Talenta sy fanomezam-pahasoavana...

21. fijo ( 23/11/2007 22:10)
hoy i ari malala:
"tsy ideraderana etsy sy eroa fa hita hoazy eny iany e! tsy mila mitabataba akory hoe za mahay mandika "teny tsy fantatra" na za toy izao na za toy izao"
ekeko tanteraka

hoy prime:
"fa avy amin'Andriamanitra avokoa izany?"io laviko tanteraka
22. ikaretsaka ( 23/11/2007 23:01)
ari.malala:

Ny tena fanmezam-pahasoavana tsy ideraderana etsy sy eroa fa hita hoazy eny iany e! tsy mila mitabataba akory hoe za mahay mandika "teny tsy fantatra" na za toy izao na za toy izao, fa hita @ fiainana an-davan'andro eny iany. Momba ny talenta indray samy manana ny talenta nomen'Andriamanitra azy ny tsirairay, fa tsy voatery hoe mpanompony de mahazo fa izay tsy mpanompony de tsy mahazo...


namaste !
23. fijo ( 23/11/2007 23:19)
izay di amarina,
ny ahy wa le asany,ry pedro ireny amiko masina,na mino na tsy mino.
24. niryna ( 24/11/2007 04:50)

Ny fanomezam-pahasoavana
dia azo avy amin'ny Fanahy ary zarazaraina samy hafa izany ho an'ireo izay mino an'i Kristy.(Ikor 12:3-6)

Samy nomeny izany ny rehetra ary tsy afaka mandeha irery fa mifanampy toy ny vatana izay tsy afaka misaraka.
27 Ary hianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.

Nozarainy ho an'ny tsirairay 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.

8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,

9 ary ny anankiray[/b] finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,

10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.

11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. Ikor 7-11

Misy fahagagana miasa ao (supernatural)ary tafiditra amin'izany ny fahagagana manasitrana aretina mety tsy ho sitrana intsony ary matetika dia ireny olona hoentina hivavahana any am-piangonana ireny na koa ilay fiteny hoe na dia kely toy ny voatsinampy aza ny finoana :arrow: afaka mamindra tendrombohitra :cry: Izay tsy vitan'ny olombelona dia vitan'Atra.Na inona ny olana mitranga rehefa mino Azy dia ho voavaha.
Ireo fanomezam-pahasoavana ireo izany dia mety ho maro na ny vavaky ny maro,izany hoe ao am-piangonana no misy Fanahy Masina,manasitrana,manala devoly,mamaha ny olana maro samy hafa.
Ary misy fanomezam-pahasoavana ho an'ny tsirairay .

Mila mitandrina isika fa satana koa aza dia manao fahagagana ,mila mahafantatra na avy amin'i Kristy ilay FM na avy amin'ny fanahy hafa.

Ny talenta indray dia : Ireo zavatra nomen'Atra ho antsika tsirairay avy ka natao na nampiasan-tsika ho fanatsarana sy ho fanasoavana ny asan'Atra.Ny fotoana ,ny toerana,ny fahaizana amam-pahalalana ary ny vola aman-karena izany nomen'Atra antsika dia omentsika am-pahany ary am-piasaina amin'ny asan'Atra.
Raha hoy hianao: Tsia, tsy mahalala izany [Na: io.] izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra. Oh 24:12
Ireo kristiana izany dia tsy mandalo fitsarana satria efa novidian'ny ran'i Kristy ny fahotany,saingy omena valisoa kosa noho ny asa nataony
Ny fanoharana nataon'i kristy ao amin'ny Mat 24 dia manambara antsika ny fihomanana ny fahatongavan'i kristy ,ny nampiasana ny talenta nomeny na ny tsy nampiasana izany ary ireo fitsarana ireo izay tsy mino Azy rehefa tonga Izy.
25. ikaretsaka ( 24/11/2007 15:34)
Mila mitandrina isika fa satana koa aza dia manao fahagagana ,mila mahafantatra na avy amin'i Kristy ilay FM na avy amin'ny fanahy hafa.

dia fanomezam-pahasoavana io sa fanomezan'inona ry niryna io fahaizany manao fahagagana io?
don ve io?
26. ikaretsaka ( 24/11/2007 15:37)
za moa efa ela no nanda an'i satana ka resaka ka atao:
fa ny tiako lazaina le ianareo mino fa misy devoly sns.. ireny dia asainareo mandeha izy...
ka raha sitrapony no mandeha miala ilay sitrana ilay olona lazalazainareo fa voany:
dia inona aminareo ny dikany?
27. niryna ( 25/11/2007 06:20)
ikaretsaka:

