Toy ny tanamasoandro ka samy maka ny tandrifiny!

1. niryna ( 12/11/2007 13:01)
Efa nahita tanamasoandro mamelana ve hianao?
Raha vao maraina dia manaraka ny fiposan'ny masoandro izy ary raha hariva ny andro dia manaraka ny filetin'ny masoandro ihany koa.

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
Nomerao 6:24-26

Raha ny voninkazo tanamasoandro aza manaraka sy mahafantatra manaraka ilay masoandro,ahoana tokoa re no fifaliana miandry antsika sy ho diavintsika raha manaraka ny sitrapon'Atra isika e! :D

Anisany fahasoavana iray lehibe nomeny antsika ny safidy.Afaka mampiasa izany safidy izany isika hanomezana voninahitra ny Tompo.Antsika rehetra ny safidy-izaho sy hianao.

Misaotra ray fa nampifantarinao anay isan'andro ny voninahitrao sy ny famindra-ponao ka nananay fiadanana sy fifaliana.Manana fanantenana tokoa izay manankina ny fiainany Aminao.Ampio izahay mba hanankina ny fiainanay aminao, handray ny teninao ,hanaraka ny fahatrao amin'ny fiainanay isan'andro.
Amin'ny anaran'i kristy Tompo ^:^
novalian'i niryna ny 17/11/2007 04:54
2. ikaretsaka ( 12/11/2007 16:53)
fa ity mba tsetsatsetsa tsy aritra! fa maninona kay ohatra no bokin'ny Fanisana (nomery) no tanisaina dia "amin'ny anaran'i Kristy Tompo" no amaranana azy?
Fa tsy hoe "amin'ny anaran'ny Ray" (sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina) ohatra!

Di any tsy azoko koa: rehefa mivavaka ve dia ny hoe" ampio", "omeo", 'ataovy" foana no 80%
Fa rare no misy hoe "mifona aho" na hoe "dera ho anao" na hoe "hiezaka aho"... eio eo @ 15% eo
dia ny 5% lany @ oka sy ny fankana place sy ny wawawa?
3. niryna ( 12/11/2007 20:02)
ikaretsaka:

:D
4. niryna ( 12/11/2007 20:37)

http://baiboly.org/toko.asp?boky=HEBREO&toko=12&andininy=1-3&dika=

Satria ny Rainy no nanome ny Zanany dia i kristy izany,ho Mpanavotra antsika.Hisaorana mandrakariva ny Ray ary noho ny famonjena nomen'i Kristy ho ahy sy ho anao ary ireo izay mino Azy,noho Izy irery no lalana mankany amin'ny Ray dia hisaorako koa Izy.Satria Izy no teteza-mita mankany amin'ny Ray ka tsy ho hadino tokoa ny hisaotra Azy.Tsy hiantso olon-kafa aho fa ireo ihany dia am-py sy ireo ihany no tadiaviko sy tadiavin'izay mino Azy.Afaka misaotra ny FM koa aho satria miaraka amiko isan'andro Izy sady Izy no mitari-dalana amin'izay ataoko rehetra.Miaraka amiko isa-minitra,tsy misaraka. " Ny Fanahin'i Kristy no miara-dalana sy ao amin'izay rehetra mino Azy.(raha tsy mino Azy izany dia mety ho fantatrao ny tohiny...) :oops:
Mahereza hatrany miantso sy mitady Azy.
5. cutie ( 12/11/2007 20:38)
Raha ny voninkazo tanamasoandro aza manaraka sy mahafantatra manaraka ilay masoandro,ahoana tokoa re no fifaliana miandry antsika sy ho diavintsika raha manaraka ny sitrapon'Atra isika e!

miakatra velona any andanitra daholo isika rehetra :lol:
6. rabilabila ( 12/11/2007 20:42)
:-D:-D:oops:=))
7. cutie ( 12/11/2007 20:45)
andramo e :-D:-D:-D:-D
8. niryna ( 12/11/2007 20:48)
cutie:

Raha ny voninkazo tanamasoandro aza manaraka sy mahafantatra manaraka ilay masoandro,ahoana tokoa re no fifaliana miandry antsika sy ho diavintsika raha manaraka ny sitrapon'Atra isika e!

miakatra velona any andanitra daholo isika rehetra :lol:

=D=D May God bless you and give you strengh,always cutie^:^
9. ikaretsaka ( 12/11/2007 20:55)
niryna> dia naninona no tsy natao hoe vakiantsiak izany @ anaran'ny Aa 1 olona 3?
10. mandrak ( 12/11/2007 21:10)
cutie> :-D:-D:-D
11. niryna ( 12/11/2007 21:11)
ikaretsaka:

niryna> dia naninona no tsy natao hoe vakiantsiak izany @ anaran'ny Aa 1 olona 3?

