Aza jerena ny ps-ny fa ny hevitra fa hanampy antsika izany.

21. ikaretsaka ( 19/11/2007 17:32)
Ok, rehefa nijery todika tsara ny zava mitranga aho dia tsapa fa misy karazany 3 be mivaingana aloha ny mpidinika ato @ ity resaka fivavahana sy finoana ity:

1- Ao ireo mino ny fisiana hery anankiray, dia io hery io no ataony hoe A/tra, ireo ilay classifiena sy manakilasy ny tenany hoe mpino (tsy miditra any @ kristianina sns ao aloha eto fa mpino in general fotsiny an)

2- Ao ireo tsy mino ny fisiana io hery io fa ny tenany no heveriny hoe hery, io ilay tsy mino. tena tsy mino (Ignorant)[zara raha misy izy ireo eto]

3-Ao ireo mahafantatra ilay hery voalohany, saingy manda... io no atao hoe Athee

dia ireo voalohany ireo no mitsinjarazara ho silamo, kristianina sns...
dia ilsy kristianina mbola mitsinjarazana ho katostant sy protelika, dia ny propesta mbola mitsinjarazara...

dia iza @ ireo @ izay no tianao resahina?

raha izahako izany dia tsara raha faritana mialoha ilay domaine de definition an'ilay topic. inona no tiana hahatongavana, inona sy iza ny ciblevanao (tsy heo tifirina an, fa le sens hafa, ohatra hoe anontaniana ohatra..) , hevitra momban'ny inona no atao?

ireo angamba no mba ialana pas an'ilay hors sujet mba tsy hahatonga ny saka sy ny voalavo hiray efitra any @ sambo fiara?

fijeriko io an
22. melody ( 19/11/2007 17:47)
simplex: mampimé fa misy fahamarinana ihany koa:-*
ika: nahamarika tokoa zah fa tena mafana fo ato @ fivavahana/finoana enao, ay ve katolika e! tsisy maharatsy izany akory an, samy manana ny finoany ny tsirairay avy.:)
23. rabilabila ( 19/11/2007 18:42)
2- Ao ireo tsy mino ny fisiana io hery io fa ny tenany no heveriny hoe hery, io ilay tsy mino. tena tsy mino (Ignorant)[zara raha misy izy ireo eto]


Ilay tsy mino tena tsy mino no atao hoe Athée .

Ny ignorant indray (amiko )dia ohatra ireo valalabemandry tsy dia nandia fianarana ka manaranara-poana izay mamirapiratra aseho azy .
Na koa ireo nandia fianarana nefa dia minia-mikipy amin'ny zavatra hita mba tsy hanozongozona ny finoany.

3-Ao ireo mahafantatra ilay hery voalohany, saingy manda... io no atao hoe Athee


Tsia : averiko indray fa ny athée dia ireo olona tsy manaiky ny fisian'ny hery na fanahy masina ( toutes divinités) fa mampiasa ny fisainany (raison) hanazavàny ny zava-misy .

Raha ilay fahafantarana tian'i Ika lazaina dia ny literatiora ,dia mahafantra tokoa izy .
Fa raha ilay fahafantarana lazain'i Ika dia ilay finoana ,dia tsy mahafantatra izy par définition.

Ny athée (en genéral ),i Rabilabila (en particulier ) rehefa miresaka dia ny mpino rehetra foana no tiany resahina fa tsy mpino en particulier akory .Matetika moa eto ny kristianina no betsaka ary izay no mahatonga mifantoka any.

Fijeriko koa io !!

24. ikaretsaka ( 19/11/2007 20:03)
mitovy ihany anie ny fijerintsika sy rabilabila kay @ le 3) fa samihafa fotsiny ny filazana azy e
ny fahitako an-drabilabila aloha dia mahafantatra io hery nataoko any @ 1) io fa tsy mino! io no tiako tsipihina ! Iny kosa aloha mazava e! azo iny!

dia i rabilabila izany vao aty @ 1-2-3 dia efa araka
fa any amin'ilay sous titre--> 1.a) sns... any no mifangaro be mihitsy "zahay" !
dia tsy fantatra intsony! dia mifangaro ohatran'ny compose ao dia ... mehezanareo sisa:oops:


vahaolana hafa hitako: amintsika samy isika ("Kristianina izany e")

-farito! dia asiana fifanajana dia milamina io : izay tsy hay lehiretsy no aoka mba anontaniana an,

fa izay zavatra efa hain'ny olona mba teneno sy ampatsiahivo fotsiny dia basy . (Hain'ny olona izany hoe mila mivavaka, Andriamanitra fitiavana, mifankahery sns,.... izany).
maninona raha manao website, atao any anaty Blaogy (efa atolotra ato aby ny sopapa rehetra afaka hanaovana izany) dia any izany no atao, dia mankato dia miteny fotsiny hoe jereo ato ny izao sy izao sy izao?
Ohatra 1 ny web an'ny katolika.org!

