31)
Ahoana ny fahitanareo ny amin'ny fanomezam-pahasoavana? (araka ny hita ao amin'ny IKorintiana 12)

Inona no mahasamihafa na mampitovy ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana? (hita fanoharana ao amin'ny Matio 25)
novalian'i prime ny 07/12/2007 12:39
2. veromahefa ( 22/11/2007 12:43)
mitovy ihany zany
-zavatra efa ao anaty fa indraindray mila trandrahana vao fantatra hoe hananana, mila kolokoloina, mila ampitomboina,mila zaraina sy ampiasaina (ny tsy mahavita izay no atao hoe "mandevin-talenta" ka mahatonga ny fanesoran'Andrimanitra aminy izany)

-nataon'Andriamanitra tsy mitovy koa izy io ho an'ny isam-batan'olona mba hisian'ny fifamenoana. Tsy misy ambony sy ambany
3. ikaretsaka ( 22/11/2007 12:56)
izay! ny fahafantarana ilay izy, fikolokoloana sy ny fahaizana mampiasa no zava dehibe.. na manana talenta sy fanomezana tahaka ny inona aza ianao!
ary rehefa tsy ao dia aza forcena ho ao... io no tena tsy mety
4. LazaDaddy ( 22/11/2007 13:13)
prime:
Ahoana ny fahitanareo ny amin'ny fanomezam-pahasoavana? (araka ny hita ao amin'ny IKorintiana 12)
avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavana ary tsy manao afa-tsy ny asany :)
prime:
Inona no mahasamihafa na mampitovy ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana? (hita fanoharana ao amin'ny Matio 25)
Ny maha samihafa:
Ny talenta (araka an'i Matio 25) ampindramina, ny fanomezam-pahasoavana kosa (araka ny 1Kor12) tsy mila averina.
[/quote]Ny itovizany:
Samy fanomezana :)

ireo aloha fa aleo ny hafa hamaly :)
5. prime ( 22/11/2007 13:19)
Fanomeza-pahasoavana : teny fahendrena, teny fahalalàna, finoana, fahaizana manasitrana, fahagagàna, faminaniana, famantarana fanahy samy hafa, miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, mandika fiteny tsy fantatra. Ireo no voafaritra ho fanomezam-pahasoavana avy amin'ny fanahin'Andriamanitra... (voalaza ao amin'ny IKorintiana 12)

Talenta : ny talenta kosa dia fanoharana no nanambaran'Andriamanitra azy ary nambara tamin'ny alalan'ny "vola" tamin'ny fotoan'andro... izany hoe somary materialy kokoa... (voalaza ao amin'ny Matio 25)

Ny tiako ahatongavana raha ilay fanontaniana voalohany dia ny hoe : iza no mahatsapa ho manana ny iray na ny vitsivitsy maromaro amin'ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia ahoana ny fandraisana azy, fikolokoloina azy ary ny fiainana azy andavanandro...? raha misy traikefa dia azo zaraina tsara...

Ny amin'ilay fanontaniana faharoa dia ny hoe, raha tena dinihina tsara dia ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra no nomena fanomezam-pahasoavana fa tsy ny daholobe satria efa feno ilay Fanahy iray araka ny voasoratra ao amin'ireo andinin-tsoratra masina notsongaina ireo... fa ilay talenta kosa dia voajanahary na dia avy amin'Andriamanitra aza ka ny tsirairay dia nomena an'io (samy manana ny azy avy) na mpino izy na tsy mpino... ahoana ny hevitrareo?
6. LazaDaddy ( 22/11/2007 13:33)
prime> ekena! Mazava ho azy fa olona manana ny Fanahiny vao mahazo ilay fanomezam-pahasoavana satria Andriamanitra no miasa amin'ilay izy (andininy 6).


Tsy dia ekeko loatra ilay hoe "ny daholobe" nomena ilay talenta satria izao:
Fanoharana mikasika ny fiverenan'i Jesosy io, ary ny mpanompony no nomeny ilay talenta fa tsy olon-kafa akory (andininy 14)
7. prime ( 22/11/2007 13:46)
LD> ekena tanteraka tokoa fa fanoharana ny amin'ny fihavian'ny fanjakan'ny lanitra io... fa mila hazavainao kokoa ilay hevitra tianao itarihana azy...