=))=))
12. ikaretsaka ( 12/11/2007 21:14)
maninona no tsy hazavaina fa de tokelaka eo fotsiny!
Cutie... hivavahan'i niryna eo de hisy miracle eo dia hivadika ho sunflower eo ndry fa!:wink:
13. niryna ( 12/11/2007 21:31)
ikaretsaka:

maninona no tsy hazavaina fa de tokelaka eo fotsiny!
Cutie... hivavahan'i niryna eo de hisy miracle eo dia hivadika ho sunflower eo ndry fa!:wink:

Fa angaha tsy fantatrao fa afaka mivavaka ny tsirairay izay mino an'Atra? Na ireny milaza azy ho mpanohitra ny tenin'Atra ireny aza dia mila vavahana.Mila mivavaka vao miditra ato.Tsy ny herin'ny tenantsika no hitoriana ny tenin'Atra fa ilay hery izay miaraka amin'izay mino Azy dia i kristy izany. Mila mivavaka,mila mamela,mila mifona. Na im-telompolo kely aza hianao no mivavaka ka mieritreritra hoe tsy mahazo valiny,mamaly foana Atra saingy isika no be siasia.
14. rabilabila ( 12/11/2007 21:35)
Mila mivavaka vao miditra ato

Kay 'zay vô azoko ny mapikatso ilay solosainako :oops::-D=))
15. niryna ( 12/11/2007 21:44)
ikaretsaka:

maninona no tsy hazavaina fa de tokelaka eo fotsiny!
Cutie... hivavahan'i niryna eo de hisy miracle eo dia hivadika ho sunflower eo ndry fa!:wink:

Raha ny nofo no malemy nefa kosa raha miaraka amin'Atra tsy matahotra na inona na inona.Tsy afaka ny hivavaka ny hafa koa aho raha ny heriko irery,miaraka amin'Atra aho dia afaka hivavaka.Manaova fanandramana raha mbola tsy nivavaka olona hianao.Tsy misy fifaliana toy izany ety an-tany rehefa mahazo hery ilay olona sy hianao mivavaka azy. Aiza moa no misy iny teny iny ry ika?
Aoka ihany fa tadidiko.Misaotra mialoha.

Ity ataovy ao an-tsainao mandrakariva,fa hamelombelona ny vatana sy ny saina ary ny fanahinao io.Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana.Mat 7:7

Maka ttsy kely dia ataovy ao am-paosy,ampitombohy isan'andro.:idea: Rehefa misy mahazo ny hafa iny dia omeo hery izy ka ambarao azy fa hoy ny Tompo hoe "....Izay mangataka dia omena,izay mitady dia ahita,izay mandondona dia hovahana. "
Sady mipetraka ao an-tsainao ilay izy ary rehefa misy mahazo indray andro any(sanatria io an).Hoy niryna niteny ilay soratra masina hoe....:roll: Raha mangataka hono aho dia omeny .... dia izay.
16. ikaretsaka ( 12/11/2007 21:48)
nga moa i niryna in 30 ihany? sady misereasera no manao saple
17. niryna ( 12/11/2007 21:52)
rabilabila:

Mila mivavaka vao miditra ato

Kay 'zay vô azoko ny mapikatso ilay solosainako :oops::-D=))

Toa vaovao amin'izany angaha hianao? Mahery ny herin'ny ratsy ary mitady harapaka izay mitory ny tenin'Atra.Ataony tsy tafiditra izay hery ratsy amin'ilay olona.Miditra izy fa izay kely fisainana sy manaraka ny herin'ny ratsy no mandray ireo mamadika ny tenin'Atra.Ireo zanany kosa dia omeny herin'ny FM ka afaka miady amin'ny herin'ny ratsy,tsy matahotra,tsy manao lolom-po ireo mankahala ny tenin'Atra.Tsy ireo olona ireo tsinona no miady amin'ilay olona mitory ny tenin'Atra dia tsy mila tezitra na anao teny hafa aminy.Azonao amin'izay ny antony tsy maintsy hivavahana? Tsy ato ihany fa amin'izay zavatra rehetra.Atra velona ny Atra hivavahana ary miharo sy manampy amin'izay fotoana hitadiavana azy." Fantany koa ny ondriny ary fantany ny feony,"

Ho tanteraka tokoa anie izany.Antsoy Izy fa tsy lavitra anao.:D
18. ikaretsaka ( 12/11/2007 21:54)
ary tsy nivavaka izany i niryna t@ ireny nampikatso ny solosainanao ireny raha ny fahazoako azy?
19. niryna ( 12/11/2007 21:57)
ikaretsaka:

Cutie... hivavahan'i niryna eo de hisy miracle eo dia hivadika ho sunflower eo ndry fa!:wink:

HS indray ika izany.:roll:
niryna:

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;

Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. Nomerao 6:24-26

Raha ny voninkazo tanamasoandro aza manaraka sy mahafantatra manaraka ilay masoandro,ahoana tokoa re no fifaliana miandry antsika sy ho diavintsika raha manaraka ny sitrapon'Atra isika e!

Anisany fahasoavana iray lehibe nomeny antsika ny safidy.Afaka mampiasa izany safidy izany isika hanomezana voninahitra ny Tompo.Antsika rehetra ny safidy-izaho sy hianao.
:D
20. ikaretsaka ( 12/11/2007 22:10)
ka ilay sitrapon'Andriamanitra amiko ange tsy ho sitrapon'Aa amin'i niryna mihitsy e
Izay ilay hoe niryna niryna de ikaretsaka ikaretsaka,
fa tsy hoe ikaretsaka tsy maintsy lasa ho niryna satria nahita i niryna fa i niryna rery no tena hmmm.
nefa koa ikaretsaka tany aminy tany nahita hhhmmm be t@ Aa koa:-D
izay le tsy mety
raha nahita Hmmm be any i niryna dia ny maha hmmm be an'i niryna any jerena fatratra alohafa tsy mainka hisintona an'ikaretsaka any sao hmmm be lavitra ny an'ikaretsaka ka ho vasoka eo i niryna!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0499