MOA VE MANANA ZO HAMONO NA HANDRAHONA NY TOMPOM-BADY?

1. endrika01 ( 16/11/2007 09:58)
Raha misy olona roa voalaza mazava fa mifankatia,na mpivady .Ka mahafantatra ny iray amin\'izy roa fa manana olon-tiana hafa (2eme bureau)akoatr\'azy lay olon-tiny,asa ?Mety efa olona notiavin\'ilay manan-droa talohan\'ilay tena vady.Moa ve manana zo ilay tena tompom-bady handrahona na hamono ilay\"RAFILAHINY\"na ilay \"RAFIVAVY\"-ny?
2. stephane197 ( 16/11/2007 10:45)
tsy tokony raha ny hevitro manokana fa io moa hoe mangalatra dia tsy manana ny rariny kanefa angaha moa ny fitiavan'ilay iray voatery hoe tsy maintsy anao tanteraka? satria hoe vadinao? ...asa ny lalana mikasitanana...
3. ds ( 16/11/2007 23:12)
Manompa fotsiny aza dia efa voararan'ny lalàna, mainka fa hikasi-tànana na hamono :-)
4. xxx ( 16/11/2007 23:52)
rehefa hamono kosa aloha dia efa hialao lavitra e! mandrahona aza efa mampatahotra hoy enao hoe lasa adala ve ity????izany ve tsy hampitsoka haingana tao.
5. tsiambaratelo ( 17/11/2007 18:13)
He he he,raha izaho aloha dia mi-combat no fantatro fa mety é,efa vadiko io ary tsy an\'olok\'afa intsony.Ka zay mihôdihôdy rehetra any tsy misy avelako ho afa-maina.Ka ny lalàna tsy fantatro za angaha nandalina an\'izany,droit civil,code pénal é,droit de société é,misy anzany kou mou!!?Mifanao 1sy 1 aloha de zay mangana mitory,de rehefa any am fitsarana mandahatra am Atoa \"juge\".Ka tsy mba nampianarina anay tany am fiaraha-monina ny hoe, zao no lalàna miantra hoan mpangala-badin\'olona,na hoe tsy manana zo ny hikasitanana,ny azoko avaly an i endrika01>raha ny vadinao no tratranao napirafy,nefa ianao nanaja azy tanteraka tao an-tokan-trano de mifanazavà tadiavo ny marimarika iraisana ny ahasoa sy ny hoavy ny zanaka no tsinjovy,raha independante ianao,tsisy tokony hapakivy anao zay ataony any ivelany any,rehefa miditra ny vola d\'efa zava-dehibe izay.Aza mety miaraka aminy tsony raha mila anao izy \"intime\"satria tena ho voahosy hatrany an-tampon-doha ianao amzay,satria koa tsy hainao na manana aretina ny rafinao de ianao no hifafa ny kiho.Mety tsy azo atao angamba lay mamono na mandrahona,raha sipasipa...?
6. bitrokel ( 18/11/2007 10:29)
endrika01:

Raha misy olona roa voalaza mazava fa mifankatia,na mpivady .Ka mahafantatra ny iray amin\'izy roa fa manana olon-tiana hafa (2eme bureau)akoatr\'azy lay olon-tiny,asa ?Mety efa olona notiavin\'ilay manan-droa talohan\'ilay tena vady.Moa ve manana zo ilay tena tompom-bady handrahona na hamono ilay\"RAFILAHINY\"na ilay \"RAFIVAVY\"-ny?

=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))


7. sipagasy ( 21/11/2007 09:42)
aorony ny entana dia afindrao ny ketsa e! hihihi


:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
8. endrika01 ( 25/11/2007 10:47)
sipagasy:

