Toy ny voromahery !!!
26. niryna
(
18/11/2007 04:46)
Rasiligaoma:
ny Aigle izany kiraro amiko: aigle d'or
Aigle d'or malaza,mafy kiraro sy mihaja. o^o
27. ikaretsaka
(
18/11/2007 14:52)
ny aigle koa hono tia manao ny akaniny eny ambony be eny, manava tena izany ..
dia ny atodina aigme hono no sady vitsy no be lamokany indrindra raha samy vorona
dia ny atodina aigme hono no sady vitsy no be lamokany indrindra raha samy vorona
28. niryna
(
18/11/2007 17:00)
ikaretsaka:
ny aigle koa hono tia manao ny akaniny eny ambony be eny, manava tena izany ..
dia ny atodina aigme hono no sady vitsy no be lamokany indrindra raha samy vorona
Mbola tsy tapaka manome fahasoavana ho an'ny tsirairay foana Atra hatramin'izao fa ny olombelona no be siasia.
29. niryna
(
18/11/2007 17:03)
Rasiligaoma:
ny Aigle izany kiraro amiko: aigle d'or
Ka izay no nangalana ny anarany,sady malaza. Ka tian'Atra mba hatanjaka toy ny aigle koa ny finoantsika,tiany ho mafy orona amin'ilay vato fehizoro dia i Kristy izany. Nalain'ny olona tahaka ilay anarana vorona fa tena mary tokoa ilay kiraro an.Hividy iray aho izaho rehefa manambola :D
30. ikaretsaka
(
18/11/2007 18:37)
malaza ve de atao amin'ny tongotra? hafa indray izany fijery izany anaka!8O
31. niryna
(
19/11/2007 06:55)
ikaretsaka:
malaza ve de atao amin'ny tongotra? hafa indray izany fijery izany anaka!8O
:D
Aleo amin'izay ary aho hiverina any amin'ny sujet-ko.8)
Raha vao mikotrika ny eagle dia mijanona ao anatin'ilay ankany namboarin'ny lahy izy
(8ft x 10ft x 20ft)
1feet=30cm
Ny lahy no mitondra sakafo sy kilalao ho an'ny zanany.
Rehefa lehibe ireo zanany dia ampianariny hisidina ary averimberin'ny reniny foana izany mandra-pahaizan'ilay zanany hikopaka elatra.
Rehefa mahay manidina amin'izay ireo zanany dia lasa mandeha irery,hiatrika fiainana vaovao,fahavalo maro.
Toy izany ihany koa isika kristiana na nataoko fanoarana aza ny toetra izay ataon'ireo vorona maro.
Toy ireo vorona kely izay mandeha irery,maro ny fahavalo sy ny zavatra mety hiatra antsika,
indraindray koa isika dia mihevitra fa toa lavitra antsika Atra kanefa dia eo mandrakariva Izy,tsy tiany hatahotra isika na hiverin-dalana fa tsy maintsy miatrika izay zavatra mitranga ary manankina izany Aminy.
Ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia mahatonga antsika hiantehitra Aminy be be kokoa.Ary mianatra manangana ny fiainantsika eo ambonin'ny vato fehizoro koa dia i Kristy izany.LK 6;47-48.
Rehefa manatona an'Atra isika dia hiova tsikelikely ireo toetra izany nataoko fanoharana ny toetr'ny vorona ireo.Mangataha Azy ny hanova antsika fa tsy vitantsika irery izany.Fitiavana no zava-dehibe voalohany amin'izany dia ny mitia ny tenantsika.
Izay hafafy no ho jinjaina (Gal 6:7)
Manomboka miezaka ny mitia olona isika raha te-ho tiavina.Raha tsy manana fifaliana na fahasambarana isika dia miezaka ny mampifaly ny hafa sy mampiseho izany fahasambarana izany amin'ny hafa.Izay tianao ataon'ny olona aminao hoy ny teny dia mba ataovy aminy ihany koa. Izay ilay izy:D
