Inona moa no ifandrafirafiana

1. miorasoma ( 16/11/2007 11:10)
Mba mitady ny tonon'ilay hira hoe "inona moa no ifandrafirafiana" raha misy manana e! Tsy haiko loatra aloha oe iza no mihira azy io e!
2. xxx ( 16/11/2007 13:31)
Ity misy sombitsombiny kely fa tsy tadidy daholo ka sao mahasoa anao ary e! :

Inona moa ny hifandrafirafiana
Tsy hanaovan'izay tsy hitiavana namana
nahoana ity tany fangirifiriana
raha solom-piadanana fa tsy .....
(tsy tadidiko ny eto..........)
Inona anefa.....
no azo atao....
Inona koa no mba vitanao irery
Tsy azo atao ve, ny mitia fahavalo
.....

Efa any am-pasana ve vao hivoatra?
Vovok'izany vao hifankatia?
Indrisy hoy aho: diso aoriana loatra?
.....................
3. vahiny2004 ( 16/11/2007 15:02)
Inona moa ny hifandrafirafiana
SY hanaovan'izay tsy hitiavana namana
nahoana ity tany fangirifiriana
raha solom-piadanana fa tsy andrakandramana


Inona anefa izay andro mandalo
Inona koa no mba vitanao irery
Tsy azo atao ve, ny mitia fahavalo
Toy izay, hihataka sahala @ very

Isika olombelona anie ka malia
Mihelina kely midify dia tsy hita
Ka aza .... (tsy tadidiko ny eto)
Raha ony iray ihany no hiarahana mita


Efa any am-pasana ve vao hivoatra?
Vovok'izany vao hifankatia?
Indrisy hoy aho: diso aoriana loatra?
Koa dieny, misy aina amboary ny dia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0936