aorony ny entana dia afindrao ny ketsa e! hihihi


:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D



Angaha moa vitan'izay izy ity eee,de aiza le marimarika iraisana??????=))=))=))=))=))=))=))=))
9. tsikih ( 02/01/2008 17:09)
fa rehefa manitsaka de itsaho koa, fa maninona no hamono na handrahona ?? fohy ny andro iainana ange e, aza lany andro amin'izay tsy tia sy tsy manaja anao !!! ny ho avy no banjinina fa raha manitsaka anao indray izy aza manantena hoe tsy hanao io intsony !!! ka marina ny tenin'i Sipagasy hoe "aorony ny entana dia afindrao ny ketsa" !!! de ho itanao fa hisy masoandro vaovao ho anao ! tsy misy lalàna manome rariny ny mpamono olona de very vady aza izy e !! mahereza.
10. badboy ( 14/01/2008 10:38)
Atteinte à l'intégrité physique, menace de mort, violence avec ou sans arme..... ireo ny santionanay iantsoan'ny procureur de la république ny kasitanana ataonao ra toa ianao ka sanatriavina nahavanona izany!!! Ny fitsarana tsy hanome rariny anao mihintsy hoe nikasitanana ianao satria lasan'olona ny vadinao!! Au pire raha toa ka nahafaty an'ilay rafy ny herisetranao dia ny azon'ny mpisolovava angatahana dia ny mamadika ny zavabitanao ho "crime passionnel". Ireo rehetra ireo dia any amin'ny affaire pénale no mitontona. Farafahatsarany angatahan'ny procureur ny qualification de délit ra toa ka tsy nisy tanjona ny hamono hafaty na tsy maty ilay voavono. Raha maty ilay nianjadian'ny herisetranao dia crime no iantsoan'ireo azy.
Délit : au moins deux ans d'emprisonnement miampy amende.
Crime : au moins dix ans d'emprisonnement miampy amande.
Ka asakasakao, iza amin'izy roa ireo no mba manintonintona anao?????:lol:
11. andrimboara ( 21/01/2008 09:26)
efa ela tokoa ity hevitra ity no nodinihina teto, saingy horesahiko ihany satria mety be @ vanim-potoana ankehitriny. Mikasika io tranga io dia misy lafin-javatra roa aloha tokony hojerena. Ny tsirairay dia fehezin'ny lalàna ary manana adidy @zay inoany. Apetrako mazava tsara izany fa ny olona votom-pinoana dia handala izay efa nanabeazana azy: ka raha Kristiana izy dia tsy hovoasarika @ fikasihan-tanana. Ny lalàna indray dia samy manana ny azy ny firenena tsirairay; eo koa ny fomban-tany. Ho antsika eto Madagasikara anefa dia voalaza mazava tsara fa ny fiarovan-tena no azo ekena fa ny ankoatr'zay dia melohin'ny lalàna avokoa. @ trangan-javatra toa ireny dia misy ihany koa ny fomba ara-dalàna azo hamaizana ny mpijangajanga, raha vadinao ara-dalana le izy, dia ny fakana vadin-tany (Huissier) hanatratra ilay mpangala-bady sy ilay vady mpamitaka no atao voalohany indrindra. Rehefa tonga eny @ Fitsarana mantsy ny raharaha dia misy ireo andini-dalàna azo hamaizana ireo mpangala-bady sy ny mpijangajanga.
Ny tiako apetraka fotsiny eto am-pamaranana dia aza maika hanome tsiny olona manao zavatra tsy mifanaraka @ hevitrao fa diniho @ lafiny samihafa aloha ny zava-misy sy ny fomba amahana ny olana.
Andrimboara
12. endrika01 ( 28/01/2008 08:09)
Inona indray io mitady hamely be ahy@resaka kristianina io ry Andrimboara a,za anié kristianina fa tsy mino é(mandrapà)
13. endrika01 ( 28/01/2008 08:16)
Andrimboara>vazivazy iray an-dalana iny!Misaotra anareo namana aho nanomé ny hevitrareo.Ka ny fo ranomafana koa.
14. endrika01 ( 28/01/2008 08:36)
Raha azoko \'zany dia mitovy @cas \'zay nasongadin\'ny Gazetiko androany 28/01/08 momba ny zon\'olombelona (Cécilien Aurélien)ka ito lay ramatoa nanakarama olona hamono, ny vadiny nohon\'ny hasarota-piarony fa tsy izy no namono!
15. endrika01 ( 28/01/2008 08:38)
Raha azoko \'zany dia mitovy @cas \'zay nasongadin\'ny Gazetiko androany 28/01/08 momba ny zon\'olombelona (Cécilien Aurélien)ka ito lay ramatoa nanakarama olona hamono, ny vadiny nohon\'ny hasarota-piarony fa tsy izy no namono!
16. rivoS ( 03/02/2008 14:15)
Ahoana daholo an.
Io rangahy reto ohatra ny mpangalatra tratranao ihany a. Raha ao an-tranoko kosa aloha no tratrako dia ataoko amin'ilay hoe falgrant delit de vol e. Tsy afaka mampiasa antsy aho na basy fa manjary tsy proportionnelle ilay riposte, fa de totondry tsy mivonkina @zany kosa aloha maty hozatra e.:twisted:
17. badboy ( 03/02/2008 19:14)
F'anga enao manana "droit de propriété exclusive par rapport à ta femme ou à ton mari"!!!! Tsy "chose" ange ny olona!! Ankoatr'izay tsy "droit absolu" tahaka ny any @ "anglo-saxon" ny "droit de propriété" noho izany enao tsy afaka ny hilaza oe nanao "violation de propriété privée" ranamana ka azonao darohana!!!
Raha tany tsy tandalàna no misy anao de tsy koi!! Fa ra Europe aza manaonao foana!!
Mangataha divorce tsotra f'efa tsy reviny matoa ampirafesiny!!:twisted::twisted::twisted:
18. rivoS ( 04/02/2008 10:32)
Io ry badboy rehefa tafiditra ny tranoko ka tsy niera tamiko de efa mpangalatra a. Sady na tiany aho na tsy tiany, efa vadiko iny aloha. Sady eto Mada tsika fa tsy any Europe zany. Daroka miampy komondry ihany no sahaza ny mpangalatra.:x:evil:
19. moi ( 04/02/2008 11:20)
Ary ilay vady mba ataonareo ahoana ?
Tezera fa aza manota e !
20. endrika01 ( 06/02/2008 13:09)
Tsy ho antitra tsy fidiny ve raha ho tezitra foana,isaky ny miditra an-trano na mivoaka ilay vady?Asa alou é,hamono sa tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3917