Asiana manao lahatsoratra ny ankizy: Sodoma sy Gomora!

1. niryna ( 15/11/2007 06:11)
Asa na ny fampianarana any aminareo misy fandaharana toy izao.Asiana manao lahatsoratra famoaboasana fohy ny ankizy mikasika ny hoe "Homosexuallity and Religion " .
Izao avy ilay fanontaniana
1- Ekena ve sa tsy ekena ny fisian'io? Angamba ny tiany ho tenenina dia hoe manaiky ve hianao sa tsia?
2- Fa maninona ny olona no lasa homo?
3- Fa maninona ny ankizy no lasa homo ?
4- Fa ahoana no hilazana fa efa tany ambohoka mihitsy izy no homo? Mitombona ve izany?
5- Toy ny fahotana rehetra ve io sa dia lehibe noho ny hafa?
Misokatra ho an'ny tsirairay ny sehatra fa fampianarana ho an'ny ankizy io ka mba hiangaviako izay fantatrareo sy eritreritrareo lazaina e.
Misaotra mialoha
novalian'i niryna ny 18/11/2007 17:16
2. bozyboleta ( 15/11/2007 09:16)
Fampianarana any am-piangoanana akia niryna io sa any am-pianarana?
Taty aloha mbola tsisy nanao an'io mitsy.
Ary ankizy firy taona no asaina manao an'io fa toa lalina be le fanontaniana koh?

Misaotra mialoha e!
3. fijo ( 15/11/2007 22:12)
za manokana aloh atsy homo,nefa kosa kosa dia tsy manameloka ny homo.amiko efa izay izy de hajaiko amin'ny maha izy azy
4. cutie ( 15/11/2007 22:54)
miombon-kevitra @ fijo.
5. fijo ( 15/11/2007 23:01)
ndao mihintsy hiobona mafy e
6. niryna ( 15/11/2007 23:13)
bozyboleta:

Fampianarana any am-piangoanana akia niryna io sa any am-pianarana?
Taty aloha mbola tsisy nanao an'io mitsy.
Ary ankizy firy taona no asaina manao an'io fa toa lalina be le fanontaniana koh?

Misaotra mialoha e!

Efa eny amin'ny kilasy ambony ka(mitovy lanja ny eny amin'ny mpianatra amin'ny secondaire ireny,tsy any am-piangonana fa any am-pianarana.Mpianatra amin'ny fanjakana.Ary mazava ho azy fa mifangaro ny finoana.

7. fijo ( 15/11/2007 23:52)
loza raha eny no ampianarina fivavahana ny tanora
8. niryna ( 16/11/2007 00:24)
fijo:

za manokana aloh atsy homo,nefa kosa kosa dia tsy manameloka ny homo.amiko efa izay izy de hajaiko amin'ny maha izy azy

Tsy afaka manameloka olona isika na dia iray aza ka,marina tanteraka izany.
Ny fandaharan'Atra dia tsara avokoa izay nataony rehetra afatsy ny hoe tonga teo amin'ny fanaovana olombelona izy.
Nanao izao tontolo izao Izy ,ny lanitra sy ny tany
Ny hazavana :ny maraina sy ny alina
Ny rahona sy ny ranomasina sy ny tany
Ny zavamaniry sy ny biby rehetra na manidina na any anaty rano na ety an-tany.
Samy tsara daholo ireo tamin'Atra
Nanao ny biby maro aza izy dia notsofiny rano mba ho maro taranaka.(Gen 1:1-25)
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. Gen 1:26

9. niryna ( 16/11/2007 00:36)
Fijo a dia hoy indray Izy hoe Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. Gen 1:27
Ary dia nomeny tso-drano mba hiteraka sy ahazo fara mandimby hameno ny tany
http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=1&andininy=28-29&dika=
10. niryna ( 16/11/2007 00:37)
cutie:

miombon-kevitra @ fijo.


