Maizin-tsaina marina ve ny Kristiana ry Tsimiandravola?

1. majesty ( 16/11/2007 08:55)
Indramiko kely ny fomba fitarihan'i Tsimiandravola loha-hevitra.Rehefa fotorana ny fehin-kevitra entiny mantsy dia miafara foana ny amin'ny hoe "Maizin-tsaina,voazanaka ara-tsaina,tsy mivelatra ny Kristiana" dia izay no nofakafakaiko ka nahitako an'ireto toe-javatra vitsivitsy ireto,entina hamaliana an'i Tsimiandravola.
1)nisy zazakely nanatona an'i Jesoa ka notsofiny rano hoy ny soratra masina: izay no naolana ka nahatonga ny fanaovana batisa zazakely!
2)tsy misy milaza ao amin'ny soratra masina na iray aza fa nosoloana andro Alahady ny andro fivavahana : noraisin'ny Kristiana izay fa na andro inona na andro inona no ivavahana dia mety daholo na alakamisy aza hoy ny sasany izay mananihany!
3)Rehefa maty ny olona dia miakatra any an-danitra ny fanahiny hoy ny Kristiana,nefa dia ry zareo ihany no milaza fa rehefa ho avy Jesosy dia hitsangana ireo izay maty ao amin'ny Tompo,dia vatana tsy misy fanahy ve izany no hatsangan'ny Tompo satria ny fanahy inoany fa efa niakatra any an-danitra!
4)Ny teny tsy fantatra dia netin'ny Apostoly nitoriana ny filazantsara: noraisin'ny Kristiana sasany izany dia ka raikitra ny tabataba ao ampiangonana sy ny korontana fa teny tsy misy no iresahana fa Atra hono mahalala e!
5)Jesoa no mpanalalana antsika @ Atra Ray hoy ny soratra masina:dia ampian'ny sasany izany fa i Maria mbola eo hoy izy.
6)ny hevitry ny teny hoe Batisa ao @ soratra masina dia hoe "baupto" na "manatsoboka" tahaka ny natao an'i Jesosy sy ilay tandapa Etiopianina sns,rehefa afafy rano io ry zalahy dia mety hoy ny sasany.


Tena maizina ara-tsaina marina ary ve ny Kristiana raha ireo no jerena sa ahoana?
Betsaka ny azo lazaina fa aleo ireo ihany aloha fa hiasa kely.
répondu par ikaretsaka le 28/11/2007 18:47
2. bosista ( 16/11/2007 09:12)
ary i majesty izao amin'ny antoko aiza no misy anao? satria le zvtr izay lazainao ire dia samy misy daholo tsy azo lavina, satria misy ny manao batisa manatsoboka misy manao batisa mamafy rano,ny soratra masina anefa dia milaza fa raha tsy ateraka ny rano sy ny fanahy masina dia tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra...ka ny raisonnement n'ireo mpanao batisa aroboka dia hoe tsy lojika ramatoa 80kg miteraka zaza120 kg!!de sahala amin'izany le izy matoa ny kristianina misy antoko bdb de tsy maintsy sahala amin'izany koa ny heviny sy ny fampianarany fa anjaranao ny maka onony! ny sasany ary refa anontania eto tezitra, sasany rehefa tsy mahita havaly de lazaina fa mitsimpona le mpanontany,ny sasany de milaza hoe:minoa fotsiny iany! nefa amin'ny fotoanan'ny hazavana izao de mbola sahy milaza ny sasany fa hoe minoa fotsiny ihany de minomino fotsiny izany sans preuve,sahala amin'ireo mpanompo sampy ,fa rehefa tojo kestion de tezitra!
3. majesty ( 16/11/2007 09:19)
ka io fizarazarana ara-pinoana io r'isé tsy afaka mihitsy mandra-pahalevon'ity tany ity a,angamba manana pôlitikan'ny zarazarao anjakana koa ry rasata sy ry Ralosy dia mba ampitany amin'alalan'ireo Kristiana ilay lazain'i Tsimiandra hoe maizin-tsaina e!
4. xxx ( 16/11/2007 09:24)
Ireo voatanisanareo rehetra ireo dia toetra izay tokony tsy hananan'izay olona manana ny Fahazavana marina. Raha mbola adihevitra mombamomba ireo fomba ivelany ireo no lazaina dia mbola eo ambany vahoan'ilay ratsy izay milaza tena ho Kristiana. Mila mahatsapa tena sy mampitombo ny Fahendrena ao anaty mba ho isan'izay Manana ny Fanahy Masina marina ny Kristiana mba tsy ho very amin'ireo fomba ivelany hararaotin'ilay ratsy ireo.
5. niryna ( 16/11/2007 12:03)
xxx:

