toaka: fahavalo ve?

1. Kwasi ( 08/11/2007 13:23)
Raha tsy nisy ny toaka dia be no lasa adala. Soa ihany.
Raha tsy nanana fahafahana hamono ny eritreriny @ toaka ny olona dia mety hisy fiantraikany @ sainy ny fitambesarana sy ny fivangongoan'ny olana eritreretiny lava ao. Mba hahafahan'ny saina miasa ara-dalana anefa dia mila miala sasatra izy io. Eo anoloan'ny rotorotom-piainana anefa dia tsy ny rehetra no afaka mampi-relax ny sainy @ fomba normal. Ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe soa ihany fa teo ny toaka ho hitsin-dalana.
Ekena fa tsy manala ny problem misy akory izy, fa kosa mba anisan'ny support manamaivana ny stress.
(Nefa na izany aza raha mpisotro ianao dia aza manararaotra be loatra fa sady manimba ny fahasalamana izy io no mety hampanao anao ny fomba tsy fanao)
2. ari.malala ( 08/11/2007 14:08)
de refa misava ve ny hamamoan'i kwasi de tena adino daolo tokoa lay problema nisotroana toaka? de tsy marary avy eo, de tsy lany vona avy eo? sa tsy kotiana izany rehetra izany fa ny fahasambarana sarintsariny vetivety teo no jerena?
3. simplex ( 08/11/2007 14:31)

tany i Kana i kristy nanamboatra maromaro :P
4. soanja ( 08/11/2007 16:04)
Ny TRANSHUMANISTS na ireo izay mitady (siantista sy ny filozofy ary ny hafa mifandraika amin'io) ny hanatsara ny fiainantsika olombelona dia tsy mitsahatra ny fomba hamaliana io fanontanianao io ry Kwasi.

Ny fanafody na drugs antsoina hoe Propanolol dia manalefaka ny fitadidiana ny zavatra manahirana tany amin'ny lasa ; toy ny lagera, accident mahatsiravina, viol sns, ka io fanafody io dia mi-block ny stress hormones amin'ny memory formation raha toa ka raisina juste apres ny nitrangan'ny trauma.
Misy koa ny fanafody antsoina hoe ZIP na Zeta Inhibitor Peptide izay amin'izao fotoana izao mbola hanaovana fikarohana ka mbola tsy nandramana amin'ny olombelona saingy miasa amin'ny voalavo.

Ny asan'ny Transhumanista anefa dia mijery hoe raha hampiasaintsika io fanafody farany io dia mety hisy koa ny fiantraikan'izany amin'ny asa-ratsy zany hoe ireo olona nanao ratsy na nanimba ny hafa nefa tsy hahatsiaro diso izay nataony na nanadino tanteraka izay nataony ka tsy hisy guilt. Dia eo no miaramiasa ny siantista sy ny filozofy noho izany.

Ny hanatsarana ny tenanao mantsy no zavadehibe amin'ny olombelona tsiraidray saingy ny fieritreretana ny hafa kosa dia zavadehibe ho an'ny tontolontsika olombelona.
5. ikaretsaka ( 08/11/2007 16:06)
rehefa mahalala ny antonony dia izay no mety e
6. xxx ( 08/11/2007 16:30)
raha ny toaka kosa tsy azonay ialana
satrìa mampitombo fahasalamana
na olona efa miasa na mpanatra
izay misotro azy toa sambatra
ka ataonay mafy ho rem-bahoaka
ho ela velona anie izay misotro toaka
he he hehe
mahatsiaro ny hiragasinay fahiny aho e
7. Kwasi ( 08/11/2007 17:13)
ari> Tsia tsy hadino akory ny problem rehefa misava. Fa ny saina kosa efa mba niala sasatra kely. Ka le fait de hoe nanadino tanatin'ny fotoana fohy no tena zava-dehibe. Hoatry ny hoe nitondra enta-mavesatra ianao dia mba somary manary dia kely mijery na mandrevy kiraro eny @ pavillon aloha; ny entana eny ihany fa tsy hoe nanjavona akory. Ny toaka koa ange ry ari tsy mandany vola araka ny fiheverana azy e, kely fotsiny no sotroina dia efa dozy.:-P:wink:. Ary iny fahasambarana sarintsariny iny mihitsy aza no tena nilaina.
Fa raha ny amiko indray dia rehefa tsy misy problem aho vao manao mamo ka:lol: Fa rehefa misy dia zavatra hafa indray no itondrako ny baolina.

soanja> Hay ve misy an'izany koa ry soanja? misaotra anao indray aloha nampahalala izany transhumanists izany.

xxx>=))
8. soanja ( 08/11/2007 17:24)
Kwasi betsaka ny zavatra katsahin'ireo olona ireo fa miandry kely isika na mila manana faharetana; anisan'ny karohany dia ny fanafoana ny fahafatesana na ny fanalavana ny fotoana hiainantsika olombelona.