Mila mitandrina isika fa satana koa aza dia manao fahagagana ,mila mahafantatra na avy amin'i Kristy ilay FM na avy amin'ny fanahy hafa.

dia fanomezam-pahasoavana io sa fanomezan'inona ry niryna io fahaizany manao fahagagana io?
don ve io?
Herin'ny maizina hamitahany ireo tsy manaraka ny tenin'Atra sy mbola manaiky hampiasany fa tsy mifikitra na mametraka ny fiainana amin'i Kristy Irery.
Afaka manao fahagagana ny olona na hery avy amin'ny FM na ny herin'i Satana.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. IJaona 4:1
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Mila fantarina ilay fanahy .Amin'ny fomba ahoana?
I Jaona 2:15
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=7&andininy=21-23&dika=
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=24&andininy=11-11&dika=
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IIKORINTIANA&toko=11&andininy=13-15&dika=

Raha tsy mino an'Atra izay telo izay iray izy,raha manangana Atra ary manao ilay olona na zavatra mitovy lanja na toerana misy an'Atra izy. Raha tsy mino izy fa Kristy efa maty nisolo ny fahotan'izao tontolo izao ary Atra efa nanangana Azy tamin'ny maty.Raha tsy mino koa izy fa any amin'i Kristy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay.Ary avy amin'i kristy irery ihany no ahazoana famonjena.Dia tsy izy izay.Voasoratra ao anatin'ny baiboly daholo izany rehetra izany ,santionany ireo.
16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Jaona 3:16-17
28. Rasiligaoma ( 26/11/2007 03:34)
Raha lazainao ary fa satana koa mahay mampiasa ny Soratra masina !
Raha lazainao ary fa mahay manao fahagagana ny Devoly ! ohatra mety mahay mandroaka ny tenany ny devoly raha tiany (fijerinao io no indramiko fa ny tenako koa tsy mino ny devoly koa fa efa nanda azy an!)
dia izao ary:
raha mampiasa anao izy mody handroaka devoly!
ma mody asainy hamaky Soratra Masina eo, dia avy eo izy lasa, nojambeny ohatran'ny nataony tamin'i Eva ianao ka tsy nahalala ny ataonao , ampanaoviny akanjo fotsifotsy sy ny acoutrements rehetra!
dia anaovany fahagagana hoe mamakimaky baiboly eo dia mivazavaza eo dia iny fa iomehezany dia lasa izy!
dia iza no nanao fahagagana @ izay?:-D
29. niryna ( 26/11/2007 08:54)
Rasiligaoma:

Raha lazainao ary fa satana koa mahay mampiasa ny Soratra masina !
Raha lazainao ary fa mahay manao fahagagana ny Devoly ! ohatra mety mahay mandroaka ny tenany ny devoly raha tiany (fijerinao io no indramiko fa ny tenako koa tsy mino ny devoly koa fa efa nanda azy an!)
dia izao ary:
raha mampiasa anao izy mody handroaka devoly!
ma mody asainy hamaky Soratra Masina eo, dia avy eo izy lasa, nojambeny ohatran'ny nataony tamin'i Eva ianao ka tsy nahalala ny ataonao , ampanaoviny akanjo fotsifotsy sy ny acoutrements rehetra!
dia anaovany fahagagana hoe mamakimaky baiboly eo dia mivazavaza eo dia iny fa iomehezany dia lasa izy!
dia iza no nanao fahagagana @ izay?:-D



Dia izay ilay fitsaran'Atra ,avelany hanjaka ny ratsy fa kely sisa izy dia hidina tsy hivoaka intsony.
Ahitsiko kely,ny devoly tsy handroaka devoly ao amin'ny fanahy misy devoly.Ny olona izay nisy devoly ka tena mino an'Atra dia lasa zanak'Atra ary tsy afaka hiditra ao aminy intsony izany devoly izany satria ny Fanahin'i Kristy no lasa ao aminy.
Ireny olona nanaiky sitranina ireny ka niverina tamin'ny fanaony indray no miandriandry lery(ireo miaramilan'i satana io a)ary jereny fa miverina indray ,satria iray tsy nahatanteraka ilay asa ratsy(nositranina dia sitrana kanefa niverina indray)dia lasa maka namana lery ary mitombo avo fito eny ny namany.:arrow:sarotsarotra ho an'ilay nino lasa nivadika ny hiverina amin'Atra amin'ny tenany irery satria naka namana maro ireo miaramilan'i satana handroba azy(Efa nalefako io hoe madio ny trano ka ny FM no ao amin'ilay olona nino,raha mivadika izy dia fanahy maloto avo fito eny no miditra ao.
Ao anaty baiboly koa ireo olona nanonina ny anaran'i kristy hanasitranana kanjo niteny ireo fanahy maloto tao amin'ilay olona hoe I Paoly fantatray, ny mpianatr' i kristy fantatry satana,ny tena mpanompony fantany sady mahafantatra Azy no mahafantatra fa Izy tokoa no hinoany fa raha tsy mpino an'i Kristy kanefa ny anarany no hitondrany sy hanaovany fahagagana dia

