Toy ny voromahery !!!

1. niryna ( 14/11/2007 06:50)
Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elanyDeot 32:11
Inona no zavatra azontsika tsoahina amin'io vorona io?Ny masony mitsinjo lavitra,mitady sakafo. Mety mahita hafa koa hianao.
Matetika Atra dia manao fanoharana sy mampiasa ny toetran'ny voromahery.
Ho antsika izany dia afaka tarafina hoe rahoviana isika no vonona hanatona an'Atra?Rahoviana isika no hanomboka hametraka ny fiainantsika eo am-pelantanany amin'izay?

Ny voromahery no anisany matanjaka,mahira-tsaina,ary mahita lavitra,manidina lavitra dia lavitra,eny ambon'ny vato.
Eny ambony vato avo dia avo izy no mametraka ny tranony ary ny lahy no manao izany mandra-piteraky ny vavy.Mahatratra hatramin'ny 2 taona (2 tons) hono ny trano ataony ary dia maka ireny baolina tennis, ,kiraro ary izay karazana zavatra ataony kilalao ho an'ny zanany.
Rehefa teraka ilay vorona dia finaritra ery eo ambany elatry ny reniny,hiandrasany ho lehibe ary dia ampianariny ho hary elatra.Hoentiny misidina avo dia avo miaraka ilay kilalao kely,alefany andeha irery ary tatazany avy eo.Averimberiny toy izany ary farany dia mahay manidina ary dia mahaleontena irery.
Hiatrika ny fahoriana maro ilay zanany kanefa dia mianatra miandalana ary dia lasa matanjaka sy mahita lavitra ary mitady sakafo irery amin'izay.

Ahoana no azo ampiharantsika izany fiainan'ny voromahery izany amin'ny maha -kristiana?

Misaotra mialoha.
novalian'i niryna ny 19/11/2007 06:55
2. cutie ( 14/11/2007 20:39)
Rehefa teraka ilay vorona dia finaritra ery eo ambany elatry ny reniny,hiandrasany ho lehibe ary dia ampianariny ho hary elatra.Hoentiny misidina avo dia avo miaraka ilay kilalao kely,alefany andeha irery ary tatazany avy eo.Averimberiny toy izany ary farany dia mahay manidina ary dia mahaleontena irery.
Hiatrika ny fahoriana maro ilay zanany kanefa dia mianatra miandalana ary dia lasa matanjaka sy mahita lavitra ary mitady sakafo irery amin'izay

samihafa be reo ry Nirina a
raha @le maha krisitiana tsy misy mahaleo tena zanyhandeha rery zany fa mbola miankina @Atra foana , raha tsy we tsy mila an'Atra nga :-D
3. fijo ( 14/11/2007 21:45)
mandrangotra be izany voromahery izany ka ratsy
4. cutie ( 14/11/2007 21:47)
fijo
aleo saka tsy mandrangotra :-D
5. ikaretsaka ( 14/11/2007 22:00)
Fantatro aloha fa Rapace (fa tsy rapasy) ny voromahery e, ny filazan'ny olona dia hoe ohatran'ny papango sy ny hitsikitsika hono ny fihetsik'ireny, dia tahafiko @ ireny f'ireny manko no nahazatra anay tambanivohitra itony!
Aminay, rehefa mandalo ireny vorona ireny dia tena koropaka be tokoa ny tantsaha mampody ny akoho amam-borona , sy ny biby aty ambany mihery, sao hitany de paohan'izany manko de haniny! tsy asiany andra mihitsy na ny akoho na ny gana na ny bitro.. eny na ny sakakely koa aza!
amiko ireny biby masiaka
ny fahafantarako ny voromahery hafa koa, ankoatran'ny hitako @ volan'amerikanina, sy any @ zoo, dia ny volony ataon'ny Mena hoditra firavaka, dia anarana ekipa mpanao kitra be tany @ tanana io (voromaherin'Alaotra)
tsy haiko ireny na fihinana na tsy fihinana fa ny secte-ko moa tsy mihinam-borona ko!
6. fijo ( 14/11/2007 22:10)
maty aho sekta le
7. cutie ( 15/11/2007 04:51)
ohtran'ny mijery PBS za @ fintantaran'i Nyrina azy :)
8. niryna ( 15/11/2007 05:23)
cutie:

Rehefa teraka ilay vorona dia finaritra ery eo ambany elatry ny reniny,hiandrasany ho lehibe ary dia ampianariny ho hary elatra.Hoentiny misidina avo dia avo miaraka ilay kilalao kely,alefany andeha irery ary tatazany avy eo.Averimberiny toy izany ary farany dia mahay manidina ary dia mahaleontena irery.
Hiatrika ny fahoriana maro ilay zanany kanefa dia mianatra miandalana ary dia lasa matanjaka sy mahita lavitra ary mitady sakafo irery amin'izay

samihafa be reo ry Nirina a
raha @le maha krisitiana tsy misy mahaleo tena zanyhandeha rery zany fa mbola miankina @Atra foana , raha tsy we tsy mila an'Atra nga :-D



Marina izany,tsy misy mahavita tena,fa azo tahafina ny voromahery sy ny karazana biby maro samy hafa ny fiainana. Aleo aloha ny voromahery no teneniko dia avy eo isika miditra ireo karazana biby izay manana toetra maro tokoa.
Amin'ny maha mahery io vorona io dia io foana no matetika nataon'ATra fanoharana.
Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. Eks 19:4
Hitan'i cutie io koa izao misy iray.8)
Io ilay resahiko eo ambony hoe am-pianarin'ny reniny hanidiny ny zanany ary rehefa mitady hianjera dia samboriny avy amin'ny elany.Dia Atra koa nitondra ny Israely hiala tao Egypta.Dia ataony fanoharana amin'Israely indray izany satria somary mafy loha ireo rehefa afaka ny fanandevozana nahazo azy tany Egypta.Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany, Deot 32:11

