Mivoatra ve ny fahazoan'ny Kristianina ny Soratra Masina

1. piste ( 13/11/2007 18:14)
Dia izay izany ko, fa miandry ny hevitrareo.
novalian'i fijo ny 16/11/2007 23:25
2. pissoa ( 13/11/2007 18:56)
Ny fahazoako tsy mivoatra, ary Kristianina aho - donk ... :oops::-D:-D:-D
3. ikaretsaka ( 13/11/2007 21:33)
arakarak'ilay "kristianina" io!
4. fijo ( 13/11/2007 22:22)
izay ,tsy hay intsony moa izay tena atao hoe kristianian,fa toa ahitana hendrika maro nareo ato ko
5. pissoa ( 13/11/2007 22:41)
Fijo : enaro refa tsy hay ... :-D:-D:-D:-D:-D
6. fijo ( 13/11/2007 22:47)
ka tsy hay izay tena izy ko.
ny sasany variana manofy ny any an danitra ,tsy mahita izay misy eto intsony,
ny sasany mba mijery izay eto ihany na dia mino aza,ny sasany manao tsianjery be foana.
tsy hay e
7. ikaretsaka ( 13/11/2007 23:01)
hihihihi izay ange no lazaiko hoe arakarakilay "kristianina" sy ilay "soratra masina" tiana hanatao ho azony no tena iankinan'io
8. fijo ( 13/11/2007 23:04)
izahay moa de aleonay misintaka tsy homamo ao ko
9. soanja ( 14/11/2007 00:39)
I doubt it!
Homba Antsika Mianakavy anie ny Tompo!
10. ikaretsaka ( 14/11/2007 02:48)
et cum spititu tuo
11. niryna ( 14/11/2007 06:24)
Arakaraky ny fotoana omenao ny Tompo io.Raha mangetaheta ny SM foana foana hianao dia mitady ilay teny ary satrinao ho eo foana handalina.:D
12. piste ( 14/11/2007 08:22)
Aleo hazavaina bebe kokoa :
Ohatra voalazan'i Jesoa : raha misy tia ahy mihoatra ny rainy na ny reniny na ny havany dia tsy mendrika ny ho mpianatro.Hevira ankapobeny io an.
Dia nisy nanaraka ara-bakiteny ka rehefa nanao mompera na masera, dia izay tsy te-hahalala ny havany intsony.
Voalazan'i Md Paoly koa fa tsy tokony hiteny ny vehivavy eny am-pivoriana, ary tokony hanaja ny tompony ny andevo.
Raha @ izao fotoana izao misy antsika izao dia tsy mitombona intsony angamba izany.
Koa ny fanontaniana eto : lany andro ve ilay tenin'Andriamanitra sa misy fomba hafa tokony hamakiantsika azy.
Tsy izany manko fa maromaro ihany ny tenin'ny Soratra Masina manahirana ny mandray azy, ary misy ny sasany ohatry ny efa tsy mitombona intsony.
13. sarobidy ( 14/11/2007 08:23)
Fa ôtry ny aôna le oe mivoatra tin'i piste tenenina e :oops:
14. piste ( 14/11/2007 08:34)
Ny heviny na sens-ny no tiako lazaina. Ho ahy manko dia tsy chose toute faite na vérité statique ny teni'Andriamanitra: ohatry ny hoe
2+2 =4
Dia marina foana io ary ho marina hatrany.Toy ny verité mathématique izany e.
Fa raha milaza kosa Md Paoly ao Soratra Masina : ianareo andevo manajà ny tomponareo, maneke azy, sns.
Dia mbola marina foana ve io hatramin'izao, ary midika ve izany fa manaiky ny fisian'ny fanandevozana i Md Paoly ?
15. xl ( 14/11/2007 10:36)
Mivoatra be ny fivavahana satria mia miala @ sampy sy ody ary famadihana... ny olombelona
Miasa andriamanitra izany : Ray ,Zanaka ary Fanahy Masina,
Amen
16. pissoa ( 14/11/2007 10:56)
Mivoatra ve ... (araka ny fahazoako ilay famaritana nomen'i Piste) ?

