Miteniteny foana ny mpifankatia h@zay

1. midjoh ( 08/11/2007 09:32)
aleo tonga dia teneniko. ra ny tena marina dia tsy mety ny miteny hoe " tiako @ FOKO manotolo ianao ry malala" satria tsy ny fo no miteraka EMOTION zany mitsy fa ny saina no mamolavola ny zavatra mitranga ka ra tena tia marina ianao dia lazao fotsiny hoe : "TIAKO @ SAIKO IANAO " mazava angamba izay mifankatiava @zay e !:*
répondu par midjoh le 27/12/2007 07:59
2. lapino ( 08/11/2007 10:15)
an an an ka, i midjoh no miteniteny foana :b:wink:

ilay fo mitempo midika aina; dia mba hi-concretiser-na an'ilay aina dia fo no lazaina.
dia lasa hoe :

tiako amin'ny foko manontolo = tiako amin'ny aiko manontolo

Ny fitiavana ange TSY EMOTION e. Misy fihetseham-po ny olona tia, fa tsy fihetseham-po akory ny fitiavana. :wink:

Ny fitiavana dia FIRAISANA (firaisam-batana, firaisan-tsaina, firaisam-panahy). Na azo atao koa hoe "aina mifamatotra".
3. xxx ( 08/11/2007 10:30)
ny fo no mi sentir ny fitiavana na tsia, izay vao mibaiko ny saina , izany hoe azo atao tsara ny manao hoe tiko amin'ny foko manontolo enao:wink:
4. lapino ( 08/11/2007 10:40)
rehefa eritreretina indraindray toa aleo avela ohatra an'io an'i xxx io ihany ny fahazoana an'ilay "fitiavana". :wink:

Arakaraka ny ahafahana mamaritra azy manko no toa vao mainka mahavery lanja azy.
5. caprio ( 08/11/2007 11:23)
Azavao kely we inona no mahatonga ny dokotera hiteny we maharary fo enao? betsaka mantsy ny olona marary fo rehefa maty ny olon-tiany na ny zanany,zany we ny fony manontolo no nitiavany aniny olona iny matoa marary fo izy,ary ny saina koa anefa afaka manasitrana ny fo,zany we refa matanjaka tsara ny sainao de tsy marary fo enao,mifandray zany ny saina sy ny fo.Tsy hitako tsara izay anazavana azy fa anjaranareo ndray zao no manazava
6. pulchery ( 08/11/2007 11:55)
ny ahy aloha tiko @foko manontolo izy e
7. simplex ( 08/11/2007 12:23)

marimaritra iraisana zany e,
na ny fo na ny saina na ny aina dia mikambana @ vatana doly e,

Noho izany: tiako @ vatako manotolo enao :P

;-)
8. xxx ( 08/11/2007 14:17)
tandremo koa anefa sao dia lasa an'ilay hoe olon'ny fo be loatra ka manao zavatra tsy ampisainana:-P
9. simplex ( 08/11/2007 14:24)
xxx:
tandremo koa anefa sao dia lasa an'ilay hoe olon'ny fo be loatra ka manao zavatra tsy ampisainana
tiako @ vatako manotolo mety hivadika hoe tinao ve ny vatako? :roll::P
10. sitlo ( 08/11/2007 14:28)
"Le cœur a ses raisons que la raison ne connaît point".
11. xxx ( 08/11/2007 14:34)
Asa ianareo raha efa tratra ny we tinao be @ fo le ol nefa ny sainao manda tsy hitia azy.Mijaly be rehefa tratran'izay an! :?
12. sitlo ( 08/11/2007 14:38)
=)) Iza no ho tratran'izany eo?
13. simplex ( 08/11/2007 14:43)

ao anatin'ny tratra no misy ny fo k ra be tratra enao dia mety tsy hifankahazo ny fo sy ny saina 8)
14. xxx ( 08/11/2007 14:53)
simplex:

xxx:
tandremo koa anefa sao dia lasa an'ilay hoe olon'ny fo be loatra ka manao zavatra tsy ampisainana
tiako @ vatako manotolo mety hivadika hoe tinao ve ny vatako? :roll::P


iny indray fanotaniana mila valiny iny????dia eo ny saina no miasa fa tsy ny fo itsony....:-P


15. simplex ( 08/11/2007 14:59)

indraindray na manda be aza ny sainao, ny fonao, izay tia azy @ fonao manotolo, manaiky. Mijaly be ny tratra @ zay! :?
16. xxx ( 08/11/2007 15:06)
mijaly tokoa raha ny fo mitempo manontolo ho azy anefa ny sainao tsy mety fa mandà mafy...
kanefa aleo izay satria efa nieritreritra lalina ianao , indraindray mantsy ny fo mamitaka, ka ny tsara indrindra dia tsy maintsy ampiarahina miasa ireo vao manatateraka ny zavatra atao indrindra eo amin'ny lafin'ny fitiavana....:-P
17. xxx ( 08/11/2007 15:09)
jotohizako kely, misy koa anefa misy olona tonga dia taitatra ny sainy ohatra miteny hoe tena mbo reviko loatra iny olona iray iny, isaky ny mahita ilay olona izy dia mieritretra an'izany ihany ao antsainy ao, kanefa etsy andaniny ny fony manao hoe , an a an ka! tsy azoko hatao ny hitia an'iny satria noho izao antony izao...sarotra beuh!:?
18. simplex ( 08/11/2007 15:13)

satry hampijaly tena izany satria otran'ny misy manohana mintsy ny tratra @ zavatra toy izany. 8)
19. cutie ( 08/11/2007 15:21)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 08-11-2007 15:17:23
Lohateny : Re : Miteniteny foana ny mpifankatia h@zay
tandremo koa anefa sao dia lasa an'ilay hoe olon'ny fo be loatra ka manao zavatra tsy ampisainana

: xxx [ Valio ] 08-11-2007 16:09:13
Lohateny : Re : Miteniteny foana ny mpifankatia h@zay
jotohizako kely, misy koa anefa misy olona tonga dia taitatra ny sainy ohatra miteny hoe tena mbo reviko loatra iny olona iray iny, isaky ny mahita ilay olona izy dia mieritretra an'izany ihany ao antsainy ao, kanefa etsy andaniny ny fony manao hoe , an a an ka! tsy azoko hatao ny hitia an'iny satria noho izao antony izao...sarotra beuh!
20. xxx ( 08/11/2007 15:28)
simplex:


satry hampijaly tena izany satria otran'ny misy manohana mintsy ny tratra @ zavatra toy izany. 8)


dia ny aleo mitandrina ihany, dia aleo mba tsy ho voany ihany....satria ra olombelona be fitiavana dia tsy mety fay mihitsy amin'ity resaka fitiavana ity:wink:


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5292