- raha fanontaniana o hoe maninona ny (silamo ohatra) no manao rebareba?... izany ohatra izao betsaka ny tsy mahay ny antony! Amiko dia ireny no tokony velabelarina raha tena dradradradraina le hoe te hivelatra ara-pinoana sy hifanaja @ inoan'ny sasany

-tsy misy maharatsy ilay izy.. tsara ny hoe "mahavita ny fihazakazahana sns"
fa amiko izany tsy mandroso fa dia ohatran'ny manao course soavalin'i Mahamasina : mihazakazaha, dia mihazakazaka tokoa, ekena... saingy

depart.. Mahamasina, Arrivee Mahamasina:(:D normal raha tsy mandroso tsy mihemotra ary ataon'ny olona fhomehezana

25. rabilabila ( 19/11/2007 20:15)
Andray kosa 'ty Ika Ahoooooooooooooooooana ary aho no lazain'i Ika hoe mahafantatra an'ilay "hery" ? Satria ilay "hery " ihany ve no ahafahana manana moraly sy "mety" ho fahendrena?
Toooooooooooooooooooooonga dia sokajiany beeeeeeeeeeee mihitsy ny tenanay :)
26. ikaretsaka ( 19/11/2007 20:35)
ko zao ange ry Bilabila e...
mila these ianao ahafahanao manao antithese! sa tsy izany:wink:?
de ny teny hoe Athee fia misy hoe A (against) + Theos (dieu)
Pour pour contrer qqch de il fo que ce "qqch" exist.... sa ahoana?

Belote io Rabila an... tsy afaka mi contre ianao raha tsy misy zavatra contrevana!:-D

Ok'izay sao lasa sophist za kle
27. majesty ( 20/11/2007 05:03)
Raikitra ny fanaovana cv evanjelika :D
28. simplex ( 20/11/2007 11:11)

pause kely ary e,

xxx= 3x :roll:
threesome :@:-P:°);-);-)
29. ikaretsaka ( 20/11/2007 15:18)
leeeeeeeee:-*
30. xxx ( 20/11/2007 15:31)
soanja:

Matetika dia mahatsapa aho fa ny fahafahantsika mahafantatra ilay mpametraka hevitra na ps no mahatonga antsika hasiaka na halefaka. Miangatra tokoa izany raha amin'ny fihevitra madio fotsiny.

Ndao isika hampihatra ny finoana nomena antsika dia ny fijery tsy miangatra ary handray na hamaly izany izany amin'ny hevitra nomena eo.

Atomboko amiko izany fijerena/fomba izany sao mba hanova ny seraserantsika eto amin'ny Forum finoana/fivavahana izany.

Fitiavana namana dia manomboka amin'ny fanetre-tena. Ifonako izay rehetra nomeko tsiny tsy amin'antony! Soanja



efa ela aho ny nivoy fa ny fampiasana "xxx" dia manampy mba ho objectif @ discussion, ny hevitra no hita fa tsy ny ps , kanefa moa dia voatora-bato lava . Tsy kivy aho fa mbola xxx foana e

matetika mihintsy aho no tratran'ilay ps iray izay ,il doit se reconnaître, rehefa mandeha ny resaka , dia au bout d'un moment dia miteny izy hoe "mivoaha aloha avy ao anaty rebareba ao e"
31. ikaretsaka ( 20/11/2007 15:35)
ka misambodika anefa hoe iza @ i xxx no xxx8-)
efa nisy resaka tatsy nanao xxx aby fa tsy hay intsony ny akoho sy ny vorona fa tapitra nosamborina....
kay nisy bitro sy saka koa nifangaro tao:-D
32. fijo ( 20/11/2007 23:21)
efa ela anie no nilazana hoe aza mijery PS fa izay hevitra hampiadian ae,fa he he ,
vao ika no miteny de sorena ny protes,heo katolika indray io.
vao i fijo no miteny de manaraka i fody fa hoe le tsy mino indray io mirediredy io.ka izay ary ko
33. Rasiligaoma ( 21/11/2007 04:38)
nefa tokony ialana izay fijery izay
34. ari.malala ( 21/11/2007 05:22)
manaova otranà e:P za ts mijery we iza no ao ambadika ao fa miresaka tsara fona:P
35. fijo ( 21/11/2007 22:32)
i ari aloha dia tsap ahoe mampihantra izay.fa ny sasany tenahenjika be.
ary mahagaga fa ny protes ohatra dia aleony manenjika kato to aizay ny tsy mpino????sa le resaka boky ihany io.
36. prime ( 22/11/2007 09:02)
soanja> izao tolo-kevitra hanatsaràna ny sera izao dia mahate-hidera... misaotra dia mahereza...

