fanambadiana tsy misy paps...mety ve ?

1. tsikih ( 22/11/2007 01:04)
Momba ny fanambadiana tsy misy paps : mety ve raha irony "domiciliation" omen'ny association irony no atao justificatif de domicile ao anaty dossier angatahin'ny mairie,amin'izay tsy itan'ny police ny tranonao ?
novalian'i tsikih ny 22/01/2008 11:58
2. kelly13 ( 22/11/2007 07:20)
azo atao nga ny manambady tsisy paps? :-/

vao² amiko indray zany
3. vakiniadiana ( 22/11/2007 08:09)
vita izany ny fanambadiana vao hanao paps ? tsy aleo ve aloha mody aty, dia aty manao fanambadiana, dia avy eo miverina any ?
4. Ralay ( 22/11/2007 08:31)
Possible ihany ny manambady tsisy paps raha @ireny village kely ireny ianao no mipetraka ka mahay miresaka @ Mr le maire fa raha grande ville aloha dia sarotra be voir impossible izy @zao fotoana izao.

Mety daholo izay adresy omenao rehefa misy justificcatif fa hitan'ny polisy foana ianao raha ohatra ka tadiaviny satria ny dossier-n'ny futur vadinao misy ny adresin'ny tranonareo.Tsy dia credible loatra raha olona hivady ianareo nefa tsy manana domicile fixe.
Korazy dia mahavità tsara e.
5. kelly13 ( 22/11/2007 09:05)
hum, nisy namako izay tsisy paps nefa oe hanambady d tsy afaka, "voatery" nanao ttsy pour refugiée izy satria ra oe ande hody any mada d tsy tafavoaka intsony, (sady toa oe fichee any @ ambasady izy ono), d io ttsy maha refugiée azy io no nanaovany ny soratra tany @ mairie.

ny inconvénient @ io nefa d tsy mahazo mivoaka lafrantsa izy, eny fa na d any allemagne na italie na belgique etc... aza, ny oe ho any mada mou d efa nafoiny :(
6. sipagasy ( 22/11/2007 12:54)
io indray dia arakaraky ny maire/ben'ny tanananareo ihany e! tsara resaka nareo dia vita io, vao² aminy ianao dia afohizo koa ny ttsy e! tsy voatery mantsy ry zareo (mairie) na dia efa terena aza ny hitonona ny anaran'ny tsy misy ttsy ao @ tanàna misy azy, any @, prefecture

mahereza e!
7. tsikih ( 22/11/2007 14:12)
misaotra betsaka anareo rehetra mamaly, mahafinaritra fa mahatsiaro manana namana fa tsy irery e !betsaka ny resaka mifamahofaho mantsy ka aleo mailomailo ihany ! misy cousine ko tsy nanana taratasy nisoratra tao amin'ny mairie 16è, vita soa amantsara ny mariage !! misy kosa nefa namako iray tsy navelan'ny mairie tany amin'ny 93 fa hoe tsy manana séjour! marina fa toa arakarak'ilay mairie ny valinteny ! ary tsy voatery koa izy ireo raha tsy te hitatitra any amin'ny préfecture. Ka io zany ilay hoe raha tsy.T... de atody sa ??
8. tsikih ( 22/11/2007 14:15)
Kelly13 : toa enjana be izany tsy ahazo mivoaka ny La Frantsa izany !!!indrindra ny tsy ho any Mada !!
9. tsikih ( 22/11/2007 14:18)
sipagasy : tena marina izany !!any amin'ny 77 ilay Mairie, de ahoana nefa ny fomba hiresahana ami'ny ben'ny tanàna ?
10. tsikih ( 22/11/2007 14:43)
Ralay : tena marina izany Ralay !!merci, ny attestation de domiciliation administrative atao fanaovana mariage sy fangatahana compte bancaire no omen'ny ISER ASAF ary ho an'ny olona sans domicile fixe io, ka tena mety tsy ho crédible araky ny teninao!!Zà manofa studio eto amin'ny 15è, izy miaramipetraka amin'ny ray amandreniny any Combs la ville 77; raha izany, mety kokoa ve raha ny attestation de domicile ko eto amin'ny 15è no omeko any amin'ny dossier ??manana pièces maromaro mantsy aho amin'io: EDF, factures, etc..., raha atao any amin'ny parents ndray nefa de tena tsy misy couriers ko mihitsy any hatramin'izao !! sa miandry miara-mipetraka???sarotra be nefa ny mahita trano ... SA hipetraka any amin'ny futur rafozana ?? any mantsy somary ngeza fa pavillon...saingy lavitry ny asa...Vaky mihitsy ny atidohako ato, fa amin'ny 27 nov no tokony apetraka ny dossier...MISAOTRA amin'ny fampaherezana e,
11. Ralay ( 22/11/2007 16:48)
tsikih: Raha ny fazahoako azy dia mbola tsy hain'ny ao @ marie hoe tsy misy paps ianao izany fa rehefa hametraka ny dossier vao ho fantany ka mety tsy ho recevable ve ny dossier-nao @zay.
Raha manaiky handray ny dossier sy hi-publier ny banc anefa izy dia aleo ny adresinao ao @ 15e no omena azy sady ianao efa manana justifocatif EDF rahateo.
Bonne chance
12. sipagasy ( 22/11/2007 17:20)
azonao atao koa ny manantona adjoint au maire izay hanaovana ny raharaha ary manazava aminy ny toerana misy anao, manana asa ve nefa ianao na dia maizina aza tsy olana fa hoe misy justificatif ve? efa misy ny EDF sy Fce Tel izany ngamba tokony tsy dia ho sarotra e!

