fa inn no tombonstoa azo avy @ fahafatesana?

1. bosista ( 08/11/2007 10:23)
mba misy mahay manazava ve ,(teny avy@ soratra masina) fa tsy finoanoanm-poana, hoe inn no tombotsoa azo avy @ fahafatesana? ny filozofiany sns...? ny biby amam-borona(izay fihinana) izao de amin'ny tombotsoan'ny olombelona ny fahafatesan'izy ireny satria atao laoka ,sakafo sns...fa amin'ny tombontsoa n'iza kosa ny fahafatesan-tsika? natao ho an'iza?
zavatra fantako fotsiny de hoe Andriamnitra tsy manao ny ratsy,nefa matoa nanao ny fahafatesana Izy dia misy hatsarany ao,inona ary izay zvtr izay,fa toa milonjehitra daholo izay nilaozan'ny havany?
novalian'i niryna ny 11/11/2007 05:48
2. LazaDaddy ( 08/11/2007 10:37)
1) Tsy Andriamanitra no nanao an'io fa ny olona no nisafidy fahafatesana
Genesisy 2:17:
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.


2) Tsy afa-mamonjy ny tenany anefa ra-olombelona
Romana 3:23:
fa samy efa nanota ny rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra



3)Ny farany dia Andriamanitra mihitsy no nanolo-tena, nanolotra ny zanany ho faty amin'ny toerantsika olona, sy nitsangana tamin'ny maty mba hanantsika ilay fiainana mandrakizay ao aminy indray.
1 Tesaloniana 5:9-10:
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.

3. bosista ( 08/11/2007 11:11)
ka maninona ary rehefa maty ny olona iray dia lazaina hoe: nantsoin'ny Ray hody any aminy?
angamba raha nampisafidina isika ny ho velona sy ho faty ataoko angambany fa tsy hisy ny hisafidy izany hoe te ho faty izany mihintsny!
tsy hoe zaho mitsipaka ny soratra masina fa : toa tsy maty ry zareo tamin'io andro izay nihinanan-dry zareo an'io voankazo fa toa taona maro taty aoriana vao maty? fa aiza ny fahatanterahan'ny soratra masina amin'izany? maninn raha nolazaina hoe ho faty ianareo indray andro any fa tsy hoe menace be de preciser-na le andro ahafatesana hoe ,@ fotoana ihinana ilay voankazo,?
de tsy misy lalan-kafa ve anavotan'A/tra antsika ankoatran'ny fanolorany tena ,@ alalan'ny fahafatesan'ny zanany? tsy mbola manamafy ny fahafatesana ve Izy amin;izany? ka le io zvtr fonosin'ny fahafatesana io anie no ilaina ho fantatra izao e!
4. LazaDaddy ( 08/11/2007 11:25)
isika dia noharian'Andriamanitra mitovy aminy (image), Fanahy.
bosista:
ka maninona ary rehefa maty ny olona iray dia lazaina hoe: nantsoin'ny Ray hody any aminy?
anontanio izay mpiteny an'izany fa izaho aloha tsy mpiteny an'izany satria mampandainga ny Ray aho raha tsy nantsoina nankany ilay oona fa sanatria lasa lalan-kafa
bosista:
angamba raha nampisafidina isika ny ho velona sy ho faty ataoko angambany fa tsy hisy ny hisafidy izany hoe te ho faty izany mihintsny!
Izaho misafidy ny ho velona ao @ i Kristy, izany hoe fahafatesan'ny ota :).
bosista:
tsy hoe zaho mitsipaka ny soratra masina fa : toa tsy maty ry zareo tamin'io andro izay nihinanan-dry zareo an'io voankazo fa toa taona maro taty aoriana vao maty?
Mino aho fa maty tamin'io fotoana io mihitsy ny fanahiny satria nisafidy ny ho faty izy. Ny vatany indray (materiel) ilay lazainao hoe taona maro taty aoriana vao maty. Io resaka materialy io no famitahan'i Satana antsika, hoy i satana mantsy hoe: "tsy ho faty akory ianao fa ahiratra" (resaka materialy io na ilay tsy fahafatesana na ilay fahiratana) :)
5. salmo1 ( 08/11/2007 11:30)
bosista:
fa inn no tombonstoa azo avy @ fahafatesana?

raha ny finoako no lazaiko dia izao:
raha maty sy voavela heloka enao dia Fiainana Paradisa mandrakizay no tombotsoa, raha maty tsy voavela heloka kosa dia fahaverezana no hitondrana anao.
;-)
6. prime ( 08/11/2007 11:54)
Miombon-kevitra amin'i LD sady mazava tsara...

Bosista> tsy maintsy mandalo fahafatesana ny famonjena satria izay ilay planin'Andriamanitra... raha tsy maty Kristy tsy tanteraka ny famonjena satria ny fahafatesan'i Kristy no manambara ny fahafatesan'ny ota sy fahatanterahan'ny sorona nanomezana ilay zanak'ondry tsy misy kilema... ary ny fitsanganany tamin'ny maty no manambara ny fandresena faratampony ilay fahavalo...

"fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;" II Timoty 1:10

Ny tombotsoa azo amin'ny fahafatesan'i Kristy dia ilay famindrampo sy famelan-keloka feno nomena ny olona ka ananany antoka ny amin'ny famonjena raha toa ka inoany izany... ny tombotsoa azo amin'ny nitsanganany tamin'ny maty indray dia ilay antoka ny amin'ny fiainana ho avy ka iarahana miaina Aminy rahatrizay...
7. koffman ( 08/11/2007 12:25)
tsy hoe zaho mitsipaka ny soratra masina fa : toa tsy maty ry zareo tamin'io andro izay nihinanan-dry zareo an'io voankazo fa toa taona maro taty aoriana vao maty? fa aiza ny fahatanterahan'ny soratra masina amin'izany? maninn raha nolazaina hoe ho faty ianareo indray andro any fa tsy hoe menace be de preciser-na le andro ahafatesana hoe ,@ fotoana ihinana ilay voankazo,?

diso be enao, Andriamanitra reefa miteny de zavatra PRECIS fôna ary tsy mba mandainga.
Ny ao @ Baiboly ry namako de milaza fa
01 andro @ fanisan'Andriamanitra = 1000 taona @ fanisan'olombelona. Omeko anao ny toko sy andininy misy an'io @ manaraka fa sendra nahita an'le dinika fotsiny za de niditra.
Ka rah niteny Andriamanitra oe @ andro hihinananao an'io de ho faty tokoa enao. tsy nandainga Izy : Tsy nisy olombelona nahatratra andro iray akory @ fanisan'Andriamanitra rah ny ao Baiboly no jerena. tsisy nahazo 1000 taona izany na ny iray. Tsy nahatapitra andro 1 t@ fanisan'Atra akory anie i Adama e!
8. koffman ( 08/11/2007 12:44)
Io le izy ry Bosista a, tsy nahatapitra 1 andro akory i Adama sy Eva de maty.
IIPetera 3:8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. IIPETERA 3
9. rabilabila ( 08/11/2007 13:51)
Iray ihany : lasa Ramalala:-D ; satria maty vao Ramalala :-D

Tandremo ndray sao dia misy tezitra an!!
10. 100tinl ( 08/11/2007 14:26)
Ny fahafatesana ange tsy inona akory fa vavahady idiranao amin'ny "mandrakizay" é ! Fa ilay mandrakizay no 2 samihafa :
- 1 / raha nino an'i Jesoa Kristy maty hamonjy anao @ fahotanao ianao dia miditra any @ Fiainana Mandrakizay, fifaliana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra,
- 2 / raha naniratsira ny famonjena nataon'i Jesoa ianao ka tsy mino Azy nandritry ny andro nahavelomanao DIA fisarahana mandrakizay sy fijaliana mandrakizay no anjaranao aorian'ny fahafatesana !

Tandremo sao diso safidy ary @ izao androm-pahavelomanao izao.
11. soanja ( 08/11/2007 16:11)
Raha araka ny finoana Kristianina dia tsy tombotsoa ny fahafatesana satria aminy ny fahafatesana dia valin'ny ota.

Fa raha kosa jerena amin'ny tsy fisainana Kristianina dia mitondra FITONIANA hoa n'ireo izay mijaly ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy ny FAHATESANA.

Azo jerena tsara anefa ny eo ampovoan'io hoe amin'ny fotoanan'ny ahoana ny olombelona iray no tokony hofaty ary ahoana ny fihevitr'Atra momba izany.
12. fijo ( 08/11/2007 20:57)
bosista an,valio ity de itan'ialahy ny valiny.

raha tsy nisy maty ny olombelona hatramin'ny nisiany,de taiza ise no nasisika?
13. koffman ( 09/11/2007 12:38)
Tsisy hoe mahazo tombotsoa @ fahafatesan'ny olona iray izany, le maty ihany no mahazo ny tombotsoany rah toa ka PARADISA no valin'asany tety an-tany.
14. bosista ( 09/11/2007 14:29)
L/D>> de tsy hatao hoe nody any amin'I Ray izany ianao fa hatao hoe aiza no adresinao,rehefa hody?
koffman>> Andriamnitra ange tsy nilaza hoe ho faty ao anatin'ny iray andro ry Adama sy Eva!! ary ny filazanao fa tsy nahatapitra ny andro iray amin'ny fanisan'A/tra i Adam midika izany fa tsy precis tsara ny fotoana omen'A/tra!
Fijo>> aiza no tsy hisy toerana eo? mbola betsaka ny toerana banga eto ambony tany mihoatra ny tany onenan'olona,ao koa ny desert...snsmboal miantoka i Horombe ao!ary raha fenoana bulding daoly ireny de aona?
Soanja>>tsy mahita tombontsoa @ fhftsn izany ny kristianina?!!!:?:
15. prime ( 09/11/2007 14:57)
soanja:
Raha araka ny finoana Kristianina dia tsy tombotsoa ny fahafatesana satria aminy ny fahafatesana dia valin'ny ota.
raha ny finoana kristiana kosa dia misy tombotsoa ny fahafatesana soanja a...

