Aza jerena ny ps-ny fa ny hevitra fa hanampy antsika izany.
41. soanja
(
22/11/2007 14:21)
rabilabila:
Ny ahy ilay "fe"n'ilay vorontsiloza Soanja a!! Arabaina ianareo any e!!
Tongava fa misy toerana malalaka ny latabatra ato aminay. Misaotra indrindra! Mahasoava hatrany ary!:-*:-*
42. ikaretsaka
(
22/11/2007 17:32)
prime:
ikaretsaka> ekena tanteraka fa io safidy io no hery lehibe nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona... tsara hazavainao ny hoe manery, fa raha mandinika tsara ianao dia tsy misy faneriterena ny fitiavana sy ny fanarahana dia an'Andriamanitra fa malalaka... fa ny mpino an'i Kristy dia manana adidy ny hitory ilay vaovao mahafaly ka haneho izany fahasoavana lehibe izany amin'ny finoana sy ny asa ary ny fitiavana... ka aoka hazava ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra izay ambara... na inoana na tsy inoana, safidy lehibe izany... ary raha misy ny eritreretina ho fampitahorana, tsy ny mpino na ny mpanompon'Andriamanitra akory no lozabe te-hampihorohoro fa iraka ihany ireny... ny tenin'Andriamanitra no efa mampiseho mialoha ny tsy maintsy hitranga... anjaran'ny tsirairay ny hino na tsia...
ny hoe manery dia io hoe forcena ny olona mba handray.. satria ianao soit disant hoe "manana adidy" sy hoe "iraka"! dia iny fa mivazavaza sns...
Raha hasoavina fotsiny ilay olona dia izy no mahatsapa sy manontany ny tenany hoe fa maninona aho no hasoavin'ilay ity dia izay.
fa tsy le heo za de ohatran zao sy ohatran zao de lasa otran zao... propagandy izany.
raha vao misy propagandy dia fanerena e... otran'ny hoe "fidio" (manery izany
43. tywa68
(
22/11/2007 20:21)
Soanja : tsy mora ny mampisaraka ny ps sy ny fomba firesaka eto. Fa tsy ho ary hitovy dhl isika ary zay mihitsy no mahafinaritra eto e :D:-D
Rehefa tsy tianao atao aminao d tsy ataonao @olona dia mandeha ho azy ny sisa :-*
Rehefa tsy tianao atao aminao d tsy ataonao @olona dia mandeha ho azy ny sisa :-*
45. cutie
(
23/11/2007 03:35)
Izaho manokana dia anisan'ny mampirisika kosa ny tsy ampiasàna loatra ny xxx, misy antony ara-panahy mantsy io... fa raha io moa no ahafahana mitondra hevitra kosa tsy hitako loatra izay tena olana...
fa tsara kokoa raha mba manana ps mazava (na dia fantatra aza fa ny ps rehetra eto koa dia tsy milaza anarana loatra fa mba mampiseho kosa ny mahaizy ilay olona)...
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
48. prime
(
23/11/2007 08:34)
ikaretsaka:... Averina indray, ny fandraisana ny fitiavan'Andriamanitra na tsia dia malalaka... tsy terena tsy vozonana fa safidy...
ny hoe manery dia io hoe forcena ny olona mba handray.. satria ianao soit disant hoe "manana adidy" sy hoe "iraka"! dia iny fa mivazavaza sns...