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=7&andininy=20-23&dika=
30. prime ( 26/11/2007 10:19)
ikaretsaka,rasiligaoma> somary nanaitra kely ahy ilay ambaranareo... mba te-hanontany fotsiny aho,

Ireto misy fanontaniana roa mba tiako valianareo raha sitrakareo :
1. ianareo ve mino fa misy Satàna sy ny miaramilany? sa tsia? raha eny dia ahoana ny fahafantaranareo azy? raha tsia dia satria nahoana? (mba tsetsatsetsa tsy aritra fa miala tsiny):)
2. inona no tianareo ambara amin'ny hoe :
rasiligaoma:
ny tenako koa tsy mino ny devoly koa fa efa nanda azy
ikaretsaka:
za moa efa ela no nanda an'i satana ka resaka ka atao


Misaotra...

31. ikaretsaka ( 26/11/2007 15:24)
Ny fiekem-pinoana atao voalohany indrindra
@ credo dia hoe minoa an'A/tra irery ihany
ary Manda an'i Satana sy ny devoly!
sa tsy izay?

Raha atao hoe Andriamanitra ihany aza no hinoana, inona no mbola hieritreretana sy hinoana zavatra hafa ankoatra azy?
lasa karazan'ny miroaroa saina anie izany e. mino doubla!
jerijereo ao fa misy zavatra lavabe nolazain'i soanja na i pissoa manazava an'io
32. xxx ( 26/11/2007 16:34)
Hoy Ikaretsaka
Ny fiekem-pinoana atao voalohany indrindra
@ credo dia hoe minoa an'A/tra irery ihany
ary Manda an'i Satana sy ny devoly!
sa tsy izay?

Raha atao hoe Andriamanitra ihany aza no hinoana, inona no mbola hieritreretana sy hinoana zavatra hafa ankoatra azy?
lasa karazan'ny miroaroa saina anie izany e. mino doubla!
jerijereo ao fa misy zavatra lavabe nolazain'i soanja na i pissoa manazava an'io


Dia fantatrao anefa ve ilay lavinao? Ary fantatrao ve Ilay Ekenao?

Amiko tsy mandaitra io vavaka io raha tsy fantatro hoe izatsy no ekeko ary izaroa no laviko. Ka misy ve izany Satana sa tsia aminao?
33. ikaretsaka ( 26/11/2007 17:52)
fantatro ny inoako dia fantatro ny laviko.
dia rehefa fantatro ny laviko dia tsy inoako intsony
34. prime ( 27/11/2007 07:51)
ikaretsaka> misaotra anao namaly ary tena mitombina ny ambaranao araka ilay fanekem-pinoana fa ny mpino rehetra dia mandà sy manohitra an'i Satàna...

Fa ilay fanontaniana asa raha azonao na tsia, ny hoe mino fa misy Satàna na manaiky fa misy Satàna sy ny forongony tsy midika mihitsy hoe mpanompo azy... ka izay ilay fanontaniana dia ny hoe mino ny fisiany ve ianareo? fa tsy hoe mino azy sy manaiky azy ve ianareo?

Dia mbola mitombina ilay fanontaniana manao hoe "ianareo ve mino fa misy Satàna sy ny miaramilany? sa tsia? raha eny dia ahoana ny fahafantaranareo azy? raha tsia dia satria nahoana?"
35. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:05)
ahoana ry aloha ny famelabelaran'i Prime ny hoe "mino" ary e, sao diso domaine eo indray isika ...

Satria amiko ny "manaiky" dia ao anatin'ny element an'ny "mino" ihany
dia logique be.. rehefa tsy manaiky de tsy mino!