Ny tena tadiavin'i kwasi zany dia ny fanamaivanana ankoatran'ny toaka sy ny drogue manimba e.
Misy tokoa io.

Efa nanandrana nanao meditation ianao? na ny yoga? manampy tokoa io teknika io satria hiala sasatra tanteraka ny saina sy ny vatana ary hanjaka ny fanahy mpankahery!

9. Kwasi ( 08/11/2007 18:01)
soanja:
Efa nanandrana nanao meditation ianao? na ny yoga? manampy tokoa io teknika io satria hiala sasatra tanteraka ny saina sy ny vatana ary hanjaka ny fanahy mpankahery!


Efa nanandrana yoga tokoa aho fa nisy zavatra nitranga tamiko dia tsy sahy namerina intsony. Postures sasantsasany miaraka @ exercice de respiration ihany sisa no ataoko rehefa te hi-relax.

anisan'ny karohany dia ny fanafoana ny fahafatesana


Lasa lavitra koa izany revirevin-dry zalahy izany an.
10. simplex ( 08/11/2007 19:53)
Jesoa:
inty no rako, raiso ary sotroy,
manaova izao ho fahatsiarovana ahy
11. keyoann ( 09/11/2007 00:13)
Kwasi:

Raha tsy nisy ny toaka dia be no lasa adala. Soa ihany.
Raha tsy nanana fahafahana hamono ny eritreriny @ toaka ny olona dia mety hisy fiantraikany @ sainy ny fitambesarana sy ny fivangongoan'ny olana eritreretiny lava ao. Mba hahafahan'ny saina miasa ara-dalana anefa dia mila miala sasatra izy io. Eo anoloan'ny rotorotom-piainana anefa dia tsy ny rehetra no afaka mampi-relax ny sainy @ fomba normal. Ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe soa ihany fa teo ny toaka ho hitsin-dalana.
Ekena fa tsy manala ny problem misy akory izy, fa kosa mba anisan'ny support manamaivana ny stress.
(Nefa na izany aza raha mpisotro ianao dia aza manararaotra be loatra fa sady manimba ny fahasalamana izy io no mety hampanao anao ny fomba tsy fanao)



sao de mba dokam-barotra na taoka kosa ary iz ity?;-)
Fa na inn na inn hevitra mety anatsarana ny taoka d hoy fotsiny aho hoe tsy tsara ho an ny fahasalamana ny taoka
12. soanja ( 09/11/2007 00:42)
Kwasi:

soanja:
Efa nanandrana nanao meditation ianao? na ny yoga? manampy tokoa io teknika io satria hiala sasatra tanteraka ny saina sy ny vatana ary hanjaka ny fanahy mpankahery!


Efa nanandrana yoga tokoa aho fa nisy zavatra nitranga tamiko dia tsy sahy namerina intsony. Postures sasantsasany miaraka @ exercice de respiration ihany sisa no ataoko rehefa te hi-relax.

anisan'ny karohany dia ny fanafoana ny fahafatesana


Lasa lavitra koa izany revirevin-dry zalahy izany an.


Tianao zaraina eto ny nitranga taminao nandritra ny fanaovana yoga? Mahaliana ahy mantsy izany.

Ilay izy manko tena tsy tokony hisy zavatra mitranga goavana fa relaxation tanteraka no tokony ho tsapa. Ireny yoga any Dago ireny aloha ny fahitako azy tsy izy satria misy mahalasa adala tokoa.
Ilay resahiko dia gym fotsiny miaraka amin'ny fanatoniana ny saina izay misy teknika arahina.

Ny hoe anafoana ny fahafatesana aloha mino aho fa mbola nofy amzao saingy hotanterany tokoa rehefa voavaly daholo izay tsy mazava aminy.
Ny fanalavana ny andro iainana aloha dia efa vitandry zareo tsara tokoa ka efa afaka miakatra 112 ans mahery ny habetsaky ny olona antitra vao maty raha ireo izay nanaovany fanandramana.