Ny tombotsoa iray voalohany dia ny fahafatesana ao amin'i Kristy dia manambara famelan-keloka... ary io no anisan'ny fototra iray lehibe ao amin'ny finoana kristiana dia ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana (vao izay nitsangana tamin'ny maty, efa nambarako fa fandresena lehibe)... no manambara ihany koa ny fahafatesan'y mpino iray nanombo ny otany sy ny momba azyteo amin'i hazofijalian'i Kristy...

Ny tombotsoa faharoa dia ilay fitsaharana ao amin'i Kristy ka iandrasana ilay trompetra fiantsoana hiditra any amin'ny fanjakàny...

Ny fahafatesana ambaranao io mantsy dia ilay fahafatesana vokatry ny ota... ary ota noho ny herin'ny didy sy ny lalàna... amin'io dia fanambaram-pahafatesan'ny fanahy tokoa io, ka na velona aina miriaria aza ilay olona dia maty satria ny fanahiny tafasaraka amin'Andriamanitra, ilay tena fiainana...
16. ikaretsaka ( 09/11/2007 18:56)
misy teny izay manao hoe, ary olomasina no niteny azy

"ny olona mivakiloha sahady @ ny fiainana mbola tsy miseho dia ireo olona be ahiahy , tsy manana atao sahady @ ity fiainana ity! sadasada ihany izy ireny"
(St Jean Marie Vianney)
17. fijo ( 09/11/2007 23:39)
ekeko 100% ity tenin'i ika farany ity.

bosista,malala eto satria efa be ny maty,fa raha hatramin'ny andron'i jesoa fotsiny no tsy nisy maty efa tototra teto.
18. soanja ( 10/11/2007 01:23)
bosista:

L/D>> de tsy hatao hoe nody any amin'I Ray izany ianao fa hatao hoe aiza no adresinao,rehefa hody?
koffman>> Andriamnitra ange tsy nilaza hoe ho faty ao anatin'ny iray andro ry Adama sy Eva!! ary ny filazanao fa tsy nahatapitra ny andro iray amin'ny fanisan'A/tra i Adam midika izany fa tsy precis tsara ny fotoana omen'A/tra!
Fijo>> aiza no tsy hisy toerana eo? mbola betsaka ny toerana banga eto ambony tany mihoatra ny tany onenan'olona,ao koa ny desert...snsmboal miantoka i Horombe ao!ary raha fenoana bulding daoly ireny de aona?
Soanja>>tsy mahita tombontsoa @ fhftsn izany ny kristianina?!!!:?:


Ie tsy mahita ka. Ny fahafatesana amin'ny Krsitianina dia sazy raha ny ao amin'ny baiboly.

Ny hany azoko lazaina hoe tombotsoa amin'izany raha Kristiaina dia ny hoe ho faty mba ho velona indray ao amin'i Kristy Mandrakizay.
Zany hoe ny Batisa dia sariteny amin'izany ; hoe maty ianao de teraka indray ao amini Kristy. Miroboka ao anaty rano ny lohan'ilay mpino = fahafatesana izay
Miverina mivoaka ny rano= velona indray na zanak'Andriamanitra amin'izay na manana an'i Kristy ho fiainam-baovao.

Ny fanirian'ny Kristiaina raha tena manaraka tsara ny fandehany ao amin'ny baiboly dia ny tonga ilay fotoana tsy ampoizina hiveranan'i Kristy Mpanjaka ary izy rehetra hiakatra toy ny indray mipi-maso eny amin'ny rahona. Tsy hisy hofaty izany fa miakatra velona e.

NY FAHAVELOMANA AO AMIN'I ANDRIAMANIITRA ANEFA dia tsy miaraka amin'ity vatantsika ity fa FANAHY daholo no MIAINA. Hiala ny vatantsika ary ny fanahy no hanenika amin'ilay Jerosalema vaovao. :-*:-*

Raha izay dia mila maty aby isika aloha vao possible izay. Raha tsy hoe tonga ILAY FOTOANA. NY FIANDRASANA ilay fotoana anefa dia eo no milalao ny finoana isan-karazany.


19. ikaretsaka ( 10/11/2007 02:38)
miombon0kevitra amin'i Soanja.. indrindra @ ilay hoe

Raha izay dia mila maty aby isika aloha vao possible izay. Raha tsy hoe tonga ILAY FOTOANA. NY FIANDRASANA ilay fotoana anefa dia eo no milalao ny finoana isan-karazany.


20. soanja ( 10/11/2007 03:31)
Efa arakao le izy Ika ka!:):-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0431