IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO

1. endrika01 ( 20/11/2007 11:39)
Manao ahoana daholo,
zao ry zareo a,zaho dia kristianina nefa tsy mino.
Tsy fantatro miitsy hoe inona no mahatonga zany?
Mitady hamily lalana ahy ve Satana?????Tena mila fanampiana fa sao dia tratra aoriana,tena mitady hivadika zany aho!!!(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)
novalian'i endrika01 ny 03/02/2008 13:14
2. LazaDaddy ( 20/11/2007 11:46)
endrika> izaho koa Kristianina nefa tsy mino an'i Allah sy Ikelimalaza, Krishna, Bal, Dagona, Sampy, sns...fa i Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy ihany no inoako araka ny fampianaran'ny Fanahy Masina :)
3. rabilabila ( 20/11/2007 12:31)
Ny fijeriko azy ry Endrika dia izao:

- Kristianina ianao hoy ianao : au fait kristianina ny culture-nao satria ianao tinaiza tao .

- Tsy mino aho hoy ianao :
Manana doute ianao no tena marimarina kokoa ,ka anjaranao ny manàla ilay doute amin'ny fikarohanao ny valin'ny fanontaniana apetrakao ,jereo daholo ny point de vue rehetra ( na filozofika , na siantifika , na teolojika ),dia rehefa vita izany dia anjaranao no maka safidy ,ary aza atao an-katerena na tahotra ( satana ,ny vavam-bahoaka ,....).

Tant que manana doutes ianao dia aza mirona atsy na eroa fa ataovy izay hanalàna ilay doutes.
4. veromahefa ( 20/11/2007 13:27)
Afrikana = afrika + ana = mponina ao Afrika, mizaka ny zom-pirenena ao, mahay ny fomba ao, manaiky ny lalàna mifehy ao,sns...

Kristiana = kristy + ana = mpanara-dia an'i Kristy, mitafy an'i Kristy, iray fomba Aminy,sns...

Ny tiako holazaina dia izao : raha tsy mino an'i Kristy ianao dia aza mitonona ho "kristiana" fa aza aleo miteny hoe "mpivavaka aho" fotsiny...

Any andro iray mbola hiteny ianao hoe "fantatro izay inoako" 2tim 1 : 12
Mivavaka ho anao !
5. niryna ( 20/11/2007 13:45)
laza>misaotra anao nanazava.
rabilabila>mitombona izany eritreritrao izany ary raha vao manana doubt isika dia tafiditr'i satana ny baoliny. Fantaro marina ny hinoana:D

Maro ny Atra hivavahan'ny olona fa tsy misy na iray aza milaza fa any amin'ny no misy ny Famonjena(Kristy irery no lalana mankany amin'ny Ray,ahazoana famonjena).

endrika> ny SM manambara fa hoe zaro amin'ny lalany ny zaza...Na fahazarana aza no noeritreretinao hoe nitondran'ny rar tany am-piangonana.Niainanao ilay izy ary rehefa lehibe hianao mandalina tsikelikely.
Tsy misy mahalala raha tsy nampahafantarina,tsy nisy nahay nitory raha tsy nomena.Vakio ny SM ary mivavaha mba omen'Atra anao ny teniny.8)

Tsy misy olona manan-kery hanatana ny ainy, na manan-kery ny amin'ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin'ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin'ny faharatsiany.Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin'ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao aty ambanin'ny masoandro... . Mpit 8:8-9