Ny hoe mivazavaza dia an'ny tsirairay iny... tsy anjaranao ny miteny ny hoe ny anao no mety fa ny an'ny hafa tsy mety satria mivazavaza na mitabataba... samy manana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana azony io... rehefa tsy mety aminao dia aza mihaino dia aza asiana jery na dia kely aza... safidy ihany koa izany... mbola tsy hitanao aza izany hoe mivavaka any amin'ny Pentekotista izany (miala tsiny amin'ny rahalahy Pentekotista rehetra fa hevitra ambara no mba itsongàna izany fa tsy misy hevitra hafa tsy akory), fa raha io fomba fjkm mangina io rehefa mivavaka ka na lalitra maneno aza haino, na io fomba ekar be "rituel" io dia tsy hisy any na oviana na oviana fa samy mandray ny fanahy masina ry zareo ary mikorataba tsy misy ohatr'izany rehefa mivavaka sy mandray fahasoavana... dia izaho sy ianao ve no hianatra hitsara hoe tsy mety fa mivazavaza sy mikotaba??? Andriamanitra no mahalala ny azy sy ny fombany... amintsika sy ianao mety tsy hety izany na tsy eken'ny saina mihitsy aza fa tsy misy "importance" na dia kely aza ny hevitro izaho sy ianao fa ny famonjena sy ny firaisan'ilay olona amin'Andriamanitra no zava-dehibe...
ikaretsaka:... tsy hevitr'olombelona hoe izay no mety amiko na mety aminao dia fehezina amin'ny hoe "hasoavina fotsiny" ny fiasan'Andriamanitra... raha izay "fotsiny" no nataon'i Kristy dia naninona Izy tsy nitsahatra nampianatra tao amin'ny Synagoga sy teny tontolo teny, eny fa hatreny an-tanimbary aza, isaky ny Sabata sy teny rehetra teny (an-tendrombohitra, amoron'ny farihy...) nampianatra ny famonjena sy ny fanjakàn'ny lanitra ary ny fitiavan'Andriamantra ary indraindray aza dia niresaka amina olona 5000 lahy mampianatra... fa heverinao fa nibitsibitsika ve Izy manoloana vahoaka toy izany???
Raha hasoavina fotsiny ilay olona dia izy no mahatsapa sy manontany ny tenany hoe fa maninona aho no hasoavin'ilay ity dia izay.
Andriamanitra manana fomba maro ampitàny ny fitiavany sy ny heriny... rehefa tsy mety aminao dia aza fehezina sy "terena" hoe tsy mety fa "izao na izao fotsiny" atao fa asan'Andriamanitra izany fa sady tsy ahy no tsy anao...
Raha izany ambaranao izany no izy dia tsy nisy ny fifohazam-panahy tao amin'ny Loteràna (toby efatra lehibe) satria tsy manaraka ny fomba fijery mety amintsika... tsy nisy ireo fiangonana marobe fifohazam-panahy ankehitriny (fiangonana evanjelika marobe...)
Na Kristy aza nampianatra ny Apostoly hoe amin'ny anaran'i Jesosy : "Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry." Jaona 10:16
Averiko indray, tsy ny fomba no zava-dehibe ka ifandaharana foana etoana hoe mety sy tsy mety fa ilay famonjen'Andriamanitra ny ondriny... maro ny fomba fiasan'Andriamanitra ka tsy anjarako na anjaranao no hamehy na sahy hilaza ho mahalala ny mety indrindra... avelao ny fanahin'Andriamanitra hiasa... rehefa tsy mety aminao dia aza vakiana na raisina akory fa any ho any misy olona na dia iray aza mety mba ho liana ihany amin'ilay ambaranao hoe "mivazavaza"...
ikaretsaka:... :) ka raha "propagandy" no namonjen'i Kristy ahy sy anao sy ireo olona marobe inona moa ny olana?... averiko farany tsy ny fomba fa ny tanjona ny zava-dehibe... rehefa tafiditra ao amin'ny fanjakàn'Andriamanitra ny zanany tsy ny fomba nidirany tao no mahatery an'Andriamanitra fa ny fitiavany tiany zaraina isanandro amin'ny ondriny...
fa tsy le heo za de ohatran zao sy ohatran zao de lasa otran zao... propagandy izany.
raha vao misy propagandy dia fanerena e... otran'ny hoe "fidio" (manery izany
Ilay lazainao hoe ohatran'izao sy izao dia avy amin'ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ho an'ny tsirairay izany ka tsy anjarako sy anjaranao no hitsara hoe "tsy mety" izany na mety fa avelao ny mpanompon'Andriamanitra hanambara ny fahasoavan'ilay Mpanjakany... tsy fanerena velively izany fa fanambaràna ny marina ao amin'Andriamanitra... safidy ny mino na tsia izay voambara avy eo...