mazotoa sy mahereza e!
ps kely e! raha azonao atao ny ho tonga any Mon Tana @ sabotsy 24/11 izao dia any isika miresaka e!
13. fijo ( 22/11/2007 21:23)
raha ny lalana dia hafaka manambady na tsy misy paps aza,saingy,saingy,io raha ny tena izy miankina amin'ny maire misy anareo.efa resaka nandalo teto io;misy tafita misy tsy tafa ka andramo.
mety raha adresy omen'ny assosciation no ampiasaina,fa averiko fa tsy voatery ahomby io fa arakarany
14. tsikih ( 23/11/2007 22:10)
Ralay, Sipagasy, Fito :misaotra anareo betsaka aho,mahafinaritra e, vaovao farany dia nanapa-kevitra izahay fa hiaramipetraka ato ami'ny 15è aloha , de mihafihafy eo fa kely ny studio e...ary vao avy niantso EDF hoatao amin'ny anaranay 2 ny contrat fa tsy amin'ny anarako izaho irery, avy eo rehefa tonga ny factures dia iny no atao pièces justificatifs;amin'izay itany hoe miara-mipetraka, asa na mety ho recevable ny dossier amin' io na tsia ??
15. tsikih ( 23/11/2007 22:11)
Fijo, azafady amin'ilay "Fito", diso fanoratra e
16. tsikih ( 23/11/2007 22:20)
Ralay: ka izay indrindra, ny dossier mety ho raisiny, fa mandritra iny fotoana hi-publier-na banc iny no mampatahotra satria eo izy no Handefa na tsia ilay adiresy an'ny amimn'ny préfet.KA eo no mety hampitombona ilay hoe ny andron'ny mariage no nitontonan'ny kisoa...
17. tsikih ( 23/11/2007 22:33)
Sipagasy : samy miasa daholo izahay, izy efa CDI, fa zà moa tsisy paps de asa maizina zany ...Misy EDF amin'ny anarako, de io efa novaina amin'ny anaranay 2 io, fa ny ahy ny fixe nataoko free, de tsy misy facture télécom zany...
Ny momba ny fanatonana ilay adjoint au maire : amin'iny fotoana hi déposer na dossier iny ve zany no maka rdv aminy sa alohan'ny hametrahana dossier??
pour la soirée, tena mety ho avy ao mihitsy aho rahampitso, de ahoana ny fomba hifankahalalàntsika ??
18. fijo ( 23/11/2007 23:41)
tsikih an,raha ny vaovao farany henoko,dia misy sosokevitra ny hiregularisena ny tsy manana taratasy mandehandeha any,ka asa fa mbola tsy ofisialy le resaka
19. niryna ( 24/11/2007 05:05)
tsikih:

Momba ny fanambadiana tsy misy paps : mety ve raha irony "domiciliation" omen'ny association irony no atao justificatif de domicile ao anaty dossier angatahin'ny mairie,amin'izay tsy itan'ny police ny tranonao ?


Mety ka
20. sipagasy ( 24/11/2007 07:21)
tsikih:

Sipagasy : samy miasa daholo izahay, izy efa CDI, fa zà moa tsisy paps de asa maizina zany ...Misy EDF amin'ny anarako, de io efa novaina amin'ny anaranay 2 io, fa ny ahy ny fixe nataoko free, de tsy misy facture télécom zany...
Ny momba ny fanatonana ilay adjoint au maire : amin'iny fotoana hi déposer na dossier iny ve zany no maka rdv aminy sa alohan'ny hametrahana dossier??
pour la soirée, tena mety ho avy ao mihitsy aho rahampitso, de ahoana ny fomba hifankahalalàntsika ??




mmhh tsy mampaninona na tsy ho avy aza ianao rahariva e!

aleo maka rdv mialoha raha azonao atao dia hazavaina aminy ny situation, mialohan'ny hametrahana dossier!

mahereza!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1449