Raha jerena avy eny amin'ny volana, izany hoe atambatra daholo ny Kristianina dia mivoatra be loatra aza angamba raha tsy hijery hafa tsy ny hamaroan'ny fandraisana ny andalana maromaro ao amin'ny Baiboly. Raha jerena araka ny tsirairay kosa nefa dia hita fa misy fahasamihafana be amin'ny fahazoan'ny olona azy, ohatra iray ny dikan'ny hoe "Sabata" - (hi hi hi, misy efa te hanoratra lava be sahady izao mikasika an'io :-D:-D:-D ) Mety hahatarafana "tsy fivoarana" angamba izany. Rehefa mivoatra koa ilay izy na tsy mivoatra dia mbola fanontaniana hafa ny hoe mivoatra tsara (araka ny mahaKristianina) ve sa "mivoatra ratsy".

Sarotra be le size ! Ny marina koa angamba dia mila fahaizana Soratra Masina mihoatra noho ny fahaizako azy ny famaliana :-D:-D:-D
17. ikaretsaka ( 14/11/2007 13:58)
piste:

Aleo hazavaina bebe kokoa :
Ohatra voalazan'i Jesoa : raha misy tia ahy mihoatra ny rainy na ny reniny na ny havany dia tsy mendrika ny ho mpianatro.Hevira ankapobeny io an.
Dia nisy nanaraka ara-bakiteny ka rehefa nanao mompera na masera, dia izay tsy te-hahalala ny havany intsony.
Voalazan'i Md Paoly koa fa tsy tokony hiteny ny vehivavy eny am-pivoriana, ary tokony hanaja ny tompony ny andevo.
Raha @ izao fotoana izao misy antsika izao dia tsy mitombona intsony angamba izany.
Koa ny fanontaniana eto : lany andro ve ilay tenin'Andriamanitra sa misy fomba hafa tokony hamakiantsika azy.
Tsy izany manko fa maromaro ihany ny tenin'ny Soratra Masina manahirana ny mandray azy, ary misy ny sasany ohatry ny efa tsy mitombona intsony.


Misy fomba hafa tokony hamankiantsika azy!
fijeriko:
Ny ahy ry Piste par contexte, symboles. no angalako azy fa tsy par tsimpona sy andalan-teny 1 na 2, zahako manko tsy tia io borborne hoe "hatreto ihany" io.

Raha vao tsimponina manko dia mifanohitra be mihitsy mihitsy
Ohatra voalazan'i Jesoa : raha misy tsy tia ahy mihoatra ny fitiavany ny rainy na ny reniny na ny havany dia tsy mendrika ny ho mpianatro

Dia misy ilay voalazan'i Jesoa raha nisy nanontany hoe iza no namako, rahalahiko sns ... ny madinika (dia eo efa hafahafa ihany : iza no madinika?) ilaozana dans quel sens?

Eo @ ilay tenin'i Md paoly : "tsy tokony hiteny ny zao sy zao" sns.. dia resaka symbole d'obedience @ hierarchie fa tsy hoe vehivavy sy andevo, @ maha vehivavy sy andevo azy ara bakiteny
(jereo ny fanazavako azy atsy @ 13th apostles atsy)
Resaka "infaillibility" izany e
18. bosista ( 14/11/2007 18:10)
ny ahy indray de izao: mba mpivavaka tokoa ve isika mandray anjara amin'ny resaka forum fivavahana ity sa tsia? satria...
19. ikaretsaka ( 14/11/2007 19:28)
satria mitsimpona ve?
tokony mba fantatra ihany ny satria nahoana fa manjary mivavava-poana sy kristianintianim-poana e, any no tokony iompanan'ilay fivoarana amiko :ny fandinihana sy ny fahazoana!
20. cutie ( 14/11/2007 21:59)
Mpandefa : piste [ Valio ] 13-11-2007 19:14:28
Lohateny : Mivoatra ve ny fahazoan'ny Kristianina ny Soratra Masina
Dia izay izany ko, fa miandry ny hevitrareo

tsy mivoatra mitsy
jereo eo eto @ forum fotsiny :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0647