49. ikaretsaka
(
23/11/2007 15:00)
ka raha "propagandy" no namonjen'i Kristy ahy sy anao sy ireo olona marobe inona moa ny olana?... averiko farany tsy ny fomba fa ny tanjona ny zava-dehibe... rehefa tafiditra ao amin'ny fanjakàn'Andriamanitra ny zanany tsy ny fomba nidirany tao no mahatery an'Andriamanitra fa ny fitiavany tiany zaraina isanandro amin'ny ondriny...
ka izay izany ilay tsy mety.. izaho tsy novonjen'i Kristy mba hanao propagandy azy!
(mbola hitohy)
50. ikaretsaka
(
23/11/2007 16:02)
=prime.. Averina indray, ny fandraisana ny fitiavan'Andriamanitra na tsia dia malalaka... tsy terena tsy vozonana fa safidy...
Ny hoe mivazavaza dia an'ny tsirairay iny... tsy anjaranao ny miteny ny hoe ny anao no mety fa ny an'ny hafa tsy mety satria mivazavaza na mitabataba... samy manana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana azony io... rehefa tsy mety aminao dia aza mihaino dia aza asiana jery na dia kely aza... safidy ihany koa izany... mbola tsy hitanao aza izany hoe mivavaka any amin'ny Pentekotista izany (miala tsiny amin'ny rahalahy Pentekotista rehetra fa hevitra ambara no mba itsongàna izany fa tsy misy hevitra hafa tsy akory), fa raha io fomba fjkm mangina io rehefa mivavaka ka na lalitra maneno aza haino, na io fomba ekar be "rituel" io dia tsy hisy any na oviana na oviana fa samy mandray ny fanahy masina ry zareo ary mikorataba tsy misy ohatr'izany rehefa mivavaka sy mandray fahasoavana... dia izaho sy ianao ve no hianatra hitsara hoe tsy mety fa mivazavaza sy mikotaba??? Andriamanitra no mahalala ny azy
sy ny fombany... amintsika sy ianao mety tsy hety izany na tsy eken'ny saina mihitsy aza fa tsy misy "importance" na dia kely aza ny hevitro izaho sy ianao fa ny famonjena sy ny firaisan'ilay olona amin'Andriamanitra no zava-dehibe...
tsy izay ve no nolazaiko teo?? fa lazainao @ fomba hafa fotsiny?:lol:
... tsy hevitr'olombelona hoe izay no mety amiko na mety aminao dia fehezina amin'ny hoe "hasoavina fotsiny" ny fiasan'Andriamanitra... raha izay "fotsiny" no nataon'i Kristy dia naninona Izy tsy nitsahatra nampianatra tao amin'ny Synagoga sy teny tontolo teny, eny fa hatreny an-tanimbary aza, isaky ny Sabata sy teny rehetra teny (an-tendrombohitra, amoron'ny farihy...) nampianatra ny famonjena sy ny fanjakàn'ny lanitra ary ny fitiavan'Andriamantra ary indraindray aza dia niresaka amina olona 5000 lahy mampianatra... fa heverinao fa nibitsibitsika ve Izy manoloana vahoaka toy izany???
Niteny izy.. fa tsy ni forcer hoe tsy maintsy... ary tadidio fa ny fampitomboana mofo 5 t@ io dia io ilay hoe fanasoavana tiako lazaina...
avy nikabary izy dia nikarakara ny maha olona (hanohanana)
prime nitsimpotsimpona ilay Boky nindramina:
Na Kristy aza nampianatra ny Apostoly hoe amin'ny anaran'i Jesosy : "Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry." Jaona 10:16
Dia par la force ve no hitondrana azy ho ao anaty vala?
