IZAHO KRISTIANINA NEFA TSY MINO

21. fijo ( 21/11/2007 22:13)
raha olona mahalala dia tsy azo ampitahorina,fa raha ny olona tsy mahalalano hampitahorina dia manao.
ka avelao izy hianatra hifidy,fa aza zarina tahotra
22. Mandefitra ( 22/11/2007 04:41)
Za nga mo niteny hoe ampitahory ny olona ... fa hoy aho hoe na misy aza ny fampitahorana ... :)
Ary ampahalalana indrindra izy : ny fisian'ny paradisa sy ny afobe, ny fitiavana sy ny sazy, ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny filan'ny nofo ...
Anjarany ny misafidy ...
Andriamanitra tsy manery, fa mahari-po sy be fitiavana.

Ohatra akaiky ny zanaka adala.Niadana tao antranon'Andriamanitra nefa tsy afapo fa te hiliba ... inn no niafarany? fadiranovana. refa nahatsiaro saina ka niverina, noraisiny indray.
Ka mila ampafantarina ny olona fa ny tena fiainana dia ao @ Kristy.
23. xxx ( 22/11/2007 09:30)
Miombon-kevitra amin'i Mandefitra.
24. deric ( 22/11/2007 12:33)
veromahefa:

Afrikana = afrika + ana = mponina ao Afrika, mizaka ny zom-pirenena ao, mahay ny fomba ao, manaiky ny lalàna mifehy ao,sns...

Kristiana = kristy + ana = mpanara-dia an'i Kristy, mitafy an'i Kristy, iray fomba Aminy,sns...

Ny tiako holazaina dia izao : raha tsy mino an'i Kristy ianao dia aza mitonona ho "kristiana" fa aza aleo miteny hoe "mpivavaka aho" fotsiny...

Any andro iray mbola hiteny ianao hoe "fantatro izay inoako" 2tim 1 : 12
Mivavaka ho anao !

mbola manamafy ny volazan'i Veromahefa na dia dia misy manohitra aza.
Tsy mitovy amin'ny mahagasy anao;satria gasy abanao sy endrinao dia tsy maintsy gasy koa ianao izany.
Tsy ny ray aman-dreninao no haha kristiana anao fa ny fiainanao sy ny ataonao. ka rehefa tsy mino an'i Kristy ianao, tsy mino izay lzainy; inona indray no haha kristiana anao? ANdao hiara-hibebaka isika dia samy ho kristiana.

25. endrika01 ( 22/11/2007 22:12)
Misaotra ry reto fa tena mahatorotoro fo tokoa zany torohevitra omenareo izany!!!Ny tena mba mahalasa lavitra ny saiko dia:taloha loha zaho dia anisan\'ireo mpamonjy lamesa isa-maraina tsy tapaka,ary ny vavaka tamiko no tena zava-dehibe.Araka ny voalazan\'i veromahefa teo dia tena tsapako fa anisan\'ireo nandalina ny théologie angamba ianao!!!Ny hilazako hoe Kristianina aho dia satria vita Batemy(Batisa)Kominio voalohany,confirmation,de arakaraka ny isian\'ny antokom-pivavahana maro de tsy hitako intsony zay ho henoina na ho raisina dia tena very hevitra be aho de hoe aleo de tsy mino fa zay angamba no mety!!!Tenaaaa???
26. endrika01 ( 22/11/2007 22:16)

27. fijo ( 22/11/2007 23:33)
diniho daholo aloha e,de saino tsara
28. ikaretsaka ( 23/11/2007 23:12)
izay manko.. .. .... avelao daholo mihitsy aloha.. dia jereo izay hay sy mbola ilaina ho hay...mivelatra @ hafa... ampitahao dia dinhio .... hainao ny tohiny
29. fijo ( 23/11/2007 23:16)
manjary mana toa ny lakolosy ka ratsy,avy aryyyy de lasa atyyyyyy
30. soanja ( 24/11/2007 08:51)
Misaotra an'Andriamanitra izany fa tonga eto ianao hamaky sy hijery ary handanjalanja ny soratry ny Mpino Kristianina.
Ankoatr'izay koa dia mandraisa ny baiboly ary vakio miadana izay voasoratra ao. Mamonjea fiangonana ary anontanio ny pastora na Mopera izay tsy azonao na manorata eto.

Refa vita izay dia mivavaha hatrany mba hamaly anao ny Fanahy Masina. Raha tsy mahatsapa n'inona n'inona ianao dia aza misahirana fa tsy Kristianina zany no mety aminao fa mety finoana hafa.

Zah manokana dia tsy mino ny fisian'i Satana saingy mino kosa ny fisian'ny fakam-panahy ao anaty izay manjaka tokoa refa lefy ny fanahy nomen'Andriamanitra anao tamin'ny nanamboarany anao.
Koa mahaiza tsara ny MISAFIDY izay lalana aleha. Ny finoana dia tsy misaraka amin'ny fahavononana ary tsy afa miala ny ezaka rehefa izany.

Ny tontolon'ny fitoniana anie hanenika ny fiainanao!