"Accept" sy ny "worship" no elemeny an'ny "faith"
Tsy mandeha ilany ohatran'ny kiraron'i beminah io amiko
36. fijo ( 28/11/2007 00:55)
ny olan aeto izany dia ny famaritana le teny hoe"mino"
37. ikaretsaka ( 28/11/2007 01:03)
ny dikan'izany "mino" izany any atsimo antsinanana any dia hoe misotro!
nanana olana kely t@ io aho:
Mino an'A/tra ve ianao Iaban'i Jaona?
Tsa mino aho tompoko, ahako mino Rano! mino toaka!

Fa maneiky any no mino
38. Mandefitra ( 28/11/2007 05:50)
Aza adino fa ny fanomezam-pahasoavana ambony indrindra dia ny fitiavana hoy ny Apostoly Paoly.
Ny @ talenta resahiny eto, azo eritreretina koa hoe ny filazantsaran'i Kristy io.Nozarainao ve?nitombo ve ny ondry niditra ao ambalan'i Kristy?sa nalevinao na nataonao tany ambany ondana fotsiny ny Teniny ...
39. prime ( 28/11/2007 08:01)
Mandefitra> Misaotra... mazava tsara... ary mitombina tanteraka... am-bava homana am-po mieritra...

ikaretsaka> ekena raha izay no famaritana andraisanao ilay "mino" ambara amin'io fanontaniana io...

Aleo ary ahitsiko sy tsoriko kokoa ilay fanontaniana satria lasa resaka voambolana izy ity ka mba hampazava azy kokoa dia ity indray ary ilay fanontaniana :

"misy ve Satàna sy ny miaramilany aminareo? sa tsia? raha eny dia ahoana ny fahafantaranareo azy? raha tsia dia satria nahoana?"
40. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:15)
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.

-Ny satana mivaingana amiko dia ny rongony, ny toaka ary ireo zavatra manimba sy mi influencer sy mi empecher (aretina, olona, lavage de cerveau) ny olombelona ka tsy ahafahany manantanteraka ny adidiny dia ny fikarakarana ny tenany ao anatin'izany ny fivelarany amin'ny mahaolona azy, ny ankohonany, ny manodidina azy ary ny tontolo iainany.

-Tsy ny olona no voafaritra hanao ratsy fa ny tsy fisian'ny/fahampian'ny asan'ny fanahy ao anatiny no mitondra sy/na mitarika azy hanao RATSY satria mahery ny FILANA!

-Io asan'ny fanahy io anefa dia mbola resaka koa io amin'ny tsy mpino satria io aza no antsoina hoe
ETHICS! Zany hoe na tsy mino an'Andriamanitra aza izy dia mbola mila ampianarina azy ny fisian'ireo Ethics ireo vao hahalala izy fa izay no TSARA takian'ny fiarahamonina. ARY izireo dia betsaka mahavita zavatsoa mihoatra ny isika izay milaza antsika ho Kristianina.

-Raha ny amintsika mpino moa dia mbola misy zavatra isan-karazany atoro ny zaza sy ampianarina antsika isan'alahady milaza hoe inona no TSARA tokony arahina. Io no antsoina hoe MITZVOTS amin'ny finoana Jiosy, izay finoana noraisaintsika KRISTIANINA ary novantsika mifanaraka amin'ny KRISTY inoantsika fa Andriamanitra. Sady iainana io no arahina ary ianarana sns...


Ny tiako lazaina @ hoe tsy misy i Satana na I Demony dia ny hevitra heverin'ny olombelona hoe olona mandehandeha na FANAHY mandehandeha handripaka no tiako resahina.


-Ny Fakam-panahy dia ao amintsika rehetra ary mitoetra raha tsy potsehina na esorina na fohanana nohon'ny fisian'ny FANAHY MASINA MANENIKA SY MIASA. Tsy mandehandeha akory io FAKAMPANAHY io fa matory ao anaty ary afaka mifoha rehefa tsy ampy ny tosika + izay ananantsika koa ao anaty dia ny Fanahy MAHAOLONA! Io fanahy mahaolona io no isan'ny tsy mpino rehetra ary ahavitana zavatsoa saingy voafetra ny azy ny zavatsoa azony na tombony azony amin'io.

Rehefa miasa ny fakam-panahy dia io amiko no antsoina hoe SATANA "ara-kevitra, izay lazaina foana ombieny ombieny.....( fa tsy olona velively misy tandroka")
na EVIL SATRIA HITONDRA AMIN'NY DESTRUCTION izay!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0406