Sady iray ihany ny mpiandry hono:-D a bon entendeur! :-D
51. fijo
(
23/11/2007 22:53)
tywa an,avelao wa ny mambra halalaka.
prime,mino ve ise fa tsy nisy fanerena mihintsy ny fitaomana ny olona nino hatr'izay?
prime,mino ve ise fa tsy nisy fanerena mihintsy ny fitaomana ny olona nino hatr'izay?
54. soanja
(
24/11/2007 07:40)
xxx:
soanja:
Matetika dia mahatsapa aho fa ny fahafahantsika mahafantatra ilay mpametraka hevitra na ps no mahatonga antsika hasiaka na halefaka. Miangatra tokoa izany raha amin'ny fihevitra madio fotsiny.
Ndao isika hampihatra ny finoana nomena antsika dia ny fijery tsy miangatra ary handray na hamaly izany izany amin'ny hevitra nomena eo.
Atomboko amiko izany fijerena/fomba izany sao mba hanova ny seraserantsika eto amin'ny Forum finoana/fivavahana izany.
Fitiavana namana dia manomboka amin'ny fanetre-tena. Ifonako izay rehetra nomeko tsiny tsy amin'antony! Soanja
efa ela aho ny nivoy fa ny fampiasana "xxx" dia manampy mba ho objectif @ discussion, ny hevitra no hita fa tsy ny ps , kanefa moa dia voatora-bato lava . Tsy kivy aho fa mbola xxx foana e
matetika mihintsy aho no tratran'ilay ps iray izay ,il doit se reconnaître, rehefa mandeha ny resaka , dia au bout d'un moment dia miteny izy hoe "mivoaha aloha avy ao anaty rebareba ao e"
Tsy misy maharatsy ny manao ps xxx tokoa raha toa ka filazan-kevitra sy ny hafa tsy manimba na manohitohina ny ambom-po madion'ny hafa.
Fa matetika mantsy anie refa tody amin'izay hoe :"Mivoaha tao anaty rebereba zay " dia mety efa nisy fefy noharana angamba teo amin'ilay resaka nifamaly teo, sa diso ve zah?
Mahereza hatrany anefa mitory ny fitiavan'Andriamanitra.
Amiko manaokana indray ry xxx dia efa vonona ny ho voatorabato aho raha mivohy izay tiako hovoizina satria izay no niantsoan'Andriamanitra ahy ka sarotra no hiafin'endrika amin'izany. Ny apostoly samy nandalo an'io aby. Dia isika koa vonona hijoro ary vonona ny ho faty amin'i Kristy.
55. prime
(
27/11/2007 07:42)
ikaretsaka:... Tsia tsy mitovy ny ambarantsika sy ianao... ny antony nahatonga ahy nanome an\'io fanazavàna io dia ilay filazànao hoe \"tsy mety ilay mitabataba rehefa mitory filazantsara\"... ny ambarako indray dia manamafy ny hoe tsy misy manana ny mety sy ny tsy mety fa asan\'Andriamanitra ny fitoriana filazantsara ka avelao Izy Andriamanitra no hanatanteraka ny asany araka ny fombany...
tsy izay ve no nolazaiko teo?? fa lazainao @ fomba hafa fotsiny?
ikaretsaka:... inona no tsy mety ry ika? ny fiasan\'Andriamanitra ve? raha nisy propagandy ny fitoriana filazantsara, asan\'Andriamanitra no nahatanteraka ny famonjena ny olona fa tsy ilay propagandy... ka inona no tsy mety? izany no nahatonga ahy nanamafy fa samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen\'Andriamanitra azy ny mpino tsirairay... mifameno ireo fa tsy mifamono akory ka hisy sahy hilaza isika fa tsy mety ny an\'ny hafa fa ny an\'ny tena ihany no tena izy...
ka izay izany ilay tsy mety.. izaho tsy novonjen\'i Kristy mba hanao propagandy azy!
(mbola hitohy)
ikaretsaka:... ka ianao ihany no nampiditra ny teny hoe manery teo fa iza moa? dia ianao ihany no mamaly azy hoe angaha misy manery na mi-forcer?