Marina izany tsy misy afaka manameloka isika fa Atra ihany no mahafantatra ny rehetra :D

11. niryna ( 16/11/2007 01:15)
fijo:

loza raha eny no ampianarina fivavahana ny tanora


Fa ahoana? Taloha niditra ny fivavahana ary hita fa nisy faharatsiany izany taty aoriana.
Mety fampianarana ny ankizy na ny tanora koa no antony mahatonga ity hiverina indray.

http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=19&andininy=1-10&dika=


Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodo­ma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-­maniry teo amin'ny tany Gen 19:24-25
12. bozyboleta ( 16/11/2007 05:08)
Efa hitan'ny fanjakana amerikana tokoa angamba hoe tena loza mananontanona ho an'ny tanora tokoa io homosexuality io, saingy tsy hitany intsony ny hamehezana azy satria efa diso malalaka loatra (mba tsy ilazana hoe baranahiny)le fiarahamonina. De izay no mahatonga azy mampiditra resaka religion any am-pianarana.
Satria fijery ara-pivavahana ihany no vahaolana @ io.
13. cutie ( 16/11/2007 05:09)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 16-11-2007 00:01:53
Lohateny : Re : Asiana manao lahatsoratra ny ankizy: Sodoma sy Gomora!
ndao mihintsy hiobona mafy e

hatrary ka hatraty :-D
14. cutie ( 16/11/2007 05:12)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 16-11-2007 01:37:49
Lohateny : Re : Asiana manao lahatsoratra ny ankizy: Sodoma sy Gomora!
Hoy i cutie:

miombon-kevitra @ fijo.



Marina izany tsy misy afaka manameloka isika fa Atra ihany no mahafantatra ny rehetra

mivoatra ny kristiana raha ohtran-jy :lol:
15. niryna ( 16/11/2007 12:14)
bozyboleta:

Efa hitan'ny fanjakana amerikana tokoa angamba hoe tena loza mananontanona ho an'ny tanora tokoa io homosexuality io, saingy tsy hitany intsony ny hamehezana azy satria efa diso malalaka loatra (mba tsy ilazana hoe baranahiny)le fiarahamonina. De izay no mahatonga azy mampiditra resaka religion any am-pianarana.
Satria fijery ara-pivavahana ihany no vahaolana @ io.

Mitombona izany ary misy resaka politika ihany koa io.
Hoy ry zareo mpanao politika sasany hoe efa fomban-javatra io.Izany hoe lazainy fa fomban-javatra ilay izy satria te-hisarika olona izy hifidy azy.:roll:
Ary Atra efa nanambara Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Isaia 55:8
Vokatr'izany no nanimban'Atra an'i Sodoma sy Gomora.dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy. Gen 19:5 .Vakio ny tantara ao amin'ny Gen 19
24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodo­ma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,

25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-­maniry teo amin'ny tany.

26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
Gen 19:24-26
16. niryna ( 16/11/2007 12:21)
cutie:

Mpandefa : fijo [ Valio ] 16-11-2007 00:01:53
Lohateny : Re : Asiana manao lahatsoratra ny ankizy: Sodoma sy Gomora!
ndao mihintsy hiobona mafy e

hatrary ka hatraty :-D

Dia ahoana no havalin'i cutie an'io na ny essay soratanao ao? :D
Mampalahelo ilay izy an.
Misy fanontaniana any hoe fa maninona ny olona no lasa homo na hoe "why do people become homosexuals?"

Ny olona dia mahafantatra an'Atra fa saingy tsy nivavaka taminy fa tamin'ny vogan-javatra na sari-vongana na idols na biby.fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Rom 1:21
Nomen'Atra safidy ny olona ka izay safidiny no navelany nataony rehefa tsy nety nihaino Azy.:cry:
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao, Rom 1:28
17. niryna ( 16/11/2007 12:25)
cutie:

Mpandefa : niryna [ Valio ] 16-11-2007 01:37:49
Lohateny : Re : Asiana manao lahatsoratra ny ankizy: Sodoma sy Gomora!
Hoy i cutie:

miombon-kevitra @ fijo.



