le Roi Solomon a eu 700 femmes légitimes et 300 concubines

1. tsiafoi1 ( 20/11/2007 14:53)
Ahoana no fahitantsika an'izany voalazan'ny Baiboly izany? Inona re mety ho anton'izany? Inona no mety ho vokatr'izany teo @'ny fiainany sy ny fiaraha-monina nisy azy?
novalian'i tsiafoi1 ny 05/12/2007 14:46
2. booboo ( 20/11/2007 14:57)
- zany ny fomba t@ zany
- tsy mangiana mihitsy izy
- terrible ny hetra t@ zany hamelona sy hamalifaliana sy vady be sy ny vady masay ary zanaky ny mpanjaka aby aby zany :^):^):^):^)
3. sitlo ( 20/11/2007 15:30)
Misy ankizy vavy namako izay dia tsy mino ny Baiboly izy. Dia ny antony hoe: tsy mitovy zo ny lahy sy ny vavy ao raha tsy efa taty aoriana elabe. Mbola hita taratra izany any amin'ny firenena silamo. Fa i Jesoa no nanova azy. Aminy, ny testameta taloha dia tsy mijery ny zon'olombelona: fampirafesana, fanandevozana sns ... Ny testameta vaovao dia tsy ampy porofo, tsara hakana lesona fotsiny fa sarotra ifotoran'ny finoana.
4. simplex ( 20/11/2007 15:42)
tsiafoi:
le Roi Solomon a eu 700 femmes légitimes et 300 concubines
quelle classe :P
5. RyAnona ( 20/11/2007 15:59)
heveriko fa nentina hilazana ny fahalemen-draolombelona ireny tantara ireny fa nisytanjona i Solomona raha nitondra izy dia ny ahazoahany ireo firenena manodidina azy. Ohatra nalain'i Andrianampoinimerina koa izy io hoe "ny Ranomaasina no valam-parihiko" ny zavatra nitranga raha nanaraka ny tantara isika dia impiry ny zanak'Israely no no kapohin'Atra nefa anie ka fahotan'ilay mpitondrae!
Lesona 1 azo tsohaina, dia hoe aza manararaotra ny hatsaran-tarehy na ny maha-panankarena
6. keyoann ( 20/11/2007 23:31)
hi hi hi fokon olona ry reto zany :-D:-D:-D:-D:-D d manontany tena aho hoe mba nahavita adidy tamin ireo vadin ireo ary ve izy?:-D:-D:-D:-D
7. patrick2002 ( 21/11/2007 03:49)
Ny antony nahatonga an'izany tamin'izany fotoana izany dia betsaka ny vehivavy no tsy manam-bandy ,faharoa betsaka ny vehivavy mati-vady na veuve ,satria nangotraka tokoa ny ady tamin'izany fotoana izany eo @ fanapariahana ny fanjakana (,conquete de royaume ), ary ny lehilahy no mandeha miady betsaka ny maty satria dia gladiateur no ady tamin'izany, tadidio anefa fa nivelona t@ fambolena ny olona ka iza no hiasa tany raha tsy ao ny lehilahy.
Io izany no politika nataony Salomon mba hitsinjovana ireo vehivavy maty vady ,tsy ary notiaviny aby ireo vehivavy ireo ,fa nangoniny ary manana andevo maro izy hikarakara ,hiasa tany ,hamokatra ,hamelona ireo vehivavy ireo .
8. tsiafoi1 ( 21/11/2007 06:53)
Marina avokoa izay voalazantsika rehetra, ho fanamafisana dia ao amin'ny bokin'ny II TANTARA 1 - 9 ao @'ny baiboly no famintinana ny tantaran'i Solomona. Ireto no antony fototra :
1) Politique : conquête de royaume
2) Richesse : satria nanankarena be izy
3) Sexualité : ny fahalemeny
Ny lesona azo tsoahana de we : miara-dalana mandrakariva ny HARENA & FIJANGAJANGANA & BE POLITIKA koa aoka hitandrina zay eo anivon'izany rehetra izany.