Niteny izy.. fa tsy ni forcer hoe tsy maintsy... ary tadidio fa ny fampitomboana mofo 5 t@ io dia io ilay hoe fanasoavana tiako lazaina...
avy nikabary izy dia nikarakara ny maha olona (hanohanana)
Ny tian-kambara tamin\'io notsongainao nambarako io dia nentina nanazavàna ny tsy mahaampy ilay nambaranao hoe \"hasoavina fotsiny ilay olona dia ampy fa tsy ilaina ny mivazavaza sy mitabataba\"... ianao ihany dia nahavaly azy fa ny fampianarana sy ny \"kabary\" (hoy ianao) dia nisy, ary notohanana ireo olona 5000 rehefa noana fa tsy navela fotsiny... Mazava tsara izany ambaranao izany fa tsy \"hasoavina fotsiny\" (=fahanana) ny olona fa tsy maintsy itoriana indrindra ihany koa...
ikaretsaka:... tsy izany ry ika no hevitr\'Andriamanitra amin\'izany teny izany fa ny fanamafisany tamin\'ny mpianatra fa tsy ny Apostoly 12 sy ireo mpianatra marobe mpihaino Azy ihany no antsoina hoe ondrin\'Andriamanitra fa izay rehetra mino sy miasa amin\'ny anaran\'i Kristy... (aoka tsy hadino fa ny nahatonga Azy nampianatra an\'io teny io dia noho ny fandraràn\'ny Apostoly ny olona hafa mba handroaka devoly sy hanasitrana amin\'ny anaran\'i Jesosy nefa tsy anisan\'ireo Apostoly sy mpianatra mahafatrapo an\'i Kristy mpanaradia Azy isanandro...)
Dia par la force ve no hitondrana azy ho ao anaty vala?
Izany indrindra no tsy itsaratsaràna hoe sekta ry anona, tsy izy ny andry anona fa ny anay ihany no izy satria na Jesosy aza dia nampianatra fa mbola maro ny ondry angoniny izay tsy amin\'ireo vala mahazatra... (ekar, fjkm, loteràna, anglikàna, batista, pentekotista, evanjelika, advantista... sns...)
ikaretsaka:... Dia mapitokelaka ve izany? fantatr\'i Ikaretsaka ve hoe iza izany ilay Mpiandry tokana sy Mpiandry tsara izany?
Sady iray ihany ny mpiandry hono a bon entendeur!
Izao no nambaran\'i Kristy amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.\" Jaona 10:11
\"14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,15 dia tahaka ny ahafantaran\'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.16 Manana ondry hafa izay tsy amin\'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.\" Jaona 10:14-16
Ka mahagaga ihany ilay tokelaka be... sa inona no mampitokelaka ny amin\'ny fanambaràn\'i Kristy fa Izy irery ihany no tena Mpiandry ary Mpiandry tsara sady ilay tokana tena Mpiandry ny ondrin\'Andriamanitra...?
fijo:... averiko indray ny nambarako tamin\'i ikaretsaka, samy manana ny fanomezam-pahasoavana azy avy ny mpino tsirairay... olombelona avokoa ireo mpanatanteraka ny sitrapon\'Andriamanitra, samy manana ny fahalemeny koa nefa... tsy lavina fa misy ny tsy fahalavorariana eo amin\'ny \"fomba\" fitoriana filazantsara saingy asan\'Andriamanitra ny asa famonjena... ka raha nisy nieritreritra ny \"voatery\" dia tonga ny fotoana handinihan-tena fa safidy ihany koa ny miala sy mivoaka ny vavahady fa tsy misy an-tery... fa raha ny fitiavan\'Andriamanitra dia ny tsy hivoaka intsony ao am-balany no tsara... saingy safidy hoy aho izany fa tsy an-tery velively...
prime,mino ve ise fa tsy nisy fanerena mihintsy ny fitaomana ny olona nino hatr\'izay?
