MOMBA NY FANANAN-JANAKA

1. tsiambaratelo ( 16/11/2007 15:13)
Zavatra iray manitikitika ny saina,indrindra hoan\'ny tovovavy.Raha efa taraiky ara-taona vao manam-bady mety hisy fiatraikany amin\'ny fiterahana ve le taona.Ohatra hoe efa 30taona mahery izy vao miteraka?Hoanareo efa manan-janaka angamba mety mba afaka hanampy ahy amzay!
2. xxx ( 16/11/2007 15:19)
amini'izao fotoana izao dia miteraka tara be daholo ny ankabeazan'ny vehivavy...noho ny azakazaky ny fiainana angamba no mahatonga izany, ka ny olona fatako niteraka rehetra dia à partir n'ny 30 ans eo daholo noho mihoatra...
misy ny manana ankasarotana, sarotra mipetraka ilay zaza, ka raha vao manao an'iny dia efa ampanarahin'ny dokotera traitement.....
jereo fotsiny aza ireny efa 70 taona tamin'ny vaovao ireny mbola teraka soamantsara ihany ilay zaza...
fa io arakaraka ny toe-batan'ilay vehivavy ihany e!
aza hadino fotsiny ny manao fiazaham-pahasalamàna alohan'ny hanatanterahana ny fitondràna vohoka?.:wink:
3. Veloo ( 16/11/2007 17:45)
Raha efa taraiky ara-taona vao manam-bady mety hisy fiatraikany amin'ny fiterahana ve le taona


physiquement aloha tsy misy e
fa psychiquement
ny itako fiatraikany dia tsy mba afaka miaraka "milalao" amin'ny zanany intsony satria efa antitra be loatra...
Amiko aleo miteraka aloha mba ahatsara ny relation enfants-parents.. faly ny ankizy rehefa misary adala aminy ny RAD no sady betsaka kokoa ny affection azony ny ankizy...
4. sakaizakely ( 16/11/2007 19:40)
pffffffffffffffffff

ny fandraisako azy aloha dia isika gasy ihany no midawawa @io resaka taona io fa raha ny marina dia tsy misy ifandraisan'ny taona sy ny fiterahana

rehefa vonona aratsaina fotsiny ilay vhv ka hoe tena izay marina no safidiny, dia izay no tena zavadehibe, fa tsy hoe miteraka fe miteraka fotsiny

fitsarana ivelany tsy misy fandanjana ny fiainan'ny tsirai² ny miteny hoe tara na tsia. Tsy misy olona manana alalana hitonona amin'izany amiko

ho inona moa ny fiterahana vao 20 taona monja nefa ny fivelomana ohatra tsy mbola lavorary de manjary misavoritaka ny loha dia miantraika @ relation @le zaza izany ?

re-pffffffffffffff
raha efa 30 taona+++ tsy misy maharatsy azy fa vao maika aza mety tsara koa satria efa lavorary avokoa na ny fitadiavana, ny saina matotra sy matanjaka mahay mandanjalanja tsara ny fiainana, noho ny "tovony". Milamina tsara ny saina satria tsy eo intsony ny fiahiahiana ny ampitso toy ny t@ mbola tovony ary afaka mampiadana tsara zanaka.

Tsy hoe ny fisariana adala @ ankizy no mahatsara ny fifandraisana aminjareo fa ilay fahaizana mandanjalanja, na koa hoe rehefa lehibe dia tsy mahay manome affection zanaka fa vao maika aza mahay mamaritra tsara ny marimaritra iraisana, ary mahay mametraka ny autorité kokoa

misy de miteny n'1mporte nawakkkkkkkkkk !!!
5. jemimah ( 16/11/2007 19:51)
marina mihintsy ny anao ry sakaizakely maimay hiteraka nefa tsy hita zay ampoaka avy eo zah aloa dia mankasitraka lay hoe 30 plus vao miteraka e!zazakely vao ray ranonorana dia efa vady aho e zanaka
6. ratonga ( 16/11/2007 19:53)
sakaizakely : =))=))=))
7. ikaretsaka ( 16/11/2007 20:57)
andramo aloha ko.. tsy misy mahita raha tsy manandfrana
8. Belle ( 16/11/2007 21:04)
HS kely aho fa azafady.

Izao fitenin'i sakaizakely izao mihitsy ilay tsy mety amin'ny fomba fanambarana hevitra eto. Maninona no manambany be ny hevitr'olona toy io?

pffff sy re-pffff?

Sa ny anao ihany no heverinao ho tena marina fa ny an'ny hafa tsy misy dikany? Nety taminao ny hevitrao, tsara izany, izy koa mba mihevitra fa nety taminy ny azy! Samy milaza ny hevitrareo mamaly ny fanontanian'i tsiambaratelo ianareo.

Mba mahaiza ray olona manaja ny olona mifanakalo hevitra aminao tahaka ny anajany anao a!
9. sakaizakely ( 16/11/2007 21:16)
zafady am Belle fa hadinoko ny nanamarika fa ny ahy io, ary samy manana ny fandraisany azy fa lavitra ahy ny mitonona hoe ny ahy no mety na ny hafa

ny fahitako manokana hoe ny ahy nilamina kokoa ny fiainako à 30 ans qu'à 20 ary efa nolazaiko hoe
rehefa vonona aratsaina fotsiny ilay vhv ka hoe tena izay marina no safidiny, dia izay no tena zavadehibe,
ka na 20 io na 30 samy manao ze fantany fa mety

fa le voasoratra eo ambony io ve am Belle de mety le fitenenana hoe manana olana psisika ny olona miteraka après 30 ans ? sy hoe tsy mahay manome fitiavana zanaka ? tsy zany ve no midika fa nenazy no tena mety ? pfffffffffffffffffff