Marina izany tsy misy afaka manameloka isika fa Atra ihany no mahafantatra ny rehetra

mivoatra ny kristiana raha ohtran-jy :lol:



:lol: cutie koa mandalina ka,ary tena deraiko amin'izany indrindra tonga dia milaza ny marina sy manitsy rehefa manao fiteny adaladala izahay ato .
Hitako hoe ao ambavan'ny zaza no omen'Atra fiderana Azy ny lehibe :D Tohizo fa tsara ary aza menatra ny manontany fa vonona foana aho raha fantatro ny valiny,rehefa tsy haiko dia misy hafa ihany koa mamaly foana. Izany ! Mahereza,ny Tompo anie hanome hery sy saina ho anao mandrakariva.:-*
18. niryna ( 16/11/2007 12:37)
Zavatra hita maro be ka tsy azo lavina ny fisiany no resahiko eto,mivavaka ho an'izay tratran'izany aho,tsy mora amin'izy ireo no voa an'izany.Tsy tokony hanameloka azy ireo koa isika.Izaho koa aza mba manana mpiara-miasa voan'io.Ny tantarany ?
Lahy izy ary mbola kely hono izy dia efa novetavetain'ny rainy,nanaraka ihany koa ny dadatoany.
Efa lehibe izy izao ary voaantso ho pasitera ilay rainy:roll: Izay angamba ilay fiteny hoe ny "fihevitro tsy fihevitrareo,ny lalako tsy lalanareo"(Isaia 55:8)
Dimy taona ny rainy,hatramin'izao hitenenako izao no mbola mangataka ity zanany famelan-keloka fa tsy mety mamela azy ilay zanany. Dimy taona izy mianaka no tsy nifankahita intsony,izany hoe rehefa voaantso ho mpitandrina ity rainy no vao maika nirongatra ny hatezeran'ity zanany,tsy nety namela,tsy nety niangona intsony,eny nomen'ny llhy peratra kely misy vato izay izy fa hanambady azy hono ilay lehilahy.:cry: Mangataka hivavahana izy,mivavaka azy foana aho hatramin'izay nahalalako ny tantarany,tsy afaka hiditra ao am-pony aho fa izy no mila manatona an'Atra. Mampalahelo,feno habibiana,teny ratsy,toetra mankahala ny rehetra,tsy ampy fitiavana,mifosa olona mbola ratsy lavitra noho ny vehivavy mifosa ary tena variana sy malahelo aho mijery azy.Tsy kivy kosa aho ny mivavaka azy satria izy aza mbola ao anaty maizina,mino koa aho fa ny rar indrindra ny rainy tsy mitsahatra manao izany koa.
19. niryna ( 16/11/2007 12:54)
Maninona ny ankizy no lasa homo ? Ary maninona no vao tany ambohoka dia lazaina fa efa homo?
Misy izany faly ny zavatra nahazo azy mbola kely na efa lehibe be,dia tiany ilay izy ary dia mijanona izy hono.
Misy tsy tia intsony ary dia maka na mitady olona mitovy azy no ataony noho ny fankahalany ilay nanao azy
Maro tokoa ny ray no manimba ny zanany vavy.Rehefa lehibe izany ny zanany dia mety tsy ho tia lehilahy intsony ,mety ho heveriny fa mitovy ilay rainy daholo ny lehilahy ,mba tsy haratra intsony izy hono dia aleony miaraka amin'ny vehivavy.Safidy io .
Misy fitenenana anefa fa Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. Oh 22:6
-Ny nanazaran'ny rar azy no mety hitarika azy ihany koa: Tsy nampianariny ny lalana tokony alehany(na nampanatonany an'Atra mba ahalala ny soratra masina),na mety tsy nanana zanaka lahy izy na vavy ohatra fa tena naniry izany dia nampanaoviny ilay akanjo tiany ho toy ilay lahy na vavy kely ilay zaza.Safidy ihany koa io fa tsy hampiova ilay zaza akory izany
Noho ilay heloky ny ray tsy heloky ny zanaka kanefa ilay fahasoavana nomen'Atra mifindra amin'ny taranaka aman-jafy sy ny ota ary ny heloka dia voaozon'atra hatramin'ny taranaka aman-dimby rehetra.
Kanefa isika izay velona izao no tokony hangataka sy hanatona an'i Tompo mba ho voavonjy ny taranaka ao aoriana(we have to broke the satan's chain),manapaka ny fatotr'i Satana. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra. II Pet 3:9

20. fijo ( 16/11/2007 22:01)
niryna an,raha nay ampianarana no ampianarina hanavaka ny homo sahady ny zaza loza be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567