Misy hira gasy koa aza manao fanoharana hoe ari-elatra hianao ka nandao.:cry:
Na aiza no misy antsika dia eo ambanin'ny fiadidin'Atra foana isika.
9. niryna ( 15/11/2007 05:24)
fijo:

mandrangotra be izany voromahery izany ka ratsy

Fa matanjaka sy avo fijery izy ka mahita ny amban'ny lanitra:D

10. niryna ( 15/11/2007 05:27)
cutie:

fijo
aleo saka tsy mandrangotra :-D

Na saka na alika na bibilava izay biby ompiana rehefa voahitsaka ny rambony manaikitra na mety mandrangotra foana izy.Ny bibilava moa dia e,e, asa na ilay hoe lozanareo bibilava taranaky ny menarana,fa betsaka ny olona tompony izay misy miara-matory( toy ny alika) no maty vonony :roll:

11. niryna ( 15/11/2007 05:29)
ikaretsaka:

Fantatro aloha fa Rapace (fa tsy rapasy) ny voromahery e, ny filazan'ny olona dia hoe ohatran'ny papango sy ny hitsikitsika hono ny fihetsik'ireny, dia tahafiko @ ireny f'ireny manko no nahazatra anay tambanivohitra itony!
Aminay, rehefa mandalo ireny vorona ireny dia tena koropaka be tokoa ny tantsaha mampody ny akoho amam-borona , sy ny biby aty ambany mihery, sao hitany de paohan'izany manko de haniny! tsy asiany andra mihitsy na ny akoho na ny gana na ny bitro.. eny na ny sakakely koa aza!
amiko ireny biby masiaka
ny fahafantarako ny voromahery hafa koa, ankoatran'ny hitako @ volan'amerikanina, sy any @ zoo, dia ny volony ataon'ny Mena hoditra firavaka, dia anarana ekipa mpanao kitra be tany @ tanana io (voromaherin'Alaotra)
tsy haiko ireny na fihinana na tsy fihinana fa ny secte-ko moa tsy mihinam-borona ko!



Misaotra anao nizara,inona no hidiran'ny secte amin'izany =))=))=))
12. niryna ( 15/11/2007 05:51)
ikaretsaka:

ny fahafantarako ny voromahery hafa koa, ankoatran'ny @ volan'amerikanina, sy any @ zoo, dia ny volony ataon'ny Mena hoditra firavaka, dia anarana ekipa mpanao kitra be tany @ tanana io (voromaherin'Alaotra)
tsy haiko ireny na fihinana na tsy fihinana fa ny secte-ko moa tsy mihinam-borona ko!

Marina izany ary mbola misy ihany koa ny mariky ny Post office
http://www1.istockphoto.com/file_thumbview_approve/1415570/2/istockphoto_1415570_bald_eagle.jpg

http://www.union.arizona.edu/retail/usps/usps_logo.gif
Dia asiany soratra hoe "Fly like Eagle!
Vetivety dia tonga ny taratasy !
Ny baiboly kosa dia mampiseho antsika fa izay rehetra miandry an'Atra dia hanana hery toy ny voromahery.
Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka. Isa 40:31
13. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:31)
Fly Like an eagle: mandeha be sy rapide be !
fa tsy haiko izy raha mandeha nohon'ny anjely aloha e
14. fijo ( 15/11/2007 22:32)
aza manomboka manonofy anjely eo letsy e
15. ikaretsaka ( 15/11/2007 23:08)
ka i niry7na ihany io mampanofy ririnina io nefa izao mbola automne ko
16. fijo ( 15/11/2007 23:09)
hummm hanidina eo koa fa ataovy ary
17. ikaretsaka ( 16/11/2007 00:04)
ary aleo hihafina sao paohany eo.
ampidiro ny akoho!
18. niryna ( 16/11/2007 01:51)
ikaretsaka:

Fly Like an eagle: mandeha be sy rapide be !
fa tsy haiko izy raha mandeha nohon'ny anjely aloha e


Iza?Toy ny eagle hono no tokony ataon'ny kristiana!
Hafiriana isika no hanankina ny fiainantsika amin'Atra?
Hatraizany ny fanatonantsika Azy.

Raha resaka papango sy ny akoho kely indray dia mampaleho saingy isika olombelona koa aza mba mihaza kou.Dia tonga koa ny liona manenjika ireo mpihaza.
" Food chain " io ry ika a
Tsy azo asiana alahelo ilay izy satria efa voasoratra fa ny biby rehetra izay natao hohanina afatsy izay tsy tiako hohanina ihany.
Ny papango mifoaka zanaka akoho,ny akoho mihinana kakana,ny kakana alaina hanjonoana trondro.Ny trondro ? ao ambava! Am-bava homana am-po mieritreritra :D
19. niryna ( 16/11/2007 01:52)
fijo:

aza manomboka manonofy anjely eo letsy e



:D Misy ny anjely ka,miaraka amintsika izy ary misy koa ny anjely maity :roll:
20. ikaretsaka ( 16/11/2007 16:03)
niryna.. izay no tsy ampitoviako tena @ vorona ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556