Inona moa ny hifandrafirafiana
SY hanaovan'izay tsy hitiavana namana
nahoana ity tany fangirifiriana
raha solom-piadanana fa tsy andrakandramana
Inona anefa izay andro mandalo
Inona koa no mba vitanao irery
Tsy azo atao ve, ny mitia fahavalo
Toy izay, hihataka sahala @ very
Isika olombelona anie ka malia
Mihelina kely midify dia tsy hita
Ka aza ....
(tsy tadidiko ny eto)
Raha ony iray ihany no hiarahana mita
Efa any am-pasana ve vao hivoatra?
Vovok'izany vao hifankatia?
Indrisy hoy aho: diso aoriana loatra?
Koa dieny, misy aina amboary ny dia