Nisy mpampianatra iray mantsy nampianatra ireo ka nilaza fa ny talenta dia azo heverina ho ara-tsaina sy ara-nofo kokoa, ary raha tarafina lavitra dia azo raisina ho toy ny fahaiza-mitantana ohatra, ny fahaiza-mitarika ohatra, ary raha alefa lavitra kokoa dia ny faharanita-tsaina ohatra, ny fahaiza-mitendry mozika ohatra... (ireo nefa samy tsy voafaritra ho fanomezam-pahasoavana, ilay fanoharana rahateo ao am-parany dia mametraka mazava ny fahatokiana amin'ny kely ho amin'ny lehibe kokoa)

Kristy tokoa aloha raha nitondra ity fampianarana momba ny talenta ao amin'ny Matio 25 ity dia saiky teny fahatokiana sy fankaherezam-pinoana no fototra niaingany...

Ahoana ny fahitanareo azy?...
8. LazaDaddy ( 22/11/2007 13:55)
prime> tsy misy laviko ny fanazavanao afa-tsy ilay etsy ambony hoe mikasika ireo nomena talnta hoe "na mpino izy na tsy mpino". Diniho tsara fa ny mpanompony no nomeny ilay talenta fa tsy olona tany ivelany.
9. rabilabila ( 22/11/2007 14:07)
oadray !! aza mihaino na mampiasa ny talentan'ireto ary i LD e!!!Bill Gates, Jodie Foster, Jack Nicholoson ,Bob Geldof et j'en passe et des meilleurs .AT daholo mantsy ireo ,Ao koa ireo sceptique toa an-dry Einstein ,ry Stephen Jay Gould .......

Ary izay ange no mahagaga aminareo e!! F'angaha tsy ny andriamanitra indray no nanao an'ireo olona rehetra ireo ??????
Mahagaga!!
10. ikaretsaka ( 22/11/2007 17:25)
LazaDaddy:

prime> tsy misy laviko ny fanazavanao afa-tsy ilay etsy ambony hoe mikasika ireo nomena talnta hoe "na mpino izy na tsy mpino". Diniho tsara fa ny mpanompony no nomeny ilay talenta fa tsy olona tany ivelany.


io indray ilay exclusivity diso toerana:roll:! raha misaina ohatran'izany dia aza mipetraka amin'ny tranonareo intsony koa fa bedebe ny features ao nataon'ny tsy mpanompony sy tsy mino nefa manan-talenta namorona ireny zavatra ampiasainao ireny!
eny , na eo ambody ordi anao aza.. : ry Gates, Jobs, Howard stringer (Sony) tsy mpino manko:wink:
:
11. LazaDaddy ( 22/11/2007 21:20)
rabilabila> mivoaka an'ilay ohatra nomen'i Prime anie ianao e. Dia nisy faly nanararaotra naka tahaka anao koa fa tsy mandinika hoe iza ary ny arahiko, i Jesosy sa Rabilabila? :)

Ny resaka eto dia Matio 25 sy 1 Kor 12. Ka io resaka talenta io dia hoy izy hoe: " (hita fanoharana ao amin'ny Matio 25)
...fampianarana momba ny talenta ao amin'ny Matio 25
"
12. rabilabila ( 22/11/2007 22:12)
Io tsimpotsimponareo io ho'aho :)
Tsy mila resaka "ohatra" io ry LD a! Resaka raison tsy misy fiangarana io .Mazava be ilay lazainao etsy ambony .Mampalahelo raha ampiarinao an-jambany ny zavatra vakianao fa tsy asianao discernement.



fa tsy mandinika hoe iza ary ny arahiko, i Jesosy sa Rabilabila?