Raha ny amiko manokana dia tsotra ny tanjona (matoa ny tena mandray anjara amin\'ny rohy sy vohy toy itony serasera itony) dia ny hahavoavonjy ny zanak\'Andriamanitra (maro araka izay azo atao) ka hahitàny ny fiainana marina sy ny tena fiadanana ao amin\'Andriamanitra...

Ny adihevitra ankoatr\'izay ka ilàna fahalalàna manokana dia na tsy mandray anjara aza fa mamaky ny hevitra ampitain\'ny namana dia efa ampy... satria ilaina dia ilaina ihany koa ny mihaino sy mamaky tsara izay lazain\'ny namana hafa...

Koa mazotoa daholo...

Izaho manokana dia anisan\'ny mampirisika kosa ny tsy ampiasàna loatra ny xxx, misy antony ara-panahy mantsy io... fa raha io moa no ahafahana mitondra hevitra kosa tsy hitako loatra izay tena olana...
fa tsara kokoa raha mba manana ps mazava (na dia fantatra aza fa ny ps rehetra eto koa dia tsy milaza anarana loatra fa mba mampiseho kosa ny mahaizy ilay olona)...
37. ikaretsaka ( 22/11/2007 13:06)
amiko indray raha tena hamonjy ny zanak'andriamanitra tokoa dia tsy mi imposer ny naha zanaka Andriamanitra anao ho azy.
fa ny manasoa azy amin'ny maha olombelona azy amin'ny lafiny rehetra, , hahafahany misafidy sy mahatsapa iny fiantraikan'iny ao aminy ka hahatonga azy hanontany ny tenany, sy hanontany anao!

izay izy no tena hoe safidy fa tsy noterena...
nateraka ho Libre ny Zanak'Andriamanitra, ary io safidy io no maha olombelona ny olombelona
38. prime ( 22/11/2007 13:29)
ikaretsaka> ekena tanteraka fa io safidy io no hery lehibe nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona... tsara hazavainao ny hoe manery, fa raha mandinika tsara ianao dia tsy misy faneriterena ny fitiavana sy ny fanarahana dia an'Andriamanitra fa malalaka... fa ny mpino an'i Kristy dia manana adidy ny hitory ilay vaovao mahafaly ka haneho izany fahasoavana lehibe izany amin'ny finoana sy ny asa ary ny fitiavana... ka aoka hazava ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra izay ambara... na inoana na tsy inoana, safidy lehibe izany... ary raha misy ny eritreretina ho fampitahorana, tsy ny mpino na ny mpanompon'Andriamanitra akory no lozabe te-hampihorohoro fa iraka ihany ireny... ny tenin'Andriamanitra no efa mampiseho mialoha ny tsy maintsy hitranga... anjaran'ny tsirairay ny hino na tsia...
39. soanja ( 22/11/2007 14:13)
ikaretsaka:

amiko indray raha tena hamonjy ny zanak'andriamanitra tokoa dia tsy mi imposer ny naha zanaka Andriamanitra anao ho azy.
fa ny manasoa azy amin'ny maha olombelona azy amin'ny lafiny rehetra, , hahafahany misafidy sy mahatsapa iny fiantraikan'iny ao aminy ka hahatonga azy hanontany ny tenany, sy hanontany anao!

izay izy no tena hoe safidy fa tsy noterena...
nateraka ho Libre ny Zanak'Andriamanitra, ary io safidy io no maha olombelona ny olombelona


Namaste Ranadahy!^:^^:^^:^

Happy Thanksgiving daholo ary isika!


40. rabilabila ( 22/11/2007 14:16)
Ny ahy ilay "fe"n'ilay vorontsiloza Soanja a!! Arabaina ianareo any e!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.161