Mahereza: Diniho akaiky ny fahasoavana maro ao aminao dia ho fantatrao eny fa na ny rivotra hiainanao aza dia sarotra fantarina ny fihaviany ,tsy hita maso kanefa na mihidy fotsiny aza ny varavarankely dia mahatsiaro sempotra :D
6. tsiafoi1 ( 20/11/2007 15:22)
Efa niaina toy izany nahazo anao izany za, idd fa ny finoana an'i Jesoa Kristy, nisy ny fotoana nampisalasala ahy mafy, nefa za de efa baptisée t@'izay fotoana izay, naharitra taona 2 na telo teo ho eo, nanahy mafy aho ary nisy tebiteby tao anatiko, tao anatin'izay de izao no dingana nataoko natomboko t@'ny VAVAKA TSOTRA ISAN'ANDRO WE : "ANDRIAMANITRA O! AMPIORENO NY FINOAKO! MITOERA ATO AMPOKO - ARY AMPAHAFANTARO AHY FA MISY IANAO ARY MIAHY SY MITANTANA NY FIAINAKO, ", de nanomboka namaky ny Baiboly tsikelikely za, ireny tantara mahafinaritra ao anatiny ireny, de notarafiko tamin'ny fiainako izany de nitohy hatrany hatrany, fa hotsapanao fa hiala ao anatinao ny devolin'ny TSIFINOANA izay misisika maka toerana ao amponao.
7. ikaretsaka ( 20/11/2007 15:39)
veromahefa:

Afrikana = afrika + ana = mponina ao Afrika, mizaka ny zom-pirenena ao, mahay ny fomba ao, manaiky ny lalàna mifehy ao,sns...


Dia ahoana ilay mainty hoditra be any Bekintana ireny? sady tsy mizaka ny zom-pirenena afrikanina no tsy mahay ny fomba ao.. fa Bekintana no hainy
nefa miteny ny tenany ho "afrikanina"?

dia ahoana ireny Karana sy sinoa any amintsika ireny: efa lasa gasy taratasy ireny, teraka tany Gasikara.... nefa izy mbola ataontsika hoe "sinoa su karana?"


8. Fody ( 20/11/2007 17:03)

Izao no hanampiko ireo rehetra efa niteny:

Ny Fahalalana mitarika ny tena hino bebe kokoa (noho izany araho izay voalazan-drabilabila io)

Ny Finoana koa anefa manampy ny tena halala bebe kokoa.

Ary ny Fahalalana sy ny Finoana no itiavanao izay inoanao.

Mirary soa ho anao hatrany!
9. ikaretsaka ( 20/11/2007 18:11)
misaotra fody a
10. rabilabila ( 20/11/2007 19:01)
fa hotsapanao fa hiala ao anatinao ny devolin'ny TSIFINOANA izay misisika maka toerana ao amponao


Izao ilay tsy lasa mihitsy ,ny olona ary mba manontany dia tonga dia fampitahorana no betsaka.
Na izaho tsy mpino ,na i Fody mpino , na i niryna aza posés daholo ao amin'ny famaliana hevitra ,manome safidy malalaka sy ny làlana ahagfahana mandray ilay safidy .
mahagaga!!!
11. ikaretsaka ( 20/11/2007 19:04)
izay mantsy.
avereno ny bokinay hametrahana izay tsy poses:-D
12. ikaretsaka ( 20/11/2007 19:08)
indraindray aho ho'a mba lasa saina ihany
hoe vokatry ny fampitahorana ve no mahatonga ny olona "hino" sa vokatry ny safidy?
misy manko karazan'olona (ny ato fotsiny no lazaiko an) dia vao misy zavata tsy hifanarahana kely "dia fampitahorana ny mandeha aloha" de:{ le olona de manaiky tsy satry, mino tsy satry
13. ikaretsaka ( 20/11/2007 19:10)
de refa anontaniana hoe fa maninona no tsy manao izao: dia hoe satria bedy, fa tsy tena mitady ny antony mazava hoe , misy fiantraikany any @ manodidina na aminao manokana fa de zay valy boraingina izay fotsiny :bedy!
karaha zazakely
14. cutie ( 20/11/2007 22:51)
Kristiana = kristy + ana = mpanara-dia an'i Kristy, mitafy an'i Kristy, iray fomba Aminy,sns...

Ny tiako holazaina dia izao : raha tsy mino an'i Kristy ianao dia aza mitonona ho "kristiana" fa aza aleo miteny hoe "mpivavaka aho" fotsiny...