Ireo voatanisanareo rehetra ireo dia toetra izay tokony tsy hananan'izay olona manana ny Fahazavana marina. Raha mbola adihevitra mombamomba ireo fomba ivelany ireo no lazaina dia mbola eo ambany vahoan'ilay ratsy izay milaza tena ho Kristiana. Mila mahatsapa tena sy mampitombo ny Fahendrena ao anaty mba ho isan'izay Manana ny Fanahy Masina marina ny Kristiana mba tsy ho very amin'ireo fomba ivelany hararaotin'ilay ratsy ireo.

miombon-kevitra.Ary raha mivoana lava any amin'izay tsy izy koa ilay fampitana izay tadiavin'i Kristy fa ny aha vonjy ny rehetra no tadiavina dia ie,ie,lany eo fotsiny ny andro fa mahazo vahana ny asan'ny maizina.
Ireo izay tsy manana an'Atra ihany koa no tena manenjika ny fivavahana lava eto,maizin-tsaina hono? Ka izy aza mbola ao anaty maizina koa ahoana no ahazava ny sainy raha tsy mivoaka ao anatin'ilay maizina izy?
Aza kivy ,mivavaha ho azy ireny mba omen'Atra hery sy saina izy ahafantatra sy hiverina any amin'ilay Atra nahary azy."Manao an'Atra tsy misy tokoa izy ireny ka mitsambiky mikimpy". Kanefa Atra dia be fitiavana,samy miandry ny androny avy ny rehetra,rehefa mbola tsy tonga ny fotoana hanovan'Atra ny fony dia mbola mivezivezy manontany tena eny ihany izy e.:D

6. rabilabila ( 16/11/2007 12:47)

Ka izy aza mbola ao anaty maizina koa ahoana no ahazava ny sainy raha tsy mivoaka ao anatin'ilay maizina izy?


Aok'etsy re ry Niryna a!! Marina nge 'zany e!!:-D
7. xl ( 16/11/2007 13:40)
Voafehy ny tenin'Andriamanitra ny Kristianina dia tsarain'ny olona ivelany fotsiny, satria hafa fitondran-tena dia manelingelina ny hafa
samia maka izay tandrifiny
8. ikaretsaka ( 16/11/2007 16:01)
majesty:

ka io fizarazarana ara-pinoana io r'isé tsy afaka mihitsy mandra-pahalevon'ity tany ity a,angamba manana pôlitikan'ny zarazarao anjakana koa ry rasata sy ry Ralosy dia mba ampitany amin'alalan'ireo Kristiana ilay lazain'i Tsimiandra hoe maizin-tsaina e!


Nilamina ihany le izy hatramin'izay fa
nandrasan'i ry zalahy 1500 taona taty afara mihitsy
la i ralosy lasa i raloty ery dia rasatalinina lasa Razanklavinina
de lasa aby @ zayyyyyyy zarazarana hanhakana
9. xxx ( 16/11/2007 16:30)
Ka le izy ankehitriny aloha dia efa fantatra fa anjakazakan'ilay ratsy e! Izay ahazoan'ilay ratsy miditra dia hidirany avokoa.

