fanambadiana tsy misy paps...mety ve ?

41. tsikih ( 02/01/2008 18:01)
Miarahaba antsika rehetra tratry ny taona 2008 ary mirary soa mandakarariva e !!!
42. fijo ( 03/01/2008 22:13)
mirary andry ahavita io taratasy io,fa dia tena sakana tokoa izy io.
-1)aza miraharah aizay resaka ataon'ny olona.ny vava misy foana na dia volamena aza ny fandrina ka avelao hiogahoga any izay te hiteny.
-2)ity misy fika mety ahaingana ny taratasy koa,raha vita ny fanambadianareo,dia manangana St amin'ny anaranareo mivady.(SARL) kely atao.fa manafaingana azy io
43. tsikih ( 09/01/2008 15:38)
hevitra mety izany fa misaotra betsaka e, ho ita eo ny ho tohin'ny tantara, miandry aloha e !!!
44. tsikih ( 22/01/2008 11:58)
Faly mampandre antsika rehetra fa tontosa soa amantsara ny soratra sy ny mariazy, noho ny famidram-pon'i Tompo sy noho ny fifanampiana nataonareo rehetra ahy.Enga anie ireo zay manam-pikasàna ahatontosa ny azy koa, ary aza misalasala maka torohevitra satria itako fa mahafonjy sy mankahery tokoa ny fifaneraseràna ato amin'ny serasera e !! mivaly eto izany ny fanontaniana napetrako etsy ambony, vita soa aman-tsara ny fanambadiana, fa dia miditra amin'ny lalana manaraka indray izany izao.Misaotra indrindra anareo rehetra aho, ary hitohy hatrany anie izao fiarahantsika izao.Mankasitraka e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3361