Talenta sy fanomezam-pahasoavana...
41. prime
(
29/11/2007 09:38)
ikaretsaka> Mazava tsara... misaotra...
Miala tsiny raha manohy kely ny fanontaniana... dia ahoana indray ary ny amin'ireo olona hoe nesorina demonia (misy karazany maro izy ao amin'ny soratra masina... ary misy aza mamaly mihitsy ilay demonia, manana anarana isankarazany...) sy ny hoe fanahy ratsy eny amin'ny rivotra?... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]" Efesiana 6:12
Tenin'Andriamanitra izany fa tsy hoe fiheverana araka ny fahitàna azy...

42. prime
(
03/12/2007 11:50)
Ny fanomezam-pahasoavana dia nomen'Andriamanitra entina anompoana Azy manokana...
43. ikaretsaka
(
03/12/2007 22:30)
amiko ny atao hoe esorina demonia dia ny fi developpena ny asan'ny fanahy ao anatin'ny olona iray io mba hony asa mahasoa azy sy ny manodidina azy no ho be kokao noho ny asa mamotika
44. prime
(
04/12/2007 09:04)
ikaretsaka> somary famaritana ankapobeny izany resahinao izany fa tsy tena mahavaly ilay fanontaniana... ny demonia dia fanahy maloto ary fanahy ratsy eny amin'ny rivotra raha tsy io an-dalana notsongaina io fotsiny... Satàna dia anjely nivadika teo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, ary nanana ny voninahiny feno tany an-danitra no nazera ety an-tany ary tena manana ny fanjakàny sy ny miaramilany fa tsy resaka heviteny ny amin'ny toetra ratsy anaty... ny ambaranao dia ny asan'ny nofo raha tena zohina, ny asan'ity nofo tafiana ity ary efa nomen'ny tenin'Andriamanitra famaritana manokana ihany koa ny amin'ny filàny sy ny fombany... tsy ny nofo sy ny asan'ny nofo no atao hoe demonia na Satàna na devoly fa fanahy mihitsy manana ny heriny sy ny fanjakàny ary efa mpanohitra an'Andriamanitra hatramin'ny voalohany... ny fakam-panahy dia ny famelomana ilay filàna amin'ny endriny rehetra ary misy fanahy hafa mibaiko fa tsy mitoetra anaty velively...
45. ikaretsaka
(
04/12/2007 18:31)
prime .. efa napetrako tary ambony tary
fa kamo aho hamerina azy fa manjary manao resaka aller retour nefa vitan'ny scroll up and down
39. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ][Ahitsio] [Fafao] 28-11-2007 17:15:57
fa kamo aho hamerina azy fa manjary manao resaka aller retour nefa vitan'ny scroll up and down
46. prime
(
05/12/2007 09:06)
Efa hitako ilay fanazavanao tary ambony fa efa nambarako io fa tsy tena mahavaly ilay fanontaniana no sady voafaritra manokana ihany fa tsy mahafehy ilay tena valiny andrasana... ilay ambaranao mikasika ny tontolon'ny fahaiza-miana sy ny fiaraha-monina araka ny tontolo misy manodidina sy ny fiarovan-tena amin'ny ratsy eritreretina araka an'olombelona... ilay fanontaniana nefa miditra lalina kokoa any amin'ny tontolon'ny fanahy...
48. prime
(
07/12/2007 12:39)
ikaretsaka> tsy azonao izany io tontolon'ny fanahy eny amin'ny rivotra io...