56. ikaretsaka
(
27/11/2007 17:29)
dia inona ihany aza no tian'i prime lazaina fa coq a l'ane be ilay mitsimpona di amamaly bontolo izay tiatiana valiana @ ilay hevitro kely etsy dia hevitr'i fijo kely etsy dia hevitro tary @ resaka tary ambony be tary etsy!
prime ..ny mampitokelaka ahy dia bandy iray ihany no nolazainy hoe" Fahano ny reniondriko fahano ny zanak'ondriko, sy ny hoe sambatra ianao ry sefasy"!
dia io mbandy 1 io no nomeny fahefana.. izya be mpandrombaka be mihitsy ...
nefa io bandy io sy ny akamany no ni perseverer 2000 taona ...
any ilay humour ..
sarobabay e

57. prime
(
28/11/2007 07:52)
ikaretsaka> tsy coq à l'âne izany ry ika fa fanazavàna izay fambara diso fihevitra na diso famaky a... tsy maintsy valiana araka izay nilaharany sy nanontaniana...
Ny mikasika ny hoe olona iray ihany no nolazainy hoe fahano ary ny ondriko... dia ahoana ity baikon'i Kristy ity izay manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy :
"koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina." Matio 28:19... olona iray ihany ve izany?
Ary rehefa tohizana ny testamenta vaovao sy zohina ny tantara dia tsy io Apostoly iray io aza no tena lasa lavitra tamin'ny iraky ny Tompo fa ilay Apostoly iray, sady fariseo fahiny no mpitari-tafika, no olo-kendry jentilisa ka nadarabok'i Kristy ho lasa mpanompo mahafatrapo... tsy ambara ihany koa ny amin'ilay Apostoly iray tian'i Kristy indrindra ka tokana nomeny fahitàna ny amin'ny andro farany sy ny hiseho... tsy tanisaina koa ireo Apostoly hafa izay nahavita nirakitra an-tsoratra ny vaovao mahafaly... amin'izany rehetra izany, dia nifameno ireo asan'ny Apostoly rehetra ireo fa tsy misy afaka misora-tena ho lohany na iray aza... ka raha io Apostoly iray nambaranao io no tokana namahana ny ondry, ka nahoana ny Tompo no nampiasa betsaka kokoa ireo Apostoly hafa?:)
Aza raisina am-bolony toy izany ny tenin'Andriamanitra ka entina hanamarinana an'i Petera sy ny ekar indray no andraisana ny tenin'i Kristy hoe "fahano ary ny ondriko"... izany no tsy andraisana an-tendrony izay voasoratra... i Petera irery no Apostoly noroahin'i Kristy in-telo miantoana hoe "ao ivohoko ianao ry Satàna", dia midika ve izany fa i Petera no Satàna???... jereo ny tontolo rehetra nahatonga Azy hanamarika manokana an'i Petera tamin'io fotoana io (nihaonan'i Kristy t@ mpianatra taorian'ny nitsanganany t@ maty ka nizahany toetra an'i Petera manokana ny amin'ny fitiavany Azy)... fa na i Petera aza tsy nahalala an'i Kristy mialoha an'i Jaona tamin'io dia vakio tsara ny tohiny...

58. ikaretsaka
(
28/11/2007 15:50)
prime> ianareo> 12 lahy..."mpianany" na atao koa hoe "Apostoly"
k..."apostolika"
k..."apostolika"
59. prime
(
29/11/2007 09:06)
ikaretsaka> voalazanao...:)
Raha tena alalininao kely io voasoratrao io dia tsy ny ekar no resahina io fa ny fiangonana apostolika voalohany niorina tao Jerosalema... sa?
Raha tena alalininao kely io voasoratrao io dia tsy ny ekar no resahina io fa ny fiangonana apostolika voalohany niorina tao Jerosalema... sa?
60. ikaretsaka
(
29/11/2007 18:57)
dia ahoana ny hoe Kato "apostolika" ao aorina :wink:
fa tsy hoe "reformee"
fa tsy hoe "reformee"