Fa ny fanontaniana nipetraka 365j = 1an, ny vadin'i Solomon nefa 1000. Misy tsy nandalovany akory zany ao anatin'ny 1an. Mba nisy tena tiany any ve t@'izy ireo??
9. sitlo ( 21/11/2007 06:56)
1j=24h
365x24>1000
QED

:-D
10. patrick2002 ( 21/11/2007 07:47)
tsy dia ho voatetiny avokoa ireo ,sahala @ Andrianampoinimerina ,12 no vadiny legitime ,fa mbola manana sipa maro be izy ,izay tsy kitiany akory ny sasany ,fa andro 1 fotsiny no kitihiny azy dia vita ,rehefa misy firaisana moa tamin'izany dia efa vadiny ra-lehilahy izany ra vehivavy , avy eo iny vehivavy iny afaka taona vitsy any manambady olona afa dia tapa-doha izay manambady an'iny satria efa niray t@ mpanjaka ,izany hoe vadiny mpanjaka ,izay no nampisy ny lalana manao hoe manerana vadin'Andriana ,lalana mahafaty io.
11. kelly13 ( 21/11/2007 08:19)
fanotaniana kidaladala: efa nisy nga ny viagra t@ zany? sa aôna ny nataony????? :?
12. tywa68 ( 21/11/2007 09:02)
ka anarany fotsiny ilay hoe vady e ! ohatrany hoe an'azy ny tany sy ny harena sns...

Tsiafoi1 sy Kelly13 : nareo angaha mihevitra fa i Salomon no maninona : mety nalainy handihy mitanjaka eo aminy fotsiny na manao massage azy, manao lakozia matsiro ireo vhv. ireo :lol:
13. suzuki ( 21/11/2007 10:35)
aôna nfanoanana aina @zany leaza!!!!, zany v tsmanao emploi du temps kely mits fa ratszany lanyyyy!!! 8)

Ary nareo ze mseo azy ho taranak' solomon io zany mety misy VIH an!!! 8)8)8), tandremo!!! :?:
14. patrick2002 ( 21/11/2007 13:50)
kelly13:

fanotaniana kidaladala: efa nisy nga ny viagra t@ zany? sa aôna ny nataony????? :?

Ny viagra efa nisy hatry ny ela ,manana ny viagra ny daholo ny foko rehetra ,ny antandroy manana ny katrafay ,ny merina misy ny kola ,ny antakarana manana ny katy izay ampiasainy afrika austral rehetra ,tanzanie ,kenya, ethiopie, any amerique latine manana ilay hazo derivé na cocaine ,izay ambolena any afghanistan amin'izao fotoana izao ,


15. naughtyboy ( 21/11/2007 18:11)
zao ko e ny oul t@ zany lavalava koko ny andro iainany no mbola tsara daoly sakafo sy ny toetrandro
de mateza 200 taona na mahery aza ,teo ko ny sivilizasiona egyptians zay nandroso be ny olana de tsy mbola nisy ny kapaoty ka asa ny fiarovantenany lery @ aretina na mety efa nisy fa endrika hafa:°)
16. tsiafoi1 ( 22/11/2007 07:37)
Mahafinaritra ny Baiboly fa milaza ny zava-misy eo amin'ny fiainana mba hisintonana lesona.

Rehefa zohina ny tantara de tena nanana OLON-TIANA IRAY tena TSY FOINY tamin'ireo 1000 ireo Solomona. Ho azy io idd no nanoratany ny bokin'ny TONONKIRAN'i SOLOMONA, izay angalantsika ilay verset malaza we :"AHY NY MALALAKO, ARY AZY AHO", "ARY NA DIA NY ONY MARO AZA TSY MAHAVONO NY AFON'NY FITIAVANA". Azo antoka fa nanana olana maro nosedraina Solomona Mpanjaka noho ireo vady maro izay nataony. Fa ilay fitiavana tena izy kosa dia tsy levona tao anatin'izany.

Mahaiza aza misintona lesona daolo e!
17. kiadi ( 22/11/2007 08:19)
sambatra lery!
18. tsiafoi1 ( 22/11/2007 10:02)
Kiadi tsy drodroka ve lery? hihihih combien de Km toutes les nuits??
19. tsiafoi1 ( 22/11/2007 10:26)
Jereo ao @'ny bokin'ny II MPANJAKA 1 - 11 ny fiafaran'ny tantaran'i Solomon ho an'izay mazoto
20. kiadi ( 22/11/2007 12:46)
ka sambatra fona lery na izany aza eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7726