31. ikaretsaka ( 25/11/2007 00:25)
Zah manokana dia tsy mino ny fisian'i Satana saingy mino kosa ny fisian'ny fakam-panahy ao anaty izay manjaka tokoa refa lefy ny fanahy nomen'Andriamanitra anao tamin'ny nanamboarany anao.
Koa mahaiza tsara ny MISAFIDY izay lalana aleha. Ny finoana dia tsy misaraka amin'ny fahavononana ary tsy afa miala ny ezaka rehefa izany.

hatraty io
32. rijadolly ( 25/11/2007 08:28)
@ maha Kristianina ahy dia tsotra ny torohevitro
Misy làlana roa tsy maintsy alehan'olona raha miala ety -Fiainana mandrakizay miharaka amin'Andriamanitra sy Jesoa zanany,ary manopo Azy mandrakizay
-fiainana mandrakizay miharaka any amin'elo ary manopo an'satana sy ny hirakany mandrakizay

Na firy na firy torohevitra manambitamby anao na iza na iza milaza fa fampitahorana.
IZA AMIN'IREO NO SAFIDINAO.
33. achrafhanna ( 25/11/2007 09:40)
Salut dôlidôly,Alahady ny andro ,natokana hivavahana,firy anefa ireo miditra am-piangonana????(l)(l)(l)
34. ikaretsaka ( 25/11/2007 12:24)
Rijadolly> mba jereo ambadika sy ara concept ilay zavatra fa tsy ara bakiteny fotsiny,
tsy hoe "satria voasoratra" fa hoe "inona no tiany ambara"
Izao Satana satananareo izao manko no niteny sy nanomboka io "efa voasoratra hoe" io voalohany! izay vao namaly Ra Jesoa! (cf ny tany an'efitra)
35. endrika01 ( 25/11/2007 12:53)
Ho lazaiko ny tena hevitra ny tsy mapite-ho mpino ahy intsony eeeee,tsy hoe manavakavam-pivavahana aho akory tiko daholo refa manompo TOMPO iray ,de tsy iza fa ilay mpahary izao tontolo izao.
Fa ny tena tsy zakako de ireo ray aman-dreniko lasa manaraka atonkom-pivavahana hafa de rehefa mivavaka izy ireo de tsy lay vavaka toram-po milamindamina fahiny !!!!!!!!fa kotaba be ao an-trano,de za mou mody fanina be de za tsy mety mandray anjara miitsy @ lay vavaka ,satria ny foko mivonto be hoatran'ny baolina kitra,tena marina eee,
ny Mamako moa dia niteny miitsy fa raha tsy nivavahana tany @io an-tokom-pivavahana io ny raiko d'efa maty hoatr'izay,de natao Batemy vaovao tany hono,de za lasa kivy be de tsy hitako intsony zay lalana ho aleha!!!!!raha ianareo no teo @ toerako inona no fanampahan-kevitra noraisinareo??????:cry::cry::cry::cry::cry:
36. ikaretsaka ( 25/11/2007 13:08)
izaho mino ny batemy tokana le!
37. rijadolly ( 25/11/2007 14:15)
endrika01:

Ho lazaiko ny tena hevitra ny tsy mapite-ho mpino ahy intsony eeeee,tsy hoe manavakavam-pivavahana aho akory tiko daholo refa manompo TOMPO iray ,de tsy iza fa ilay mpahary izao tontolo izao.
Fa ny tena tsy zakako de ireo ray aman-dreniko lasa manaraka atonkom-pivavahana hafa de rehefa mivavaka izy ireo de tsy lay vavaka toram-po milamindamina fahiny !!!!!!!!fa kotaba be ao an-trano,de za mou mody fanina be de za tsy mety mandray anjara miitsy @ lay vavaka ,satria ny foko mivonto be hoatran'ny baolina kitra,tena marina eee,
ny Mamako moa dia niteny miitsy fa raha tsy nivavahana tany @io an-tokom-pivavahana io ny raiko d'efa maty hoatr'izay,de natao Batemy vaovao tany hono,de za lasa kivy be de tsy hitako intsony zay lalana ho aleha!!!!!raha ianareo no teo @ toerako inona no fanampahan-kevitra noraisinareo??????:cry::cry::cry::cry::cry:

Endrika à ,Endrika ô teste ry sé zany à tazomy mafy ny satroboninahitra fa aza arina mba tsy hisy haka.Ary aza manana heritreritra manaratsy ny azy
raha mbola tsy manohitra an'Ilay inoanao izireo(l)(l).Asehoy azy koa fa Mbola Ilay Hivavahany no mitarika an'sé amin'làlana alehan'sé hatramin'izao.Fa raha mihembotra eo sé dia mihoatra ilay olana mahazo an'sé ny olana rehefa avy eo.:-*:-*Zay Endrikà tsy kivy an!
38. veromahefa ( 25/11/2007 19:36)
Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Timote II toko 1. 13
13 Tano amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'ny Kristy Jeso ny mariky ny fampianarana marina renao.
Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote
Timote I toko 4. 12
12 Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino hianao amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana.

39. ikaretsaka ( 26/11/2007 20:46)
dia misy tenin'Md paoly izay koa manao hoe "fantaro aby"!
40. endrika01 ( 27/11/2007 15:04)
ikaretsaka:

dia misy tenin'Md paoly izay koa manao hoe "fantaro aby"!

Mba azon'i karetsaka omena ahy ve ny toko sy ny andininy,mba hosokafako @zay ny baiboliko,ataoko ao anaty vata ao fotsiny mantsy,ary tena tsoriko fa in-1
mandeha fotsiny aho zay no nandray kominio na(fanasan'iTompo)t@ 'ty taona 2007 ity!!!!sahiko ny mijoro ,satria tena zava-misy eo @ fiainako Ankehiteriny no ifampizarako @ namana rehetra ato .(l)(l)(l)(l)(l)(l)(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084