Eo indrindra no mila mahatsapa tena sy manontany an'Andriamanitra isika Kristiana hoe mbola manome vahana ilay ratsy ihany ve hatramin'izao sa mba efa matotra ara-panahy ka afaka manana ilay toetra tian'ny Tompo hananantsika?
10. ikaretsaka ( 16/11/2007 16:37)
ka izay .. fa tsy vitan'ny heo sorintsorena kely atsy dia manangana atsy
11. xxx ( 16/11/2007 16:47)
Raha mbola ny fombafomba ivelany no tsikeraina ry ika dia mbola mitranga foana io fahapotipotehina io a!
Ankoatr'izay moa dia eo koa ny tsy fahaizana mampianatra ny mpino ao amin'ny tena dia lasan'ny olona afaka mampiaka-peo ny ondry ao am-bala.

Mila fandalinan'ny tsirairay mihitsy ankehitriny ny finoana raha tsy izay dia lasa routine mankaleo ka mampivarina any amin'ny lalana tsy izy sy fankahalana an'Andriamanitra mihitsy aza.
12. ikaretsaka ( 16/11/2007 16:53)
ko na fombafomba aty ivelany na ao anatiny. tsy mety kosa ilay hoe sorintsorena dia miala e...
jereo anie ireny nisintaka ireny fa resaka fahasorenana sy disadisa kely anatony foana no mampisaraka azy e!
misy kao ilay hoe ny ondry ao ambala no mora sodokan'ny volony! , raha efa niompy ondry ianao dia jereo fa rehefa avy nohetezana nangalana ny volony ny ondry lahy dia(l) amin'iny aby ny ondrivavy dia maniry le volo avy eo na tapitra voahety aby ny lahy sy ny vavy dia :roll: sisa
13. ikaretsaka ( 16/11/2007 16:56)
Mila fandalinan'ny tsirairay mihitsy ankehitriny ny finoana raha tsy izay dia lasa routine mankaleo ka mampivarina any amin'ny lalana tsy izy sy fankahalana an'Andriamanitra mihitsy aza.


dia izay no antony hianarana sy fandalinana ny hoe fa maninona no zao.. fa tsy borkena fotsiny @ ny hoe satria ho'zy ny andalana iray "boky navondronay nalain'ny kristianina rehetra " .. hoe izao ... de zay!
14. Veloo ( 16/11/2007 17:36)
Raha mbola ny fombafomba ivelany no tsikeraina ry ika dia mbola mitranga foana io fahapotipotehina io a!


yep, no doubt about it

Mila fandalinan'ny tsirairay mihitsy ankehitriny ny finoana raha tsy izay dia lasa routine mankaleo ka mampivarina any amin'ny lalana tsy izy sy fankahalana an'Andriamanitra mihitsy aza.


^:^
15. ikaretsaka ( 16/11/2007 17:53)
toa efa novaliako an'io ity
ikaretsaka:

ko na fombafomba aty ivelany na ao anatiny. tsy mety kosa ilay hoe sorintsorena dia miala e...
jereo anie ireny nisintaka ireny fa resaka fahasorenana sy disadisa kely anatony foana no mampisaraka azy e!
misy kao ilay hoe ny ondry ao ambala no mora sodokan'ny volony! , raha efa niompy ondry ianao dia jereo fa rehefa avy nohetezana nangalana ny volony ny ondry lahy dia(l) amin'iny aby ny ondrivavy dia maniry le volo avy eo na tapitra voahety aby ny lahy sy ny vavy dia :roll: sisa



16. fijo ( 16/11/2007 21:29)
ka maizin tsaina ary ve ny kristianina???nareo tsy misy mamaly.
hamaly kely ary aho.
ny ahy tsy afangaroko;satria misy kristianina tena mazava saina tokoa ary halan'ny sasany aza.saingy vitsy dia vitsy izy ireo indrisy
17. ikaretsaka ( 16/11/2007 22:41)
:wink:
18. fijo ( 16/11/2007 22:53)
izay no fahatsapako azy ko.
19. ikaretsaka ( 16/11/2007 23:02)
marina ny kozin la ka
20. tsimiandravola ( 16/11/2007 23:07)
majesty:

Indramiko kely ny fomba fitarihan\'i Tsimiandravola loha-hevitra.Rehefa fotorana ny fehin-kevitra entiny mantsy dia miafara foana ny amin\'ny hoe \"Maizin-tsaina,voazanaka ara-tsaina,tsy mivelatra ny Kristiana\" dia izay no nofakafakaiko ka nahitako an\'ireto toe-javatra vitsivitsy ireto,entina hamaliana an\'i Tsimiandravola.
1)nisy zazakely nanatona an\'i Jesoa ka notsofiny rano hoy ny soratra masina: izay no naolana ka nahatonga ny fanaovana batisa zazakely!