He!He! Satria ve i rabilabila tsy mino dia n'inon'inona lazain'i rabilabila dia tsy misy dikany ,na tsy tokony arahina ? na tsy azo ekena izay lazainy ?Loza indray izany leiretsy!!Tsy mahagaga ahy ka! Efa mahazatra.:)
13. rabilabila ( 22/11/2007 22:21)
LD >Nisy post nosokafanao eo ambony eo momba ilay fehezan-teny hoe:"ny finoana tsy arahin'asa dia naman'ny maty ",dia nanome fanazavàna aho.
Anontanio daholo ange na ny mpampianatra malagasy , na ny pasitera ,na ny môpera , na i Dada ,na i Neny raha tsy io fanazavako io no marina e?
Fa satria aho AT dia tonga dia sokajiana any amin'ny mpandika vilana ve ?
14. fijo ( 22/11/2007 23:03)
aza avahan aizany ny samy olona e,mitovy sy samy manana talenta aby anie e
15. cutie ( 23/11/2007 03:00)
Mpandefa : prime [ Valio ] 22-11-2007 12:31:35
Lohateny : Talenta sy fanomezam-pahasoavana...
Ahoana ny fahitanareo ny amin'ny fanomezam-pahasoavana? (araka ny hita ao amin'ny IKorintiana 12)

Inona no mahasamihafa na mampitovy ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana? (hita fanoharana ao amin'ny Matio 25)

ka tsy refa mahasoa ve le talenta tsy efa fanomezam-pahasovana zany :)
16. ikaretsaka ( 23/11/2007 03:23)
namaste cutie
17. cutie ( 23/11/2007 03:26)
jereo tsara ny hamalian'i prime an'io ry Ika :-D refa veo
18. cutie ( 23/11/2007 03:30)
Ny amin'ilay fanontaniana faharoa dia ny hoe, raha tena dinihina tsara dia ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra no nomena fanomezam-pahasoavana fa tsy ny daholobe satria efa feno ilay Fanahy iray araka ny voasoratra ao amin'ireo andinin-tsoratra masina notsongaina ireo... fa ilay talenta kosa dia voajanahary na dia avy amin'Andriamanitra aza ka ny tsirairay dia nomena an'io (samy manana ny azy avy) na mpino izy na tsy mpino... ahoana ny hevitrareo?

misy manana fijery hafahafa mitsy ato :-D
19. ari.malala ( 23/11/2007 07:16)
Ny tena fanmezam-pahasoavana tsy ideraderana etsy sy eroa fa hita hoazy eny iany e! tsy mila mitabataba akory hoe za mahay mandika "teny tsy fantatra" na za toy izao na za toy izao, fa hita @ fiainana an-davan'andro eny iany. Momba ny talenta indray samy manana ny talenta nomen'Andriamanitra azy ny tsirairay, fa tsy voatery hoe mpanompony de mahazo fa izay tsy mpanompony de tsy mahazo...
20. prime ( 23/11/2007 08:52)
Misaotra anareo rehetra nitondra fanazavan-kevitra araka izay fahitanareo azy...

LD> Izaho koa manaiky ilay fanamarihanao satria tokoa hoy aho Kristy no nampianatra sy nanao io fanoharana momba ny talenta io ary mitombina tanteraka ilay fanamarihana... fa ny angatahiko dia ny tari-kevitra avy aminao araka izay fanamarihana nentinao izay satria hoy aho ny talenta rehefa tena zohina ny tenin'Andriamanitra dia nataony ho an'ny ondry saingy tsy nambaran'i Kristy mazava kosa ihany koa hoe tsy manana izany ny hafa... sa ahoana ny tena hevitrao?

rabilabila> ireo fanamarihanao ireo indrindra no tiako hazavainao kokoa raha azonao atao satria ny tenin'Andriamanitra dia mamaritra an'io fa avy amin'Andriamanitra avokoa izany? sa izay moa ilay tsy ekenao?

cutie> inona ilay fijery hafahafa? hazavao kokoa ny tianao ambara... novakianao ve aloha ilay IKorintiana 12 sy Matio 25? raha eny dia inona no hafahafa amin'ny voambara? raha tsia dia azoko averina eto "intégral" izay voasoratra ary nofintiniko io ambony io na dia tsy mahalaza azy tsara aza izay nambarako satria mitombina tanteraka ny fanamarihan'i LD...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862