Toa ny ahy ihany no manahirana an'i Belle ? Sa raha vo za no miteny de malonilony ?
10. Belle ( 16/11/2007 21:41)
Miala tsiny aho fa ilay olona raha namaly dia tsy nanondro na iza na iza fa nilaza ny heviny. Ianao raha namaly azy dia niaviavy momba ny heviny. Tsy misy resaka malonilony mihitsy fa mijery ny zavatra mipoitra eto fotsiny aho. Izay fandraisanao azy!
11. ratonga ( 16/11/2007 22:16)
pffffffff
12. bitrokel ( 16/11/2007 22:51)
misy fahamarinany ny voalzan'i belle aloha e!
samia mamaly amin'ny heviny fotsiny dia tsy misy olana....;-)
13. pika ( 17/11/2007 04:09)
tsy tara raha mbola 30 mahery izany efa maoty tsara daholo ny taova rehetra ka na ny zaza ateraka aza dia malady fetsifetsy sy mahay
ny hoe mety fahasarotany dia arakaraky ny olona tsi11 ihany io
ny miohatra ny 45 any angamba no mety hisy ny pb kely mety ho solasola kely ny zaza....
14. heidi ( 17/11/2007 07:55)
pika: tsy possible izany zaza sola izany raha salama ara-dalàna ilay reny.....inona moa no tokony hahasola azy, maro ny vehivavy miteraka aorianan'ny 40 ans amin'izao fa normale daholo ny zaza hateraka....
15. xxx ( 17/11/2007 11:57)
de aôna raha tsy manambady mihitsy nefa ny taona efa lasa iany, miteraka tsy manambady ve :oops:
16. heidi ( 17/11/2007 12:35)
ié! betsaka ny vehivavy indépendante amin'izao fotoana izao...mikarama tsara kanefa tsy manambady dia aleony miteraka tsy manambady, mila marimaritra iraisana amin'ilay lehilahy manaiky hiteraka aminy fotsiny jereo i viavy chila
17. endrika01 ( 17/11/2007 13:07)
Tena mahaliana ahy tokoa ny fanotanian\'i tsiambaratelo ! Izaho koa anié aki mba lasa saina miits ny @taonako é za efa 30 ihany koa,mbola tsy manambady na sipasipa,fa mbola tena mikandra be,za aloha ara-taona efa azo lazaina hoe lehibe fa ny namako tsis mahalala fa mijery ahy de hoe 18-19ans de zay sisa no hanamboniako morale ,ny amin\'ny hoavy,mety ho 2na 3 ihany angamba @zay no zaza ateraka,de lasa be ny eritreritro ny@voalaza tery aloha hoe:mety ho solasola ny zaza!!!!
18. melody ( 17/11/2007 13:52)
Mba tsy aha HS ilay resaka dia ity indray izy averiko eto: fanontaniana ny any tsiambaratelo.

Zavatra iray manitikitika ny saina,indrindra hoan'ny tovovavy.Raha efa taraiky ara-taona vao manam-bady mety hisy fiatraikany amin'ny fiterahana ve le taona.Ohatra hoe efa 30taona mahery izy vao miteraka?Hoanareo efa manan-janaka angamba mety mba afaka hanampy ahy amzay!


Izao fitenin'i sakaizakely izao mihitsy ilay tsy mety amin'ny fomba fanambarana hevitra eto. Maninona no manambany be ny hevitr'olona toy io?

pffff sy re-pffff?


Miray hevitra aminao izao ry Belle, fanontaniana sy naka ny hevitry ny be sy ny maro izy kanefa tokoa pffs no betsaka.

Ity indray ny valinteniko ry tsiambaratelo ho anao. Miankina @ tsirairay io rehefa vonona fotsiny ianao dia izay, araho ny maternelle instinct-nao. Be ny namako any @ 30+ any mihintsy vao niteraka fa kosa mila arahiny dokotera maso kosa raha vao 36+ enao! Tsy midika hoe tsy hiterka intsony, mbola faka fa mila arahina maso fotsiny.
Mahereza e am-bava homana am-po mieritreritra :-*


19. meva2 ( 19/11/2007 10:02)
Miray hevitra amin'ny maro aminareo aho. Mila fahavononana tokoa ny fiterahana ary tsy misy hoe tara na hoe aloha loatra. Ny tena important dia ny choix an'ny tsirairay ka tsy tokony asiana critique akory izany satria samy manana ny fiainany.
Ny vohoka fotsiny no mila arahi- maso bebe kokoa indindra raha voalohany ka hoe lehibebe ny taona.
20. tsiambaratelo ( 19/11/2007 20:47)
Tena mahafaly ahy tokoa ny valin-teny avy amintsika rehetra.Ny entan-jaraina mora zaka zany hoe ny olana ifam-pizarana manjary maivana,maromaro ihany ireo namana nanantona manokana fa tsy nanaposaka izany tato ,za mantsy efa tena kivy be satria mandrè ireo manodidina hoe tsy azo teo am-piterahana lay zaza fa tara loatra ny fandatsahana azy!Tsy azoko lay hoe tara ny fandatsahana azy?Misy koa ny tranon-jaza sa ny ahatra potipotika be.Notataran\'a namana ahy daholo ireo de tena tsy azoko ny aiko fa mangovitra aho.Lay farany teo zao de nitatara fa ny zokiny de tena nijaly be teo am-piterahana ,efa nolazaiko tery ambony potipotika be ny...Lamban-jaza ngeza be iny no nofenoin\'ilay sage-femme alcool de nanadiovany tao anaty kibo tao, tena mba nifezaka be mihintsy aho mieritreritra ny ampitsoko.Soa ihany fa misy ny namana ahafahana mifanakalo sy mifampahery!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3553