Toa mifantoka amin\'i Tsimiandravola ny fanontaniana ka dia aleo mba valiana kely i Majesty.
Ireo qualification lazain\'i Majesty fa ataoko ny kristiana aloha dia tsy safobemantsina amin\'ny lafiny rehetra ,fa amin\'ny lafiny finoana ihany.Marihiko fa izay no fomba nahazahoan\'i Majesty ny voalazako.Dia tsy ho tsaraiko fa avelako amin\'izao aloha.

Faharoa manaraka izany dia iray ihany amin\'ny an-dalany 6 voalazan\'i Majesty no ho raisiko,satria mitovy daholo izy ireo amiko.

Dia toy izao:
Mizara roa daholo ireo andalany 6 ireo:
-Ny tapany voalohany dia natsakaina tao anaty baiboly,resaka fanekempinoana dia ity tsipihiko ity:1)nisy zazakely nanatona an\'i Jesoa ka notsofiny rano hoy ny soratra masina
-Ny tapany faharoa dia ny fampiharan\'ny mpino azy izay miankina amin\'ny fahazahoany azy na miankina amin\'ny nasesika tao an-dohany.Dia ity tsipihako ity koa izany:...izay no naolana ka nahatonga ny fanaovana batisa zazakely!

Dia toy izay daholo izy enina.

Ka ny tiako marihinareo dia ity:
-Ny tapany faharoa dia miankina amin\'ny tsirairay,ary tsy misy afaka ny hifanaraka amin\'io mihitsy ny rehetra satria resaka opinion io.Eo amin\'io nefa ianareo samy ianareo no miady,ary avy amin\'io no nampisaratsaraka ny kristianna maro....Tsy dia idirako loatra ny amin\'iny fa anareo samuy anareo iny.Amiko ianareo dia ao anaty Lasaka iray na inona fitrangany na inona.
-Ny tapany voalohany kosa no Base satria ao no fototra iaingan\'ny finoanareo.Io Base io nefa dia Fôpla.Ary inona io Base io?=Ny soratra Masina,i Jesoa,Ny Baiboly,Ny Eglisy,ny pères de l\'Eglise..
Ka eo amin\'ny fototra mihitsy ianareo no \"Voa\".Ary eo no asiako,sy asian\'ny olom-panohitra maro.Raha ny fototra ijoroana aza mitsingevaeva,inona no vokany?

Toy ny voalaza ihany ao amin\'ny Baiboly: Grande sera la ruine de la maison construite sy du sable\"

Ka mariho tsara fa tsy mitovy mihitsy ny NIVEAU itondrantsika ny resaka.Ary azoko atao mihitsy,ny tsy miditra détail any amin\'ny contenu n\'ny finoanareo kristiana,fa any amin\'io Base io ihany dia efa ampy androdanana ny finoana.

Noho io antony io indrindra no ahatsapana fa ataon\'dry Niryna sy ny kiranyl mafy mihitsy izay hidifiana amin\'ny \"examen\" momba an\'io fototra io,fa aviliny foana ny resaka.

Toy izany koa ny an\'i Majesty eto: ataoko fa tsy misy antony mihitsy hiaingako any amin\'ny base ,na source fôpla toy ny baiboly mba ahafahako mitsara ny kristiana.
Fa vao maka ny Baiboly fotsiny ho base de raisonnement sy ho filozofia ho enti-miatrika ny fiainana dia efa \"voatsara\" sahady izy izay amiko.Saingy tsy dia tiako loatra ilay voambolana hoe \"maizin-tsaina\" (toy ny nanao fanahy iniana daholo ny kristiana rehetra) ,fa aleoko atao hoe \"voafitaka\".

Misaotra.





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0712