Any andro iray mbola hiteny ianao hoe "fantatro izay inoako" 2tim 1 : 12
Mivavaka ho anao !

miombon-kevitra :)
15. fijo ( 20/11/2007 22:59)
endrika an,marina io voalazan'i rabilabila io.tsy kristiania ianao,fa notaizana tao.to aahy koa.nefa tonga izao ny fotoana ahatsapanao ,fa resaka be no nampidirina tao aminao,ka hirato ny masonao de jereo izay tena tsapanao,fa tsy izay tahotra misy aminao.aza matahotra hoe hisy satana ve sa hoaiza aho rehefa maty raha tsy mino.
16. Rasiligaoma ( 21/11/2007 03:58)
raha vao ampitahorina ny olona hanao ny safidiny , na kristianina io na silamo io na inona, na tamin'ny fomba ankolaka no nahazoana sy nanjonoana azy ho kristianina azy, ohatra hoe rehefa misy catastrophe naturelle ireny na probleme emotionel, dia amiko manokana aloha dia tsy mety e
17. Mandefitra ( 21/11/2007 11:18)
Rasiligaoma>Ny olona anie manana safidy foana @ tsara sy ny ratsy e.Ka na ataoko aza hoe misy ny fampitahorana, anjarany ny manadihady ny mampitombona an'iny na tsia.
Ohatra: asaina manasa tanana ny zaza fa sao be kankana.Fampitahorana ny kankana, fa ra asainao hanasa tanana @ zao mety hanao mety tsy hanao ...
Ary tsy misy maha ratsy ny maha Kristianina, indrindra zany hoe zanak'Andriamanitra, eo ambany elatry ny Tsitoha ary handova ny fiainana mandrakizay ...
Ka anao ny safidy ry endrika01
18. xxx ( 21/11/2007 14:27)
Tsara raha mianatra miaina sy mifankazatra amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famakiana ny Teniny sy ny fampanantenana rehetra nomeny. Amiko tsy finoana no tokony handraisana Azy fa Fahalalana. Mila mahafantatra Azy isika, mila mahafantatra ny Sitrapony. Mila miaiky tongotra aman-tanana fa Izy no mihazona izao rehetra izao. Izy Ilay Tsitoha. Ilana fandavan-tena ny fahalalana Azy.

Tsy ny mitonona hoe Kristiana no inona nefa ny ao an-tsaina miroaroa sy manjavozavo. Raha mahatsapa tena fa matimaty ianao dia izay no tokony hangatahanao Aminy izay tokony hanavotany anao.
19. ikaretsaka ( 21/11/2007 15:18)
Mandefitra:

Rasiligaoma>Ny olona anie manana safidy foana @ tsara sy ny ratsy e.Ka na ataoko aza hoe misy ny fampitahorana, anjarany ny manadihady ny mampitombona an'iny na tsia.
Ohatra: asaina manasa tanana ny zaza fa sao be kankana.Fampitahorana ny kankana, fa ra asainao hanasa tanana @ zao mety hanao mety tsy hanao ...
Ary tsy misy maha ratsy ny maha Kristianina, indrindra zany hoe zanak'Andriamanitra, eo ambany elatry ny Tsitoha ary handova ny fiainana mandrakizay ...
Ka anao ny safidy ry endrika01


matetika ilay olona tsy manana safidy fa" nasesika hisafidy ko"...
betsaka ny olona tsy no "exposena" t@ finoana hafa mihitsy mba hisafidianany fa na iny iray iny na tsy iny, tsy nanana fotoana hi comparer-ny azy akory
eny na samy kristianina aza


20. ikaretsaka ( 21/11/2007 15:22)
izay no tsy mamparisika ahy @ ilay olona manao toriteny sy mivazavaza ireny. fa le manazava ireo izay manontany heo fa maninona no manao izao sy izao,
@ izay izy libre sy ny fitadiavany no ahitany izya mety aminy

http://ikaretsaka.skyrock.com/2.html
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0351