13. patrick2002 ( 09/11/2007 01:50)
Ny taoka lesy tsy hialako
Na iza na iza hitora-bato
Na i dada na i mama hanatsatso
Rehefa misotro aho tsy mila mpanafosafo

Lazaina fa ny taoka mahadomelina
hoy ry kala mpanelingelina.
Haratsina ampitoviana @ eau de javel
Nefa rehefa misotro azy ao dia velona

Rehefa misotro aho dia tonga lafatra
Hitako ny fiainana fa tena sambatra
hadinoko ny forefiny toy ny varatra
na andro manorana mipatrapatraka

Izay ary no izy fa tapitra ny lera
Zao ihany aho dia hampidina Johny Walker
hitady glacons hararaka anaty vera
Aza misy tezitra ,na hanao oera oera
14. niryna ( 09/11/2007 21:22)
Kwasi:

Raha tsy nisy ny toaka dia be no lasa adala. Soa ihany.
Raha tsy nanana fahafahana hamono ny eritreriny @ toaka ny olona dia mety hisy fiantraikany @ sainy ny fitambesarana sy ny fivangongoan'ny olana eritreretiny lava ao. Mba hahafahan'ny saina miasa ara-dalana anefa dia mila miala sasatra izy io. Eo anoloan'ny rotorotom-piainana anefa dia tsy ny rehetra no afaka mampi-relax ny sainy @ fomba normal. Ka izay no mahatonga ahy hiteny hoe soa ihany fa teo ny toaka ho hitsin-dalana.
Ekena fa tsy manala ny problem misy akory izy, fa kosa mba anisan'ny support manamaivana ny stress.
(Nefa na izany aza raha mpisotro ianao dia aza manararaotra be loatra fa sady manimba ny fahasalamana izy io no mety hampanao anao ny fomba tsy fanao)




Mitombona ny lazainao fa ny toaka no fanalan'ny olona eritreritra.Tsy mahafoana izany eritreritra be izany anefa io fa vao maika manary an-kady.Sady ao anaty baiboly koa ny mamolava fa tsy ny misotrosotro kely an.Tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra.
Manimba ny fiaraha-monina,ny tokan-trano,ny fiainan'ny olona mianakavy noho io ihany.Ary maro ny vady no mijaly raha sendra mamolava ilay rangahy.
Fanafodiny,raha mbola tsy tafiditra dia aza manandrana fa mijaly ny manodidina anao.
15. patrick2002 ( 10/11/2007 01:04)
zah koa mahita fa ny fivavahana mamarina ankady raha atao be loatra ,tsy misy sahala @ hatoniny :-D:-D:-D
16. sarobidy ( 10/11/2007 12:30)
de mazotoa daholo ary isika misotro toaka eee! samia manao izay mahadiavolana ny sainy :lol:
17. Kwasi ( 12/11/2007 10:49)
soanja> Aleo @ manaraka lazaiko. Ilay izy koa aloha tsy nanana moniteur aho fa boky no narahako e. Angamba mety nanaonao foana ihany aho t@ ilay izy.

keyoann> Tsy hoe dokambarotra akory fa mba fandinihana ny fiaraha monina fotsiny ny ahy.
Tsy mahafoana izany eritreritra be izany anefa io fa vao maika manary an-kady

Ekeko fa tsy manafoana ilay izy, fa saingy kosa mamela ny saina hanadino anatin'ny fotoana vitsivitsy. Ary iny nefa no tena nilaina.

sarobidy> Dia somary asiantsika brochettes eny @ bord eee!:lol:
18. sarobidy ( 12/11/2007 15:20)
ie =D =D fa za spekta fotsn fa tsy mandray anjara
19. Veloo ( 13/11/2007 14:02)
fahavalo be io

Manimba ny fiaraha-monina,ny tokan-trano,ny fiainan'ny olona mianakavy noho io ihany.Ary maro ny vady no mijaly raha sendra mamolava ilay rangahy.
Fanafodiny,raha mbola tsy tafiditra dia aza manandrana fa mijaly ny manodidina anao.


nyrina ie=D=D=D

mila mianatra misedra ny fiainana isika fa tsy tokony mi-dependre amina zavatra ita fa tsy ahasoa ny tena...mila mahay manatanjaka ny saina miaraka amin'i Jesosy ekeo ao am-ponao tanteraka izy dia hiasa sy hanampy anao tokoa moa. Garantie 100%


simplex [ Valio ] 08-11-2007 15:31:38
Lohateny : Re : toaka: fahavalo ve?

tany i Kana i kristy nanamboatra maromaro


simplex tsy i Jesosy na ovina na ovina mihitsy ny hanome zavatra mahamamo an'ny olona...diso ny interpretation
20. bazylou ( 14/11/2007 00:50)
non, fahasivy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0954